Tena Mahafantatra Anao Tokoa ve Andriamanitra?
“Jehovah ô, (...) fantatrao tsara ny alehako rehetra.” — SALAM0 139:1, 3.
1. Toy inona no fielezan’ilay fiheverana fa ‘tsy takatry ny hafa’ ny tebiteby sy ny zava-manahirana ary ny fanerena atrehintsika?
MISY olona tena mahatakatra tokoa ny tebiteby sy ny fanerena ary ny zava-manahirana atrehinao ve? Maneran-tany, dia misy olona an-tapitrisany maro, tanora sy antitra, izay tsy raharahain’ny fianakaviana na havana izay manjo azy. Na dia ao anatin’ny fianakaviana aza, dia misy vehivavy maro — eny, sy lehilahy maro koa — mihevitra fa ny vadiny dia tsy tena mahatakatra marina ny fanerena izay manaketraka azy ireo. Indraindray, noho ny fahakiviana, dia manohitra toy izao izy ireo: “Tsy takatrao ilay izy!” Ary tanora maro no nanatsoaka hevitra fa tsy misy mahatakatra ny mahazo azy ireo koa. Eo anivon’ireo izay naniry fatratra fahatakaran’ny hafa bebe kokoa ny mahazo azy anefa, dia misy olona sasany izay nanjary nanana fiainana nisy heviny lehibe. Ahoana no hetezan’izany?
2. Inona no afaka mahatonga an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah hanana fiainana izay tena mahafa-po tokoa?
2 Satria, na mahatakatra tanteraka ny fihetseham-pon’izy ireo na tsia ny olombelona toa azy, dia matoky izy ireo fa mahatakatra izay manjo azy Andriamanitra ary, amin’ny maha-mpanompony azy dia tsy voatery hiatrika irery ny zava-manahirana azy izy ireo. (Salamo 46:1). Ankoatra izany, ny Tenin’Andriamanitra, miaraka amin’ny fanampian’ireo loholona kristiana mahay manava-javatra, dia mahatonga azy ireo hijery any ankoatran’ny zava-manahirana azy ireo manokana. Ny Soratra Masina dia manampy azy ireo hahatakatra tsara fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ny fanompoana ataony amim-pahatokiana ary misy hoavy azo antoka ho an’izay mametraka ny fanantenany aminy sy amin’ireo fandaharana nataony tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. — Ohabolana 27:11; 2 Korintiana 4:17, 18.
3, 4. a) Amin’ny ahoana ny fahatakarana tsara fa i “Jehovah no Andriamanitra”, ary ny hoe izy no “nanao antsika” no manampy antsika hahita fifaliana eo amin’ny fanompoana azy? b) Nahoana isika no matoky tanteraka ny fikarakarana feno fitiavan’i Jehovah?
3 Mety ho efa mahazatra anao ny Salamo 100:2, izay milaza hoe: “Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” Firy marina tokoa moa no manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah amin’izany fomba izany? Misy antony tsara hanaovana izany, omena eo amin’ny andininy faha-3, izay mampahatsiaro antsika toy izao: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” Ao amin’ilay soratra hebreo, eo izy dia antsoina hoe ʼElo·himʹ, ka milaza amin’izany ny halehibeny eo amin’ny voninahitra sy ny fahamendrehana ary ny hatsarana. Izy no hany Andriamanitra marina. (Deoteronomia 4:39; 7:9; Jaona 17:3). Manjary mahafantatra ny maha-Andriamanitra azy ny mpanompony, tsy hoe toy ny zava-misy iray nampianarina azy ireo fotsiny, fa toy ny zavatra andraman’izy ireo, sy anomezan’izy ireo porofo amin’ny fankatoavana sy fatokiana ary fifikirana. — 1 Tantara 28:9; Romana 1:20.
4 Koa satria i Jehovah no ilay Andriamanitra velona izay afaka mahita na dia ny fontsika aza, dia tsy misy na inona na inona miafina amin’ny masony. Fantany tanteraka izay mitranga eo amin’ny fiainantsika. Takany izay nahatonga ireo zava-manahirana atrehintsika ary koa ny fikorontanana lehibe ara-tsaina sy ara-pihetseham-po izay mety haterak’izany. Amin’ny maha-Mpamorona azy, dia mahafantatra antsika kokoa izy noho fahafantarantsika ny tenantsika. Fantany koa ny fomba hanampiana antsika hiatrika amim-pandresena ny tarehin-javatra misy antsika sy ny fomba hanomezana fanamaivanana maharitra. Hanampy antsika amim-pitiavana izy — sahala amin’ny mpiandry ondry iray izay mitrotro ny zanak’ondry eo an-tratrany — rehefa matoky azy amin’ny fontsika rehetra isika. (Ohabolana 3:5, 6; Isaia 40:10, 11). Ny fianarana ny Salamo faha-139 dia afaka mahavita zavatra betsaka mba hanatanjahana izany fatokiana izany.
Ilay mahita ny alehantsika rehetra
5. Inona no dikan’ny hoe ‘mandinika’ antsika i Jehovah, ary nahoana izany no faniry?
5 Tamim-pankasitrahana lalina, dia nanoratra toy izao i Davida mpanao salamo: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.” (Salamo 139:1). Natoky i Davida fa tsy ivelany fotsiny ny fahalalan’i Jehovah azy. Andriamanitra dia tsy nahita an’i Davida toy ny mety ho nataon’olombelona, ka tsy hahamarika afa-tsy ny tsanganany ara-batana, ny fahaizany miteny, na ny fahaizany mitendry lokanga. (1 Samoela 16:7, 18). “Efa nandinika” tao amin’ny lalina indrindra amin’ny tenan’i Davida i Jehovah, ary nanao izany tamim-piahiana amim-pitiavana Izy mba hahasoa azy ara-panahy. Raha mpanompon’i Jehovah nanolo-tena ianao, dia mahafantatra anao tsara izy, toy ny nahafantarany an’i Davida. Moa ve izany tsy manaitra ao anatinao fahatsapana fankasitrahana sy tahotra feno fanajana?
6. Ahoana no anehoan’ny Salamo 139:2, 3 fa fantatr’i Jehovah izay rehetra ataontsika, na dia izay rehetra eritreretintsika mihitsy aza?
6 Niharihary teo imason’i Jehovah ny asan’i Davida rehetra, ary fantatr’i Davida izany. “Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako”, hoy ny nosoratan’ilay mpanao salamo. “Mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny [ianao]. Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.” (Salamo 139:2, 3). Ny maha-any an-danitra an’i Jehovah, mifanalavitra be amin’ny tany, dia tsy manakana ny fahafantarany izay nataon’i Davida, na izay noeritreretiny. ‘Voadininy’, na nozahany tamim-pitandremana ny asan’i Davida tamin’ny andro sy tamin’ny alina, mba hahafantarana ny toetran’izy ireny.
7. a) Amin’ny fampiasana zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Davida ho fototra, dia manomeza fanazavana ny amin’ny zavatra sasany eo amin’ny fiainantsika izay fantatr’Andriamanitra. b) Amin’ny ahoana ny fahafantarana izany no tokony hisy akony eo amintsika?
7 Rehefa nanosika an’i Davida hanolo-tena hiady tamin’ilay goavana filistina natao hoe Goliata ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fatokiana ny fahefany hamonjy, fony izy zatovolahy, dia nahafantatra izany i Jehovah. (1 Samoela 17:32-37, 45-47). Tatỳ aoriana, rehefa nahatonga fanaintainana mafy tamin’ny fon’i Davida ny fankahalan’ny olona, rehefa lehibe aoka izany ny fanerena ka tsy nahatana ny ranomasony izy tamin’ny alina, dia nahazo fampiononana izy tamin’ny fahafantarana fa nandre ny fitarainany i Jehovah. (Salamo 6:6, 9; 55:2-5, 22). Toy izany koa fa rehefa nahatonga an’i Davida hisaintsaina ny amin’i Jehovah nandritra ny alina tsy nahitan-tory ny fo feno fankasitrahana, dia nahafantatra tsara izany i Jehovah. (Salamo 63:6; ampitahao amin’ny Filipiana 4:8, 9.) Indray takariva, rehefa tsy nisaintsaina zavatra ara-panahy i Davida fa nijery ny vadin’ny mpiara-monina taminy nandro, dia nahafantatra izany koa i Jehovah, ary nahita izay nitranga izy, rehefa namela ny fironan-dratsiny hanilika an’Andriamanitra ho any ivelan’ny eritreriny i Davida, na dia nandritra ny fotoana fohy aza. (2 Samoela 11:2-4). Tatỳ aoriana, rehefa nirahina mba hampifanandrina an’i Davida tamin’ny halehiben’ny fahotany i Natana mpaminany, dia tsy vitan’ny hoe nandre ireo teny nivoaka ny vavan’i Davida fotsiny i Jehovah, fa nahatsikaritra koa ilay fo nibebaka izay niavian’izany. (2 Samoela 12:1-14; Salamo 51:1, 17). Tsy tokony hampieritreritra antsika lalina ny amin’izay alehantsika sy izay ataontsika ary izay ao am-pontsika ve izany?
8. a) Amin’ny fomba ahoana ny ‘teny eo amin’ny lelantsika’ no misy akony eo amin’ny toerana tanantsika eo anatrehan’Andriamanitra? b) Ahoana no ahazoana mandresy ny fahalemena eo amin’ny fampiasana ny lela? (Matio 15:18; Lioka 6:45).
8 Koa satria mahafantatra ny zava-drehetra ataontsika Andriamanitra, dia tsy tokony hahagaga antsika ny fahafantarany ny fomba ampiasantsika ny rantsambatana iray, na dia kely toy ny lela aza izany. Nahatakatra izany i Davida Mpanjaka, ary dia nanoratra izy hoe: “Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô.” (Salamo 139:4). Fantatr’i Davida tsara fa izay vahiny horaisina tsara ao amin’ny tranolain’i Jehovah dia ho olona tsy manendrikendrika ny hafa ary tsy manaiky hampiasa ny lelany hanaparitahana resadresa-poana misy teny an-kolaka izay hanala baraka ny olom-pantatra akaiky iray. Ireo mahazo sitraka amin’i Jehovah dia olona izay milaza ny marina na dia ao am-pony aza. (Salamo 15:1-3; Ohabolana 6:16-19). Tsy misy amintsika afaka mitana ny lelany eo ambany fifehezana tanteraka, kanefa dia tsy nanatsoaka hevitra tamim-pahalemena i Davida hoe tsy nisy azony natao mba hanatsarana ny tarehin-javatra nisy azy. Nandany fotoana betsaka nanoratana sy nihirana salamo fiderana an’i Jehovah izy. Niaiky tamim-pahatsorana koa ny filany fanampiana izy ary nangataka izany tamim-bavaka tamin’Andriamanitra. (Salamo 19:12-14). Moa ve ny fampiasantsika ny lelantsika mila fiheverana amim-bavaka koa?
9. a) Milaza inona momba ny fahafenoan’ny fahafantaran’Andriamanitra ny tarehin-javatra misy antsika moa ny Salamo 139:5? b) Mahatonga antsika hatoky ny amin’inona izany?
9 Tsy mijery antsika na ny tarehin-javatra misy antsika avy amin’ny fitazanana iray voafetra fotsiny i Jehovah. Manana ny sary manontolo izy, avy amin’ny lafiny rehetra. Tamin’ny fampiasana tanàna natao fahirano iray ho ohatra, dia nanoratra toy izao i Davida: “Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao”. Tamin’i Davida, dia tsy fahavalo nanodidina akory Andriamanitra; mpiambina mailo iray kosa izy. “Apetrakao amiko ny tànanao”, hoy ny teny nanampin’i Davida, nampiseho tamin’izany ny fanaraha-maso sy ny fiarovan’Andriamanitra izay natao mba hahasoa maharitra an’ireo izay tia azy. “Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, eny, avo loatra ka tsy tratro”, hoy ny fieken’i Davida. (Salamo 139:5, 6). Tanteraka sy feno aoka izany ny fahalalan’Andriamanitra ny mpanompony, hany ka tsy afaka mahatakatra izany amin’ny fomba feno isika. Kanefa dia ampy izay fantatsika mba hatokiantsika fa tena mahatakatra ny mahazo antsika tokoa i Jehovah ary ny fanampiana omeny no ho ilay tena tsara indrindra. — Isaia 48:17, 18.
Afaka manampy antsika Andriamanitra, na aiza na aiza misy antsika
10. Fahamarinana mampahery inona no ampitain’ilay filazalazana manaitra ao amin’ny Salamo 139:7-12?
10 Nanohy ny teniny toy izao ilay mpanao salamo rehefa nandinika ny fikarakarana feno fitiavan’i Jehovah avy tamin’ny fomba fijery hafa iray: “Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?” Tsy nanam-paniriana ny handositra an’i Jehovah izy, fa fantany kosa fa na aiza na aiza mety hisy azy, dia ho nahafantatra izany i Jehovah, ary afaka nanampy izy tamin’ny alalan’ny fanahy masina. “Na dia miakatra any an-danitra aza aho”, hoy izy nanohy ny teniny, “dia any Hianao; ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita [“Sheola”, fanamarihana ambany pejy] ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, mba hitoetra any am-paran’ny ranomasina, dia mbola entin’ny tànanao ihany aho, na dia izany aza, sy hazonin’ny tànanao ankavanana. Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, — Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina.” (Salamo 139:7-12). Tsy misy toerana azontsika aleha, na toe-javatra mety hatrehintsika, izay hametraka antsika tsy ho hitan’i Jehovah na tsy ho takatry ny fanahiny mba hanampy antsika.
11, 12. a) Na dia nanadino izany nandritra ny fotoana kelikely aza i Jona, ahoana no nihariharian’ny fahaizan’i Jehovah mahita sy manampy teo amin’izay nanjo an’i Jona? b) Amin’ny ahoana ny fanandraman-javatra hitan’i Jona no tokony handraisantsika soa?
11 Nisy fotoana nanadinoan’ny mpaminany Jona izany. Nanendry azy hitory mba hanampy ny olona tao Ninive i Jehovah. Noho ny antony sasany, dia nihevitra izy fa tsy ho afaka hanatontosa izany fanendrena izany. Angamba noho ny lazan’ny Asyriana ho lozabe, dia nampahatahotra an’i Jona ny fieritreretana hoe hanompo tany Ninive. Koa nanandrana niafina izy. Teo amin’ny seranan-tsambon’i Jopa izy dia nahazo lalana handeha tamin’ny sambo iray hankany Tarsisy (mazàna ampifandraisina amin’i Espaina, maherin’ny 3 500 kilaometatra any andrefan’i Ninive). Na dia izany aza, dia nahita azy niondrana an-tsambo sy nandeha nidina natory tao amin’ny lakalin-tsambo i Jehovah. Nahafantatra izay nisy an’i Jona koa i Jehovah, rehefa natsipy tany an-dranomasina izy tatỳ aoriana, ary nandre an’i Jona i Jehovah rehefa nampanantena ny hanatanteraka ny voadiny izy tao an-kibon’ilay hazandrano lehibe. Rehefa voavonjy niverina an-tanety i Jona, dia nomena fahafahana indray izy hanatanteraka ny asa nanendrena azy. — Jona 1:3; 2:1–3:4.
12 Tsy ho tsara kokoa ve raha niantehitra tamin’ny fanahin’i Jehovah hatrany am-boalohany i Jona mba hanampy azy hanatanteraka ny asa nanendrena azy? Tatỳ aoriana anefa, dia nitana an-tsoratra tamim-panetren-tena ilay fanandraman-javatra hitany i Jona, ary hatramin’izay izany fitantarana izany dia nanampy olona maro mba haneho ilay fatokiana an’i Jehovah izay toa sarotra erỳ tamin’i Jona ny nahazo azy. — Romana 15:4.
13. a) Asa nanendrena inona avy no notanterahin’i Elia tamim-pahatokiana talohan’ny nandosirany an’i Jezebela vadin’ny mpanjaka? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Elia na dia nitady hankany amin’ny fiafenana tany ivelan’ny faritanin’ny Isiraely aza izy?
13 Somary hafa kokoa noho izany ny fanandraman-javatra hitan’i Elia. Nambarany tamim-pahatokiana ilay didin’i Jehovah hoe hiaritra hain-tany ny Isiraely ho famaizana noho ny otany. (1 Mpanjaka 16:30-33; 17:1). Nanandratra tamin-kerim-po ny fanompoam-pivavahana marina izy tao amin’ilay fifaninanana teo amin’i Jehovah sy i Bala teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. Namita hatramin’ny farany ny famonoana ireo mpaminanin’i Bala 450 teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisona izy. Rehefa nivoady tao anatin’ny faharomotana anefa i Jezebela vadin’ny mpanjaka fa hampamono azy, dia nandositra niala tao amin’ilay tany i Elia. (1 Mpanjaka 18:18-40; 19:1-4). Teo ve i Jehovah mba hanampy azy tamin’izay fotoan-tsarotra izay? Eny, mazava ho azy. Raha nianika tendrombohitra avo iray toy ny hoe nankany an-danitra i Elia; raha niafina tany an-davaka lalina tany ambanin’ny tany izy, toy ny hoe tany amin’ny Sheola; raha nandositra tany amin’ny nosy lavitra be sasany tamin’ny hafainganam-pandeha nitovy tamin’ny hazavan’ny maraina miely manerana ny tany izy — dia ho teo ny tanan’i Jehovah mba hanatanjaka sy hitarika azy. (Ampitahao amin’ny Romana 8:38, 39.) Ary tena nanatanjaka an’i Elia tokoa i Jehovah, tsy tamin’ny sakafo ho amin’ilay dia lavitra fotsiny, fa tamin’ny fampisehoana nahatalanjona ny heriny miasa koa. Rehefa nahazo hery toy izany i Elia, dia nandray ho adidy ny fanaovana ilay asa ara-paminaniana nanendrena azy nanaraka. — 1 Mpanjaka 19:5-18.
14. a) Nahoana no tsy mety ny manatsoaka hevitra hoe misy eny rehetra eny Andriamanitra? b) Tao anatin’ny toe-javatra inona avy no nanohanan’i Jehovah tamim-pitiavana ireo mpanompony amin’ny andro maoderina? d) Ahoana no maha-eo an’Andriamanitra na dia any amin’ny Sheola aza isika?
14 Ireo teny ara-paminaniana ao amin’ny Salamo 139:7-12 dia tsy midika hoe eny rehetra eny Andriamanitra, hoe eo amin’ny toerana rehetra amin’ny fotoana iray ihany ny tenany manokana. Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa tsy izany no izy. (Deoteronomia 26:15; Hebreo 9:24). Ireo mpanompony anefa, dia tsy lavitra na oviana na oviana ka tsy ho takany. Marina izany ho an’ireo izay entin’ny asa teokratika anendrena azy any amin’ny toerana lavitra be. Marina izany ho an’ireo Vavolombelona tsy nivadika tany amin’ireo toby fitanana nazia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary marina izany ho an’ireo misionera izay voatana tao amin’ny tranomaizina nitokana tany Sina nandritra ny faramparan’ireo taona 1950, sy ny fiandohan’ireo taona 1960. Marina izany ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika malala tany amin’ireo tany atsy Afrika Afovoany izay voatery nandositra imbetsaka ny tanànany, na ny taniny mihitsy aza. Raha ilaina izany, dia afaka mahatakatra hatrany amin’ny Sheola, dia ny fasana iombonana, i Jehovah ary mamerina indray ireo olona mahatoky amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty. — Joba 14:13-15; Lioka 20:37, 38.
Ilay tena mahatakatra marina tokoa ny mahazo antsika
15. a) Hatramin’ny oviana i Jehovah no afaka nandinika ny fitomboantsika? b) Amin’ny ahoana ny halalin’ny fahalalan’Andriamanitra antsika no asehon’ny firesahan’ny mpanao salamo ny amin’ny voa?
15 Teo ambanin’ny tsindrimandry, ilay mpanao salamo dia manintona ny saintsika ho amin’ny fahafantaran’Andriamanitra antsika na dia talohan’ny fotoana nahaterahantsika aza, amin’ny filazana hoe: “Fa Hianao no nahary ny voako; [nampialoka, NW ] ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:13, 14). Ny fikambanan’ireo kromozoma miantoka ny famindran-toetra avy amin’ny raintsika sy ny renintsika amin’ny fotoan’ny fahatorontoronina dia miteraka modely iray izay misy akony lalina eo amin’ny zavatra mety ho vitantsika ara-batana sy ara-tsaina. Mahatakatra izany zavatra mety ho vitantsika izany Andriamanitra. Ao amin’io salamo io dia asiana firesahana manokana ny amin’ny voa, izay matetika ampiasain’ny Soratra Masina mba hampisehoana ny lafiny anatiny indrindra amin’ny maha-izy ny olona.a (Salamo 7:9; Jeremia 17:10). Nahafantatra izany tsipirian-javatra mikasika antsika izany i Jehovah hatramin’ny fotoana talohan’ny nahaterahantsika. Izy koa ilay namolavola ny vatan’olombelona tamim-piahiana feno fitiavana mba hahatonga ny sela novokarina iray ao an-kibon-dreny hamorona fonenam-piarovana ‘hampialoka’ ilay fanjary tsaika (embryon), ary hiaro azy io eo am-pitomboany.
16. a) Amin’ny fomba ahoana no ampisongadinan’ny Salamo 139:15, 16 ny hery lasa lalina ananan’ny fahitan’Andriamanitra? b) Nahoana izany no tokony hampahery antsika?
16 Avy eo, rehefa nanamafy ny hery lasa lalina ananan’ny fahitan’Andriamanitra ny mpanao salamo, dia nanampy teny toy izao: “Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany [miharihary fa fitenenana poetika ny amin’ny kibon-dreniny, nefa koa misy filazana an-kolaka ny amin’ny famoronana an’i Adama tamin’ny vovoka]. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry [niforonan’ireo tapany amin’ny vatana], fony tsy mbola nisy na dia iray [tapany amin’ny vatana miavaka] akory aza.” (Salamo 139:15, 16). Tsy misy isalasalana ny amin’izany — na mahatakatra izay mahazo antsika na tsia ny olombelona toa antsika, i Jehovah dia mahatakatra izay mahazo antsika. Amin’ny ahoana izany no tokony hisy akony eo amintsika?
17. Rehefa mihevitra ireo asan’Andriamanitra ho mahatalanjona isika, dia manosika antsika hanao inona izany?
17 Niaiky ilay mpanoratra ny Salamo faha-139 fa nahatalanjona ireo asan’Andriamanitra izay nosoratany ny aminy. Mahatsapa izany koa ve ianao? Ny zavatra iray mahatalanjona dia mahatonga ny olona iray hieritreritra lalina na ho sondriana tanteraka handinika azy io. Azo inoana fa toy izany ny fihetsikao eo anatrehan’ireo asan’i Jehovah teo amin’ny famoronana ara-batana. (Ampitahao amin’ny Salamo 8:3, 4, 9.) Moa ve ianao mieritreritra toy izany koa ny amin’izay nataony tamin’ny fanorenana ny Fanjakana Mesianika, ny amin’izay ataony mba hisian’ny fitoriana ny vaovao tsara manerana ny tany manontolo, ary ny amin’ny fomba anovan’ny Teniny ny toetra maha-izy ny olombelona? — Ampitahao amin’ny 1 Petera 1:10-12.
18. Raha hitantsika fa mahatahotra ireo asan’Andriamanitra, amin’ny ahoana izany no hisy akony eo amintsika?
18 Mba tsapan’ny tenanao toy izany koa ve fa ny fandinihana ireo asan’Andriamanitra dia mahatahotra, fa miteraka tahotra mahasoa ao aminao izany, dia tahotra izay manana hery manosika lehibe, tahotra izay misy akony lalina eo amin’ny maha-izy anao sy eo amin’ny fomba ampiasanao ny fiainanao? (Ampitahao amin’ny Salamo 66:5.) Raha izany no izy, ny fonao dia hanosika anao hankalaza an’i Jehovah, hidera azy, hitady fahafahana hilaza amin’ny hafa ny fikasany sy ireo zavatra mahatalanjona izay tahiriziny ho an’ireo tia azy. — Salamo 145:1-3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc, Boky faha-6, Ni-Ri, pejy faha-1278-1279.
Ahoana no Fanazavanao?
◻ Amin’ny ahoana ny fahafantarantsika fa “Jehovah no Andriamanitra” no manampy antsika hanompo azy amim-pifaliana?
◻ Amin’ny ahoana ny fahafantaran’Andriamanitra izay rehetra ataontsika no tokony hisy akony eo amin’ny fiainantsika?
◻ Nahoana no mampahery ny hoe tsy miafina amin’Andriamanitra na oviana na oviana isika?
◻ Nahoana Andriamanitra no afaka mahatakatra izay mahazo antsika amin’ny fomba izay tsy azon’olombelona atao?
◻ Nahoana ny fianarana toy itony no mahatonga antsika haniry hankalaza an’i Jehovah?