Mahafantatra tsara antsika i Jehovah
TENA mahafantatra antsika tokoa i Jehovah, indrindra fa raha mpanompony mahatoky isika. Tsy mahalala tsara antsika tahaka azy ny namantsika akaiky, ny havantsika ary na dia ny ray aman-drenintsika aza. Eny, mahalala antsika kokoa noho ny tenantsika aza Andriamanitra!
Izany fahalalan’i Jehovah amin’ny fomba tonga lafatra ny mpanompony izany dia fakafakaina amin’ny fomba mahafinaritra ao amin’ny Salamo faha-139. Inona no nolazain’i Davida ao amin’io Salamo io? Ary inona no tokony ho vokatry ny fahalalan’Andriamanitra antsika eo amin’ny tenintsika sy ny ataontsika?
Endrey ny habetsahan’ireo zavatra fantatr’i Jehovah!
Koa satria Mpamorona antsika Andriamanitra, dia tokony hampoizintsika ny hahalalany antsika amin’ny fomba feno (Asan’ny apostoly 17:24-28). Izany no antony nahafahan’i Davida nilaza hoe: Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.” (Salamo 139:1). Ny fahalalan’Andriamanitra an’i Davida dia toy izay azo avy amin’ny fandinihana amim-pitandremana fatratra. Faly noho ny fandinihan’i Jehovah azy ilay mpanao salamo, ka nanaiky tanteraka ny fanaraha-masony sy ny fitarihany. Toy izany koa fa ‘manankina amin’i Jehovah ny làlany amim-bavaka, ary matoky Azy’ ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fahazoana antoka fa hanao izay marina mandrakariva izy. (Salamo 37:5). Mahatsapa filaminana ara-panahy ao am-pontsika isika satria mitady ny fitarihan’ny fahendren’Andriamanitra, ary manaiky an-tsitrapo ny fitarihany. (Ohabolana 3:19-26). Sahala amin’i Davida, isika dia afaka mandray fampiononana avy amin’ny fahafantarana fa mandinika antsika Andriamanitra, mahatakatra ny zava-manahirana antsika ary vonona mandrakariva ny hanampy antsika.
“Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako”, hoy ny fieken’ilay mpanao salamo (Salamo 139:2a). Fantatr’Andriamanitra ny nataon’i Davida rehetra, ohatra rehefa nipetraka izy teo amin’ny faran’ny andro niasany, ary nitsangana ny maraina rehefa avy natory tamin’ny alina. Raha Vavolombelon’i Jehovah isika, dia aoka isika hahazo toky fa mahafantatra antsika tsara toy izany koa Andriamanitra.
Niaiky toy izao koa i Davida: “Mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny” ianao (Salamo 139:2b). Na dia monina any an-danitra lavitra aoka izany avy eto an-tany, aza Andriamanitra, dia nahalala izay noeritreretin’i Davida (1 Mpanjaka 8:43). Tsy tokony hahagaga antsika raha mahafantatra ny eritreritra toy izany i Jehovah, satria “mijery ny fo” izy. (1 Samoela 16:7; Ohabolana 21:2.) Koa satria Andriamanitra mandinika ny eritreritsika, izany dia tokony hanosika antsika hieritreritra izay zavatra madio, misy hatsaram-panahy, mendri-piderana. Mety tokoa àry ny hilazantsika tsy tapaka ny eritreritsika ao amin’ny vavaka amim-pahatsorana, mba hahazoana ny fitarihana sy ny “fiadanan’Andriamanitra”! — Filipiana 4:6-9.
Nanampy toy izao ilay mpanao salamo: “Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.” (Salamo 139:3) Ny hoe nandinihan’i Jehovah [nandrefesany, MN ] ny nalehan’i Davida na ny fialany sasatra rehefa nandry izy dia midika miharihary hoe nojereny avokoa izay zavatra rehetra nataon’ilay mpanao salamo. Notombanan’ny Avo Indrindra izay rehetra nataon’i Davida mba hamantarana hoe inona marina no tao ambadiky ny fihetsiny. Fantatr’Andriamanitra tanteraka ny fomba fanaovan’i Davida zavatra sy ny lalana narahiny teo amin’ny fiainany. Rehefa mandinika antsika toy izany koa ny Raintsika any an-danitra, enga anie ho tsapany fa manompo azy amim-pahatokiana sy mitoetra eo amin’ny “lalan’ny fahamarinana” izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay isika. — Ohabolana 12:28.
Koa satria tsy nisy takona tamin’Andriamanitra izay rehetra nolazainy, dia hoy i Davida: “Fa, indro tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô.” (Salamo 139:4). Raha trotraka aoka izany isika ka tsy hitantsika izay holazaina ao amin’ny vavaka, dia ny fanahin’i Jehovah no “miangavy ho antsika amin’ny alalan’ny fitarainana tsy voatonona.” (Romana 8:26, MN ) Amin’ny resaka ataontsika, dia fantatr’Andriamanitra ny zavatra eo am-bavantsika, nefa tsy voatenintsika, satria fantany ny tena fihetseham-pontsika. Raha manana fitiavana vokatry ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” isika, dia tsy hanandrana na oviana na oviana hamitaka ny hafa amin’ny “teny malefaka”. — 1 Timoty 1:5; Romana 16:17, 18.
Nanampy toy izao i Davida: “Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, ary apetrakao amiko ny tànanao.” (Salamo 139:5). Nohodidinin’i Jehovah tokoa i Davida, toy ny tanàna iray atao fahirano amin’ny fotoan’ny ady. Tsy isalasalana fa fantatr’ilay mpanao salamo fa voafetra ny fahafahany manao zavatra tamin’ny androm-piainany. Fantany koa fa tsy azony natao ny nandositra ny fiambenan’ny maso sy ny tanana, na fifehezan’Andriamanitra. Marina aloha fa tsy nanandrana nandositra izany i Davida, ary toy izany koa isika. Aoka kosa isika hitondra tena mandrakariva amin’ny fahatsapana fa eo amintsika ny tanan’i Jehovah satria Vavolombelony isika.
Nahatonga an’i Davida ho feno tahotra miharo fanajana ny fahafantaran’Andriamanitra azy. Araka izany dia hoy ny nambarany: “Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, eny avo loatra ka tsy tratro.” (Salamo 139:6). Lalina aoka izany ny fahalalan’Andriamanitra antsika manokana ka tsy mety ho takatsika, na manao ahoana na manao ahoana fanandraman-javatra na fiofanana efa azontsika. Koa satria mihoatra ny takatry ny sain’olombelona izany fahalalana izany, dia mahazo matoky isika fa mahafantatra izay tsara indrindra ho antsika i Jehovah. Noho izany, raha mangataka zavatra aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika ka mamaly hoe ‘tsia’ Andriamanitra, dia aoka hekentsika ny sitrapony. Izao tokoa ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” — 1 Jaona 5:14.
Tsy azo ialana ny fanahin’Andriamanitra
Tsy vitan’ny hoe mamaly ny vavak’ireo mpanompony mahatoky i Jehovah fa miasa eo amin’izy ireo koa ny fanahiny ka manampy azy ireo hanao ny sitrapony. Nanontany toy izao tokoa i Davida: “Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?” (Salamo 139:7). Fantatr’ilay mpanao salamo fa tsy azony ialana ny fanahy, na hery miasan’i Jehovah izay afaka mahatratra na dia ireo faritra lavitra indrindra eo amin’izao rehetra izao aza. Ary tsy misy mihitsy afa-mandositra ny tavan’Andriamanitra, izany hoe mandositra ny fandinihany. Marina fa “nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’i Jehovah” i Jona, kanefa tsy afa-nandositra na ilay hazandrano lehibe nomanin’i Jehovah hitelina azy, na ny andraikitra nankinin’Andriamanitra taminy izy. (Jona 1:3; 2:1, 11 ka hatramin’ny 3:4). Aoka àry isika hiantehitra amin’ny fanahin’i Jehovah mba hahafahana manatanteraka ireo asa nanendren’Andriamanitra. — Zakaria 4:6.
Koa satria nahafantatra i Davida fa tsy afaka nandositra an’Andriamanitra izy, dia izao no nolazainy: “Na dia miakatra any an-danitra aza aho, dia any Hianao; ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN ] ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.” (Salamo 139:8). Tamin’ny andron’io mpanao salamo io, ‘ny fiakarana any an-danitra’ dia nidika hoe fiakarana teny amin’ireo tendrombohitra avo, izay voasaron’ireo rahona mazàna ny tendrony. Kanefa, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra avo indrindra aza isika, dia ho tratran’ny fanahin’Andriamanitra ihany. Tsy ho afaka handositra ny masony ihany koa isika, na dia any amin’ny Sheola aza no misy ny fandriantsika, izany hoe any amin’ny toerana iva indrindra eto an-tany, araka ny asehon’io teny io ara-panoharana. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:11-14; Amosa 9:2, 3.
“Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, mba hitoetra any am-paran’ny ranomasina, hoy i Davida, dia mbola entin’ny tànanao ihany aho, na dia any aza, sy hazonin’ny tànanao ankavanana.” (Salamo 139:9, 10). Inona moa “ny elatry ny maraina”? Ireo teny fampiasa amin’ny tonon-kira ireo dia mampiseho ny fitaran’ny hazavan’ny mangiran-dratsy haingana dia haingana avy any atsinanana mankany andrefana, toy ny hoe manana elatra izy. Fa inona no hitranga raha afaka naka ny elatry ny maraina i Davida, ka nahatratra ny ranomasina na ireo nosy lavitra indrindra any andrefana? Mbola ho eo ambanin’ny tanan’Andriamanitra ihany izy, izany hoe eo ambany fifehezany sy fitarihany. Amin’ny alalan’ny fanahiny, Jehovah dia ho eo foana mba hitarika ilay mpanao salamo amim-pangoraham-po. — Salamo 51:11.
Tsy zava-manahirana amin’Andriamanitra ny haizina
Na ny fahalaviran-toerana na ny haizina dia samy tsy afaka hanakana an’Andriamanitra tsy hahatratra ny olona iray. Izany no nanampian’i Davida hoe: “Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona [hisambotra, MN ] ahy, ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, — Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina.” (Salamo 139:11, 12). Mety ho voasaron’ny haizim-pito ny olona iray, toy ny hoe voasambotr’izany izy. Kanefa, dia ho hitan’i Jehovah ihany izy, toy ny mitoetra amin’ny hazavam-be. Tsy misy olona na dia iray aza afaka hanafina fahotana natao tao amin’ny haizina amin’i Andriamanitra. — Isaia 29:15, 16.
Tsy misakana ny fahitan’ny Mpamorona antsika izay toerana fiafenana misy antsika. Nilaza toy izao momba izany i Davida: “Fa Hianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry [hiforonan’ireo faritra amin’ny tena], fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza [tamin’ireo faritra amin’ny tena].” — Salamo 139:13-16.
Jehovah Andriamanitra, izay mahafantatra ireo fihetseham-pontsika lalina indrindra, no namorona ny voan’i Davida. Noho izy ireo any amin’ny toerana lalina indrindra amin’ny tenantsika, ireo voantsika dia anisan’ireo momba ny tena izay miafina indrindra sy sarotra tratrarina indrindra, kanefa Andriamanitra dia afaka mahita azy ireo. Afaka mijery ny ao anatin’ny kibon’ny reny iray, izany hoe ny ao am-bohoka mihitsy aza izy. Hitan’i Jehovah mihitsy aza izay mitranga ao anatin’ny zaza vao torontoronina iray! Ny fieritreretana fotsiny ny amin’ny fomba mahatalanjona niforonany tao am-bohoka dia nanosika an’i Davida hidera ny Mpanao azy. Miharihary fa ny ao an-kibon’ny reny iray no nantsoin’ilay mpanao salamo hoe “ambanin’ny tany”. Ao ny taolan’ny zazakely iray, ny hozatry ny taolany, ny siraka (muscle), ny hozatra (nerfs) ary ny lalan-drany no miforona miaraka, tsy hitan’ny mason’ny olona fa tsy miafina amin’Andriamanitra kosa.
Talohan’ny tena niforonan’ireo momba ny tenan’i Davida tsara tao an-kibon-dreniny, dia efa fantatr’Andriamanitra sahady ny ho toetoetrany. Nahoana? Satria nanaraka lalana voafaritra tsara ny fitomboan’ilay zaza tao am-bohoka, toy ny hoe nankatò toromarika voasoratra tao amin’ny boky iray. Endrey izany porofo mampiseho ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahaizany mahita na dia ireo zavatra miafina aza! Tokony hanosika antsika hanaiky koa izany fa Andriamanitra no namorona ny taranak’olombelona ary izy no loharanon’ny fahafahana miteraka mahatalanjona izay nahatonga antsika tsirairay ho velona toy izao.
Endrey ny hasarobidin’ireo hevitr’Andriamanitra!
Ny fieritreretany momba ny fitomboan’ny zaza iray ao an-kibon-dreniny dia nahatonga an’i Davida hisaintsaina ny amin’ny fahendren’Andriamanitra. Izany dia nahatonga azy hihiaka hoe: “Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaroan’ny isany!” (Salamo 139:17). Tian’i Davida ireo hevitr’i Jehovah Andriamanitra, ary maro be aoka izany izy ireo hany ka nanaitra ny sainy ny “hamaron’ny isany”. Raha sarobidy amintsika ireo hevitr’Andriamanitra, dia ho mpianatra ny Soratra Masina mazoto isika (1 Timoty 4:15, 16). Ireo heviny voarakitra an-tsoratra dia “mahasoa ( . . . ) ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”. — 2 Timoty 3:16, 17.
Momba ireo hevitr’Andriamanitra, dia hoy ihany koa i Davida: “Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.” (Salamo 139:18). Koa satria maro be lavitra noho ny fasika ireo hevitr’Andriamanitra, raha nanomboka nanisa azy vao mangiran-dratsy i Davida, dia mbola tsy ho vitany ihany izany rehefa handeha hatory amin’ny alina izy. Eny, na dia rehefa nifoha ny ampitson’iny aza izy dia ho mbola tamin’i Jehovah ihany izy, izany hoe, ho mbola teo am-panisana ireo hevitr’Andriamanitra ihany izy. Tahaka izany koa ny amintsika, noho isika mila ny fitarihan’i Jehovah, ny fisaintsainana amim-bavaka ireo heviny sy ireo fikasany dia mety ho ao an-tsaintsika farany amin’ny alina ary voalohany amin’ny maraina. — Salamo 25:8-10.
Ny sazy mendrika an’ireo ratsy fanahy
Koa satria fitarihana feno fahendrena no omen’Andriamanitra, ahoana no niheveran’i Davida ireo izay nanda ny fitarihan’Andriamanitra? Nivavaka toy izao izy: “Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, ary mialà amiko, hianareo mpandatsa-dra, dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.” (Salamo 139:19, 20). Tsy nanandrana hamono ireo ratsy fanahy akory i Davida fa nivavaka kosa izy mba handraisan’izy ireo sazy mendrika azy avy amin’ny tanan’i Jehovah. Tokony hanana fihetsika toy izany koa isika. Afaka mivavaka isika, ohatra, mba hanana fahasahiana mba hitory ny tenin’Andriamanitra rehefa misy fahavalo manenjika antsika (Asan’ny apostoly 4:18-31). Kanefa tsy hitady ny hanafoana ireo fahavalontsika akory isika, satria fantatsika fa nilaza i Jehovah hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly.” — Hebreo 10:30; Deoteronomia 32:35.
Raha novonoin’Andriamanitra ireo ratsy fanahy, dia tsy ho hitan’ny mason’i Davida intsony ireny mpamono olona ireny. Nandatsa-dra izy ireny sady nilaza zavatra momba an’Andriamanitra araka ny sainy manokana, fa tsy nifanaraka tamin’ny hevitr’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia mendrika ny hohelohina ho faty izy ireny satria manala baraka ny anaran’Andriamanitra, angamba amin’ny fanononana azy mba hahombiazan’ny fikasany ratsy (Eksodosy 20:7). Enga anie isika ka tsy ho meloka ny amin’ny fahotana toy izany na oviana na oviana!
Noho ireo ratsy fanahy meloka ho nandatsa-dra sy nanala baraka ny anaran’Andriamanitra, dia nanambara toy izao i Davida: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” (Salamo 139:21, 22). Naharikoriko an’i Davida ireny olona ireny satria nankahala marina an’i Jehovah izy ireny ary nikomy taminy. Fahavalon’ilay mpanao salamo izy ireny satria halany ny faharatsiany, ny tsy fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra ary ny fikomiany tamin’ilay Avo Indrindra.
Ekeo ny fandinihan’Andriamanitra lalina anao
Tsy naniry ny hitovy tamin’ireo mpanao ratsy i Davida, kanefa fantany fa tsy tokony hankahala azy ireny izy. Izany no niangaviany toy izao: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” (Salamo 139:23, 24). Tahaka io mpanao salamo io, dia tokony hirintsika ny handinihan’Andriamanitra ny fontsika sy ny hijereny raha misy antony manosika ratsy ao anatintsika ao (1 Tantara 28:9). Tokony hangataka amin’i Jehovah isika ny mba handinihany antsika, ny mba hahafantarany raha misy hevitra izay manelingelina ny fieritreretantsika ao amintsika ary ny mba hijereny raha misy lalana mampanaintaina antsika ao amintsika. Raha feno tebiteby noho ireo fahadisoantsika isika, na raha misy zavatra maharary antsika ao anatintsika ao, na raha manana antony manosika ratsy isika, dia aoka isika hivavaka amim-panetren-tena ary hanaiky tanteraka ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra sy ny torohevitry ny Teniny (Salamo 40:11-13). Amin’ny alalan’ireo fomba ireo, ilay sakaizantsika akaiky indrindra, dia i Jehovah izany, dia afaka mitarika antsika amin’ny lalan’ny fotoana tsy voafetra, ary hanampy antsika hanaraka ny lalan’ny rariny mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Manome fampaherezana marina tokoa ny Salamo faha-139. Manoro antsika izy io fa afaka manampy antsika ilay Raintsika any an-danitra isaky ny mila fanampiana isika, satria tsy misy na inona na inona miafina aminy (Hebreo 4:16). Ambonin’izany, noho i Jehovah mahafantatra antsika tsara kokoa noho ny fahafantarantsika ny tenantsika aza, dia mahatsiaro ho tsy manana ahiahy isika eo ambanin’ny fiarovany feno fitiavana (Deoteronomia 33:27). Raha mangataka aminy amim-panetren-tena isika ny mba handinihany antsika sy ny mba hampahitany antsika ny fahalementsika manokana, dia afaka manitsy izay tsy mety miaraka amin’ny fanampiany isika. Amin’izay, ny fahafantaran’Andriamanitra antsika tsirairay dia azo antoka fa hanan-kery tsara eo amintsika. Izany dia tokony hanosika antsika hiaro amim-pahatokiana ny fanompoam-pivavahana marina ary handeha amim-panetren-tena eo anoloan’i Jehovah, izay mahafantatra antsika tsara aoka izany.