Ny Antony Tsy Maha-sambatra ny Toe-piainana Misy ny Mpitaraina
NIVADIKA ho famoizam-po ny faharavoana tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja. Ilay firavoravoan’ny Isiraelita voalohany noho ny fanafahana avy tamin’ny fanandevozana egyptiana vao azon’izy ireo dia nivadika ho fimonomononana tsy nisy antony nikasika ny sakafo. Nandritra ny volana faharoa taorian’ny nandaozany an’i Egypta, dia nilaza ilay firenena tsy afa-po fa naleon’izy ireo ny toe-piainana nisy azy tamin’ny naha-andevo toy izay ny fiainana sarotra tany an’efitra. Tao anatin’ireo volana nanaraka, izany toe-tsaina tia mitaraina izany dia nanalefaka ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hankato an’i Jehovah ary nanimba ny fahatsinjovan’izany taranaka izany ny fidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina. — Eksodosy 16:1-3; Nomery 14:26-30.
Ny fitarainana, mazava ho azy, dia tsy voafetra mihitsy ho amin’ny taranaka iray na vahoaka tokana ihany. Iza moa indraindray no tsy mitaraina momba ny asa, ny sakafo, ny toetr’andro, ny ankizy, ny mpifanila trano, na ny vidim-piainana? Toa mampirona azy hitaraina ny tsy fahatanterahan’olombelona. — Romana 5:12; Jakoba 3:2.
Nahoana isika no mora mitaraina aoka izany? Angamba isika mahatsapa ho kivy, diso fanantenana, na marary. Mety ho fomba iray hialana amin’ny fahadisoam-panantenantsika ny fitarainana, na mety ho fomba tsy mivantana hilazana hoe: “Mahay kokoa an’ilay asa ny tenako raha ohariko amin’ny hafa!” Indraindray ireo fitarainana dia ateraky ny tsy fitovian-toetra. Ary eo koa ny fahoriana tena mendrika ny itarainana.
Na toy inona na toy inona antony mahatonga azy, araka ny asehon’ny ohatry ny Isiraelita tetsy aloha, dia mety hanimba ny fitarainana raha toa ka mitohy izy io. Mety hanjary ho mpitaraina lava ny olona iray, ary himonomonona ny amin’ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra mihitsy aza. Nahoana izany no tena mampidi-doza? Ary ahoana no tokony handaminana amin’ny fomba mety ny fitarainana ara-dalàna?
Ireo fitarainana ara-dalàna
Raha toa ny fahoriana iray ka tsy dia tena lehibe, ny fanontaniana voalohany tokony hataontsika dia hoe: Moa ve aho afaka minia tsy mijery izany noho ny fitiavana? Marina fa mety hanana antony hitarainana azo ekena ny amin’ny olona iray isika, angamba mihitsy aza amin’ny mpiray finoana iray. Mety ho nitondra antsika tamin-karatsiam-panahy na tsy ara-drariny izy. Na dia izany aza, moa ve hanatsara ny toe-draharaha ny fitarainana amin’ny hafa momba ilay fitondrana tsy ara-drariny? Ahoana no ampirisihan’ny Baiboly antsika ny amin’izay tokony ho fihetsitsika? Hoy ny Kolosiana 3:13: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” Koa na dia rehefa toa azo hamarinina aza ny fitarainana iray, ny Soratra Masina dia mampirisika ny hananana fihetsika tia mamela heloka fa tsy toe-tsaina tia mitaraina. — Matio 18:21, 22.
Ahoana raha toa ka lehibe loatra ilay raharaha ka tsy azo odian-tsy hita? Mety hisy antony tsara tokony hanaovana fitarainana. Rehefa niakatra tany amin’i Jehovah ny ‘fitarainana’ azo ekena momba an’i Sodoma sy i Gomora, dia nanao zavatra izy mba handaminana ilay toe-javatra nanala baraka tao amin’izany tanàna nikororosy ara-pitondran-tena izany. (Genesisy 18:20, 21). Nisy fitarainana ara-dalàna hafa iray nipoitra tsy ela taorian’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. Rehefa nozaraina tamin’ireo mpitondratena sahirana ny sakafo, dia nampisehoana fiangarana ireo vehivavy niteny hebreo. Mora takatra avy hatrany fa niteraka tsy fahafaliana teo amin’ireo mpitondratena niteny grika izany. Tamin’ny farany, dia tonga tany an-tsofin’ireo apostoly ilay fitarainana, ary nandamina haingana antokon-dehilahy mpiandraikitra iray izy ireo mba handamina ilay zava-nanahirana. — Asan’ny Apostoly 6:1-6.
Ireo loholona kristiana voatendry amin’izao andro izao koa dia tsy tokony hangataka andro amin’ny fanaovan-javatra tena ilaina rehefa misy raharaha lehibe ampahafantarina azy ireo. Hoy ny Ohabolana 21:13: “Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny malahelo, dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.” Ireo loholona dia tokony hihaino amin-katsaram-panahy fa tsy hinia tsy hiraharaha fitarainana ara-dalàna iray. Etsy an-danin’izany, isika rehetra dia afaka ny hiara-miasa amin’ny fanaovana ireo fitarainana lehibe any amin’ny loholona mivantana, fa tsy hamerimberina izany any amin’izay rehetra te hihaino antsika.
Na dia izany aza, ny ankamaroantsika dia hiaiky amim-pahatsorana fa amin’ny fotoana sasany, ny tsy fahatanterahan’olombelona dia mahatonga antsika hitaraina tsy amin’ny antony. Ny fijerena akaiky ny fihetsiky ny Isiraelita tany an’efitra dia hanampy antsika hahita ny loza ny amin’ny famelana ny fitarainana tsindraindray ho lasa toe-tsaina tia mitaraina.
Ny fomba fiheveran’Andriamanitra an’ireo mpitaraina
Ny fimonomononan’ireo Isiraelita momba ny tahirin-tsakafo dia mampiharihary loza roa tsy misaraka amin’ny fitarainana. Voalohany, dia mamindra ny fitarainana. Milaza ny fitantarana fa “nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra”. (Eksodosy 16:2). Azo inoana fa nisy vitsivitsy nanomboka nitaraina ny amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ary tsy ela akory dia nitaraina ny rehetra.
Faharoa, ireo mpitaraina matetika dia manitatra ilay zava-manahirana. Tamin’io toe-javatra io, ny Isiraelita dia nanantitrantitra fa tsara kokoa ho azy ireo ny ho tany Egypta ihany, izay nahafahany nihinana mofo sy hena araka izay niriny. Nitaraina izy ireo fa nentina ho fatin-kanoanana fotsiny tany an’efitra izy. — Eksodosy 16:3.
Moa ve ny toe-javatra nisy ireo Isiraelita ireo tena sarotra dia sarotra toy izany? Nety ho nihena ny tahirin-tsakafon’izy ireo, nefa nahatsinjo mialoha izany zava-nanahirana izany i Jehovah, ary tamin’ny fotoana nety, dia nanome ny mana izy mba hanomezana fahafaham-po izay nilain’izy ireo ara-batana. Ny fitarainana feno fanitaran-javatra nataon’izy ireo dia nampiharihary tsy fahampiam-patokiana tanteraka an’Andriamanitra. Fony izy ireo mbola tany Egypta dia nitaraina ara-drariny ny amin’ny toe-piainana mafy nisy azy izy ireo. (Eksodosy 2:23). Nefa rehefa nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana i Jehovah, dia nanomboka nitaraina ny amin’ny sakafo izy ireo. Fimonomononana tsy azo nohamarinina izany. “Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah”, hoy i Mosesy nampitandrina. — Eksodosy 16:8.
Niharihary niverimberina izany toe-tsaina tia mitaraina nananan’ny Isiraelita izany. Tao anatin’ny herintaona, ny mana dia nanjary antony nampitaraina. (Nomery 11:4-6). Tsy ela taorian’izay, ny tatitra ratsy avy tamin’ny 10 tamin’ireo mpisafo tany isiraelita 12, dia nampirongatra antsoantsom-panoherana momba izay noheverina ho loza mikasika ny famaboana ny Tany Nampanantenaina. Lasa lavitra mihitsy aza ny olona ka tonga hatramin’ny filazana hoe: “Inay anie isika mba maty tany amin’ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ity efitra ity!” (Nomery 14:2). Tsy fahampiam-pankasitrahana nibaribary re izany! Tsy mahagaga raha niteny toy izao tamin’i Mosesy i Jehovah: “Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy?” (Nomery 14:11). Voasazy hirenireny tany an’efitra nandritra ny 40 taona ireo mpitaraina tsy nahay nankasitraka ireo mandra-pahafoanan’izany taranaka izany.
Mampahatsiahy antsika ny amin’izany ohatra izany ny apostoly Paoly. Mampitandrina ireo Kristiana namany izy mba tsy ho toy ireo Isiraelita nanjary mpimonomonona ireo, hany ka ringana fotsiny tany an’efitra. (1 Korintiana 10:10, 11). Mazava ho azy fa afaka hikiky ny finoantsika sy hitarika ho amin’ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ny fimonomononana tsy voamarina sy ny toe-tsaina tia mitaraina.
Kanefa i Jehovah dia manana faharetana amin’ireo mpanompony izay mety hitaraina indraindray noho ny fisehoan-javatra mahakivy. Rehefa nandositra nankany amin’ny Tendrombohitra Horeba i Elia noho ny fanenjehan’i Jezebela ratsy fanahy vadin’ny Mpanjaka, dia nino mafy izy fa nifarana ny asany tamin’ny naha-mpaminany. Nihevi-tena tamin’ny fomba diso ho ny hany mpivavaka tamin’i Jehovah sisa tavela tao amin’ilay tany izy. Mba hanatanjahana ny finoan’i Elia, dia nampiseho ny heriny taminy aloha Andriamanitra. Avy eo ilay mpaminany dia nilazana fa mbola nisy mpanompon’i Jehovah nahatoky 7 000 tany Isiraely ary mbola nisy asa betsaka tokony hataony. Vokatr’izany, dia nanadino ny fitarainany i Elia ary nandeha nandroso tamin-tanjaka nohavaozina. (1 Mpanjaka 19:4, 10-12, 15-18). Rehefa maneho fahaiza-manavaka ireo loholona kristiana, dia afaka miteny amin’ny fomba mampionona toy izany amin’ireo mahatoky izy, amin’ny fanampiana azy ireny hahita ny anjara asany eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. — 1 Tesaloniana 5:14.
Fandresena toe-tsaina tia mitaraina
Ahoana no ahafahana mandresy toe-tsaina tia mitaraina? Ireo izay nomena porofo ny amin’ny fanimban’ny paraky na sigara ny vatana dia manana antony manosika mahery hitsaharana tsy hifoka. Toy izany koa, ny fahatakarana ny hoe nahoana ny toe-tsaina tia mitaraina no manimba aoka izany, dia afaka manosika antsika hiala amin’ny fahazarana mitaraina.
Soa inona avy no ho azon’ireo izay mandresy toe-tsaina tia mitaraina? Ny soa lehibe iray ananan’ireo izay mitandrina mba tsy hitaraina dia ny fahafahan’izy ireo mijery zavatra araka ny Soratra Masina sy araka ny tena zava-misy kokoa. Mahalana ny mpitaraina iray no miato mba hieritreritra zava-manahirana iray araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Nanadino ireo Isiraelita mpitaraina fa nanafaka azy tamin’ny fanandevozana i Jehovah Andriamanitra ary nampisaraka ny ranon’ny Ranomasina Mena ho azy ireo tamin’ny fomba nahagaga izy. Ny fiheverana tsy manorina nananany dia nanajamba azy ireo tsy hahita ny herin’Andriamanitra ka nanaisotra taminy ny fifaliany. Ho vokany, dia nanjavona ny fitokian’izy ireo tamin’i Jehovah.
Fanampin’izany, ny olona iray afaka manombana araka ny tena izy ireo zava-manahirana azy, dia mahay manavaka rehefa ny fahadisoan’ny tenany ihany no antony fototra amin’ny fahasahiranany. Ary azo inoana fa tsy hamerina hanao ilay fahadisoana intsony mihitsy izy. Nampitandrina an’ireo Isiraelita namany i Jeremia mba tsy hitaraina ny amin’ny zava-tsarotra nianjady tamin’izy ireo taorian’ny fandravana an’i Jerosalema. Ny fahoriany dia vokatra mivantan’ny fahotany ihany, ary zavatra nilainy ho takatra izany mba hibebahana sy hiverenana amin’i Jehovah. (Fitomaniana 3:39, 40). Toy izany koa, i Joda mpianatra dia nanameloka an’ireo “olona tsy tia an’Andriamanitra” izay nanda ny fitarihan’i Jehovah sady “mpitaraina ny amin’ny toe-piainana misy azy” tsy nisy farany. — Joda 3, 4, 16, NW.
Araka ny nomarihin’i Solomona Mpanjaka indray mandeha, “ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana”. (Ohabolana 17:22). Mikiky antsika ara-pihetseham-po sady manaisotra ny fifaliantsika ny toe-tsaina tia mitaraina. Manome taratry ny fironana tsy hijery afa-tsy ny lafy ratsin-javatra fa tsy ny lafy tsarany izany. Fa ireo izay mianatra ny mieritreritra sy miresaka ‘zavatra mendri-piderana’ kosa dia manana fo falifaly, izay mety hahatonga azy ireo hahatsapa ho metimety kokoa mihitsy aza. — Filipiana 4:8.
Tsy misy isalasalana fa ho feno fitahiana tokoa ny fiainantsika raha manamarika ny toetra tsaran’ny olona isika fa tsy ny kilemany. Hihatsara isika raha manaiky ireo fisehoan-javatra manorisory sady mitoetra ho faly hatrany, fa tsy hitaraina ny amin’ny fahadisoam-panantenantsika. Na dia ireo fisedrana aza dia mety ho antom-pifaliana raha toa isika ka mihevitra azy ireo ho toy ny fahafahana hanatanjaka ny finoantsika sy hanamafy orina ny fiaretantsika. — Jakoba 1:2, 3.
Zava-dehibe koa ny hitadidiana fa rehefa mimonomonona isika, dia tsy vitan’ny hoe manimba ny tenantsika fotsiny. Amin’ny fitarainana lava, dia mety hanimba tsikelikely ny finoan’ny hafa mihitsy isika. Ny tatitra ratsy nataon’ireo mpisafo tany isiraelita folo dia nahatonga ilay firenena manontolo hihevitra ny famaboana ny Tany Nampanantenaina ho toy ny fisetran-javatra tsy misy antenaina. (Nomery 13:25–14:4). Tamin’ny fotoana hafa iray, dia nanjary rera-tsaina aoka izany i Mosesy noho ny fimonomononana tsy nisy farany nataon’ny olona, hany ka nangataka an’i Jehovah izy mba hanaisotra aminy ny ainy. (Nomery 11:4, 13-15). Etsy an-danin’izany, raha milaza zavatra amin’ny fomba mampahery isika, dia mety ho afaka ny hanatanjaka ny finoan’ny hafa ary hitondra fifaliana ho azy. — Asan’ny Apostoly 14:21, 22.
Na dia mety halaim-panahy aza isika hitaraina ny amin’ireo mpiara-miasa amintsika, ireo namantsika, ny fianakaviantsika, na ireo loholona ao amin’ny kongregasiona mihitsy, dia tian’i Jehovah mba ‘hifankatia tsara’ ny vahoakany. Ny fitiavana toy izany dia manosika antsika hanarona ireo fahadisoan’ny hafa fa tsy hanasongadina izany. (1 Petera 4:8). Soa ihany fa mahatsiaro i Jehovah hoe vovoka ihany isika ka tsy mitsingoloka an’ireo fahadisoantsika izy. (Salamo 103:13, 14; 130:3). Raha toa isika rehetra ka samy miezaka hanahaka ny ohatra nomeny, dia tsy isalasalana fa tsy dia hitaraina firy ny amin’ny toe-piainana misy antsika isika.
Rehefa ho tafaverina amin’ny fahatanterahana ny taranak’olombelona, dia tsy hisy hanana antony hitarainana ny amin’ny toe-piainana misy azy intsony. Mandra-pahatongan’izany fotoana izany, dia ilaintsika ny manohitra ny fakam-panahy hitaraina momba ny hafa na momba ny fiatrehantsika ireo toe-javatra mahazo antsika manokana. Mba hampisehoana fa matoky an’i Jehovah isika ary tena tia tokoa an’ireo mpiray finoana amintsika, dia aoka isika ‘hanao ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana’. (Filipiana 2:14). Hankasitrahan’i Jehovah izany ary hitondra soa tondraka ho antsika. Mba hitondrana fahasoavana ho antsika manokana sy ho an’ny hafa àry, dia aoka isika tsy hanadino fa tsy sambatra ny toe-piainana misy ny mpitaraina.
[Sary, pejy 20]
Na dia ny fandaharana mahagaga nataon’Andriamanitra momba ny mana aza dia nanjary antony nampitaraina