Aoka ny Fonao Hampifaly An’i Jehovah
“Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.”—SALAMO 51:10.
1, 2. Nahoana isika no tokony handinika ny fontsika?
LAVA ranjanana sady tsara bika ny zanak’i Jese lahimatoa. Taitra mafy i Samoela nahita azy, ka nihevitra fa io zazalahy io no nofidin’Andriamanitra ho mpanjaka handimby an’i Saoly. Hoy anefa i Jehovah: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy ... fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” Nifidy ‘lehilahy araka ny fony’ i Jehovah, dia i Davida, zanak’i Jese faralahy.—1 Samoela 13:14; 16:7.
2 Afaka mamantatra ny ao am-pon’ny olona Andriamanitra, araka izao nolazainy izao: “Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.” (Jeremia 17:10) “Mpamantatra ny fo” tokoa i Jehovah. (Ohabolana 17:3) Inona anefa ilay fon’ny olona dinihin’i Jehovah? Ary inona no azontsika atao, mba hampifaly azy ny fontsika?
“Ny toetra miafina ao am-po”
3, 4. Inona matetika no hevitry ny teny hoe “fo” ao amin’ny Baiboly? Manomeza ohatra.
3 Hita inarivo eo ho eo ao amin’ny Soratra Masina ilay teny hoe “fo.” Tsy raisina ara-bakiteny izy io matetika, fa atao fanoharana. Nilaza toy izao tamin’i Mosesy mpaminany, ohatra, i Jehovah: “Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ny olona rehetra izay amporisihin’ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.” Ary tonga nanao fanomezana “izay rehetra nampahazotoin’ny fony.” (Eksodosy 25:2; 35:21) Mazava àry fa manondro ny antony manosika antsika hanao zavatra ny fo indraindray. Milaza ny fihetseham-pontsika sy ny faniriantsika ary ny zavatra tiantsika koa izy io. Mety ho tezitra mafy na hatahotra ny fo, na ho vontom-pahoriana na ho dibo-kafaliana. (Salamo 27:3; 39:3; Jaona 16:22; Romana 9:2) Mety hiavonavona na hanetry tena izy io, na koa ho feno fitiavana na fankahalana.—Ohabolana 16:5; Matio 11:29; 1 Petera 1:22.
4 Araka izany, dia mifandray amin’ny antony manosika sy ny fihetseham-po ny “fo” matetika, fa mifandray amin’ny eritreritra sy ny fisainana kosa ny “saina.” Izany no hevitr’ireo teny ireo, rehefa miara-miseho ao amin’ny Soratra Masina izy. (Matio 22:37; Filipiana 4:7) Mety hitovy hevitra anefa ny fo sy ny saina indraindray. Nampirisika ny Isiraelita toy izao, ohatra, i Mosesy: “Tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra.” (Deoteronomia 4:39) Nilaza toy izao tamin’ireo mpanora-dalàna nitetika ny hamely azy, i Jesosy: “Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?” (Matio 9:4) Azo ampifandraisina amin’ny ‘fananan-tsaina’ sy ny “fahendrena” ary ny ‘fieritreretana’ koa ny fo. (Ohabolana 15:14; Marka 2:6) Manondro ny fisainantsika sy ny eritreritsika koa àry ny fo tsy ara-bakiteny.
5. Manondro inona ny fo tsy ara-bakiteny?
5 Misy boky milaza fa ny fo dia manondro ny ‘zava-dehibe indrindra amin’ny olona, dia ny toetrany, izany hoe ny maha izy azy mihitsy. Izany dia miseho amin’ny zavatra samihafa rehetra ataony, amin’ny faniriany, ny zavatra tiany, ny fihetseham-pony, ny fikasany, ny eritreriny, ny fomba fahazoany hevitra, ny fahendreny, ny fahalalany, ny fahaizany, ny finoany ary ny fomba fiheviny sy ny zavatra tadidiny sy tsapany.’ Manondro ny tena maha isika antsika izy io, dia “ny toetra miafina ao am-po.” (1 Petera 3:4) Izany no hitan’i Jehovah sy dinihiny. Noho izany, dia nivavaka toy izao i Davida: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:10) Inona no tokony hataontsika mba hadio ny fontsika?
‘Alatsaho ao am-ponao’ ny Tenin’Andriamanitra
6. Ahoana no nananaran’i Mosesy ny Isiraely, fony izy ireo teo amin’ny Lemak’i Moaba?
6 Nivory teo amin’ny Lemak’i Moaba ny Isiraelita, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nananatra azy ireo toy izao i Mosesy tamin’izay: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” (Deoteronomia 32:46) Tokony hihaino tsara ny Isiraelita. Rehefa nahafantatra tsara ny didin’Andriamanitra ihany mantsy izy ireo, vao afaka hampianatra izany amin’ny zanany.—Deoteronomia 6:6-8.
7. Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘mandatsaka ao am-po’ ny Tenin’Andriamanitra?
7 Tena ilaina ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny fikasany, mba hananana fo madio. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ihany no ahitana an’io fahalalana io. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy ampy anefa ny fahalalana mba hananana fo mampifaly an’i Jehovah. Raha tiantsika hisy vokany eo amin’ny tena maha isika antsika ny fahalalana, dia tsy maintsy ‘mandatsaka am-po’ izay ianarantsika isika. (Deoteronomia 32:46) Ahoana no hanaovana izany? Hoy i Davida mpanao salamo: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra; ny asan’ny tànanao no eritreretiko.”—Salamo 143:5.
8. Inona avy ireo fanontaniana azontsika eritreretina rehefa mianatra isika?
8 Tokony hisaintsaina sy hankasitraka ny asan’i Jehovah koa isika. Mila mieritreritra ireto fanontaniana ireto isika, rehefa mamaky ny Baiboly na ny boky sy gazety ara-baiboly: ‘Inona no ianarako momba an’i Jehovah avy amin’izany? Inona avy ny toetran’i Jehovah misongadina eto? Inona no zavatra tian’i Jehovah na tsy tiany, ka asehon’ity fitantarana ity? Inona no vokany, rehefa manao izay tian’i Jehovah ny olona, ary inona kosa no vokany rehefa manao izay halany izy? Inona no ifandraisan’io fanazavana io amin’ny zavatra efa fantatro?’
9. Nahoana no tena ilaina ny fianarana manokana sy ny fisaintsainana?
9 Manazava ny antony nahatonga azy hankasitraka ny fianarana sy ny fisaintsainana tsara i Lisy,a 32 taona. Hoy izy: “Natao batisa aho tamin’ny 1994, ary tena nazoto tamin’ny fanompoana nandritra ny roa taona nanaraka. Nanatrika ny fivoriana kristianina rehetra aho, nandany adiny 30 na 40 isam-bolana teo amin’ny fanompoana, ary nifanerasera tsara tamin’ny Kristianina hafa. Niala tsikelikely tamin’ny fahamarinana anefa aho, ary tena nikororosy, hany ka nandika ny lalàn’Andriamanitra mihitsy tamin’ny farany. Nody anefa ny saiko ary nanapa-kevitra aho fa hampifanaraka ny fiainako amin’ny Baiboly. Tena faly aho, satria nanaiky ny fibebahako i Jehovah, ary nandray ahy indray! Manontany tena aho matetika hoe: ‘Nahoana àry aho no nivily lalana?’ Izao no valiny miverimberina ato an-tsaiko: Tsy nianatra tsara aho sady tsy nisaintsaina firy. Tsy nanohina ny foko tsotra izao ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Manomboka izao, dia hataoko tapany lehibe amin’ny fiainako foana ny fianarana manokana sy ny fisaintsainana.” Tena mila manokana fotoana mba hisaintsainana tsara isika, rehefa mitombo ny fahalalantsika an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny Teniny!
10. Nahoana no ilaintsika maika ny manokana fotoana mba hanaovana fianarana manokana sy hisaintsainana?
10 Mirotoroto ny fiainana ankehitriny, ka sarotra mihitsy ny mahita fotoana hianarana sy hisaintsainana. Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina mahafinaritra anefa ny Kristianina, dia ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra. (2 Petera 3:13) Efa manangasanga ny fisehoan-javatra mahatalanjona, dia ny fandringanana an’i “Babylona lehibe” sy ny fanafihan’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” ny olon’i Jehovah. (Apokalypsy 17:1, 2, 5, 15-17; Ezekiela 38:1-4, 14-16; 39:2) Mety hisedra ny fitiavantsika an’i Jehovah izany. Tena ilaintsika maika ny manararaotra ny fotoana, mba handatsahana ny Tenin’Andriamanitra ao am-pontsika!—Efesiana 5:15, 16.
‘Omano ny fonao hitady ny Tenin’Andriamanitra’
11. Inona no mampitovy ny fontsika amin’ny tany?
11 Azo oharina amin’ny tany ny fo, satria amafazana ny voan’ny fahamarinana. (Matio 13:18-23) Asaina sy omanina ny tany matetika, amin’izay dia mitombo tsara ny vokatra. Tokony homanina koa ny fo, mba handraisany tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. “Nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany” i Ezra mpisorona. (Ezra 7:10) Ahoana no hanomanantsika ny fontsika?
12. Ahoana no anomanantsika ny fontsika mba hianatra?
12 Ny vavaka amin-kafanam-po no fomba tsara indrindra anomanantsika ny fontsika handinika ny Tenin’Andriamanitra. Manomboka sy mifarana amin’ny vavaka ny fivoriana kristianina. Mety àry ny mivavaka isaky ny hanao fianarana manokana ny Baiboly, ary tokony hifantoka tsara foana isika mandritra ilay fianarana!
13. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika hampifaly an’Andriamanitra ny fontsika?
13 Tsy maintsy omanina koa ny fo, mba tsy hifikitra amin’izay efa hevitsika manokana. Tsy nety nanao izany ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. (Matio 13:15) Nanatsoaka hevitra “tao am-pony” kosa i Maria, renin’i Jesosy, rehefa avy nieritreritra ny fahamarinana reny. (Lioka 2:19, 51) Lasa mpianatr’i Jesosy izy ary tsy nivadika. Nihaino an’i Paoly koa i Lydia avy any Tyatira, ary “nanokatra ny fony” i Jehovah mba ‘hitandremany ny teny’, hany ka tonga mpino koa izy. (Asan’ny Apostoly 16:14, 15) Enga anie isika ka tsy hikiry hifikitra amin’ny hevitsika manokana na ny fampianarana mahafinaritra antsika mihitsy. Aoka kosa isika ho vonona hanaiky fa ‘Andriamanitra no marina, fa ny olona rehetra kosa mpandainga.’—Romana 3:4.
14. Ahoana no anomanantsika ny fontsika hihaino any am-pivoriana?
14 Tena ilaina ny manomana ny fo mba hihaino, any amin’ny fivoriana kristianina. Mety tsy hifantoka amin’izay lazaina mandritra ny fivoriana ny saintsika, raha misy zavatra manelingelina. Tsy hisy vokany firy amintsika ny zavatra resahina any, raha mieritreritra ny zava-nitranga nandritra ny andro isika, na misaintsaina izay hitranga ny ampitso. Tokony ho tapa-kevitra tsara ny hihaino sy hianatra isika, raha te handray soa avy amin’izay lazaina any. Handray soa tokoa isika, raha tapa-kevitra ny hahazo ny hevitr’ireo andinin-teny hazavaina!—Nehemia 8:5-8, 12.
15. Nahoana ny fanetren-tena no mahatonga antsika ho mora ampianarina?
15 Misy zavatra sasantsasany manatsara ny tany rehefa afangaro aminy. Hihatsara koa ny fontsika, raha miezaka isika mba hanetry tena, hazoto homana ara-panahy, hatoky sy hatahotra ary ho tia an’Andriamanitra. Manalefaka ny fo ny fanetren-tena, ka mahatonga antsika ho mora ampianarina. Hoy i Jehovah tamin’i Josia mpanjakan’i Joda: “Satria nino anatra hianao ka nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ... ka ... nitomany teo anatrehako hianao, dia Izaho kosa efa nihaino.” (2 Mpanjaka 22:19) Feno fanetren-tena sy vonona hianatra ny fon’i Josia. Nanetry tena ny mpianatr’i Jesosy, izay “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina”, hany ka afaka nahazo ny hevitry ny zavatra ara-panahy sy nampihatra izany. Tsy azon’ny “hendry sy ny manan-tsaina” anefa izany. (Asan’ny Apostoly 4:13; Lioka 10:21) Aoka àry isika ‘hanetry tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra’, mba hampifaly azy ny fontsika.—1 Petera 5:6.
16. Nahoana isika no mila miezaka mba hazoto homana ara-panahy?
16 Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malahelo am-panahy.” (Matio 5:3) Marina fa afaka mankasitraka zavatra ara-panahy isika. Mety hampihena ny fahazotoantsika homana ara-panahy anefa ny faneren’ny fiainana na ny hakamoana. (Matio 4:4) Tsy maintsy miezaka àry isika mba hazoto homana ara-panahy tsara. Na dia tsy mahafinaritra antsika aza ny famakiana Baiboly sy ny fianarana manokana amin’ny voalohany, rehefa mikiry manao izany isika, dia ho hitantsika fa ‘mamin’ny fanahintsika’ ny fahalalana, ka tsy ho andrintsika indray aza izay hianarana.—Ohabolana 2:10, 11.
17. a) Nahoana i Jehovah no mendrika ny fatokisantsika tanteraka? b) Inona no hanampy antsika hatoky an’Andriamanitra?
17 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao”, hoy i Solomona Mpanjaka. (Ohabolana 3:5) Raha matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika isika, dia fantatsika fa mahasoa foana ny zavatra takiny na ny tari-dalana omeny ao amin’ny Teniny. (Isaia 48:17) Tena mendrika ny fatokisantsika tanteraka i Jehovah. Afaka manatontosa ny fikasany rehetra izy. (Isaia 40:26, 29) Ny anarany mantsy dia midika hoe “Mahatonga Izy”, ka izany dia manamafy ny fatokisantsika fa afaka hanatanteraka ny fampanantenany izy! ‘Marina amin’ny lalany rehetra izy’ sady tsy mivadika amin’ny asany rehetra. (Salamo 145:17) Mazava ho azy, fa raha te hatoky an’i Jehovah isika, dia mila ‘manandrana ka mizaha fa tsara izy’, izany hoe mila mampihatra izay ianarantsika ao amin’ny Baiboly sy misaintsaina ny soa raisintsika avy amin’izany.—Salamo 34:8.
18. Nahoana no manampy antsika handray tsara ny toro lalan’Andriamanitra ny fahatahorana azy?
18 Milaza toetra iray hafa ilaina mba haneken’ny fontsika ny tari-dalan’Andriamanitra i Solomona. Hoy izy: “Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” (Ohabolana 3:7) Hoy i Jehovah momba ny Isiraely fahiny: “Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay!” (Deoteronomia 5:26) Mankatò an’i Jehovah tokoa ny olona matahotra azy. Afaka ‘mampiseho ny heriny hamonjena izay manana fo mahitsy aminy’ i Jehovah, ary afaka manasazy ireo tsy mankatò azy koa. (2 Tantara 16:9) Enga anie ho hita amin’ny ataontsika sy ny eritreritsika ary ny fihetseham-pontsika, fa matahotra ny hampahasosotra an’Andriamanitra isika sady manaja azy.
‘Tiava an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra’
19. Nahoana no ilaina ny fitiavana mba handraisan’ny fontsika tsara ny tari-dalan’Andriamanitra?
19 Amin’ny toetra rehetra, dia ny fitiavana no tena ilain’ny fontsika mba handraisany tsara ny tari-dalan’Andriamanitra. Ny olona tia an’Andriamanitra amin’ny fony, dia tena maniry hahafantatra izay mampifaly na mampahasosotra azy. (1 Jaona 5:3) Hoy i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37) Aoka isika hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Tokony ho zatra misaintsaina ny hatsaram-pony isika, hiresaka aminy tsy tapaka toy ny miresaka amin’ny namana akaiky, ary hazoto hiresaka momba azy amin’ny hafa.
20. Inona no tokony hataontsika mba hampifaly an’i Jehovah ny fontsika?
20 Toy izao raha fintinina izany: Raha tiantsika hampifaly an’i Jehovah ny fontsika, dia tokony havelantsika hanan-kery amintsika, amin’ny toetra miafina ao am-pontsika, ny Tenin’Andriamanitra. Tena ilaina ny fianarana manokana ny Soratra Masina sy ny fisaintsainana. Tena manampy antsika hanao izany ny fanomanana ny fontsika: Tokony hesorintsika avy ao am-pontsika ny hevitsika manokana, ary tokony hiezaka isika mba hanana ireo toetra mahatonga antsika ho mora ampianarina! Afaka hampifaly an’i Jehovah tokoa ny fontsika, satria manampy antsika hanao izany izy. Inona anefa no tokony hataontsika mba hiarovana ny fontsika?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana.
Ahoana no Havalinao?
• Inona ilay fo dinihin’i Jehovah?
• Ahoana no ‘andatsahantsika ao am-pontsika’ ny Tenin’Andriamanitra?
• Ahoana no anomanantsika ny fontsika handinika ny Tenin’Andriamanitra?
• Voatosika hanao inona ianao, rehefa avy nianatra ity lahatsoratra ity?
[Sary, pejy 17]
Nisaintsaina sady nankasitraka ny zavatra ara-panahy i Davida. Ary ianao?
[Sary, pejy 18]
Omano ny fonao alohan’ny hianaranao ny Tenin’Andriamanitra