Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony Hifidy ny Fivavahan’ny Tenany ve ny Ankizy?
MANOMBOKA eo amin’ny fahaterahany sy mandritra ny fotoana maha-zatovo azy, dia ny ray aman-dreny no manao safidy ho an’ny zanany. Etsy an-danin’izany, ny ray na reny hendry iray dia mahalala hoe rahoviana izy no tokony hilefitra, ka hanisy fiheverana izay tian’ilay zanany, isaky ny azo atao izany.
Kanefa, mety ho zava-tsarotra ho an’ny ray aman-dreny ny hoe fahafaha-mifidy toy inona no omena ny zanaka. Na dia marina aza ny hoe afaka manao safidy tsara sy mandray soa avy amin’ny fahaleovan-tena sasantsasany ny zanaka, dia marina koa ny hoe afaka manao safidy ratsy mety hitera-doza, izy ireo. — 2 Mpanjaka 2:23-25; Efesiana 6:1-3.
Ohatra, matetika no sakafo tsy manjary, fa tsy sakafo mahavelona, no hofidin’ny ankizy. Nahoana? Satria raha izy ireo fotsiny amin’izao, dia tsy afaka mitsara zavatra araka ny mety izy ireo, raha mbola kely. Ho fahendrena ve ny hamelan’ny ray aman-dreny fotsiny ny zanany hanaram-po ny amin’izany, ka hanantena fa hifidy sakafo mahavelona izy any aoriana? Tsia. Tsy maintsy manao safidy ho an’ny zanany kosa ny ray aman-dreny noho ny fitsinjovany izay hahasoa ny taranany amin’ny fomba maharitra.
Noho izany, dia mety tokoa ny hanaovan’ny ray aman-dreny safidy ho an’ny zanany, raha ny amin’ny sakafo, ny fitafiana, ny fisehoana ankapobe ary ny fitondran-tena. Ahoana anefa ny amin’ny fivavahana? Ny ray aman-dreny koa ve no tokony hanao an’io safidy io?
Ilay safidy
Mety hanohitra ny sasany hoe tsy tokony hanery ny zanany handray ny hevitra ekeny mafy ara-pivavahana ny ray aman-dreny. Raha ny marina, maherin’ny 160 taona lasa izay, ny olona sasany izay nilaza tena ho nanan-javatra inoana kristiana dia nandroso ilay hevitra hoe “tsy tokony hampianarina fivavahana ny ankizy sao hirona ho amin’ny fanekem-pinoana iray ny sainy, fa tokony havela amin’izao kosa izy mandra-pahatongan’ny fotoana hahaizany manao safidy, sy hisafidianany hanao izany”.
Kanefa, tsy mifanaraka amin’ny fiheveran’ny Baiboly io hevitra io. Ny Baiboly dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fampidirana tsikelikely finoana ara-pivavahana ao amin’ny ankizy, manomboka eo amin’ny fahaterahany. Milaza toy izao ny Ohabolana 22:6: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”
Ny teny hebreo nadika hoe “zaza” dia mahafaoka ny taona manomboka amin’ny fahazazana ka hatreo amin’ny maha-zatovo. Nilaza toy izao ny Dr. Joseph M. Hunt, avy amin’ny Oniversiten’i Illinois, Etazonia raha ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fampianarana aloha be: “Mandritra ny efatra na dimy taona voalohany eo amin’ny fiainany no haingana indrindra sy mora miova indrindra ny fitomboan’ny ankizy iray. (...) Angamba ny 20 isan-jaton’ny fahaizan[y] fototra no azony alohan’ny tsingerin-taona voalohany nahaterahany, ny antsasany angamba alohan’ny fahefa-taonany.” Izany dia manamafy fotsiny ny torohevitra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly, dia ny hoe iankinan’ny aina ny hanomezan’ny ray aman-dreny fitarihan-dalana feno fahendrena, ka hanaovany izany aloha be eo amin’ny fiainan-janany. Hampiofana azy ao amin’ny lalan’Andriamanitra izy ireo amin’izany. — Deoteronomia 11:18-21.
Amin’ny fomba miavaka, ny Soratra Masina dia mandidy ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra mba hampiditra tsikelikely fitiavana an’i Jehovah ao amin’ny zanany. Milaza toy izao ny Deoteronomia 6:5-7: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. [Ary tsy maintsy mandentika ireo ao amin’ny zanakao ianao sy miresaka momba ireo, NW ], na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Ny matoanteny hebreo nadika hoe “mandentika” dia manana hevitra hoe mandranitra fitaovana iray, amin’ny vatoasana, ohatra. Tsy vita amin’ny fampikasohana vitsivitsy izany, fa tsy maintsy atao amim-pahazotoana sy miverimberina. Ny The New English Bible dia mandika ilay matoanteny hebreo amin’ny hoe ‘mamerimberina’. Mazava àry fa ny hoe “mandentika” dia mamela soritra maharitra. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 27:17.
Noho izany, ny ray aman-dreny kristiana marina dia tokony hanao ho zava-dehibe ny adidiny handentika ny hevitra ekeny mafy ara-pivavahana ao amin’ny zanany. Tsy afa-miala amin’io andraikitra io izy ireo ka hoe hamela ny zanany hisafidy samirery. Tafiditra amin’izany ny fitondrana an’ireo “ankizy madinika” any amin’ireo fivoriana. Any ny ray aman-dreny dia afaka miara-mipetraka amin’izy ireo sy manampy azy ireo hankasitraka ny soa ara-panahy azon’ny fianakaviana tafaray iray, avy amin’ny fihainoana ireo dinidinika araka ny Soratra Masina sy ny fandraisana anjara amin’izany. — Deoteronomia 31:12, 13; Isaia 48:17-19; 2 Timoty 1:5; 3:15.
Ny andraikitry ny ray aman-dreny
Ny fitenenana fotsiny ny ankizy mba hihinana zavatra iray satria mahavelona izy io dia tsy midika fa hankafy azy io ilay ankizy. Noho izany, ny reny hendry iray dia mahalala ny fomba anaovana an’ireny sakafo tena ilaina ireny ho maha-te hihinana araka izay azo atao mba hampilendalenda an’ilay ankizy. Ary, mazava ho azy fa mikarakara sakafo mifanaraka amin’ny fahazakan’ilay ankizy azy io izy.
Mitovy amin’izany ihany, ny ankizy iray dia mety handa fampianarana ara-pivavahana amin’ny voalohany, ary ny ray na ny reny iray dia mety hahita fa tsy mandaitra ny fiezahana hanjohy hevitra momba ilay raharaha. Kanefa, mazava ny fitarihan-dalana avy ao amin’ny Baiboly — tsy maintsy manao izay azony atao ny ray aman-dreny mba hampiofanana ny zanany hatry ny fony vao zaza. Noho izany, ny ray aman-dreny hendry dia manao izay hahatonga ny fampianarana ara-pivavahana hatsiro, amin’ny fampisehoana azy io amin’ny fomba hanintonany an’ilay ankizy, ka hanisy fiheverana ny fahaizany mandray azy io.
Mahatsapa tsara ny adidy hanome izay ilain’ny zanany eo amin’ny fiainana ny ray aman-dreny be fitiavana, ary amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy misy mahalala tsara kokoa ny zavatra ilain’ny ankizy iray, mihoatra noho ny ray aman-dreniny. Mifanaraka amin’izany, ny Baiboly dia manankina ilay adidy fototra hanome izay ilaina ara-nofo sy ara-panahy, eo an-tsoroky ny ray aman-dreny — indrindra ny ray. (Efesiana 6:4). Araka izany, ny ray aman-dreny dia tsy tokony handositra ny andraikiny, amin’ny fitadiavana hanilika amin’olon-kafa ilay adidy. Na dia azon’izy ireo atao aza ny manararaotra ny fanampiana atolotra azy, dia natao hanampy, fa tsy hanolo ny fanabeazana ara-pivavahana avy amin’ny ray aman-dreny akory izany. — 1 Timoty 5:8.
Amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainana, dia ny isam-batan’olona no manapa-kevitra ny amin’izay finoana harahiny, raha hanaraka finoana izy. Raha mandray andraikitra manokana ny ray aman-dreny ka manome fampianarana ara-pivavahana ny zanany hatry ny fony vao zaza, ary raha mampiasa io fotoana io hampianarana azy ireo hanjohy hevitra miorina amin’ny fotopoto-pitsipika marina izy ireo, dia tena azo inoana fa ilay safidy tsara no hataon’ny zanany any aoriana. — 2 Tantara 34:1, 2; Ohabolana 2:1-9.
[Sary, pejy 28]
The Doré Bible Illustrations/Dover Publications, Inc.