Matahora An’i Jehovah ary Ankalazao ny Anarany
“Iza tokoa no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, sy tsy hankalaza ny anaranao, fa ianao irery ihany no mahatoky?” — APOKALYPSY 15:4, MN.
1, 2. a) Tamin’ny ahoana no nanokafan’i Jehovah ny varavaran’ny lanitra tamin’ny 1991? b) Fanandraman-javatra teo amin’ny fiainany inona avy no hitan’ny misionera mahatoky iray ka nanosika azy hanome ny torohevitra hoe: “Matahora an’i Jehovah”? (Jereo koa ny Annuaire 1991, pejy faha-187-189.)
‘NAMOHA ny varavaran’ny lanitra i Jehovah ka nampidina fitahiana manana amby ampy.’ Azo ampiharina tsy an-kijanona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izao andro faramparany izao ireo teny ireo. (Malakia 3:10). Ohatra, nandritra ny taom-piasana 1991, dia niharihary ny hafanam-pon’ireo Vavolombelona mpitsidika sy ireo mpanatrika fivoriambe teo an-toerana tamin’ny fifaneraserana kristiana tamin’ireo fivoriamben’ny distrika manokana natao naneran-tany — nanomboka tamin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiteny madio” tany Buenos Aires, any Amerika Atsimo, tany Manille sy Taipei ary Bangkok, any Atsinanana, ka hatramin’ireo Fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana” tany Budapest sy Prague ary Zagreb (16-18 Aogositra 1991), any Eoropa Atsinanana.
2 Fifaliana toy inona moa ny an’ireo solontena avy any ampitan-dranomasina nahita ireo Vavolombelona nahatoky hatramin’ny ela be tany amin’ireo toerana ireo! Ohatra, tany Bangkok, i Frank Dewar — nisy fotoana naha-hany mpitory ilay Fanjakana tany Thaïlande azy — dia nitantara ny amin’ireo 58 taona nanaovana ny asa misionera. Nahatratra ireo nosy ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika ka hatrany Azia atsimo atsinanana, ary na dia hatrany Sina mihitsy aza, ny asany. Niatrika loza noho ny sambo vaky, ny biby dia tany an’ala, ny aretin’ny tany mafana sy ny fitondrana tsy mifaditrovan’ireo mpitari-tafika japone izy. Rehefa nanontaniana izy hoe torohevitra inona no homeny an’ireo mpanatrika fivoriambe, dia tsotra ny valinteniny: “Matahora an’i Jehovah!”
3. Nahoana isika no tokony haneho fahatahorana araka an’Andriamanitra?
3 “Matahora an’i Jehovah!” Zava-dehibe toy inona moa ny hambolentsika rehetra izany fahatahorana mahasoa izany! “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (Salamo 111:10). Tsy tahotra an’i Jehovah mankarary akory izany fahatahorana izany. Izy io kosa dia fanajana lalina ny fahambonian’ny mpanjaka ananany sy ireo toetrany amin’ny maha-Andriamanitra azy, izay miorina amin’ny fahatakaran-javatra azontsika avy amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny Apokalypsy 15:3, 4 (MN), dia manambara toy izao ny fihiranan’i Mosesy sy ny fihiranan’ny Zanak’ondry: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Tsitoha. Ara-drariny sy marina ireo lalanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza tokoa no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, sy tsy hankalaza ny anaranao, fa ianao irery ihany no mahatoky?” Ho fanehoana fahatokiana amin’ireo manolotra fanompoam-pivavahana ho azy, i Jehovah dia manana “boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” Omena fiainana mandrakizay ho valisoa izy ireo. — Malakia 3:16; Apokalypsy 20:12, 15.
Mandresy ny fahatahorana araka an’Andriamanitra
4. Fanafahana tamin’ny andro fahiny inona no tokony hampirisika antsika hatahotra an’i Jehovah?
4 Rehefa nandeha hivoaka an’i Egypta tanin’i Farao ny Isiraely, dia nampiseho mazava i Mosesy fa tsy natahotra afa-tsy i Jehovah izy. Tsy ela dia voafandrika teo anelanelan’ny Ranomasina mena sy ny tafika maherin’i Egypta ireo Isiraelita. Inona no ho azony atao? “Hoy Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.” Tamin’ny alalan’ny fahagagana, dia nosarahin’i Jehovah ireo rano. Namakivaky ny fanambanin’ilay ranomasina ireo Isiraelita. Avy eo dia niverina niantonta ireo rano. Foana tsy nisy tavela ny tafik’i Farao. Namonjy ilay firenena natahotra an’Andriamanitra i Jehovah, sady nampihatra fitsarana tamin’i Egypta nanala baraka an’Andriamanitra. Toy izany koa amin’izao andro izao, haneho ny fahatokiany izy amin’ny fanafahana ireo Vavolombelony matahotra an’Andriamanitra avy amin’ny tontolon’i Satana. — Eksodosy 14:13, 14; Romana 15:4.
5, 6. Fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Josoa inona no mampiseho fa tokony hatahotra an’i Jehovah fa tsy ny olona isika?
5 Taorian’ny nialan’izy rehetra avy tao Egypta, dia nandefa mpisafo tany 12 ho any amin’ny Tany nampanantenaina i Mosesy. Nivadi-po ny folo taminy nahita ireo mponina goavam-be ary nanandrana nampiaiky ny Isiraely tsy hiditra ao amin’ilay tany. Ireo roa hafa anefa, i Josoa sy i Kaleba, dia nanao izao tatitra izao: “Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” — Nomery 14:7-9.
6 Resin’ny tahotra olona anefa ireo Isiraelita ireo. Ho vokatr’izany, dia tsy tonga tany amin’ny tanin’ny fampanantenana velively izy ireo. Fa i Josoa sy i Kaleba kosa, niaraka tamin’ny taranaka vaovao teo amin’ireo Isiraelita, dia nahazo ny tombontsoa hiditra tao amin’izany tany faran’izay tsara izany ka namboly ny tanim-boalobony sy ny tanin’olivany. Tao amin’ny lahateny fanaovam-beloma nataony ho an’ny vahoaka Isiraely tafangona, dia nanome izao torohevitra izao i Josoa: “Matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana.” Ary nanampy koa i Josoa hoe: “Raha izaho sy ny ankohonako (...) dia hanompo an’i Jehovah izahay.” (Josoa 24: 14, 15). Teny feno fampirisihana re izany ho an’ireo raim-pianakaviana sy ny hafa rehetra mba hatahotra an’i Jehovah eo am-piomanantsika ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina!
7. Ahoana no nanamafisan’i Davida ny maha-zava-dehibe ny fahatahorana an’Andriamanitra?
7 I Davida, tovolahy mpiandry ondry, dia naneho koa tahotra an’i Jehovah fakan-tahaka rehefa nihaika an’i Goliata tamin’ny anaran’Andriamanitra izy. (1 Samoela 17:45, 47). Teo amin’ny fandriana nahafatesany, dia afaka nanambara i Davida hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako; Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, Eny, ny Vatolampin’ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; marina Izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra; ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny.” (2 Samoela 23:2-4). Tsy hita eo amin’ireo mpanapak’izao tontolo izao io fahatahorana an’Andriamanitra io, ary mampalahelo aoka izany ny vokany! Endrey ny fahasamihafana rehefa hanapaka ny tany amin’ny fahatahorana an’i Jehovah i Jesosy, ilay “Zanak’i Davida”! — Matio 21:9.
Aoka isika hanao zavatra amin’ny fahatahorana an’i Jehovah
8. Nahoana ny Joda no nambinina teo ambany fanapahan’i Josafata, ary manondro inona izany ho an’izao andro izao?
8 Zato taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Davida, dia tonga mpanjakan’ny Joda i Josafata. Indro indray koa mpanjaka iray izay nanompo tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah. Namerina ny filaminana teokratika tamin’ny laoniny tao Joda izy, nametraka mpitsara nanerana ilay tany ary nanome azy ireo izao toromarika izao: “Tsy ho an’olona no hitsaranareo, fa ho an’i Jehovah, sady momba anareo ao amin’ny fitsarana Izy. Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’olona, na fandraisana kolikoly. (...) Izao no hataonareo amin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy amin’ny fahamarinana [fahatokiana, MN] ary amin’ny fo mahitsy [manontolo, MN].” (2 Tantara 19:6-9). Noho izany, dia nambinina noho ny fahatahorana an’i Jehovah ny Joda, tsy misy hafa amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao izay mandray soa avy amin’ny fanompoan’ireo mpiandraikitra feno fangoraham-po.
9, 10. Nanao ahoana ny fandresen’i Josafata noho ny fahatahorana an’i Jehovah?
9 Kanefa nanana fahavalo ny Joda. Nanapa-kevitra ny handripaka ilay firenen’Andriamanitra izy ireo. Niara-nitanjozotra niditra ny faritanin’ny Joda ireo hery ara-tafika nikamban’i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka nandrahona an’i Jerosalema. Nahaforona tafika nahery izy ireo. Nitodika tany amin’i Jehovah i Josafata mba hivavaka, “ary [nandritra izany fotoana izany] ny Joda rehetra mbamin’ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’i Jehovah.” Avy eo, ho valin’izany vavaka izany, ny fanahin’i Jehovah dia tonga teo amin’i Jahaziela Levita, izay nilaza hoe: “Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. Rahampitso dia midìna hiady aminy hianareo (...) Tsy hianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.” — 2 Tantara 20:5-17.
10 Ny ampitson’iny, dia nifoha maraina koa ireo lehilahy teo amin’ny Joda. Rehefa nivoaka hiatrika ny fahavalo tamim-pankatoavana izy ireo, dia nitsangana i Josafata ka nanao hoe: “Mihainoa ahy, ry Joda, sy hianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo.” Nialoha ireo lehilahy niomana hiady ireo mpihira ho an’i Jehovah ka niara-nihira hoe: “Miderà an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony [hatsaram-panahiny miharo fitiavana, MN].” Naneho izany hatsaram-panahy miharo fitiavana izany i Jehovah tamin’ny fandatsahana fisafotofotoana lehibe aoka izany teo anivon’ireo fahavalo, hany ka nifandringana izy ireo. Rehefa nankeo amin’ilay fitazanana tany an’efitra ireo lehilahy teo amin’ny Joda, dia tsy nisy afa-tsy ny fatin’ireo fahavalo sisa tavela. — 2 Tantara 20:20-24.
11. Raha ny amin’ny fahatahorana, fahasamihafana inona no hita eo amin’ireo firenena sy ny vahoakan’Andriamanitra?
11 Rehefa ren’ireo firenena manodidina io fanafahana tamim-pahagagana io, dia nahazo azy ireo ny “tahotra an’Andriamanitra”. Tetsy an-danin’izany kosa, ilay firenena izay nankatò tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah izao dia nahazo “fiadanana tamin’ny manodidina”. (2 Tantara 20:29, 30). Toy izany koa, rehefa hanatanteraka ny fitsarana ao Haramagedona i Jehovah, dia ho azon’ny “tahotra an’Andriamanitra” sy Jesosy Kristy, ilay Zanany mpanatanteraka fitsarana, ireo firenena ary tsy hahajanona amin’ny andro lehiben’ny fahatezeran’Andriamanitra. — Apokalypsy 6:15-17.
12. Tamin’ny fomba ahoana no namalian-tsoa ny fahatahorana an’i Jehovah tamin’ny andro fahiny?
12 Mitondra valisoa tondraka ny fahatahorana mahasoa an’i Jehovah. “Naneho tahotra araka an’Andriamanitra ary nanamboatra sambofiara ho famonjena ny ankohonany” i Noa. (Hebreo 11:7, MN). Ary raha ny amin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia voatantara fa, taorian’ny fotoam-panenjehana iray, dia ‘niditra vanim-potoam-piadanana ny kongregasiona sady nihanatanjaka; ary teo am-pandehanany tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina izy io dia tsy nitsahatra nihamaro’ — tsy misy hafa amin’izay mitranga any Eoropa Atsinanana amin’izao andro izao. — Asan’ny apostoly 9:31, MN.
Tiavo ny tsara, mankahalà ny ratsy
13. Amin’ny ahoana ihany no ahafahantsika mahita ny fitahian’i Jehovah?
13 Tsara tanteraka i Jehovah. Noho izany, “ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah.” (Ohabolana 8:13). Hoy ny voasoratra momba an’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.” (Hebreo 1:9). Raha maniry ny fitahian’i Jehovah, sahala amin’i Jesosy, isika dia tsy maintsy mankahala ny faharatsiana, ny fahalotoam-pitondrantena, ny herisetra ary ny faniriana mihoa-pampan’ny tontolon’i Satana feno avonavona. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 6:16-19, MN.) Tsy maintsy tia izay tian’i Jehovah isika ary mankahala izay ankahalainy. Tsy maintsy matahotra ny hanao na inona na inona izay hahasosotra an’i Jehovah isika. “Ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.” — Ohabolana 16:6.
14. Amin’ny ahoana i Jesosy no manome môdely ho antsika?
14 Namela môdely ho antsika hanarahantsika akaiky ny diany, i Jesosy. “Rehefa notevatevaina izy, dia tsy namaly nanevateva. Rehefa nijaly izy, dia tsy nandrahona, fa tsy nitsahatra ny nanankina izany tamin’ilay mitsara amim-pahamarinana.” (1 Petera 2:21-23, MN). Noho ny fahatahorana an’i Jehovah, isika koa dia afaka miaritra ireo teny fanakianana, fanesoana ary fanenjehana izay atototry ny tontolon’i Satana amintsika.
15. Nahoana isika no tokony hatahotra an’i Jehovah fa tsy ireo izay afaka mamono ny tena?
15 Ao amin’ny Matio 10:28, dia nananatra antsika toy izao i Jesosy: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo [Gehena, fanamarihana ambany pejy].” Na dia vonoin’ny fahavalo ho faty aza ny olona iray matahotra an’i Jehovah, dia mihelina ihany ny fanaintainana eo am-pahafatesana. (Hosea 13:14). Rehefa hatsangana amin’ny maty izany olona izany, dia ho afaka ny hiteny hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” — 1 Korintiana 15:55.
16. Tamin’ny ahoana no natahoran’i Jesosy an’i Jehovah ka nankalazany azy?
16 Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia manome ohatra mendrika hoderaina ho an’izay rehetra tia ny fahamarinan’i Jehovah ka mankahala ny ratsy. Ny fahatahorany an’i Jehovah dia hita taratra amin’ireo teny farany nataony tamin’ireo mpianany, hita ao amin’ny Jaona 16:33, manao hoe: “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia: Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” Manohy toy izao ny fitantaran’i Jaona: “Rehefa nolazain’i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao (...) Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao.” — Jaona 17:1-6.
Matahora an’i Jehovah ary miderà Azy
17. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika manahaka ny ohatr’i Jesosy?
17 Afaka manahaka ny ohatra feno herim-pon’i Jesosy ve isika amin’izao andro izao? Azo antoka fa afaka isika, noho ny fahatahorana an’i Jehovah! Nampahafantarin’i Jesosy antsika ny anaran’i Jehovah malaza sy ireo toetrany. Matahotra an’i Jehovah amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy isika ka manandratra azy ho ambonin’ireo andriamanitra hafa rehetra, anisan’izany ny Trinite tsy manana anarana sy feno zava-miafin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fahatahorana mahasoa i Jesosy ka nanda tsy ho voafandriky ny tahotra olona mety maty. “Tamin’ny andron’ny nofony, (...) nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. Toa an’i Jesosy, dia enga anie isika koa hatahotra an’i Jehovah eo am-panohizantsika mianatra fankatoavana avy amin’ireo fahoriana entintsika — ka ny fiainana mandrakizay foana no ho zava-kendrentsika. — Hebreo 5:7-9.
18. Amin’ny ahoana no ahafahantsika manolotra fanompoana masina an’Andriamanitra amin’ny fahatahorana araka an’Andriamanitra?
18 Eo aoriana kokoa ao amin’io taratasiny ho an’ireo kristiana hebreo io, i Paoly dia nampirisika ireo kristiana voahosotra toy izao: “Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”. Amin’izao andro izao, dia mandray anjara amin’io fanompoana masina io koa ny “olona betsaka”. Fa inona moa izy io? Rehefa avy niresaka ny amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah ho an’ny tsy mendrika akory fony izy nanome ny soron’i Jesosy Kristy Zanany, i Paoly dia nanao hoe: “Aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” (Hebreo 12:28; 13:12, 15). Ho fankasitrahana ny hatsaram-panahin’i Jehovah ho an’ny tsy mendrika akory, isika dia tokony haniry ny hanokana izay ora rehetra azo atolotra ho an’ny fanompoana masina. Amin’ny maha-namana mahatokin’ireo kristiana voahosotra tavela azy, ny olona betsaka amin’izao andro izao dia manatanteraka ny tapany lehibe indrindra amin’io fanompoana io. Milaza izy ireo fa avy amin’Andriamanitra sy i Kristy ny famonjena, rehefa mitsangana ara-panoharana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ireo, “ka manompo azy andro aman-alina”. — Apokalypsy 7:9, 10, 15.
Ankalazao mandrakizay i Jehovah
19, 20. Karazan-tahotra roa inona avy no ho hita amin’ny “andron’i Jehovah”?
19 Manakaiky haingana ilay andro malaza hanamarinana an’i Jehovah! “Indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Izany fotoana hitondra loza izany no ilay “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. (Malakia 3:19, 23 [4:1, 5, MN]). Hamely ny fon’ireo ratsy fanahy amin’ny “fampitahorana [fivadiham-po, MN]” izy io, ka “tsy ho afa-mandositra mihitsy” ireo. — Jeremia 8:15; 1 Tesaloniana 5:3.
20 Ny vahoakan’i Jehovah anefa dia atosiky ny karazan-tahotra hafa. Niantsoantso azy ireo tamin’ny feo avo ilay anjely nanankinana “vaovao tsara mandrakizay” ka nanao hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany.” (Apokalypsy 14:6, 7, MN). Hitsangana amim-panajana miharo tahotra isika noho izany fitsarana izany rehefa handoro ny tontolon’i Satana ny hafanana mivaivain’ny Haramagedona. Ny fahatahorana an’i Jehovah mahasoa dia tsy ho voakosoka ao am-pontsika. Enga anie isika hahazo ny tombontsoa ho anisan’ireo izay ‘hovonjena fa niantso ny anaran’i Jehovah’! — Joela 3:4, 5 [2:31, 32, MN]; Romana 10:13.
21. Hitondra fitahiana inona avy ny fahatahorana an’i Jehovah?
21 Hisy fitahiana mahatalanjona hanaraka izany, anisan’izany ny ‘taona maro iainana’ izay hitohy hatrany amin’ny mandrakizay! (Ohabolana 9:11, MN; Salamo 37:9-11, 29). Noho izany, na manantena ny handova ilay Fanjakana isika na ny hanompo eo amin’ny faritra hotapahin’izy io eto an-tany, dia aoka isika izao hanohy hanolotra fanompoana masina an’Andriamanitra amin’ny fahatahorana sy fanajana. Ary inona no ho vokany feno fitahiana? Fankasitrahana mandrakizay noho isika nandray am-po ilay torohevitra feno fahendrena mba hatahotra an’i Jehovah foana!
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “fahatahorana an’i Jehovah”?
◻ Tamin’ny ahoana no nitondran’ny fahatahorana an’Andriamanitra soa ho an’ny vahoakany fahiny?
◻ Môdely ny amin’ny fahatahorana araka an’Andriamanitra inona no navelan’i Jesosy ho antsika?
◻ Amin’ny ahoana no ahafahantsika mihazona tsy fivadihana noho ny fahatahorana an’i Jehovah?
[Sary, pejy 18]
Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ireo rahalahin’i Jesosy dia hita mihira “ny fihiranan’i Mosesy”, izay hira fiderana an’i Jehovah
[Sary, pejy 20]
Nandresy ny tafik’i Josafata noho ny fahatahorana an’i Jehovah
[Sary, pejy 23]
Taona maro iainana izay hitohy hatrany amin’ny mandrakizay no ho valisoan’ireo izay matahotra an’i Jehovah