Ny fitahian’i Jehovah no nampanan-karena ahy
Notantarain’i Elsie Meynberg
“NY fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” (Ohabolana 10:22) Nahatsapa manokana ny fahamarinan’io ohabolana ao amin’ny Baiboly io ny tenako. Mamelà ahy hitantara aminareo hoe tamin’ny fomba ahoana.
Fony aho vao enin-taona monja, dia nihaino mangingina ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny reniko niaraka tamin’ny mpampianatra Baiboly iray izay nitsidika anay aho, ary nomarihiko fa tena nambabo ny reniko ny zavatra nianarany. Indray alin’ny ririnina nangatsiaka, dia nankany ambany rihana aho haka rano iray vera, ary nahita an’i Neny namaky teny teo akaikin’ny varavaran’ny lafaoro nivoha. Tsy nitrerona ahy araka ny nanampoizako azy izy fa namihina ahy kosa, ary nanazava fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Ny hafanana tamin’ny feony dia nanambara tamiko fa tena zava-dehibe taminy ny zavatra nianarany.
Taorian’ny fifanakalozan-kevitra amboniny vitsivitsy niaraka tamin’ilay mpampianatra Baiboly, dia nanomboka nandeha an-tongotra i Neny mba hizara tamin’ireo mpifanila trano ny vaovao tsara nianarany. Kanefa tsy noraisina tsara foana izy. Nonina tany ambanivohitra any akaikin’i Beatty any Saskatchewan, any Kanada izahay, ary havanay avokoa ny ankamaroan’ny mpifanila trano taminay, izay loterana na evanjelistra nafana fo. Nanohy nitsidika azy ireo i Neny na dia izany aza.
Teo amin’ny varavarankely nandrian’ny fanala no nitazanako an’i Neny sahirana mafy nitondra ny soavaly avy any amin’ny fitoerany, ary fantatro fa tsy zatra ny nametaka azy ireo tamin’ny kalesy izy. Tamin’ny fotoana hafa izy dia nandeha tany amin’ireo fivoriana sy ny saha fitoriana na dia teo aza ny fitarainan’i Dada. Tsy nankasitrahany ny finoana vaovaon’i Neny, nefa moa tapa-kevitra i Neny. Mandrakariva dia nody tao an-trano, feno hafaliana tao am-po izy ka niharihary tamin’ny rehetra izany. “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”, hoy ny nolazainy. Nanontany tena ny amin’izay tiany holazaina tamin’izany aho. Na dia vao enin-taona monja aza aho dia naniry hanompo an’i Jehovah koa.
Indray andro izay aho dia niaraka tamin’ny raiko, izay nanamboatra ny kapila hazo tao an-tafontrano. I Neny sy i Eileen rahavaviko lasa niaraka tamin’ny antokon’olona tamin’ny fiara Ford Model T, mba handray anjara amin’ny “fandehanana manao fampielezan-kevitra”. Nandeha nilahatra namakivaky ny tanàna izy ireo nitondra takelaka fanambarana ny hanaovana lahateny iray momba ny Baiboly.
“Tsy ianao mihitsy no ho adala toy izao, sa tsia?” hoy i Dada nanontany ahy. Na dia zazavavy tia nianika aza anefa aho dia ho naleoko lavitra nanao izany fandehanana manao fampielezan-kevitra izany toy izay tao an-tafontrano. Kanefa, nilaza izy ireo fa fohy loatra aho ka tsy afaka nitondra takelaka.
Fisetrana ny zava-tsarotry ny fandrarana
Farany, dia tonga ny fotoana voalohany nety tamiko mba handraisana anjara tamin’ny fitoriana ny Fanjakana tamin’ny novambra 1940. Fahataitairana moa izany! Koa satria norarana ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kanada tamin’izany fotoana izany, dia tamin’ny nisasakalina izahay no nandeha nivoaka ary nametraka ny bokikely La fin du Nazisme teny am-baravarana isan-trano.
Rehefa feno sivy taona aho dia tapa-kevitra ny hanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Noho ny fanenjehana dia tsy nolazaina anay ny toerana hanaovana ny fivoriana fa notarihina izahay ho any amin’ny toerana iray anaty ala, izay nisy antokona Vavolombelona nifaly “nisakafo teny an-tsaha”. Tany izahay sy Eleanor zokiko vavy no anisan’ireo maro be natao batisa tao amin’ny rano mamanalan’ny farihy iray teo akaiky teo.
Nanomboka tamin’ny fiarahabana saina sy fihirana ny hiram-pirenena ny fianarana tamin’izany andro izany. Na dia teo aza ny fijery niampangan’ireo mpiara-mianatra taminay, dia nanda tamim-panajana tsy handray anjara izahay noho ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny fanompoan-tsampy. (Daniela, toko faha-3) I Elaine Young, zanak’olo-mpiraitampo amiko, izay Vavolombelona koa, dia tsy maintsy nandeha an-tongotra 6 km mba hahatongavana any an-tsekoly, nefa dia voaroaka foana izy isan’andro satria tsy niarahaba saina. Aorian’izay izy dia niverina an-tongotra nody indray. Nanao izany izy nandritra ny antsasaky ny taom-pianarana mba tsy ho voamarika ho tsy tonga sy tsy haharaka.
Taorian’ny nandaozako ny sekoly dia niasa tamin’ny banky iray aho. Tonga anefa ny fisedrana rehefa nolavina ny fangatahako hanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York tamin’ny 1950. Nanana tahiry kely aho ka tapa-kevitra ny hiala ary hanomboka ny fanompoana manontolo andro. Nifindra tany amin’ny tanànan’i Regina àry izahay sy Elaine. “Ho mpangataka iny miverina eto rehefa tonga ny lohataona”, hoy ny fanarabian’ny sasany. Afaka namelon-tena anefa aho tamin’ny fiasana tapak’andro tamin’ny naha-mpikarakara tokantrano. Ny haren’ny fitahian’i Jehovah no nitana ahy tamin’ny fanompoana azy manontolo andro hatramin’izay.
Fanatratrarana ny zava-kendrenay
Diboky ny hafaliana izahay sy Elaine tamin’ny 1955, rehefa nasaina ho amin’ny kilasy faha-26-n’i Gileada, ary taorian’izay dia nahazo fanendrena ho any Bolivia, any Amerika Atsimo. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 160 monja tao amin’ilay tany manontolo tamin’izany fotoana izany. Farany, dia nankany Tarija izahay mba hanatona ireo misionera roa hafa tamin’ny fanendrena anay voalohany.
Tanàna kely iray nahafinaritra i Tarija. Nahaliana aoka izany ny nahita ireo vehivavy nanaraka fomba fitafin-drazany, miloloha entana. Nahafinaritra ny mponina, ary tsy mba nilaza taminay mihitsy fa tsy liana izy. Niharihary fa noheveriny ho fahalalam-pomba kokoa ny nilaza taminay mba hiverina amin’ny fotoana fantany fa tsy maha-ao an-trano azy. Naka fotoana ny fizàrana tamin’izany.
Teo am-piresahana tamin’ny lehilahy iray teo am-baravarany izahay indray andro no indro nisy “jeep” iray nijanona ary nitsambikina nivoaka ny pretra iray nivoaramena noho ny hatezerana. “Raha mbola miresaka amin’ireo zazavavy ireo ihany ianao dia ho voaongana!” hoy ny fikiakiakany tamin’ilay lehilahy. Nitodika tany aminay izy ka nandrahona toy izao: “Tsy manana zo hitory eto ianareo. Raha tsy mitsahatra ianareo dia handray fepetra hentitra kokoa aho.” Mandra-pahatongan’izay dia mpifanila trano maro no efa nivoaka mba hitazana. Noho izany dia nanohy ny asanay fotsiny izahay, tamin’ny fametrahana boky sy Baiboly maro tamin’ireo mpitazana ta hahafanta-javatra.
Rehefa nandany roa taona tao amin’io lohasaha mahafinaritra feno paiso sy voanjo ary voaloboka io izahay, dia tsy faly tamin’ny voalohany rehefa nahazo fiovana fanendrena ho any Potosí, tanàna iray fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, faran’izay mangatsiaka, any amin’ny toerana avo mihoatra ny 4 000 m. Efa zatra ny ririnina mamirifirin’i Kanada izahay saingy ny mahasamy hafa azy dia noho ny trano any Potosí mazàna tsy misy fanafanàna. Nefa nisy kongregasiona kristiana nafana tao Potosí, fa tsy mbola nisy kongregasiona niforona kosa tany Tarija.
Fanokafana faritany vaovao
Avy eo izahay sy Elaine dia voatendry ho any Villamontes mba hanokatra ny asa fitoriana tany. Hipoky ny siramamy tsy nahazoan-dalana ara-dalàna ilay kamiao nitondra anay, hany ka mba hialana amin’ny olana tamin’ny pôlisy any amin’ny fanakanan-dalana, dia tsy nanomboka ny dia talohan’ny nilatsahan’ny alina ilay mpamily. Toy inona ny fanirianay hoe raha mba nitondra jiro fanao am-paosy mantsy, noho ny fisian’ny zavatra nikofokofoka tampoka teo akaikinay, tao ambany lamba! Hay ny mpanampy ny mpamily ilay izy.
Tamin’ny dimy ora maraina izahay no nijanona. Naloiloin’ny setroka sy rakotry ny vovoka izahay ka nandady nivoaka. Nisy tany nihotsaka nanakana ny lalanay. Farany, taorian’ny efatra ora niasana mafy dia nasain’ilay tompony nampita ilay fiara teo amin’ny tany marina tery iray nosorohina ilay mpanampy azy. Tsy nijery akory ilay tompony raha mbola nikorisa nitsivalana ny fiara ary nitsingevina nihodina teo ambonin’ilay hantsana toa tsy nisy farany teo an-tsisin-dalana ny kodiarany roa. Niampita an-tongotra izahay sy Elaine. Raha nanohy ny dia ho any Villamontes tao amin’ny fiara izahay, dia tery loatra ireo fiolahana mihodidina ny tendrombohitra hany ka voatery nanao dia niverina sy nanodidina izany ilay mpamily. Farany, dia tonga izahay rehefa afaka 35 ora nandreraka.
Izay no fanandraman-javatra vaovao naha-irery tanteraka anay sy Elaine. Vaovao taminay koa ny bibikely any amin’ny tany mafana. Nisy karazam-boangory mafy lehibe nilatsaka taminay rehefa avy nidona tamin’ny jiro teo ambony lohanay. Nanaikitra nampanaintaina anay ny lalitra bitika ary niteraka mivonto kely nangidihidy namoaka rano nangarangarana. Tamin’ny alina voalohany nahatongavana tao amin’ny tranonay vaovao dia nandeha mba ho any amin’ny trano fivoahana tany ivelany aho. Rehefa nampirehetiko anefa ny jiro fanao am-paosy dia toa feno kalalao eran’ny ngorodona. Nitsoriaka ny androngo, ary indro saobakaka ngezabe nibanjina ahy avy teo an-joron-trano. Nanapa-kevitra aho fa afaka ny hiandry hatramin’ny ampitso marainan’iny.
Tatỳ aoriana dia teo akaikin’ny renirano izahay, ary nikasa ny hiala sasatra teo ambonin’ny vatan-kazo iray hitanay teo. Nanapa-kevitra ny handeha hanao fiverenana mitsidika teo akaiky teo anefa izahay aloha. Nony niverina izahay dia tsy hita ilay vatan-kazo. Nisy mpandalo taitra mafy nilaza taminay fa nisy menarana ngeza be teo. Faly aho fa tsy nanandrana nipetraka teo ambonin’iny “vatan-kazo” iny izahay!
Izay nahafaly anay indrindra tao Villamontes dia ny nitsidika ny olona tamin’ny takariva. Nipetraka teo ambony seza vita amin’ny tsimbilaotra teo ivelan’ny tranony teo amoron’ny arabe izy ireo no tratranay, ary nisotro moramora zavatra vita tamin’ny zavamaniry antsoina hoe “maté”. Nandany ora maro nahafinaritra nanazavana ny amin’ny fampanantenana momba ilay Fanjakana teo amin’ny manodidina ny toerana toy izany izahay. Tonga anefa ny fotoana sarotra kokoa taorian’ny nanambadian’i Elaine, ka voatendry ho any Vallegrande niaraka tamin’ny namana vaovao iray indray aho.
Toy ny any amin’ny tany efitra andrefana
Mba hahatongavana any Vallegrande, dia nilaina ny fandehanana nanasatra telo andro hafa, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia nandeha irery aho. Toa niolakolaka tsy ankijanona ho any an-tany efitra ilay lalana ety feno vovoka. Tonga ihany aho tamin’ny farany rehefa nilentika ny masoandro. Nohelingelenin’ilay fiara fitaterana ny fahanginan’ilay tanàna, izay ny soavaly no fahita kokoa tany noho ny fiara. Nitazana avy tao ambany volombodintrano mifanolotra amin’ny sisin-dalana, tohanan’ny andry ny olona. Nanao fehinkibo nisy basy poleta ny sasany tamin’ireo lehilahy niankina tamin’ny andry. Saika ny olona rehetra no toa nanao akanjo mainty. Hoy aho anakampo: ‘Tena mitovy amin’ny any amin’ny tany efitra andrefana mihitsy izy izany!’
Ary tena izany tokoa no izy. Nalamina tamin’ny alalan’ny basy ny fifandirana. Na dia teo amin’ny iray alina monja aza ny mponina tao amin’ilay tanàna dia fahita ny vonoana olona sy ny herisetra tamin’izany fotoana izany. Ny mponina dia voafehin’ny andian’olon-dratsy, izay naka an-keriny ny fefy fidirana tao an-tanàna. Namelon-tena tamin’ny fanakanana ny fiara fitaterana sy ny fandrobana izany ireo mpikambana tao amin’ilay andian’olon-dratsy. Voaroba koa ireo mpamboly sy mpiompy rehefa nitondra ny vokatr’izy ireo ho any an-tanàna. Nambanana basy sy nosavihina teo imason’ny ray aman-dreniny ireo zatovovavy. Ireo renim-pianakaviana aza tsy namela ny zanany vavy handeha irery hividy zavatra teo amin’ny zoron-dalana teo akaiky teo.
Alao sary an-tsaina ny fanahianay rehefa niditra ny Efitrano Fanjakana ny filohan’ilay andian’olon-dratsy indray andro. Mamo izy. Nivaloarika ilay mpandraikitra ny fizaran-tany, izay teo am-panaovana lahateny. “Mino aho!” hoy ny fihiakan’ilay jiolahy, raha nandona tamin-kery aoka izany ny lamosin’ny dabilio izy, hany ka tapaka ilay izy. Avy eo dia nohazoniny ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany. Kanjo, tampoka teo dia nitony izy, ary nisy mpiara-mianatra taminy fahiny nanatrika teo, afaka nitondra azy nandeha.
Farany, dia nisy manamboninahitry ny tafika iray nihaika an’ilay filohan’ny jiolahy hiady aminy. Nahanton’ilay manamboninahitra teo an-tany malalaka ny fatin’alika iray, niaraka tamin’ny soratra hoe: “Mialà eto amin’ny tanàna, raha tsy izany dia hatao toa an’io ialahy.” Lasa ilay tontakely, ary nihatsara ny toe-piainana tao Vallegrande.
Indraindray izahay dia teny ambony soavaly nandritra ny 12 ora, mba handeha hitory any amin’ny tanàna kely mitokana. Nandray tsara anay ny mpampianatra iray tao amin’ny anankiray tamin’ireo tanàna ary tatỳ aoriana dia tonga iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Indray andro aho dia nindrana ramole iray mba handehanana ho any amin’ireny tanàna kely ireny, nefa isaky ny nandalo ny tranon’ny iray tamin’ireo tompony taloha izy io dia nivily ho any, ary tsy maintsy nitondra anay nankeny amin’ny lalana indray izy ireo.
Tojo zava-tsarotra — Nefa manan-karena hatrany
Toy ireo misionera hafa maro, dia hitako fa tsy izay hafanana na ny bibikely, na ny hatsiaka na ny haavon’ny toerana, na ny aretina sy ny fahantrana koa aza, no zava-tsarotra lehibe indrindra. Mety ho ny tsy fifanarahan’ny toetra kosa izany. ‘Nahoana no mitranga ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ny fahasahiranana toy izany?’ hoy aho nanontany tena, ary nanomboka nisalasala aza aho raha nampanan-karena ahy tamin’ny fitahiana i Jehovah. Tamin’izay dia tadidiko ny andinin-teny momba ny fitahian’i Jehovah ao amin’ny Ohabolana 10:22 (MN ). Milaza toy izao ny tapany faharoa amin’io andinin-teny io: “Ary tsy ampiany alahelo izany.” Tsy tokony hanome tsiny an’i Jehovah àry isika noho ireny fahasahiranana ireny. Tonga tamin’ny fahatakarana aho fa anisan’izay nafindran’i Adama tamintsika izany, ary tafiditra ao amin’izay lazalazain’i Paoly ao amin’ny Romana 8:22 manao hoe: “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary.”
Nifanoratra tamin’i Walter Meynberg tany amin’ny Betelan’i Kanada aho, ary rehefa naka fialan-tsasatra tany Kanada aho tamin’ny 1966, dia nivady izahay, ary voatendry ho any La Paz, renivohitr’i Bolivia. Toy inona ny fitahiana tamin’ny fahitana ny kongregasiona teto nitombo, nanomboka tamin’ny anankiray fony aho tonga teto Bolivia, ka tafakatra ho 24, isaky ny zoron’ny tanàna. Toy izany koa tany amin’ireo tanàna hafa tao amin’ilay tany. Ny antokona mpitory 160 nitory ny vaovao tsara teto Bolivia fony aho tonga teto voalohany tamin’ny 1955 tokoa dia nitombo ho 7 000 teo ho eo!
Ny oha-pahatapahan-kevitra nomen’ny reniko hatry ny ela dia nahatonga havako akaiky mihoatra ny folo ho ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Faly aoka izany aho milaza fa tonga Vavolombelona vita fanoloran-tena ny raiko, ary mihoatra ny 30 tamin’ireo olona nananako tombontsoa niarahana nianatra Baiboly no vita batisa. Moa tsy harena ve izany? Eny, mino aho fa harena izany. ‘Ny fitahian’i Jehovah tokoa no nampanan-karena ahy.’