‘Manaraha Ahy’
“Ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.”—1 PETERA 2:21.
1, 2. Nahoana no tsy sarotra loatra ny ohatra navelan’i Jesosy teo amin’ny fampianarana, fa azontsika tahafina tsara?
I JESOSY KRISTY no Mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany. Lavorary koa izy, ka tsy nanota mihitsy. (1 Petera 2:22) Midika anefa ve izany fa sarotra loatra ny ohatra navelany teo amin’ny fampianarana ka tsy ho vitantsika olombelona tsy lavorary ny hanahaka azy? Tsy izany mihitsy.
2 Ny fitiavana no fototry ny fampianaran’i Jesosy, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Ary afaka miezaka ny hanana io fitiavana io isika rehetra. Matetika ny Tenin’Andriamanitra no mampirisika antsika hampitombo io fitiavana io sy haneho azy io amin’ny fomba tsara kokoa. (Filipiana 1:9; Kolosiana 3:14) Tsy mitaky zavatra tsy ho vitan’ny zavaboariny mihitsy i Jehovah. Azo lazaina mihitsy fa noforoniny mba haneho fitiavana isika, satria nahary antsika araka ny endriny ilay ‘Andriamanitra fitiavana.’ (1 Jaona 4:8; Genesisy 1:27) Afaka matoky àry isika fa ho vitantsika izay nolazain’ny apostoly Petera ao amin’ilay andinin-teny fototra. Afaka manaraka akaiky ny dian’i Kristy isika. Afaka mankatò izao didiny izao mihitsy isika: ‘Manaraha ahy.’ (Lioka 9:23) Hodinihintsika ny fomba anahafantsika ny fitiavan’i Kristy: 1) ny fitiavany ny fahamarinana nampianariny, ary 2) ny fitiavany ny olona nampianariny.
Miezaka ny ho tia ny fahamarinana ianarantsika
3. Nahoana no sarotra amin’ny sasany ny mianatra, nefa mampirisika antsika hanao inona ny Ohabolana 2:1-5?
3 Tsy maintsy tia mianatra ny fahamarinana isika, vao ho tia ny fahamarinana ampianarintsika amin’ny olona. Tsy mora amin’ny ankamaroan’ny olona ny miezaka ho tia fianarana. Maro no lasa tsy tia mianatra intsony, satria tsy dia nianatra firy izy na koa nanana fahazaran-dratsy. Tena ilaintsika anefa ny hampianarin’i Jehovah. Hoy ny Ohabolana 2:1-5: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”
4. Inona no dikan’ilay hoe ‘ampitandremana’ ny fo, ary inona ilay fomba fihevitra hanampy antsika hanao izany?
4 Mariho ny andininy voalohany ka hatramin’ny fahefatra: Ampirisihina imbetsaka isika hiezaka ‘handray’ sy ‘hirakitra ao am-po.’ Tsy izay ihany fa ampirisihina koa isika ‘hitady’ sy ‘hikatsaka’ hatrany. Inona anefa no tokony hanosika antsika hanao izany rehetra izany? Mariho fa voalaza ao hoe “ampitandremanao fahalalana ny fonao.” Hazavain’ny boky iray fa “tsy vitan’ny hoe manasa antsika hitandrina tsara [io torohevitra io], fa mitaky toe-tsaina manokana koa, dia ny hoe dodona sy vonona handray fampianarana.” Inona àry no hanampy antsika ho dodona sy ho vonona handray ny fampianaran’i Jehovah? Ny fomba fihevitsika. Tsy maintsy mihevitra “ny fahalalana an’Andriamanitra” ho toy ny “volafotsy” sy “harena afenina” isika.
5, 6. a) Inona no mety hitranga rehefa mandeha ny fotoana, ary ahoana no ahafahantsika misoroka izany? b) Nahoana isika no tokony hampitombo hatrany ny harenantsika, dia ny fahalalana hitantsika ao amin’ny Baiboly?
5 Tsy sarotra ny manana io fomba fihevitra io. Ohatra: Azo inoana fa anisan’ny “fahalalana an’Andriamanitra” noraisinao, ny fikasan’i Jehovah hanome fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany ho an’ny olona tsy mivadika aminy. (Salamo 37:28, 29) Tsy isalasalana fa noraisinao ho toy ny tena harena izany raha vao fantatrao, ka nanjary feno fanantenana sy fifaliana ny sainao sy fonao. Ary amin’izao fotoana izao? Nihena ve ny fankasitrahanao azy io rehefa nandeha ny fotoana, ka toy ny hoe nihavasoka ilay volafotsy notrandrahinao? Andramo hatao àry ireto zavatra roa ireto: Voalohany, miezaha mba hankasitraka azy io indray. Saintsaino matetika ny antony mahatonga anao hihevitra fa sarobidy ny fahamarinana tsirairay nampianarin’i Jehovah anao, na dia izay efa nianaranao hatramin’ny taona maro aza.
6 Faharoa, ampitomboy hatrany ny harenanao. Raha nandavaka tokoa moa ianao ka nahita vatosoa sarobidy, hataonao am-paosy fotsiny ve ilay izy dia handeha ianao fa afa-po? Sa handavaka ihany ianao sao mbola misy vatosoa ao? Maro ny fahamarinana sarobidy toy ny vatosoa sy volafotsy, hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mbola hahita foana ianao na dia efa betsaka aza no voatrandrakao. (Romana 11:33) Manontania tena toy izao, rehefa mianatra lafiny vaovao amin’ny fahamarinana ianao: ‘Nahoana izy io no toy ny harena? Manazava tsara kokoa amiko ny toetran’i Jehovah na ny fikasany ve izy io? Manoro ahy izay tokony hataoko mba hanarahana ny dian’i Jesosy ve izy io?’ Hanjary ho tianao ny fahamarinana ampianarin’i Jehovah anao, rehefa misaintsaina fanontaniana toy izany ianao.
Mampiseho fa tia ny fahamarinana ampianarintsika
7, 8. Ahoana avy no fomba azontsika ampisehoana amin’ny olona fa tiantsika ny fahamarinana nianarantsika ao amin’ny Baiboly? Manomeza ohatra.
7 Ahoana no ampisehoantsika amin’ny olona ampianarintsika, fa tiantsika ireo fahamarinana nianarantsika tao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Manaraka ny ohatr’i Jesosy isika, ka ataontsika mifototra tanteraka amin’ny Baiboly ny fitoriantsika sy fampianarantsika. Nampirisihina hampiasa ny Baiboly bebe kokoa ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany tato ho ato, rehefa manao ny fanompoana ho an’ny besinimaro. Rehefa manao izany ianao, dia mitadiava fomba hampisehoana amin’ilay tompon-trano fa sarobidy aminao izay resahinao aminy, avy ao amin’ny Baiboly.—Matio 13:52.
8 Taoriana kelin’ilay fanafihan’ny mpampihorohoro tamin’ny herintaona, tany New York, ohatra, dia nisy anabavy kristianina iray namaky ny Salamo 46:1, 11 tamin’ny olona hitany teny am-pitoriana. Nanontany aloha izy hoe inona no tsapan’izy ireo taorian’ilay loza. Nihaino tsara sy nisaotra izy ary nilaza hoe: “Misy andinin-teny tena nampionona ahy amin’izao fotoan-tsarotra izao. Azoko vakina aminao ve izy io?” Vitsy no nanda ary maro ny dinidinika nahafinaritra vokatr’izany. Matetika io anabavy io no milaza toy izao, rehefa miresaka amin’ny tanora: “Efa 50 taona izao no nampianarako ny Baiboly, ary mbola tsy nisy olana tsy voavahan’io boky io.” Rehefa tso-po sy mafana fo isika dia mampiseho amin’ny olona fa sarobidy amintsika sady tiantsika ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Salamo 119:97, 105.
9, 10. Nahoana no mila mampiasa ny Baiboly isika rehefa mamaly fanontaniana momba ny zavatra inoantsika?
9 Afaka mampiseho tsara ny fitiavantsika ny Tenin’Andriamanitra isika, rehefa manontany antsika momba ny zavatra inoantsika ny olona. Manaraka ny ohatr’i Jesosy isika, ka tsy ny hevitsika manokana fotsiny no entintsika mamaly azy ireo. (Ohabolana 3:5, 6) Mampiasa ny Baiboly kosa isika. Matahotra ve ianao sao tsy ho hainao valiana ny fanontanian’ny olona? Diniho ireto fomba mandaitra roa ireto.
10 Miomàna. Hoy ny apostoly Petera: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.” (1 Petera 3:15) Vonona hiaro ny zavatra inoanao ve ianao? Raha misy te hahafantatra, ohatra, ny antony tsy anaovanao fombafomba sasany tsy araka ny Soratra Masina, dia aza miteny fotsiny hoe: “Mandrara izany ny fivavahako.” Mety hidika mantsy izany valin-teny izany fa ny olona no avelanao hanapa-kevitra ho anao, ka noho izany dia anisan’ny sekta ianao. Mety ho tsara kokoa ny miteny hoe: “Mandrara izany ny Tenin’Andriamanitra” na koa hoe: “Tsy hahafaly an’Andriamanitra izany.” Afaka manazava tsara ny antony ianao avy eo.—Romana 12:1.
11. Boky inona no mety hanampy antsika ho vonona hamaly fanontaniana momba ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
11 Raha mihevitra ianao fa tsy vonona, nahoana raha maka fotoana kely ka mandinika ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina?a Mifidiana foto-kevitra vitsivitsy mety hanontanian’ny olona, ary ianaro tsianjery ny hevitra sasany avy ao amin’ny Soratra Masina. Ataovy mora raisina foana ny Baibolinao sy ny boky Fanjohian-kevitra. Aza miahotrahotra mampiasa ireo boky roa ireo. Lazao amin’ilay olona mametraka fanontaniana fa manana boky fanaovana fikarohana ianao, ary tianao ny mampiasa ilay izy mba hitadiavana ny valim-panontaniana omen’ny Baiboly.
12. Inona no azontsika lazaina raha misy fanontaniana ara-baiboly tsy haintsika valiana?
12 Aza manahy be loatra. Tsy misy olona tsy lavorary mahavaly ny fanontaniana rehetra. Rehefa misy fanontaniana ara-baiboly tsy hainao valiana àry, dia azonao atao ny miteny hoe: “Tena mahaliana ilay fanontanianao ary misaotra betsaka nametraka azy. Tsy haiko ny valiny raha ny marina, nefa azoko antoka fa miresaka an’izany ny Baiboly. Tia mandalina ny Baiboly aho, ka hotadiaviko ao ny valin’ny fanontanianao, ary holazaiko aminao amin’ny manaraka.” Mety ho afaka hiresaka amin’ilay olona indray ianao rehefa mitsotra toy izany sady manetry tena.—Ohabolana 11:2.
Tia ny olona ampianarintsika
13. Nahoana isika no tokony hanantena foana fa mety hiova ny olona itoriantsika?
13 Nasehon’i Jesosy fa tia an’ireo olona nampianariny izy. Ahoana no hanahafantsika azy? Tokony hangoraka ny olona manodidina antsika foana isika. Marina fa efa mananontanona ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ary olona an’arivo tapitrisa no ho ringana. (Apokalypsy 16:14; Jeremia 25:33) Tsy fantatsika anefa hoe iza no ho tafavoaka velona ary iza no ho faty. Mbola ho avy io fitsarana io ary i Jesosy Kristy no notendren’i Jehovah hanao izany. Mandra-pivoakan’io didim-pitsarana io, dia mihevitra isika fa mety ho lasa mpanompon’i Jehovah ny olona tsirairay.—Matio 19:24-26; 25:31-33; Asan’ny Apostoly 17:31.
14. a) Inona no azontsika atao mba hahafantarantsika raha tena miara-miory amin’ny olona isika? b) Ahoana avy no fomba azontsika ampisehoana fa miara-miory amin’ny olona isika sady miahy azy?
14 Tokony hahay hiara-miory amin’ny olona àry isika, toa an’i Jesosy. Afaka manontany tena isika hoe: ‘Mampalahelo ahy ve ny olona voafitaky ny lainga tsara lahatra ataon’ny mpitondra ara-pivavahana sy ny mpanao politika ary ny mpanao raharaham-barotra? Raha toa tsy miraharaha ilay hafatra torintsika izy, moa ve aho miezaka hahafantatra ny anton’izany? Ekeko ve fa mba tsy niraharaha ilay hafatra koa aho taloha, na ny olon-kafa manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana? Amboariko arakaraka izay ve ny fomba fitoriko? Sa tsy miraharaha ireny olona ireny aho satria mihevitra aho fa tsy hiova intsony izy?’ (Apokalypsy 12:9) Vonona kokoa handray ny hafatra entintsika ny olona, rehefa mahita fa tena miara-miory aminy isika. (1 Petera 3:8) Mety ho voatosika hiahy bebe kokoa ny olona itoriantsika isika, rehefa mahay miara-miory aminy. Azontsika atao ny mandray an-tsoratra ny fanontaniany sy izay mampanahy azy. Rehefa mitsidika azy indray isika, dia azontsika aseho aminy fa nieritreritra ny zavatra nolazainy isika. Mety ho afaka hanao zavatra hanampiana azy isika raha misy zavatra ilainy maika amin’io fotoana io.
15. Nahoana isika no tokony hiezaka hijery izay toetra tsaran’ny olona, ary ahoana no anaovantsika izany?
15 Miezaka mijery izay toetra tsaran’ny olona isika, toa an’i Jesosy. Angamba misy ray na reny iray manao ezaka tsara mba hitaizana irery ny zanany. Mifofotra ny lehilahy iray mba hamelomana ny ankohonany. Liana amin’ny zavatra ara-panahy ny olona be taona iray. Manamarika ireo toetran’ny olona hitantsika ireo ve isika, ary midera azy noho izany? Asongadintsika amin’izany fa mitovy ny toe-javatra misy antsika, ary mety ho afaka hiresaka momba ilay Fanjakana mihitsy aza isika amin’izay.—Asan’ny Apostoly 26:2, 3.
Tena ilaina ny fanetren-tena mba hanehoana fitiavana
16. Nahoana isika no mila malemy fanahy amin’ny olona itoriantsika sy manaja azy ireo hatrany?
16 Hanosika antsika hanaraka izao torohevitra feno fahendrena omen’ny Baiboly izao ny fitiavantsika ny olona ampianarintsika: “Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.” (1 Korintiana 8:1) Nanana fahalalana be i Jesosy, nefa tsy nanambony tena mihitsy. Aza mila ady àry na miseho ho ambony, rehefa miresaka momba ny zavatra inoanao. Ny tanjontsika dia ny hanohina ny fon’ny olona sy hitarika azy hanaraka ny fahamarinana, izay tena tiantsika. (Kolosiana 4:6) Tadidio fa rehefa nanoro hevitra ny Kristianina mba ho vonona hiaro ny fanantenany i Petera, dia nampahatsiahy koa fa tokony ‘halemy fanahy sy hanaja’ isika amin’izany. (1 Petera 3:15) Mety hahasarika kokoa ny olona hanatona ilay Andriamanitra tompointsika isika raha malemy fanahy sy manaja azy.
17, 18. a) Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa misy manakiana ny fahaizantsika mitory? b) Nahoana ny mpianatra Baiboly no tsy voatery hahay ny fiteny fahiny nanoratana ny Baiboly?
17 Tsy misy antony tokony hampiderantsika fahaizana na fahalalana. Angamba misy olona ao amin’ny faritaninao tsy mety mihaino an’izay tsy manana diplaoman’ny oniversite na anaram-boninahitra. Aza avela hanakivy anao anefa izany. Nisy nanohitra an’i Jesosy satria tsy nianatra tany amin’ny sekoly malazan’ny raby izy. Tsy niraharaha izany anefa i Jesosy, sady tsy nanaiky hoteren’ny olona hampidera ny fahaizany.—Jaona 7:15.
18 Zava-dehibe kokoa amin’ny Kristianina ny fanetren-tena sy ny fitiavana, noho ny fahaizana be. I Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe, no manampy antsika hahay hitory. (2 Korintiana 3:5, 6) Ary na inona na inona lazain’ny mpitondra fivavahana sasany ao amin’ny Kristianisma Anarana, dia tsy voatery mahay ny fiteny fahiny nanoratana ny Baiboly isika, mba hampianarana azy io. Nomen’i Jehovah tsindrimandry ny mpanoratra azy io mba hampiasa teny mazava tsara, ka saika ny olon-drehetra no afaka mahatakatra ny fahamarinana sarobidy raketiny. Tsy miova izany fahamarinana izany na dia nadika tamin’ny fiteny an-jato aza. Koa tsy voatery mahay ny fiteny fahiny àry isika, na dia mety hahasoa ihany aza izany indraindray. Mety hanjary ho sarotra hampianarina koa ny olona rehefa mieboebo noho ny fahaizany fiteny maro. Tena tokony ho mora ampianarina anefa ny Kristianina marina.—1 Timoty 6:4.
19. Nahoana ny asa kristianina ataontsika no mitaky fanetren-tena?
19 Tsy iadian-kevitra fa tena mitaky fanetren-tena ny asa kristianina ataontsika. Tsy miraika ny ankamaroan’ny olona. Tsy mahalana isika no misy manohitra, na manenjika mihitsy aza. (Jaona 15:20) Tena manao soa lehibe anefa isika rehefa manohy ny fanompoantsika amim-pahatokiana. Manahaka ny fitiavana nasehon’i Jesosy Kristy isika, raha manetry tena sy manampy ny olona amin’ny alalan’io asa io. Eritrereto hoe olona iray monja toy ny ondry no hitantsika, nefa isika tsy maintsy nitory tamin’ny olona arivo tsy niraika na nanohitra. Tsy ho very maina ny ezaka nataontsika, sa tsy izany? Tsy izany mihitsy! Koa rehefa manohy io asa io àry isika ka tsy milavo lefona mihitsy, dia tena manampy ireo olona toy ny ondry mbola tsy nitoriantsika. Azo antoka fa hataon’i Jehovah sy Jesosy izay hahitana olona sarobidy betsaka kokoa sy hanampiana azy ireo, alohan’ny hahatongavan’ny farany.—Hagay 2:7.
20. Inona avy no azontsika atao mba hampianarana amin’ny alalan’ny ohatra avelantsika?
20 Asehontsika amin’ny ohatra omentsika koa fa vonona hanampy ny olona isika. Tiantsika hampianarina azy ireo, ohatra, fa ny fomba fiaina tsara sy mahafa-po indrindra dia ny fanompoana an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra finaritra.” (1 Timoty 1:11) Hitan’izy ireo ve fa sambatra sy afa-po tokoa isika, rehefa dinihiny ny fitondran-tenantsika sy ny fomba itondrantsika ny olona eo amin’ny manodidina, ny mpiara-mianatra ary ny mpiara-miasa? Ampianarintsika ny olona koa fa heniky ny fitiavana ny fiangonana kristianina, eo anivon’ity tontolo mafy fo sy lozabe ity. Tonga dia tsikaritr’izy ireo ve fa tiantsika ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana sady mikely aina isika mba hihavana hatrany amin’ny rehetra?—1 Petera 4:8.
21, 22. a) Inona avy no tombontsoa mety ho azontsika, raha mandini-tena isika mahakasika ny fanompoana? b) Inona no hodinihina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana manaraka?
21 Indraindray dia mety hanosika antsika handini-tena ny fahavononantsika hanompo. Maro no nandini-tena tamim-pahatsorana ka nahita fa afaka mampitombo ny fanompoany izy ireo. Manao ny fanompoana manontolo andro izy ireo na mifindra monina any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Nisy koa nianatra fiteny vahiny mba hitoriana amin’ireo nifindra monina eo amin’ny faritaniny. Raha afaka mandray anjara amin’ireo endri-panompoana ireo ianao, dia diniho tsara izany ary ataovy antom-bavaka. Tena mahafaly sy mahafa-po ary mampilamin-tsaina ny manokana ny fiainana mba hanompoana an’i Jehovah.—Mpitoriteny 5:11.
22 Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy Kristy hatrany ka hiezaka ho tia ny fahamarinana ampianarintsika sy ho tia ny olona ampianarintsika. Izany no ilaintsika voalohany mba hampianarana toa an’i Kristy. Inona anefa no tokony hataontsika ankoatra izany mba hitoviantsika kokoa aminy? Hamelabelatra fomba fampianatra voafaritra tsara nampiasain’i Jesosy, Ny Tilikambo Fiambenana manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana isika no matoky fa tsy sarotra loatra ny ohatra navelan’i Jesosy teo amin’ny fampianarana fa azontsika tahafina tsara?
• Ahoana no ampisehoantsika fa tiantsika ny fahamarinana nianarantsika ao amin’ny Baiboly?
• Nahoana isika no mila manetry tena hatrany na dia mitombo aza ny fahalalantsika?
• Ahoana avy no fomba ampisehoantsika fa tiantsika ny olona iezahantsika hampianarina?
[Sary, pejy 16]
Miomàna
[Sary, pejy 16, 17]
Raha sarobidy aminao “ny fahalalana an’Andriamanitra” dia hahay hampiasa ny Baiboly ianao
[Sary, pejy 18]
Asehontsika fa tia ny olona isika rehefa mitory ny vaovao tsara aminy