Miezaha Hahazo Fahendrena ary Ekeo ny Fifehezana
I JEHOVAH ANDRIAMANITRA no ilay Mpampianatra Lehibe ny vahoakany. Tsy ny mombamomba Azy ihany no ampianariny azy ireo fa ny momba ny fiainana koa. (Isaia 30:20; 54:13; Salamo 27:11). Ny firenen’ny Isiraely, ohatra, dia nomen’i Jehovah mpaminany, sy Levita — indrindra fa mpisorona — ary olon-kendry hafa, mba hampianatra azy ireo. (2 Tantara 35:3; Jeremia 18:18). Nampianatra ny olona momba ny fikasan’Andriamanitra sy ny toetrany ny mpaminany, ka nanoritra ny lalana tsara tokony harahina. Nanana andraikitra hampianatra ny Lalàn’i Jehovah ny mpisorona sy ny Levita. Nanome torohevitra tsara mahakasika ny raharaha teo amin’ny fiainana andavanandro kosa ireo olon-kendry, na loholona.
I Solomona, zanak’i Davida, no niavaka indrindra tamin’ireo olon-kendry teo amin’ny Isiraely. (1 Mpanjaka 5:10, 11). Rehefa nahita ny voninahiny sy ny harenany ny mpanjakavavin’i Sheba, iray tamin’ireo olona nanan-kaja indrindra nitsidika azy, dia niaiky toy izao: “Na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.” (1 Mpanjaka 10:7). Inona no tsiambaratelon’ilay fahendren’i Solomona? Fony izy tonga mpanjakan’ny Isiraely, tamin’ny 1037 al.f.i., dia nangataka “fahendrena sy fahalalana” tao amin’ny vavaka i Solomona. Nahafaly an’i Jehovah ny fangatahany, ka nomeny fahalalana sy fahendrena ary fo nahatakatra hevi-javatra, izy. (2 Tantara 1:10-12; 1 Mpanjaka 3:12). Tsy mahagaga raha nanjary “nanao ohabolana telo arivo” i Solomona! (1 Mpanjaka 5:12). Voarakitra ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly ny sasany amin’ireo, miaraka amin’ny ‘tenin’i Agora’ sy ny an’i “Lemoela mpanjaka”. (Ohabolana 30:1; 31:1). Manome taratry ny fahendren’Andriamanitra sy maharitra mandrakizay ny fahamarinana voalazan’ireo ohabolana ireo. (1 Mpanjaka 10:23, 24). Ho an’izay rehetra maniry hahita fiainan-tsambatra sy mahomby, dia tena ilaina izy ireo ankehitriny, toy ny tamin’ny fotoana nanononana azy voalohany.
Fahombiazana sy fahadiovam-pitondran-tena — Amin’ny fomba ahoana?
Hazavaina ao amin’ireto teny fanokafana ny bokin’ny Ohabolana ireto ny zava-kendren’izy io: “Ny Ohabolan’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely: [mba hahalalana fahendrena sy fifehezana, mba hahaiza-manavaka ireo tenin’ny fahazoana hevi-javatra, mba handraisana ny fifehezana izay manome fahaiza-mahataka-javatra, fahamarinana sy fahaiza-mitsara zavatra ary fahitsiana, mba hanomezana fahiratan-tsaina ho an’ireo mbola zaza vao, ary fahalalana sy fahaiza-misaina ho an’ny tovolahy, NW ].” — Ohabolana 1:1-4.
Natao ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja tokoa lahy “ny Ohabolan’i Solomona”! Natao “hahalalana fahendrena sy fifehezana” izy ireo. Ny fahendrena dia mahafaoka fahatakarana zavatra amin’ny tena maha izy azy, sy ny fampiasana izany fahalalana izany mba hamahana olana, hanatratrarana tanjona, hanalavirana na hisorohana loza, na mba hanampiana ny hafa hanao toy izany. “Ao amin’ny Bokin’ny Ohabolana”, hoy ny loharanon-kevitra iray, “ny ‘fahendrena’ dia midika hoe fahaiza-miaina, izany hoe ny fahaiza-manao safidy feno fahendrena sy ny fahaiza-miaina amim-pahombiazana.” Tena zava-dehibe àry ny hahazoana fahendrena! — Ohabolana 4:7.
Manome fifehezana koa ireo ohabolan’i Solomona. Mila izany famolavolana izany ve isika? Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe fifehezana dia mampita hevitra hoe fanitsiana, fananarana, na sazy. Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly fa ny fifehezana “dia manondro ny famolavolana ny fitondran-tena, voafaoka amin’izany ny fanitsiana ny fironana ho amin’ny fanaovan-javatra amin-kadalana”. Na ny tenantsika ihany na olon-kafa no mampihatra fifehezana amintsika, dia tsy vitan’ny hoe manakana antsika tsy hanao ratsy izy io fa manosika antsika koa hanao fiovana ho amin’ny tsara kokoa. Eny, tena mila fifehezana isika raha irintsika ny hitoetra ho madio ara-pitondran-tena.
Natao ho amin-java-kendrena roa sosona àry ireo ohabolana: hanomezana fahendrena sy fifehezana. Ny fifehezana ara-pitondran-tena sy ny fahaizana ara-tsaina dia misy lafiny maro be. Ny fahitsiana sy ny fanaovana ny rariny, ohatra, dia toetra mifandray amin’ny fitondran-tena, ary manampy antsika hifikitra amin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah ambony izy ireo.
Ny fahendrena dia fitambarana lafin-toetra maro, anisan’izany ny fahaiza-mahazo hevi-javatra, ny fahaiza-mahataka-javatra, ny fahiratan-tsaina, ary ny fahaiza-misaina. Ny fahaiza-mahazo hevi-javatra dia ny fahaiza-mandinika ny votoatin’ny raharaha iray, sy ny fahaiza-manavaka ireo tapany mahaforona azy io, amin’ny fanakaran’ny saina ireo fifandraisana misy eo amin’ilay raharaha manontolo sy ireo tapany aminy, ka mahazo ny hevitr’izy io amin’izany fomba izany. Ny fahaiza-mahataka-javatra kosa dia mitaky fahalalana anton-javatra sy fahatakarana ny antony maha tsara na ratsy ny fitondran-tena iray. Ohatra, ny olona iray mahazo hevi-javatra dia mahay manavaka ny fotoana efa izoran’ny olona iray ho amin’ny lalan-diso, ka mety hampitandrina azy avy hatrany ny amin’ilay loza mananontanona. Mila fahaiza-mahataka-javatra anefa izy mba hahatakarany ny antony irosoan’io olona io amin’izany lalana izany, sy mba hanomezany ny fomba mandaitra indrindra hanavotana azy.
Ny olona mahira-tsaina dia malina, fa tsy mora ambakaina. (Ohabolana 14:15). Mahatsinjo mialoha ny loza izy ka miomana ho amin’izany. Ary ny fahendrena dia manampy antsika hamolavola hevitra mahasoa izay hampisy zava-kendrena ny fiainantsika. Sarobidy tokoa ny fianarana ireo ohabolana ao amin’ny Baiboly, satria noraketina an-tsoratra izy ireny mba hahalalantsika fahendrena sy fifehezana. Na dia ireo mbola “zaza vao” mandinika ireo ohabolana aza, dia hahazo fahiratan-tsaina, ary ny “tovolahy” hahazo fahalalana sy fahaiza-misaina.
Ohabolana ho an’ny hendry
Tsy natao ho an’ny mbola zaza vao sy ny tanora ihany anefa ireo ohabolana ao amin’ny Baiboly, fa natao koa ho an’izay rehetra efa manana fahendrena ampy mba hihainoana. “Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy”, hoy i Solomona Mpanjaka, “ary ny manan-tsaina, hahalala toro-hevitra feno fahamalinana, dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina, ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry.” (Ohabolana 1:5, 6, Fandikan-teny Katolika). Hampitombo ny fahalalana azony ny olona iray efa nahazo fahendrena, rehefa misaintsaina ireo ohabolana, ary ny olona manan-tsaina kosa dia handranitra ny fahaizany mba hitondrana ny fiainany amim-pahombiazana.
Matetika ny ohabolana iray no milaza fahamarinana lalina amin’ny teny vitsy dia vitsy. Mety hiendrika teny saro-pantarina ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 1:17-19). Ny ohabolana sasany kosa dia ankamantatra, izany hoe teny mahavery hevitra sy sarotra, izay ilana fanazavana. Mety hisy fampitahana sy teny an’ohatra, ary sarin-teny hafa, koa ny ohabolana iray. Mitaky fotoana sy fisaintsainana ny fahatakarana ny hevitr’izy ireny. I Solomona, ilay namorona ohabolana maro be, dia azo antoka fa nahatakatra ireo fahasamihafana kely nisy teo amin’ny fomba tokony handraisana ny hevitry ny ohabolana iray. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana izy dia nandray andraikitra nampita izany fahaizana izany ao amin’ireo mpamaky azy, dia zavatra izay hirin’ny hendry hodinihina.
Ny fiandohana izay mitarika ho amin’ny tanjona
Aiza no anombohana ilay fikatsahana fahendrena sy fifehezana? Izao no avalin’i Solomona: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.” (Ohabolana 1:7). Miandoha amin’ny fahatahorana an’i Jehovah ny fahalalana. Raha tsy misy fahalalana, dia tsy misy fahendrena na fifehezana. Ny fahatahorana an’i Jehovah àry no fiandohan’ny fahendrena sy ny fifehezana. — Ohabolana 9:10; 15:33.
Tsy horohoro mankarary akory ny fahatahorana an’Andriamanitra, fa fanajana lalina miharo tahotra kosa. Tsy mety hisy tena fahalalana raha tsy eo izany tahotra izany. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny aina, ary, mazava ho azy, fa tena ilaina ny fiainana mba hananantsika izay rehetra mety ho fahalalana. (Salamo 36:9; Asan’ny Apostoly 17:25, 28). Ankoatra izany, dia namorona ny zava-drehetra Andriamanitra, koa ny fahalalana rehetra ananan’olombelona àry dia miompana amin’ny fianarana ny asa tanany. (Salamo 19:1, 2; Apokalypsy 4:11). Nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny tsindrimandry koa ny Teniny voasoratra, izay “mahasoa (...) ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. (2 Timoty 3:16, 17). Ny votoatin’ny tena fahalalana rehetra, araka izany, dia i Jehovah, ary tsy maintsy matahotra sy manaja an’i Jehovah ny olona iray mitady azy io.
Misy vidiny ve ny fahalalan’olombelona sy ny fahendren’izao tontolo izao raha tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra? Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?” (1 Korintiana 1:20). Tsy matahotra an’Andriamanitra ny hendry araka an’izao tontolo izao, ka manao fanatsoahan-kevitra diso avy amin’ireo zava-misy fantatra, ka “adala” no iafarany.
“Rado amin’ny vozonao”
Navantan’ilay mpanjaka hendry tamin’ny ankizy, avy eo, ny teniny, ka hoy izy: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany ary rado amin’ny vozonao.” — Ohabolana 1:8, 9.
Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nanana andraikitra hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny, ary andraikitra nomen’Andriamanitra izany. Nampirisika ny raim-pianakaviana toy izao i Mosesy: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Nisy heriny lehibe koa ireo renim-pianakaviana. Teo ambany fahefan’ny vadiny, ny vehivavy hebreo dia afaka nampihatra ny lalàm-pianakaviana.
Ao anatin’ny Baiboly manontolo, raha ny marina, dia ny fianakaviana no sehatra fototra anomezana fanabeazana. (Efesiana 6:1-3). Rehefa mankato an’ireo ray aman-dreniny mpino ny ankizy, dia toy ny hoe miravaka fehiloha tsara tarehy sy rado mari-boninahitra.
“Hipaoka ny ain’izay fatra-pila azy izany”
Talohan’ny nandefasan’ny raim-pianakaviana aziatika iray ny zanany lahy 16 taona hankany Etazonia mba handranto fianarana ambony, dia nanoro hevitra an’ilay zanany izy mba tsy hifandray tamin’ny olon-dratsy. Mamerina ity fampitandreman’i Solomona ity izany torohevitra izany: “Anaka, raha taomin’ny mpanota hianao, aza manaiky.” (Ohabolana 1:10). Nofaritan’i Solomona mazava tsara anefa ilay zava-mahasodoka ampiasain’izy ireny: “Hoy izy: Andeha hiaraka isika, aoka isika hanotrika handatsa-dra; andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny; aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ny fiainan-tsi-hita ary hanao azy telimoka toy ny latsaka any an-davaka; dia ho azontsika ny fananana saro-bidy rehetra, ka hofenointsika babo ny tranontsika; avia mba hiara-miloka eto aminay; aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra”. — Ohabolana 1:11-14.
Mazava ho azy fa ny harena ilay zava-mahasodoka eto. Ny fahazoana tombony haingana no itaoman’ny “mpanota” ny hafa mba hiditra amin’ny tetika feno herisetra na tsy marina ataon’izy ireo. Tsy misalasala ny handatsa-dra ireny ratsy fanahy ireny mba hahazoana tombony ara-nofo. ‘Atelin’izy ireo velona tahaka ny fitelin’ny fiainan-tsy hita’ ireo olona voany, eny, ataony “telimoka”, ka robain’izy ireo avokoa izay rehetra ananany, tsy misy hafa amin’ny andraisan’ny fasana ny vatana manontolo. Manasa ny hafa hanao ny heloka bevava ho anton’asany izy ireo — iriny ho ‘feno babo ny tranony’, ary iriny ‘hiara-miloka aminy’ ireo mbola zaza vao. Izany ka fampitandremana tonga amin’ny fotoana ilantsika azy! Tsy mampiasa fomba mitovy amin’izany koa ve ireo andian-tanora manao asan-jiolahy sy ireo mpanao varo-maizina zava-mahadomelina, mba hakana olona ho anisan’izy ireo? Tsy ny fampanantenana ny hanankarena tampoka ve no fakam-panahy entin’ireo asa maro mampisalasala izay anaovana fanolorana?
“Anaka”, hoy ny torohevitr’ilay mpanjaka hendry, “aza miara-dàlana aminy hianao; arovy ny tongotrao tsy hankamin’ny alehany; fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ny ratsy sady faingana handatsa-dra.” Hoy ny teny nanampiny, rehefa nilaza mialoha ny fiafarana mahatsiravina ho hitan’izy ireo izy: “Fa velarim-poana ny fandrika, raha hitan’ny vorona. Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ny tenany ihany; mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy. Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pila harena; fa hipaoka ny ain’izay fatra-pila azy izany.” — Ohabolana 1:15-19.
“Izay rehetra fatra-pila harena” tsy marina dia ho faty amin’ny lalany ihany. Ilay otrika na fandrika ataon’ny ratsy fanahy ho an’ny hafa iny ihany no hanjary ho fandrika ho an’ny tenany. Hanova ny lalany ve ireo minia manao ratsy? Tsia. Mety hiharihary be ny fandrika iray velarina, nefa dia manidina mankeo ihany ny “vorona”. Toy izany koa fa ny ratsy fanahy, izay hajambain’ny fierenan’ny tenany, dia miroso ihany manao heloka bevava, na dia tsy maintsy ho tratra aza izy ireo, na ho ela na ho haingana.
Iza no hihaino ny feon’ny fahendrena?
Tena takatry ny mpanota ve fa loza aman’antambo no ateraky ny lalana arahiny? Efa nampitandremana ny amin’izay hiafaran’ny lalany ve izy ireo? Tsy fialan-tsiny velively akory ny tsy fahalalana, satria ambara eny ampahibemaso eny ny hafatra tena mazava iray.
Hoy i Solomona: “Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; mitory ao amin’izay fivorian’ny maro be mireondreona izy; eo anoloan’ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny”. (Ohabolana 1:20, 21). Amin’ny feo mafy sy mazava no iantsoantsoan’ny fahendrena eny ampahibemaso eny, mba handrenesan’ny rehetra. Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nanome torohevitra feno fahendrena sy namoaka didim-pitsarana teny am-bavahadin’ny tanàna ireo loholona. Ho antsika kosa, dia nataon’i Jehovah izay hahatonga ny tena fahendrena ho voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, izay misy hatraiza hatraiza. Ary ireo mpanompony amin’izao andro izao dia be atao amin’ny fanambarana hatraiza hatraiza sy ampahibemaso, ny hafatra raketin’izy io. Nataon’Andriamanitra tokoa izay hanambarana ny fahendrena eo anatrehan’ny rehetra.
Inona no lazain’ny tena fahendrena? Izao: “Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, sy hifalian’ny mpaniratsira amin’ny faniratsirana (...)? Satria efa niantso Aho, fa nandà hianareo; efa naninjitra ny tànako Aho, fa tsy nisy nitandrina”. Tsy manaraka ny tenin’ny fahendrena ny adala. Noho izany, dia “hihinana ny vokatry ny alehany izy”. Ny ‘fihemoran’ny kely saina sy ny fiadanany handringana azy’. — Ohabolana 1:22-32.
Ahoana kosa anefa ny amin’ilay naka fotoana mba hihainoana ny feon’ny fahendrena? “Hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” (Ohabolana 1:33). Enga anie ianao ka ho anisan’ireo izay mahazo fahendrena sy manaiky fifehezana, amin’ny fandinihana ireo ohabolana ao amin’ny Baiboly.
[Sary, pejy 15]
Misy hatraiza hatraiza ny tena fahendrena