“Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’ny Zava-tsarobidinao” — Amin’ny Fomba Ahoana?
“MANOMEZA voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidinao sy ny santatry ny vokatrao rehetra” (NW ). Voarakitra ao anatin’ireo tenim-pahendrena ara-tsindrimandry ireo, izay nosoratana 2 600 taona lasa teo ho eo izay, ny fanalahidin’ny fahazoana ny fitahiana manana amby ampy avy amin’i Jehovah, satria nanohy ny teniny tamin’ny fanamarihana toy izao ilay mpanoratra: “Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao.” — Ohabolana 3:9, 10.
Fa inona no dikan’ny hoe manome voninahitra an’Andriamanitra? Inona avy ireo zava-tsarobidy tokony hanomezantsika voninahitra an’i Jehovah? Ary amin’ny fomba ahoana no azontsika anaovana izany?
“Manomeza voninahitra an’i Jehovah”
Ao amin’ny Soratra Masina, ny teny hebreo lehibe indrindra nadika hoe voninahitra, ka·vohdhʹ, dia midika ara-bakiteny hoe “havesarana”. Koa ny hoe manome voninahitra olona iray àry dia midika hoe mihevitra azy ho toy ny manan-danja, mampiaiky volana na misy vidiny. Ny teny hebreo hafa nadika hoe voninahitra, yeqarʹ, dia nadika koa hoe “sarobidy” sy “zava-tsarobidy”. Ny teny grika hoe ti·meʹ, nadika hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly, dia mampita koa ny hevitra hoe fiheverana ho ambony, vidiny, hasarobidy. Araka izany, ny olona iray dia manome voninahitra ny olona hafa iray amin’ny fanehoana aminy fanajana lalina sy fiheverana ambony.
Misy lafiny hafa koa ny hoe manome voninahitra. Hevero ny fitantarana momba an’i Mordekay, ilay Jiosy nahatoky, izay nanala sarona ny fiokoana iray nikendrena ny ain’i Ahasoerosy, Mpanjakan’i Persia fahiny. Tatỳ aoriana, rehefa fantatry ny mpanjaka fa mbola tsy nisy na inona na inona natao hanomezam-boninahitra an’i Mordekay noho izany, dia nangatahiny i Hamana praiminisitra hilaza ny fomba tsara indrindra hanomezam-boninahitra an’izay olona naharavoravo ny mpanjaka. Nihevitra i Hamana fa ho an’ny tenany izany voninahitra izany, kanefa diso hevitra toy inona moa izy! Na izany na tsy izany, dia nilaza i Hamana fa tokony hampiakanjoina “akanjo fiandrianana” izany olona izany, ary hitaingina ny “soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka”. Hoy ny famaranan-keviny: ‘Aoka izy hampitaingenina amin’ny soavaly, dia hoentina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.’ (Estera 6:1-9). Tamin’io toe-javatra io, dia tafiditra tamin’ny fanomezana voninahitra olona iray ny fanandratana azy ampahibemaso mba homen’ny olon-drehetra fiheverana ambony.
Ny fanomezana voninahitra an’i Jehovah dia misy lafiny roa toy izany koa: fanehoana fiheveran’ny tena azy ho ambony, sy fanandratana azy ampahibemaso, amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fanambarana ampahibemaso ny anarany, sy amin’ny fanohanana izany asa izany.
“Ny zava-tsarobidinao” — Inona avy izy ireo?
Azo antoka fa tafiditra amin’ny zava-tsarobidintsika ny aintsika, sy ny fotoanantsika sy ny talentantsika, ary ny herintsika. Ahoana ny amin’ireo fananantsika ara-nofo? Hevero ny tenin’i Jesosy fony izy nahita mpitondratena nahantra iray nandatsaka vola madinika roa kely vidy, tao amin’ny vata fandatsahan-drakitry ny tempoly. Hoy izy: “Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. Fa ireo [mpanao fanomezana] rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.” (Lioka 21:1-4). Nidera an’io mpitondratena io i Jesosy noho izy io nampiasa ny fananany ara-nofo ho fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.
Mazava àry fa tafiditra koa amin’ny zava-tsarobidy nambaran’i Solomona izay rehetra mety ho fananantsika ara-nofo. Ary ilay fitenenana hoe “ny santatry ny vokatrao rehetra”, dia mampita hevitra hoe manome an’i Jehovah ny tsara indrindra amin’ireo zava-tsarobidintsika.
Amin’ny fomba ahoana anefa ny fanomezana zavatra ara-nofo no afaka manome voninahitra an’Andriamanitra? Tsy efa azy avokoa ve ny zavatra rehetra? (Salamo 50:10; 95:3-5). “Avy aminao ny zavatra rehetra”, hoy ny fieken’i Davida Mpanjaka tao amin’ny vavaka iray feno fahatsoram-po nataony tamin’i Jehovah. Ary raha ny amin’ny fanomezana maro be nataon’ny tenany sy ny vahoakany ho an’ny fanorenana ny tempoly, dia hoy i Davida: “Avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” (1 Tantara 29:14). Koa rehefa manao fanomezana ho an’i Jehovah àry isika, dia tsy manao afa-tsy ny mamerina izay nomeny antsika noho ny hatsaram-pony. (1 Korintiana 4:7). Araka ny nomarihina tetsy aloha kokoa anefa, dia tafiditra amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah ny fanandratana azy eo imason’ny hafa. Ary ireo fanomezana ara-nofo ampiasaina ho fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina dia manome voninahitra an’Andriamanitra. Mirakitra ohatra tsara dia tsara maro ny amin’io fomba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah io ny Baiboly.
Ohatra tamin’ny lasa
Dimanjato sy telo arivo taona lasa teo ho eo izay, rehefa tonga ny fotoana hanomezan’i Jehovah ny Isiraelita ny tabernakely tany an’efitra, ho toy ny toerana iray hanoloran’izy ireo fanompoam-pivavahana, dia hita fa nilaina ny zava-tsarobidy maro samihafa notakin’ilay modely nomen’Andriamanitra. Nandidy an’i Mosesy i Jehovah mba ‘hamela izay rehetra nampirisihin’ny fony hitondra fanatitra ho an’i Jehovah’. (Eksodosy 35:5). Manohy ny teniny toy izao ilay fitantarana: “Samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.” (Eksodosy 35:21). Ny fanomezana an-tsitrapo nataon’izy ireo, raha ny marina, dia hita fa nihoatra lavitra noho izay nilaina tamin’ilay asa, hany ka tsy maintsy ‘nampitsaharina ny olona tsy hanatitra intsony’! — Eksodosy 36:5, 6.
Hevero ny ohatra hafa iray. Rehefa nahavita ny zavatra nokendrena taminy ilay tabernakely, ka natao ny fiomanana ho amin’ny fanorenana ny tempoly, dia nanao fanomezana an-tsitrapo be dia be ny tenan’i Davida, ho an’ilay tempoly izay haorin’i Solomona zanany. Nandefa antso koa izy mba handraisan’ny hafa anjara, ary dia nanoina io antso io ny vahoaka tamin’ny fanomezana zava-tsarobidy ho an’i Jehovah. Ny tokom-bidin’ny volafotsy sy ny volamena fotsiny, dia dimy alina tapitrisa dolara ankehitriny. “Ary nifaly ny vahoaka noho izy ireo nanao fanomezana an-tsitrapo”. — 1 Tantara 29:3-9, NW; 2 Tantara 5:1.
“Fanomezana an-tsitrapo” amin’izao androntsika izao
Ahoana no ahafahantsika manana anjara fifaliana amin’ny fanaovana fanomezana an-tsitrapo amin’izao androntsika izao? Ny asa lehibe indrindra mbola atao etỳ an-tany amin’izao fotoana izao dia ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8). Ary hitan’i Jehovah fa nety ny hanankinana amin’ireo Vavolombelony ny tombontsoan’io Fanjakana io eto an-tany. — Isaia 43:10.
Mazava ho azy fa ilaina ny vola mba hisahanana ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao. Ilana vola ny fanorenana sy ny fikojakojana ireo Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, biraon’ny sampana sy orinasa fanontam-pirinty ary trano Betela. Misy fandaniana atao koa amin’ny famoahana sy fizarana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly amin’ny fiteny maro samihafa. Amin’ny fomba ahoana no isahanana ireny fandaniana eo anivon’ny fandaminana ireny? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo tanteraka!
Ny ankamaroan’ireo fanomezana dia avy amin’olona izay tsy manana afa-tsy fananana antonintoniny sahala amin’ilay mpitondratena nomarihin’i Jesosy. Tsy maniry ny ho diso anjara amin’io lafiny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah io izy ireo, hany ka manome vola kely “araka ny zakany”, ary “mihoatra noho ny zakany” aza indraindray. — 2 Korintiana 8:3, 4.
“Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’ ”, hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristiana tany Korinto. (2 Korintiana 9:7). Mitaky fandaminan-javatra tsara mialoha ny fanomezana amin’ny fifaliana. Hoy i Paoly tamin’ny Korintiana: “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.” (1 Korintiana 16:2). Amin’ny fomba manokana sy an-tsitrapo toy izany koa, ireo maniry hanao fanomezana mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana amin’izao fotoana izao, dia afaka manokana ampahany amin’ny vola miditra aminy ho amin’izany zava-kendrena izany.
Mitahy ireo manome voninahitra azy i Jehovah
Na dia tsy mitarika ho amin’ny firoboroboana ara-panahy aza ny firoboroboana ara-nofo fotsiny, ny fampiasana amim-pahalalahan-tanana ireo zava-tsarobidintsika — ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika ara-nofo — mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, dia mitondra fitahiana tondraka. Izany no izy satria manome toky antsika toy izao Andriamanitra, izay tompon’ny zavatra rehetra: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” — Ohabolana 11:25.
Taorian’ny nahafatesan’i Davida Mpanjaka, i Solomona zanany dia nampiasa ireo fanomezana an-tsitrapo nangonin-drainy mba hanorenana tempoly be voninahitra iray, araka ny fitarihan-dalan’i Jehovah. Ary raha mbola nitoetra ho nahatoky tamin’ny fanompoam-pivavahany tamin’Andriamanitra koa i Solomona, “ny Joda sy ny Isiraely [dia] nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, (...) hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba”. (1 Mpanjaka 5:5). Feno nitafotafo ny fitoeram-bokatra, ary nihoatra ny ranom-boaloboka teo amin’ny vata fanantazana — raha mbola ‘nanome voninahitra an’i Jehovah tamin’ny zava-tsarobidiny’ koa ny Isiraely.
Hoy i Jehovah tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” (Malakia 3:10). Ny firoboroboana ara-panahy eo amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao fotoana izao dia porofo fa nitana ny fampanantenany Andriamanitra.
Azo antoka fa faly i Jehovah rehefa manao ny anjarantsika eo amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, isika. (Hebreo 13:15, 16). Ary mampanantena ny hanohana antsika izy raha ‘mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany aloha’ isika. (Matio 6:33). Omban’ny hafaliam-po lehibe, dia enga anie isika ‘hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidintsika’.
[Efajoro, pejy 28, 29]
IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY HANOMEZANA AN-TSITRAPO FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY
Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana — Matio 24:14.” Isam-bolana, ny kongregasiona dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York, na any amin’ny biraon’ny Sampana eo an-toerana koa.
Ireo vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Treasurer’s Office, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao koa. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Miaraka amin’ireny fanomezana ireny, dia tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tanteraka izy io.
FANOMEZANA MISY FEPETRA
Azo atao ny manome vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fanaovana fandaharana manokana, dia ny hoe, raha misy ilan’ilay mpanome izany, dia haverina aminy ilay fanomezana.
FANOMEZANA NALAMINA MIALOHA
Ho fanampin’ny vola fanomezana tsy misy fepetra sy ilay misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa izay mitondra soa ho an’ny fanompoana momba ilay Fanjakana maneran-tany. Tafiditra amin’izany ny:
Fiantohana: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/pension ny Fikambanana Watch Tower. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.
Kaonty any Amin’ny Banky: Ny kaonty any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo ankinina amin’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy ny vola amin’izany amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.
Petra-bola (actions) sy Renivola Nampisamborina (obligations): Ny petra-bola sy ny renivola nampisamborina dia azo atao fanomezana misy fepetra ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.
Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tsy misy fepetra, na amin’ny famerana azy io ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona koa izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray, alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.
Didim-pananana sy Fanankinam-pananana ( fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanarahana iray momba ny fanankinam-pananana ny Fikambanana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fikambanana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra. Tokony hisy kopian’ilay didim-pananana na ilay fifanarahana momba ny fanankinam-pananana halefa any amin’ny Fikambanana.
Izay rehetra liana amin’ny iray amin’ireo fanomezana nalamina mialoha ireo, dia tokony hifandray amin’ny Planned Giving Desk (Filan-kevitry ny Fanomezana Nalamina Mialoha), Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 100 Watchtower Drive, Patterson, New York 12563-9204, telefaonina (914) 878-7000, na hifandray amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy azy.