Ampianarina Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
“Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa hianao no Andriamanitro”. — SALAMO 143:10.
1, 2. a) Rahoviana isika no tokony hampianarina, ary mifanaraka amin’ny fomba fijery ny zava-misy inona? b) Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hoe ampianarin’i Jehovah?
AMIN’NY andro rehetra ahaveloman’ny olona iray sy anaovany asa, dia azo ampianarina zavatra mendrika ny hiezahana, izy. Marina izany raha ny aminao, ary marina izany raha ny amin’ny hafa. Inona anefa no mitranga eo amin’ny fahafatesana? Tsy azo atao ny hampianarina, na ny hianatra na inona na inona ao amin’izany toe-javatra izany. Milaza mazava ny Baiboly fa ny maty dia ‘tsy mba mahalala na inona no inona’. Tsy misy fahalalana any amin’ny Sheola, dia ny fasana iombonan’ny olombelona. (Mpitoriteny 9:5, 10). Midika ve izany fa zava-poana ny ampianarana antsika, ny anangonantsika fahalalana? Izany dia miankina amin’izay ampianarina antsika sy amin’ny fomba ampiasantsika izany fahalalana izany.
2 Raha tsy ampianarina afa-tsy izay zavatra eo amin’izao tontolo izao isika, dia tsy manana hoavy maharitra isika. Soa ihany anefa, fa olona an-tapitrisany maro any amin’ny firenena rehetra no ampianarina ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny fikendrena ny fiainana mandrakizay. Ny fototra iorenan’io fanantenana io dia noho izy ampianarin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahalalana manome fiainana. — Salamo 94:9-12.
3. a) Nahoana no azo atao ny milaza fa i Jesosy no mpianatr’Andriamanitra voalohany? b) Toky inona no ananantsika fa hampianarin’i Jehovah ny olombelona, ary inona no ho vokany?
3 Ilay Zanaka lahimatoan’Andriamanitra, tamin’ny naha-mpianany voalohany azy, dia nampianarina mba hanao ny sitrapon’ny Rainy. (Ohabolana 8:22-30; Jaona 8:28). I Jesosy indray kosa dia nanambara fa hisy olona maro be hampianarin’ny Rainy. Inona avy no fahatsinjovan-javatra ananantsika izay mianatra avy amin’Andriamanitra? Hoy i Jesosy hoe: “Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra’. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy. (...) Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.” — Jaona 6:45-47.
4. Ahoana no maha-voakasika olona an-tapitrisany maro amin’ny fampianaran’Andriamanitra, ary inona avy no fahatsinjovan-javatra ananan’izy ireo?
4 I Jesosy dia naka teny avy tao amin’ny Isaia 54:13, izay niantefa tamin’ny vadin’Andriamanitra ara-panoharana, dia i Ziona any an-danitra. Izany faminaniana izany dia mihatra manokana amin’ireo zanany, dia ireo mpianatr’i Jesosy Kristy nateraky ny fanahy, 144 000. Sisa amin’ireo zanaka ara-panahy ireo no miasa amin’izao andro izao, ka mitarika fandaharam-pampianarana maneran-tany iray. Vokatr’izany, dia olona hafa an-tapitrisany maro izay mahaforona ny “olona betsaka”, no mandray soa koa noho izy ampianarin’i Jehovah. Manana ny fahatsinjovan-javatra tsy manam-paharoa izy ireo, dia ny hianatra kanefa tsy hotapahin’ny fahafatesana izany. Ahoana izany? Izy ireo dia tsara toerana mba ho tafita velona amin’ilay “fahoriana lehibe” manatona haingana, ary hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. — Apokalypsy 7:9, 10, 13-17.
Fanantitranterana bebe kokoa ny amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra
5. a) Inona no teny fototra ho an’ny taona 1997? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana?
5 Mandritra ny 1997, any amin’ireo kongregasiona maherin’ny 80 000, maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia hihazona mafy ao an-tsaina ny teny fanokafana ny Salamo 143:10, manao hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho”. Izany no ho teny fototra ho an’ny taona 1997. Ireo teny ireo, izay haseho mba ho mora tazana any amin’ireo Efitrano Fanjakana, dia hatao ho fampahatsiahivana fa ny toerana miavaka mba handraisana ny fampianaran’Andriamanitra dia any amin’ny fivorian’ny kongregasiona, izay ahafahantsika mandray anjara amin’ny fandaharam-pampianarana mitohy iray. Rehefa tafaraka amin’ireo rahalahintsika any am-pivoriana isika mba hampianarin’ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra antsika, dia afaka mahatsapa sahala amin’ilay mpanao salamo izay nanoratra toy izao, isika: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” — Salamo 122:1; Isaia 30:20, NW.
6. Araka ny tenin’i Davida, inona no ekentsika?
6 Eny, irintsika ny hampianarina mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny sitrapon’ilay fahavalontsika, ny Devoly, na ny sitrapon’ny olombelona tsy lavorary. Koa, sahala amin’i Davida, isika dia manaiky toy izao ny amin’ilay Andriamanitra izay ivavahantsika sy tompointsika: “Fa Hianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.” (Salamo 143:10). Tsy nirin’i Davida ny hifanerasera tamin’ny olon-dratsy, fa naleony kosa nitoetra tany amin’izay nanaovana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. (Salamo 26:4-6). Noho ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra ny dian’i Davida, dia afaka nandeha tamin’ny lalan’ny fahamarinana izy. — Salamo 17:5; 23:3.
7. Ahoana no niasan’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny kongregasiona kristiana?
7 Ilay Davida Lehibe, i Jesosy Kristy, dia nanome toky an’ireo apostoly fa ny fanahy masina dia hampianatra azy ireo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro azy ny zavatra rehetra izay nolazainy tamin’izy ireo. (Jaona 14:26). Nanomboka tamin’ny Pentekosta, i Jehovah dia nampiharihary miandalana “ny saina lalina izay an’Andriamanitra” voarakitra ao amin’ny Teniny voasoratra. (1 Korintiana 2:10-13). Izany dia nataony tamin’ny alalan’ny fitaovam-pampifandraisana hita maso iray izay nantsoin’i Jesosy hoe “ny mpanompo mahatoky sy malina”. Izy io no manome ny sakafo ara-panahy izay dinihina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra manerana ny tany. — Matio 24:45-47, NW.
Ampianarina ny sitrapon’i Jehovah any amin’ireo fivoriantsika
8. Nahoana no sarobidy aoka izany ny fandraisana anjara amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana?
8 Ny zavatra dinihina ao amin’ny Fianarana ny Tilikambo Fiambenana fanaon’ny kongregasiona isan-kerinandro dia matetika no mivaofy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Azo antoka fa izany dia manampy antsika hiatrika ireo fanahiana eo amin’ny fiainana. Any amin’ireo fianarana hafa, dia misy fahamarinana ara-panahy, na faminaniana ara-baiboly lalina dinihina. Ampianarina be dia be toy inona moa isika mandritra ireny fianarana ireny! Any amin’ny tany maro, dia feno hipoka ireo Efitrano Fanjakana mandritra ireny fivoriana ireny. Kanefa any amin’ny tany sasantsasany, dia nihena ny isan’ny mpanatrika ireo fivoriana. Nahoana, araka ny hevitrao? Moa ve ny sasany nety ho namela ny asa hanakantsakana azy tsy hiara-mivory tsy tapaka mba “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”? Sa nety ho ora maro no lany tamin’ny raharaha ara-tsosialy, na tamin’ny fijerena televiziona ka nahatonga ny fandaharam-potoana ho toa feno loatra ka nisakana ny fandehanana tany amin’ireo fivoriana rehetra? Tsarovy ilay fananarana ara-tsindrimandry ao amin’ny Hebreo 10:23-25. Moa ve tsy vao mainka zava-dehibe kokoa ankehitriny ny fiarahantsika mivory mba handraisana ny fampianaran’Andriamanitra, satria ‘hitantsika fa mihantomotra ny andro’?
9. a) Ahoana no ahafahan’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manomana antsika ho amin’ny fanompoana? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny asa fanambarana?
9 Ny iray amin’ireo andraikitsika voalohany indrindra dia ny fanompoana amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra antsika. Ny Fivoriana Momba ny Fanompoana dia novolavolaina mba hampianatra antsika ny fomba hanatontosana izany amin’ny fomba mandaitra. Ianarantsika ny fomba hanatonana ny olona, ny zavatra tokony holazaina, ny fihetsika tokony haseho rehefa misy fandraisana tsara, ary na dia izay tokony hatao aza rehefa mandà ny hafatra entintsika ny olona. (Lioka 10:1-11). Koa satria dinihina sy anaovana fampisehoana mandritra io fivoriana fanao isan-kerinandro io ireo fomba fanaovan-javatra mandaitra, dia voaomana tsara kokoa isika mba hanatratra olona, tsy rehefa mandeha isan-trano ihany, fa rehefa mitory eny amin’ny arabe, eny amin’ny parking, eny amin’ny fitateram-bahoaka sy ny seranam-piaramanidina ary ny toeram-pivarotana, na any an-tsekoly koa. Mifanaraka amin’ny fangatahantsika hoe “Ampianaro hanao ny sitraponao aho”, dia irintsika ny hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hanao araka izao fampirisihana mafy nataon’ny Tompontsika izao: ‘Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo, mba hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.’ — Matio 5:16.
10. Ahoana no azontsika anampiana marina tokoa an’ireo ‘izay mendrika’?
10 Any amin’ireny fivorian’ny kongregasiona ireny, isika dia ampianarina koa mba hanao mpianatra ny hafa. Raha vao mahita fahalianana, na nametraka zavatra vita an-tsoratra isika, ny zava-kendrentsika rehefa manao fiverenana mitsidika dia ny hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Amin’ny heviny iray, izany dia mitovy amin’ny ‘fitoeran’ny mpianatra tao amin’izay mendrika’, mba hampianatra azy ireo izay zavatra nandidian’i Jesosy. (Matio 10:11; 28:19, 20). Noho isika manana fanampiana faran’izay tsara toy ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, dia tena voaomana tsara isika mba hanatontosa ny fanompoantsika amin’ny fomba feno. (2 Timoty 4:5, NW ). Isan-kerinandro, rehefa manatrika ny Fivoriana Momba ny Fanompoana sy ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ianao, dia miezaha hahatakatra ary avy eo dia hampiasa ireo hevi-dehibe mahasoa izay hahatonga anao ho mendrika ny ho minisitr’Andriamanitra manana ny toetra ilaina ampy tsara, ka manatanteraka ny sitrapony. — 2 Korintiana 3:3, 5, NW; 4:1, 2.
11. Ahoana no nampisehoan’ny sasany finoana ny teny hita ao amin’ny Matio 6:33?
11 Sitrapon’Andriamanitra ny ‘tsy hitsaharantsika hikatsaka voalohany indrindra ny fanjakany sy ny fahamarinany’. (Matio 6:33, NW ). Manontania tena hoe: ‘Ahoana no hampiharako io fotopoto-pitsipika io, raha manakantsakana ny fanatrehana fivoriana ireo zavatra takin’ny asako [na ny an’ny vadiko]?’ Olona matotra ara-panahy maro no nanao dingana mba hiresahana ny amin’ilay raharaha tamin’ny mpampiasa azy ireo. Ny minisitra manontolo andro iray dia nampahafantatra ny mpampiasa azy fa izy dia nila fotoana tsy hiasana isan-kerinandro mba hanatrehana ny fivorian’ny kongregasiona. Nekeny ilay fangatahana. Kanefa, noho izy io liana ta hahafantatra izay mitranga any amin’ny fivoriana, dia nangataka izy mba hanatrika. Nandre filazana momba ny fivoriamben’ny distrika iray ho avy, izy tany. Vokatr’izany, dia nanao fandaharana ilay mpampiasa mba handaniana andro iray manontolo tany amin’ilay fivoriambe. Inona no lesona raisinao avy amin’io ohatra io?
Ampianarin’ireo ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra ny amin’ny sitrapon’i Jehovah
12. Mba hampianarana an’ireo ankizy ny sitrapon’i Jehovah, inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny kristiana amim-paharetana sy amin’ny fomba tsy miovaova?
12 Tsy ireo fivorian’ny kongregasiona sy fivoriambe ihany anefa no hany fandaharam-pampianarana mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ireo ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra dia didiana mba hampiofana, hifehy sy hitaiza ny zanany mba hidera an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony. (Salamo 148:12, 13; Ohabolana 22:6, 15). Ny fanaovana izany dia mitaky ny hitondrantsika ireo ‘ankizintsika madinika’ any am-pivoriana, izay hahafahany ‘hihaino sy hianatra’, kanefa ahoana ny amin’ny fampianarana azy amin’ny alalan’ny soratra masina ao an-tokantrano? (Deoteronomia 31:12; 2 Timoty 3:15). Fianakaviana maro no nanomboka tamim-pitandremana fandaharam-pianaram-pianakaviana tsy tapaka niorina tamin’ny Baiboly, kanefa tsy ela izany dia navela hanjavona, na natao tsirambina. Efa nanana fanandraman-javatra toy izany ve ianao? Hanatsoaka hevitra ve ianao fa ilay torohevitra ny amin’ny tokony hananana fianarana tsy tapaka toy izany dia tsy mety, na hoe hafa aoka izany ny fianakavianao, hany ka tsy handaitra aminareo fotsiny izao ilay izy? Na toy inona na toy inona tarehin-javatra, ry ray aman-dreny, dia jereo kely indray, aza fady, ireo lahatsoratra tsara dia tsara hoe “Ny Lova Ara-panahy Tondraka Anananay” sy “Ny Valisoa Entin’ny Fikirizana”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1995.
13. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana mahita soa avy amin’ny fandinihana ny andinin-teny isan’andro?
13 Ireo fianakaviana dia ampirisihina mba hanao ho fahazarana ny fandinihana ny andinin-teny isan’andro avy ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Ny famakiana fotsiny ilay andinin-teny sy ny fanazavana dia efa tsara, kanefa ny fiaraha-mandinika ilay andinin-teny sy ny fampiharana azy io dia mahasoa kokoa. Ohatra, raha eo am-pandinihana ny Efesiana 5:15-17 ny mpianakavy dia afaka mieritreritra ny fomba ‘hanararaotana ny andro azo anaovan-tsoa’ ho amin’ny fianarana manokana, sy ny fomba handraisana anjara amin’ny endriny sasany amin’ny fanompoana manontolo andro, ary ny fomba hikarakarana ireo anjara teokratika hafa. Eny, ny fiarahan’ny fianakaviana mandinika ny andinin-teny isan’andro dia afaka mitarika ny iray na ny maro ‘hahafantatra amin’ny fomba feno kokoa izay sitrapon’ny Tompo’.
14. Tokony ho karazana mpampianatra manao ahoana ny ray aman-dreny, araka ny ambaran’ny Deoteronomia 6:6, 7, ary mitaky inona izany?
14 Tokony ho mpampianatra mazoto ho an’ireo zanany, ny ray aman-dreny. (Deoteronomia 6:6, 7). Tsy raharaha mahakasika fibedena, na fanomezana baiko an’ireo zanany fotsiny anefa izany. Mila mihaino koa ny ray sy ny reny, mba hahaizany hahafantatra tsara kokoa izay zavatra ilaina hohazavaina, na hatao ho azo tsara ny heviny, na hohazavaina amin’ny ohatra, na haverina holazaina. Tao amin’ny fianakaviana kristiana iray, ny ray aman-dreny dia nampirisika ny hisian’ny fifampiresahana malalaka tamin’ny fandrisihana ny zanany mba hametraka fanontaniana momba izay zavatra tsy azon’izy ireo ny heviny, na mampanahy azy ireo. Tamin’izany no nahafantarany fa sarotra tamin’ny zanakalahy iray mbola zatovo ny nahatakatra fa tsy nanam-piandohana i Jehovah. Hain’ireo ray aman-dreny ny nampiasa ny fanazavana avy tao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower izay mampiseho fa ekena ho tsy manam-petra ny fotoana sy ny habakabaka. Izany no nanampy mba hanazavana ilay hevitra, ary nahafa-po an’ilay zanakalahin’izy ireo. Koa makà fotoana mba hamaliana amin’ny fomba mazava sy amin’ny alalan’ny Soratra Masina ny fanontanian’ny zanakao, ka hanampy azy hahita fa mety ho tena mahafa-po ny fianarana mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Zavatra hafa inona koa no ampianarina ny vahoakan’Andriamanitra — tanora sy antitra — amin’izao andro izao?
Ampianarina mba ho tia sy hiady
15. Rahoviana no mety hozahan-toetra ny fahamarinan’ny fitiavan-drahalahy ananantsika?
15 Mifanaraka amin’ilay didy vaovao nomen’i Jesosy, dia “ampianarin’Andriamanitra hifankatia” isika. (1 Tesaloniana 4:9). Rehefa milamina sy mandeha tsara ny zava-drehetra, dia mety hihevitra isika fa tena tiantsika ny rahalahintsika rehetra. Kanefa inona no mitranga rehefa mipoitra ny tsy fifanarahana manokana, na rehefa manjary tezitra isika noho izay nolazain’ny Kristiana hafa iray na nataony? Amin’izay fotoana izay dia mety hozahan-toetra ny fahamarinan’ny fitiavantsika. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 8:8.) Inona no ampianarin’ny Baiboly antsika mba hatao amin’ny tarehin-javatra toy izany? Voalohany aloha dia ny fiezahana mafy mba hampiseho fitiavana amin’ny heviny feno indrindra. (1 Petera 4:8). Tsy hitady ny tombontsoan’ny tenantsika manokana isika, na hanjary ho tezitra noho ireo fahadisoana madinika, na hanao otripo, fa tokony hiezaka kosa isika hamela ny fitiavana hanarona fahotana maro. (1 Korintiana 13:5). Fantatsika fa izany no sitrapon’Andriamanitra, satria izany no ampianarin’ny Teniny.
16. a) Ampianarina mba hiditra amin’ny karazana ady inona ny Kristiana? b) Ahoana no anomanana antsika?
16 Na dia tsy hampifandray ny fitiavana sy ny ady aza ny olona maro, itỳ farany dia zavatra hafa iray ampianarina antsika, kanefa dia karazana ady miavaka tsara. Neken’i Davida fa niankina tamin’i Jehovah izy mba hampianatra azy ny fomba hanatanterahana ady, na dia nahafaoka ady ara-bakiteny mba hanoherana ireo fahavalon’ny Isiraely aza izany, tamin’ny androny. (1 Samoela 17:45-51; 19:8; 1 Mpanjaka 5:17; Salamo 144:1). Ahoana ny amin’ny ady ataontsika amin’izao andro izao? Tsy avy amin’ny nofo ny fiadiantsika. (2 Korintiana 10:4). Ady ara-panahy ny antsika, ka ho amin’izany no ilantsika ny ho voaomana amin’ny fiadiana ara-panahy. (Efesiana 6:10-13). Amin’ny alalan’ny Teniny sy ny vahoakany no ampianaran’i Jehovah antsika mba hiditra amin’ny ady ara-panahy mahomby iray.
17. a) Fomba famelezana inona avy no ampiasain’ny Devoly mba hampiviliana antsika? b) Inona no tokony hohalavirintsika amim-pahendrena?
17 Amin’ny fomba mamitaka sy an-kolaka, ny Devoly matetika dia mampiasa ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao, sy ireo mpivadi-pinoana, ary ireo hafa mpanohitra ny fahamarinana, mba hiezahana hampivily antsika ho amin’ny raharaha tsy dia lehibe. (1 Timoty 6:3-5, 11; Titosy 3:9-11). Toy ny hoe hitany fa kely ny fanantenany handresy antsika amin’ny alalan’ny fanafihana mivantana, na mifanatrika, koa iezahany izay hahatonga antsika hanao fahadisoana amin’ny fitarainana matetika sy ny fanontaniana adaladala izay tsy misy heviny ara-panahy. Amin’ny maha-mpiady mailo antsika, dia tokony ho mailaka isika hahita ireny loza ireny, tsy misy hafa amin’ny maha-mailaka antsika rehefa amin’ny fanafihana mifanatrika. — 1 Timoty 1:3, 4.
18. Inona no tena tafiditra amin’ny hoe tsy velona ho an’ny tenantsika intsony isika?
18 Tsy mampandroso ny filan’ny olona, na ny sitrapon’ireo firenena, isika. I Jehovah dia nampianatra antsika tamin’ny alalan’ny ohatra navelan’i Jesosy, fa isika dia tsy tokony ho velona ho an’ny tenantsika intsony; tokony haka mba ho fiadiana kosa ny toe-tsaina izay nananan’i Kristy Jesosy isika, ka ho velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (2 Korintiana 5:14, 15). Tamin’ny lasa isika dia nety ho nanana fomba fiaina tena tsy nahalala ny antonona sy feno fanaranam-po, ka nandanilany fotoana sarobidy. Mampiavaka itỳ tontolo ratsy itỳ ny filalaovan-dratsy, sy ny fisotroan-toaka, ary ny fahalotoam-pitondran-tena. Ankehitriny isika, rehefa nampianarina mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, moa ve tsy velom-pankasitrahana isika satria tafasaraka amin’itỳ tontolo simba ara-pitondran-tena itỳ? Koa aoka isika hiditra amin’ny ady mafy amin’ny lafiny ara-panahy, mba hanalavirana tsy ho voarohirohy amin’ireo fanao mandoton’izao tontolo izao. — 1 Petera 4:1-3.
Mampianatra antsika hahita soa
19. Hitondra soa inona avy ny hoe ampianarina ny sitrapon’i Jehovah sy ny fanaovana izany avy eo?
19 Tena ilaina ny hanekena fa hahitantsika soa lehibe ny ampianarina mba hanao ny sitrapon’i Jehovah. Takatra mora foana fa tsy maintsy manao ny anjarantsika isika amin’ny fitandremana fatratra raha ny amin’ny fianarana, ary avy eo ny fanarahana ny toromarika azontsika amin’ny alalan’ny Zanany ary koa ny Teniny sy ny vahoakany vorìna. (Isaia 48:17, 18; Hebreo 2:1). Amin’ny fanaovantsika toy izany dia hohatanjahina isika mba hiorina mafy mandritra izao andro feno loza izao, ary hieren-doza mandritra ny fisafotofotoana ho avy. (Matio 7:24-27). Na dia ankehitriny aza isika dia hampifaly an’Andriamanitra amin’ny fanaovana ny sitrapony, ary hahazo antoka isika fa hovaliana ny vavaka ataontsika. (Jaona 9:31; 1 Jaona 3:22). Ary hahita ny tena fahasambarana marina isika. — Jaona 13:17.
20. Ho tsara ny hisaintsainanao ny amin’ny inona, rehefa hahita ny teny fototra ho an’ny taona mandritra ny 1997 ianao?
20 Mandritra ny 1997 manontolo isika dia matetika no hanana fahafahana hamaky sy handinika ilay teny fototra ho an’ny taona, dia ny Salamo 143:10 manao hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho”. Rehefa manao izany isika, dia aoka hampiasa ny fotoana sasany mba hisaintsainana momba ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hampianarana antsika, araka izay naseho etsy ambony. Ary aoka isika hampiasa izany fisaintsainana an’ireo teny ireo izany ho toy ny fandrisihana mba hanao zavatra amin’ny fomba tsy miovaova mifanaraka amin’io fiangaviana io, amin’ny fahafantarana fa “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — 1 Jaona 2:17.
Ahoana no Havalinao?
◻ Iza amin’izao andro izao no ampianarina mba hanao ny sitrapon’i Jehovah?
◻ Ahoana no tokony hahavoakasika antsika amin’ny Salamo 143:10 mandritra ny 1997 manontolo?
◻ Ahoana no ampianarana antsika mba hanao ny sitrapon’i Jehovah?
◻ Inona no takina amin’ny ray aman-dreny kristiana eo amin’ny fampianarany an’ireo zanany?