Inona no Loha Laharana eo Amin’ny Fiainanao?
“Ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako”. — SALAMO 143:8.
1. Inona no famaranan-kevitra nataon’i Solomona Mpanjaka momba ny zavatra katsahin’ny olombelona sy ny zava-bitan’izy ireo?
AZO inoana ny fahafantaranao toy ny olon-drehetra fa ny fiainana dia feno asa sy fanahiana. Rehefa mieritreritra momba izany ianao, dia afaka mamantatra ny sasany amin’izy ireny ho tena lehibe. Ny asa sy ny fanahiana hafa dia tsy tena lehibe na tsinontsinona mihitsy aza. Ny fahatakaranao izany dia midika fa ianao dia mifanaraka amin’ny iray amin’ireo lehilahy hendry indrindra nisy hatramin’izay, dia i Solomona Mpanjaka. Rehefa avy nandinika indray ireo asa atao eo amin’ny fiainana izy, dia nanao izao famaranan-kevitra izao: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 2:4-9, 11; 12:13). Inona no hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao?
2. Inona no fanontaniana fototra tokony hapetrak’ireo olona matahotra an’Andriamanitra amin’ny tenany, ka mitarika ho amin’ny fanontaniana inona avy mifandray amin’izany?
2 Raha tianao ny ‘hatahotra an’Andriamanitra ary hitandrina ny didiny’, dia apetraho amin’ny tenanao itỳ fanontaniana mampieritreritra itỳ: ‘Inona no loha laharana eo amin’ny fiainako?’ Marina fa nety ho tsy nisaintsaina isan’andro ny amin’izany fanontaniana izany ianao, kanefa nahoana raha mihevitra azy io izao? Raha ny marina, izy io dia mahatonga ao an-tsaina fanontaniana sasany mifandray amin’izany, toy ny hoe: ‘Moa ve aho manantitrantitra tafahoatra ny amin’ny asa aman-draharahako, na ny amin’ny zavatra ara-nofo? Inona no toerana tanan’ny tokantranoko sy ny fianakaviako ary ireo olon-tiako?’ Ny tanora dia mety hanontany hoe: ‘Hatraiza ny fianarana no mameno ny saiko sy ny fotoanako? Raha ny marina, moa ve ny zavatra izay ankafiziko manokana, ny fanatanjahan-tena, na endrika fialam-boly na teknolojia sasany, no mahaliana ahy voalohany indrindra?’ Na firy taona isika na firy taona, ary na toy inona na toy inona tarehin-javatra misy antsika, dia ara-drariny ny hanontaniantsika hoe: ‘Inona no toerana tanan’ny fanompoana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainako?’ Azo inoana ny anekenao fa ilaina ireo laharam-pahamehana. Ahoana ary aiza anefa no mety hahazoantsika fanampiana mba hamerana azy ireo amim-pahendrena?
3. Inona no voafaoka amin’ny famerana ireo laharam-pahamehana ho an’ny Kristiana?
3 Ny hoe “loha laharana” dia manana ny hevitra fototra ny amin’ny zavatra izay mandeha alohan’ny hafa rehetra, na zavatra mila hodinihina voalohany. Na Vavolombelon’i Jehovah ianao, na anisan’ireo mpianatra ny Tenin’Andriamanitra tso-po an-tapitrisany maro izay mifanerasera amin’izy ireny, dia hevero itỳ fahamarinana itỳ: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra”. (Mpitoriteny 3:1). Ara-drariny raha tafiditra amin’izany ny fanehoanao fiahiana feno fitiavana ny fifandraisana ara-pianakaviana. (Kolosiana 3:18-21). Voafaoka amin’izany ny famelomana ny ankohonanao amin’ny alalan’ny asa anaovana ny marina. (2 Tesaloniana 3:10-12; 1 Timoty 5:8). Ary mba hampidirana fiovana kely, dia mety haka fotoana hanaovana zavatra izay ankafizina manokana, na fialam-boly na fanarian-dia indraindray, ianao. (Ampitahao amin’ny Marka 6:31.) Rehefa mieritreritra tsara anefa ianao, tsy hitanao ve fa tsy misy amin’izy ireo loha laharana eo amin’ny fiainana? Zavatra hafa no lehibe kokoa.
4. Inona no ifandraisan’ny Filipiana 1:9, 10 amin’ny famerantsika ireo laharam-pahamehana?
4 Azo inoana ny anekenao fa fanampiana sarobidy eo amin’ny famerana ireo laharam-pahamehana sy eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra feno fahendrena, ireo fotopoto-pitsipika mpitari-dalana ao amin’ny Baiboly. Ohatra, ao amin’ny Filipiana 1:9, 10, ny Kristiana dia ampirisihina mafy mba ‘hitombo bebe kokoa [amin’ny fahalalana araka ny marina sy ny fahaiza-manavaka feno, NW ]’. Ho amin’ny zava-kendrena inona? Nanampy teny toy izao ny apostoly Paoly: “Mba hamantaranareo izay [zavatra lehibe kokoa, NW ]”. Tsy araka ny fandrindran-kevitra ve izany? Miorina amin’ny fahalalana araka ny marina, ny Kristiana mahay manavaka dia afaka mamantatra izay zavatra tokony hahaliana voalohany — izay loha laharana — eo amin’ny fiainana.
Modely iray raha ny amin’izay loha laharana
5. Eo am-pilazalazana ny amin’ilay modely navela ho an’ny Kristiana, ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina izay loha laharana teo amin’ny fiainan’i Jesosy?
5 Mahita lafiny iray sarobidy amin’ny fahalalana isika, ao amin’ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela [modely, NW ] ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. (1 Petera 2:21). Eny, mba hanampiana antsika hahita hoe inona no loha laharana eo amin’ny fiainana, dia azontsika dinihina ny hevitr’i Jesosy Kristy momba izany. Nilaza ara-paminaniana toy izao momba azy ny Salamo 40:8: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” Toy izao no nilazan’ny tenany an’io hevitra io ihany: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” — Jaona 4:34; Hebreo 12:2.
6. Ahoana no ahafahantsika mahazo vokatra mitovy amin’izay azon’i Jesosy tamin’ny fametrahana ny sitrapon’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany?
6 Mariho izao lafin-javatra tena lehibe izao — ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny ohatra navelan’i Jesosy dia manantitrantitra izay tokony hataon’ny mpianany ara-drariny ho loha laharana eo amin’ny fiainan’izy ireo, satria nilaza izy fa “izay rehetra [nampianarina tamin’ny fomba tonga lafatra, NW ] dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany”. (Lioka 6:40). Ary satria i Jesosy nandeha araka ny fomba nikasan-dRainy azy, dia nasehony fa nisy “fahavokisam-pifaliana” tamin’ny fihazonana ny sitrapon’Andriamanitra ho loha laharana. (Salamo 16:11; Asan’ny Apostoly 2:28). Azonao ve izay lazain’izany tsy mivantana? Rehefa mifidy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ho ny zavatra loha laharana eo amin’ny fiainany ireo mpanara-dia an’i Jesosy, dia hahazo ny “fahavokisam-pifaliana” sy ny tena fiainana, izy ireo. (1 Timoty 6:19). Koa mihoatra ny iray àry ny antony hametrahana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ho ny laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika.
7, 8. Fisedrana inona avy no natrehin’i Jesosy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
7 Raha vantany vao avy nanamarika ny fisehoan’ny tenany mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, dia nitady izay hampiviliana azy ny Devoly. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny fakam-panahy teo amin’ny lafin-javatra telo. Namaly hatrany hatrany tamin’ny teny araka ny Soratra Masina sady nazava, i Jesosy. (Matio 4:1-10). Nisy fisedrana fanampiny anefa niandry azy — fanenjehana, fanesoana, famadihan’i Jodasy, fiampangana lainga, ary avy eo dia fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Na dia izany aza, dia tsy nisy tamin’ireny fisedrana ireny afaka nampivily ilay Zanak’Andriamanitra tsy nivadika, tamin’ny lalam-pitondran-tena narahiny. Tamin’ny fotoan-tsarotra iray, dia nivavaka toy izao i Jesosy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. (...) Aoka ny sitraponao no hatao.” (Matio 26:39, 42). Tsy tokony ho voatohina lalina noho io lafiny amin’ilay modely navela ho antsika io ve ny tsirairay amintsika, ka hanjary ‘haharitra amin’ny vavaka’? — Romana 12:12.
8 Eny, rehefa mametra ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika isika, dia manampy amin’ny fomba miavaka ny tari-dalana avy amin’Andriamanitra, indrindra raha miatrika ireo fahavalon’ny fahamarinana sy ireo mpanohitra ny sitrapon’Andriamanitra, isika. Tadidio ilay fiangaviana tari-dalana nataon’i Davida Mpanjaka nahatoky, rehefa tojo fanoheran’ny fahavalo izy. Ho hitantsika ny maha-zava-dehibe izany, arakaraka ny handinihantsika tapany iray amin’ny Salamo faha-143. Izany dia tokony hanampy antsika hahay hanavaka ny fomba ahafahantsika manatanjaka ny fifandraisantsika manokana amin’i Jehovah, sady hanampy antsika hahazo tanjaka mba hihazonana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika.
Mandre sy mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah
9. a) Na dia mpanota aza i Davida, inona no ahariharin’ny teniny sy ny zavatra nataony? b) Nahoana isika no tsy tokony hilavo lefona eo amin’ny fanaovana izay marina?
9 Na dia olombelona mpanota aza i Davida, dia nanana finoana izy fa hanongilana ny sofiny amin’ny fiangaviany, i Jehovah. Nitalaho tamim-panetren-tena toy izao izy: “Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ny [fiangaviako, NW ] ny sofinao; valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. Ary aza dia mifandahatra amin’ny mpanomponao eo am-pitsarana; fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.” (Salamo 143:1, 2). Tsapan’i Davida ny tsy fahatanterahany, kanefa tsy voazarazara ny fony raha ny amin’Andriamanitra. Araka izany, dia natoky izy fa hahazo valiny araka ny fahamarinana. Moa ve izany tsy mampahery antsika? Na dia latsa-danja aza isika raha ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, dia afaka matoky isika fa mihaino antsika izy raha tsy voazarazara ny fontsika raha ny aminy. (Mpitoriteny 7:20; 1 Jaona 5:14). Na dia maharitra amin’ny vavaka aza isika, dia tsy maintsy miezaka mafy mba ‘handresy amin’ny soa ny ratsy’ amin’izao andron’ny faharatsiana izao. — Romana 12:20, 21; Jakoba 4:7.
10. Nahoana i Davida no nanana fe-potoana nampitebiteby?
10 Nanana fahavalo i Davida, tsy misy hafa amintsika koa. Na tamin’ny naha-mpandositra an’i Saoly azy izany, ka voatery nitady fialofana tany amin’ny toerana nitokana sy tsy azo naleha izy, na tamin’ny naha-mpanjaka nampijalijalin’ny fahavalo tsy an-kijanona azy, i Davida dia nahita fe-potoana nampitebiteby azy. Nolazalazainy toy izao ny vokatr’izany teo amin’ny tenany: “Nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; (...) nampitoeriny tao amin’ny maizina aho (...). Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; [ngoly, NW ] ny foko ato anatiko.” (Salamo 143:3, 4). Efa mba nanana antony nahatsiarovana ho toy izany ve ianao?
11. Fe-potoana nampitebiteby inona avy no natrehin’ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro maoderina?
11 Ny faneren’ny fahavalo, ny fisedrana ateraky ny fahasahiranana mafy ara-bola, ny aretina lehibe, na ny zava-manahirana mampanahy hafa, dia nahatonga ny sasany amin’ny vahoakan’Andriamanitra hahatsiaro fa trotraka ny fanahiny. Indraindray dia toy ny hoe ngoly koa ny fony. Izany dia toy ny hoe niantso mafy toy izao ny tsirairay taminy: “Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy i[n]dray (...). Aoka hampionona ahy indray Hianao.” (Salamo 71:20, 21). Ahoana no nanampiana azy?
Ny fomba hiatrehana ny ezaka ataon’ny fahavalo
12. Ahoana no niatrehan’i Davida Mpanjaka ny loza sy ny fisedrana?
12 Ny Salamo 143:5 dia manambara toy izao izay nataon’i Davida rehefa voahodidin’ny loza sy fisedrana lehibe ny tenany: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra; ny asan’ny tànanao no eritreretiko.” Tsaroan’i Davida ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny mpanompony sy ny fomba nahazoan’ny tenany mihitsy fanafahana. Nosaintsaininy ny amin’izay efa nataon’i Jehovah ho an’ny anarany lehibe. Eny, nieritreritra ny asan’Andriamanitra i Davida.
13. Rehefa miatrika fisedrana isika, amin’ny ahoana ny fisaintsainantsika ny amin’ireo ohatra fahiny sy ankehitriny navelan’ireo mpanompo nahatoky, no manampy antsika mba hiaritra?
13 Moa ve isika tsy efa nahatsiaro matetika ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany? Azo antoka ny amin’izany! Voafaoka amin’izany ny zavatra nataon’ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma. (Hebreo 11:32-38; 12:1). Ireo Kristiana voahosotra tamin’ny taonjato voalohany dia nampirisihina koa mba ‘hahatsiaro ny andro fahiny’ sy izay efa niaretan’izy ireo. (Hebreo 10:32-34). Ahoana ny amin’ny zavatra niainan’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’izao andro maoderina izao, toy izay voatantara ao amin’ny Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu?a Ny fitantarana voangona ao sy ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa, dia mamela antsika hahatsiaro ny fomba nanampian’i Jehovah ny vahoakany mba hiaritra ny fandrarana, ny fanaovana an-tranomaizina, ireo zavatra nataon’ny vahoaka romotra, sy ireo toby fitanana mbamin’ireo toby fanaovana asa an-tery vozona. Nisy fisedrana tany amin’ireo tany rotidrotiky ny ady toa an’i Burundi, i Liberia, i Rwanda, sy i Iogoslavia teo aloha. Rehefa nipoitra ny fanoherana, dia niaritra ireo mpanompon’Andriamanitra noho ny fihazonany fifandraisana natanjaka tamin’i Jehovah. Ny tanany dia nanohana an’ireo izay nanao ho loha laharana teo amin’ny fiainany, ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
14. a) Inona no ohatra iray ny amin’ny fanohanan’Andriamanitra olona iray tao anatin’ny tarehin-javatra izay mety ho mitovy amin’ny antsika? b) Inona no ianaranao avy amin’izany ohatra izany?
14 Kanefa, mety hamaly ianao fa mbola tsy niharan’ny fampijalijaliana tamin-kabibiana toy izany ny tenanao, ary mety hihevitra ianao fa tsy azo inoana mihitsy ny haha-toy izany anao indray andro any. Ny fanohanan’Andriamanitra ny vahoakany anefa, dia tsy tamin’izay mety hoheverin’ny sasany ho toe-javatra mampihetsi-po lalina foana. Izy dia nanohana “olon-tsotra” maro tao anatin’ny toe-javatra “nahazatra”. Indro iray monja amin’ny ohatra maro: Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1996 dia nirakitra ilay fitantarana nataon’i Pénélope Makris. Ohatra miavaka ny amin’ny tsy fivadihana kristiana re izany! Tsaroanao ve izay niaretany tamin’ireo mpiara-monina taminy, sy ny fomba niadiany tamin’ny aretina mafy, ary ny ezaka nataony mba hijanonana tao amin’ny fanompoana manontolo andro? Ahoana ny amin’ilay fanandraman-javatra nahitany valisoa tao Mytilène? Ny hevi-dehibe dia hoe: Moa ve ny ohatra toy ireny heverinao ho toy ny fanampiana antsika rehetra eo amin’ny famerana ireo laharam-pahamehana, ka hametraka ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika?
15. Inona avy no zavatra sasany nataon’i Jehovah tokony hosaintsainintsika?
15 Manatanjaka antsika ny fisaintsainana ny amin’ny asan’i Jehovah, toy ny nataon’i Davida. Mba hanatanterahana ny fikasany, i Jehovah dia nanao fandaharam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fahafatesan’ny Zanany sy ny fitsanganan’izy io tamin’ny maty ary ny fanomezam-boninahitra azy io. (1 Timoty 3:16). Nanorina ilay Fanjakany tany an-danitra izy, nanesotra an’i Satana sy ireo demoniany tsy ho any an-danitra, ary namerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina teto an-tany. (Apokalypsy 12:7-12). Nanorina paradisa ara-panahy izy, ary nitahy ny vahoakany tamin’ny fitomboana. (Isaia 35:1-10; 60:22). Ankehitriny ny vahoakany dia manao fanambarana farany, alohan’ny hipoahan’ny fahoriana lehibe. (Apokalypsy 14:6, 7). Eny, manan-javatra maro hosaintsainina isika.
16. Ampirisihina mba hieritreritra ny amin’ny inona isika, ary hamela soritra inona ao amintsika izany?
16 Ny fieritreretantsika hatrany ny asan’ny tanan’Andriamanitra, fa tsy ny fahatongavantsika ho variana amin’ny ezaka ataon’ny olombelona no mamela soritra lalina ao amintsika fa tsy hay tohaina ny hery ampiharin’i Jehovah. Ireny asa ireny anefa, dia tsy voafetra ho ireo asa famoronana fizika mahatalanjona eny amin’ny lanitra sy etỳ ambonin’ny tany. (Joba 37:14; Salamo 19:1; 104:24). Ireo asany mahatalanjona dia mahafaoka ireo zavatra nataony mba hanafahana ny vahoakany tamin’ireo fahavalo mpampahory, araka ny asehon’ireo zavatra niainan’ilay vahoaka voafidiny fahiny. — Eksodosy 14:31; 15:6.
Fahafantarana izay lalana tokony haleha
17. Ahoana no naha-tena nisy an’i Jehovah tamin’i Davida, ary amin’ny ahoana izany no afaka manome toky antsika indray?
17 Nivavaka toy izao i Davida mba hahazoany fanampiana fandrao hanjavona ny fahatanjahana tao aminy: “Mananty tànana aminao aho; ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; aza manafina ny tavanao amiko, fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.” (Salamo 143:6, 7). I Davida mpanota, dia nahafantatra fa nahalala ny tarehin-javatra nisy azy Andriamanitra. (Salamo 31:7). Indraindray isika koa dia mety hahatsiaro fa miharatsy ny fahasalamantsika ara-panahy. Kanefa tsy hoe tsy misy fanantenana ny amin’ilay tarehin-javatra. I Jehovah, izay mandre ny vavaka ataontsika, dia mety hanafaingana ny famerenana antsika ho amin’ilay toe-piainana nisy antsika teo aloha, amin’ny famelombelomana antsika amin’ny alalan’ireo loholona be fitiavana, sy ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, na ireo tapany amin’ny fivoriana izay toa novolavolaina ho antsika mihitsy. — Isaia 32:1, 2.
18, 19. a) Inona no tokony ho fiangaviana amim-pahatsorana hataontsika amin’i Jehovah? b) Afaka mahazo antoka ny amin’inona isika?
18 Ny fitokiantsika amin’i Jehovah dia manosika antsika hiangavy azy toy izao: “Ampandreneso ny famindramponao aho (...), fa Hianao no itokiako; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako”. (Salamo 143:8). Moa ve izy nandiso fanantenana ny Anabavy Makris, izay nitokana tany amin’ny nosy grika iray? Koa moa ve izy handiso fanantenana anao satria ataonao ho loha laharana eo amin’ny fiainanao ny fanaovana ny sitrapony? Ny Devoly sy ny irany dia maniry hanakantsakana na hampijanona tanteraka ny asa fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra ataontsika. Na manompo any amin’ny tany izay amelana amin’ny ankapobeny ny isian’ny fanompoam-pivavahana marina isika, na any amin’ny toerana anakanana azy io, ny vavaka amim-piraisan-tsaina ataontsika dia mifanaraka amin’izao fangatahan’i Davida izao: “Jehovah ô, vonjeo amin’ny fahavaloko aho; ao aminao no iereko.” (Salamo 143:9). Ny fiarovana antsika amin’ny loza ara-panahy, dia miankina amin’ny fitoerantsika ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra. — Salamo 91:1.
19 Miorina mafy ny fiekentsika ny amin’izay loha laharana. (Romana 12:1, 2). Tohero àry ny ezaka ataon’izao tontolo izao mba hanerena anao hanaiky izay heveriny ho zava-dehibe eo amin’ny tetik’asan’olombelona. Manohiza mamela ny lafim-piainanao rehetra hanome taratr’izay fantatrao fa loha laharana — dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — Matio: 6:10; 7:21.
20. a) Inona no nianarantsika momba an’i Davida ao amin’ny Salamo 143:1-9? b) Ahoana no anomezan’ny Kristiana amin’izao andro izao taratry ny toe-tsain’i Davida?
20 Ny andininy sivy voalohany amin’ny Salamo faha-143 dia manantitrantitra ny fifandraisana manokana sy akaiky nananan’i Davida tamin’i Jehovah. Rehefa voahodidin’ny fahavalo izy, dia tsy nisalasala niangavy tari-dalana tamin’Andriamanitra. Noloarany ny tao am-pony ka nitady fanampiana izy ny amin’ny lalana tsara tokony haleha. Toy izany koa amin’izao andro izao ny amin’ny sisa voahosotry ny fanahy eto an-tany, sy ireo namany. Heverin’izy ireo ho sarobidy ny fifandraisany amin’i Jehovah ka miangavy tari-dalana aminy izy ireo. Hazonin’izy ireo ho loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia eo aza ny fanerena avy amin’ny Devoly sy izao tontolo izao.
21. Nahoana no zava-dehibe ny hanomezantsika ohatra tsara raha tiantsika ny hampianatra ny hafa izay zavatra tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainany?
21 Ireo olona an-tapitrisany maro izay miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mila manaiky fa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no loha laharana. Afaka manampy azy ireny hahatakatra izany isika rehefa mandinika ny toko faha-13 ao amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, izay manamafy ireo fotopoto-pitsipika tafiditra amin’ny maha-mpankatò ny Teny.b Mazava ho azy, fa tokony ho hitan’izy ireo amin’ny ohatra asehontsika izay zavatra ampianarintsika azy. Aorian’ny fotoana somary fohy ihany, izy ireo koa dia ho tonga amin’ny fahalalana ny lalana tokony halehany. Rehefa takatr’ireny olona an-tapitrisany maro ireny manokana izay tokony ho faran’izay zava-dehibe eo amin’ny fiainany, dia maro no ho voatosika hanao ny dingana ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Aorian’izay, ny kongregasiona dia afaka manampy azy ireo hanohy handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana.
22. Fanontaniana inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Maro no manaiky mora foana fa ny sitrapon’Andriamanitra no tokony ho faran’izay zava-dehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ahoana anefa no ampianaran’i Jehovah miandalana ireo mpanompony mba hanao ny sitrapony? Inona avy no soa entin’izany ho azy ireo? Hodinihina miaraka amin’ilay andininy fototra, dia ny Salamo 143:10, ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania tamin’ny 1993.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania tamin’ny 1995.
Inona no Valin-teninao?
◻ Amin’ny fampiharana ny Filipiana 1:9, 10, ahoana no azontsika amerana ireo laharam-pahamehana?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy izay loha laharana teo amin’ny fiainany?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo zavatra nataon’i Davida rehefa tao anatin’ny fisedrana izy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny Salamo 143:1-9 antsika amin’izao andro izao?
◻ Inona no tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika?
[Sary, pejy 10]
Ireo zavatra nataon’i Davida dia nanaporofo ny fianteherany tamin’i Jehovah
[Sary nahazoan-dalana]
Novokarin’ny Illustrirte Pracht - Bibel/Heilige Schrift des Alten und Neuen Testaments, nach der deutschen uebersetzung D. Martin Luther’s