‘Nividy ny Fahamarinana’ Izy Ireo!
“VIDIO ny marina, ka aza amidy”. (Ohabolana 23:23). Izany no fananarana nomen’i Solomona, lehilahy hendry. Marina izany momba ny fahamarinana amin’ny ankapobeny, ary indrindra indrindra fa momba ny fahamarinana hita ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Io fahamarinana io dia afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay! (Jaona 17:3, 17). Mariho anefa fa tsy azo maimaim-poana izy io. Tsy maintsy vonona ‘hividy’ azy io ny tena, izany hoe vonona hanao sorona na hamoy zavatra mba hahazoana azy io. (Ampitahao amin’ny Matio 13:45, 46.) Amin’ny ankamaroany, ny olona dia tsy vonona hanao izany. Any amin’ny tany maro anefa, dia mihamitombo isa ny olona be herim-po izay mividy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly — ary matetika no amin’ny fanaovana fandaniana be avy amin’ny tenany.
Raiso, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah any Ghana, tany iray atsy Afrika Andrefana. Tamin’ny Jona 1989, dia olona maherin’ny 34 000 ao amin’io tany io no efa nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly ka nizara azy io tamin’ny hafa tamim-paharisihana. Avy eo, dia nampihatra fameperana tamin’ny asa fitoriana ampahibemaso ny lalàna. Na dia izany aza, dia nanohy ‘nividy ny fahamarinana’ ireo olona tso-po — na dia teo aza ireo fanakantsakanan’ny lalàna. Nifarana tamin’ny 31 Oktobra 1991 ireo fameperana, ary teo antenatenan’ny 1995, telo taona sy tapany monja taorian’ny nanesorana azy ireo, dia efa nahatratra 46 104 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah marisika tao Ghana! Ary amin’izao taona diavintsika izao, dia nitombo ho 52 800 mahery ny isan’izy ireo.
Inona no nisarika ny olona ho amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Inona avy no sorona tsy maintsy nataon’ny sasany mba ‘hividianana ny fahamarinana’? Mba hamaliana izany, dia andeha isika hijery ny fanandraman-javatry ny Kristiana ghaneana telo.
Voasinton’ireo fampianaran’ny Baiboly
Andeha isika aloha hiresaka momba ny vehivavy iray mahery kelin’ny 20 taona. Pastora rainy, nefa nifidy ny hiala tamin’ny fivavahan-drainy izy. Ny antony? Ny fitiavany ny fahamarinana.
Hoy ny nohazavainy indray mandeha: “Tonga tao aminay ireo Vavolombelona, teo am-panaovana ny fitsidihany olona isan-trano. Taorian’ny fihaonana sasantsasany tamin’izy ireo aho dia nahita fa niorina tsara tamin’ny Baiboly ny zavatra nampianariny. Nametraka fanontaniana momba ny foto-kevitra toy ny Trinite, ny afobe, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary indrindra fa ny fanasitranana, aho. Nino mafy aho hoe avy tao amin’ny Baiboly ireo foto-pampianarana ireo. Ireo Vavolombelona anefa dia nanampy ahy hahita fa tsy marina izany.” — Mampiseho ny fomba fihevitry ny Baiboly momba ireo foto-kevitra ireo ny Marka 13:32, ny Romana 6:23, ny Asan’ny Apostoly 10:40 ary ny 1 Korintiana 13:8-10.
Nanampy teny toy izao ilay tovovavy: “Na dia izany aza, dia nanohitra mafy ny fianakaviako, indrindra fa ny raiko. Nihevitra izy fa nisy namitaka ahy. Kanefa fantatro fa izay nianarako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no fahamarinana. Niezaka nampahafantatra tamin’ny raiko an’ireo zavatra ireo avy tao amin’ny Baiboly aho, nefa tsy nety nihaino izy. Raha ny tena izy aza, dia vao mainka nihamafy ny fanoherana.
Tsy nampitakemotra ahy anefa izany. Fantatro fa ny fahalalana marina ihany no mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa, ary tapa-kevitra ny hifikitra tamin’izany aho. Rehefa nahare momba ireo zava-nanahirana nahazo ahy ireo Vavolombelona, dia nanampy ahy tamim-pitiavana izy ireo, ka nampahery ahy ary nanome ahy ireo zavatra tena nilaiko. Noho izany, dia nanjary latsa-paka tao amiko ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:35, manao hoe: ‘Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.’ Nihalalina ny fiekeko fa ny Vavolombelon’i Jehovah no manaraka ny fivavahana marina. Tatỳ aoriana, rehefa voamariky ny ray aman-dreniko fa nihatsara ny fiainako, dia tian’izy ireo izany, ka niova ny fihetsik’izy ireo tamiko — niova be aoka izany, hany ka nangataka an’ireo Vavolombelona mba hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny zokiko lahy ny raiko!”
Fanaporofoana ny fahamarinana ho an’ny tena manokana
Ny ‘fividianana ny fahamarinana’ dia zava-tsarotra koa ho an’ny tanora sasany notezain-dray aman-dreny Vavolombelona. Mirona hanao tsirambina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny tanora sasany. Raha tsy mandray izany fahamarinana izany ho an’ny tenany manokana izy ireo, dia matetika no malemy sy marivo ny finoany. (Ampitahao amin’ny Matio 13:20, 21.) I Nathaniel, lehilahy ghaneana iray 30 taona mahery, dia mitantara ny fomba ‘nividianany ny fahamarinana’ fony izy mbola ankizy.
“Nampianatra ahy ny Baiboly hatramin’ny izaho mbola zazakely, ny ray aman-dreniko”, hoy izy nahatsiaro. “Fony aho nihalehibe, dia nanaraka azy ireo teo amin’ny asa fitoriana aho, nefa tsy tena nanapa-kevitra ny ho tonga Vavolombelona. Tatỳ aoriana, dia takatro fa nila nandinika ny Baiboly ho an’ny tenako manokana aho.
Voalohany aloha, dia tsy maintsy niaiky aho fa ny Baiboly, fa tsy izay bokim-pivavahana masina hafa akory, no Tenin’Andriamanitra. Nanao fianarana manokana aho, ka nanjary nahita fa izy io no hany boky masina mirakitra faminaniana mazava be dia be izay tanteraka araka ny marina. Nanjary hitako koa fa ny Baiboly dia mirakitra fahamarinana ara-tsiansa maromaro — ohatra iray ny hoe ‘mihantona amin’ny tsy misy’ ny tany. (Joba 26:7). Ireo teny ireo dia nosoratana an’arivony taona maro talohan’ny nahafantaran’ny mpahay siansa momba ny rafi-masoandro misy antsika. Andriamanitra ihany no afaka nanome tsindrimandry ny olona hanoratra zavatra toy izany!a
Nanaraka izany aho dia naniry hahafantatra hoe fivavahana iza no mampianatra sy manaraka ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Baiboly. Ny ankamaroan’ny fivavahana dia mampianatra ny afobe sy ny Trinite ary ny fanahy tsy mety maty izay mbola velona aorian’ny fahafatesana. Sarotra tamiko anefa ny nanaiky ireo foto-pampianarana ireo. Nanjohy hevitra toy izao aho: Tsy ho ray ratsy fanahy ve no hihazona ny tanan-janany ao anaty vilany feno rano mangotraka mba hanasaziana azy? Ahoana àry no hahafahan’ny Andriamanitra fitiavana iray hametraka ny zanany ao anaty afobe mirehitra ka hamela azy ireo hijaly ao? Ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia mifanaraka amin’ny andinin-teny ara-baiboly toy ny Romana 6:23, izay milaza hoe: ‘Fahafatesana — fa tsy afobe mirehitra — no tambin’ny ota.’ Tsy sarotra tamiko ny nanaiky izany.
Voamariko koa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitaky ny hanarahan’ny mpikambana rehetra eo aminy ny fari-pitsipiky ny Baiboly, ary mandroaka izay rehetra zatra manota ka tsy mibebaka, izy ireo. Noho izany rehetra izany, dia nanatsoaka hevitra aho fa manana ny fahamarinana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary dia nanao fanapahan-kevitra manokana ny ho tonga iray amin’izy ireo ny tenako. Niezaka mafy aho mba hahafeno fepetra mba ho Vavolombelona vita batisa.” — 1 Korintiana 5:11-13.
Ny fanandraman-javatr’i Nathaniel dia mampiseho tsara fa na dia ny tanora notezain-dray aman-dreny kristiana aza dia tsy maintsy ‘mividy ny fahamarinana’. Tsy tokony hipetra-potsiny any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona izy ireo. Sahala amin’ireo Beriana fahizay, dia tokony ‘handinika amim-pitandremana ny Soratra Masina isan’andro izy ireo, mba hahitana raha marina izany zavatra izany na tsia’. (Asan’ny Apostoly 17:11, NW ). Mitaky fotoana sy ezaka izany, nefa hanome finoana sy fiekena mafy orina. — Ampitahao amin’ny Efesiana 3:17-19.
Diso fanantenana noho ny fivavahan-diso
Ny lehilahy ghaneana iray antsoina hoe Godwin dia efa ho 70 taona, fony izy niala tamin’ny Fiangonana Presbyteriana sy ny Antokon’ny Framasao. “Nisy zavatra hitako ho tsy azo nekena, natao tao amin’ilay fiangonana”, hoy i Godwin. “Ohatra, feno ady tao, ary mbola mitohy ihany izany ankehitriny. Indraindray dia tsy maintsy tonga ny polisy mba hiverenan’ny filaminana! Tsy noheveriko ho zavatra nety tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy ny toy izany. Avy eo, dia nisy zava-nanahirana teo amiko sy ny Presbyteriana iray hafa. Nentina tany amin’ny fitsarana ilay raharaha, ary dia izy no voatsara ho meloka. Kanefa dia naneho tsy rariny ilay mpitondra fivavahana tao am-piangonana ka nomba azy ary nitady handevilevy ahy teo anoloan’ny kongregasiona manontolo! Tsy nisorona aho nilaza taminy ny fomba fihevitro, ary dia nivoaka ny fiangonana — ka tsy niverina tany intsony mihitsy.
Rehefa afaka elaela, dia tonga tany amiko ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny voalohany, dia nihaino fotsiny aho, satria tsy tiako ny hampandeha olona niresaka momba an’Andriamanitra. Nanomboka nahamarika anefa aho fa, na dia Presbyteriana nandritra ny am-polony taona maro aza ny tenako, dia be dia be ny zavatra tsy haiko momba ny Baiboly. Ohatra, tsy fantatro hoe ny Baiboly dia mampanantena fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.b Ary rehefa nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ny fahalalam-pomban’izy ireo, ary indrindra fa ny fomba fiakanjo sy ny fisehoana ankapoben’ireo tanora, dia nanohina mafy ny foko. Tena olona nanaraka ny foto-pitsipiky ny Baiboly ireo olona ireo!”
Na dia izany aza, ny ‘fividianana ny fahamarinana’ dia nitaky fanaovana fanitsiana goavana teo amin’ny fiainany. Hoy ny tsaroan’i Godwin: “Mpikambana tao amin’ny Antokon’ny Framasao aho. Ary na dia fantatra ho fikambanana mpanasoa izay manome fanampiana ho an’ny mpikambana ao aminy aza izy io, dia nahitako fombafomba nampiasana karandoha sy taolana ary fiantsoana ny fanahin’ny maty. Manampy an’ireo izay miara-miasa aminy mba hitombo ara-panahy mantsy, hono, ireo fanahy ireo.
Ny fianarako dia nanampy ahy hahita fa halan’i Jehovah Andriamanitra ny fifandraisana rehetra amin’ny spiritisma, satria mahatonga ny tena ho eo ambany fahefan’i Satana sy ireo heriny ara-panahy ratsy.c Mbola ho mpikambana ao amin’ny Antokon’ny Framasao malaza noho ny fanaovan-javatra miafina rehetra ao aminy ve aho, sa hiala ka hampifaly an’i Jehovah? Itỳ farany no nofidiko. Nopotehiko daholo ireo fitaovana rehetra nananako fony aho Framasao, eny fa na dia ilay akanjo fanaovako tamin’ireo fivorian’ilay Antoko aza. Hitako ny fahamarinan’ny tenin’i Jesosy izay nampanantena hoe: ‘Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo’! (Jaona 8:32). Ankehitriny aho dia faly mizara amin’ny hafa ireo zavatra nianarako. Tsy manenina mihitsy aho na dia kely aza.”
Olona tso-po an’arivony maro no nanao sorona lehibe toy izany mba ‘hividianana ny fahamarinana’. Sahala amin’ireo Kristiana telo noresahintsika teo ireo, dia tsy manenina izy ireo noho ireo fiovana nataony. Ny fahamarinana ara-baiboly dia nanome azy ireo “fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana”. (1 Timoty 6:19). Io “tena fiainana” io sy ny fitahiana rehetra hiaraka aminy dia ho anao mandrakizay koa, raha ‘hividy ny fahamarinana’ ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo, ohatra, ny Salamo 37:9-11, 29.
c Jereo ny Deoteronomia 18:10-12 sy ny Galatiana 5:19-21.
[Sary, pejy 9]
Nathaniel
Godwin