Mitondra Valisoa ny Fianarana
EFA nandinika olona nifidy voankazo ve ianao? Ny ankamaroany mijery ny lokony sy ny habeny, mba hamantarana raha masaka ilay izy. Ny sasany mioroka ny fofon’ilay voankazo. Ny hafa mikasika azy, manapotsipotsitra azy mihitsy aza. Ny hafa koa mitsapa ny havesatr’ilay izy, amin’ny fampifandanjana azy amin’ny tanana roa, mba hamantarana izay be ranony kokoa. Inona no eritreretin’ireo olona ireo? Mamakafaka tsipirian-javatra izy ireo, manombantombana ireo fahasamihafana, mitadidy ireo safidy nataony taloha, ary mampitaha izay hitany izao amin’izay efa fantany. Voankazo mamy no valisoa azony noho ny fanehoany fitandremana.
Mazava ho azy fa lehibe lavitra noho izany ny valisoa entin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainantsika ny fianarana, dia mihamatanjaka ny finoantsika, mihalalina ny fitiavantsika, manjary misy vokany ny fanompoantsika ary hita amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika fa mahay manava-javatra sy manana ny fahendren’Andriamanitra isika. Hoy ny Ohabolana 3:15, momba ireo valisoa ireo: “Izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.” Efa nahatsapa izany ve ianao? Mety hiankina amin’ny fomba fianatrao izany.—Kol. 1:9, 10.
Inona no atao hoe mianatra? Tsy manao vakiteny ambangovangony fotsiny akory izany. Mampiasa ny sainao ianao, mba handinihana tsara sy lalina ny foto-kevitra iray. Mamakafaka izay vakinao ianao, mampitaha azy amin’izay efa fantatrao, ary manamarika ireo antony ilazana zavatra sasany. Rehefa mianatra ianao, dia mieritrereta lalina momba izay hevitra mety ho vaovao aminao. Diniho koa ny fomba azon’ny tenanao ampiharana tsara kokoa ny torohevitry ny Baiboly. Vavolombelon’i Jehovah ianao, ka tokony hieritreritra momba ireo fahafahana hampiasa ilay fanazavana mba hanampiana ny hafa koa. Mazava ho azy fa mila misaintsaina ianao rehefa mianatra.
Fananana ny toe-tsaina mety, rehefa hianatra
Rehefa miomana hianatra ianao, dia mamoaka zavatra toy ny Baibolinao, ireo boky kasainao hampiasaina, stylo na fanoratana hafa, ary angamba kahie iray. Manomana ny fonao koa ve anefa ianao? Milaza amintsika ny Baiboly fa i “Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10) Inona no atao mba hampiomanana ny fo?
Manampy antsika hanana ny fihetsika tsara ilaina ny vavaka, rehefa handeha hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika. Tiantsika ny fontsika ho vonon-kandray ny fampianaran’i Jehovah. Isaky ny hianatra ianao, dia mangataha ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah. (Lioka 11:13) Angataho izy hanampy anao hahatakatra ny hevitr’izay hianaranao, ny fomba ifandraisan’ilay izy amin’ny fikasany, ny fomba anampian’ilay izy anao hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Angataho koa izy hanampy anao hahita ny fomba tokony hampiharanao ny toro lalany eo amin’ny fiainanao, ary ny tokony ho vokatr’ilay fanazavana eo amin’ny fifandraisanao aminy. (Ohab. 9:10) ‘Mangataha fahendrena amin’Andriamanitra’ mandritra ilay fianarana. (Jak. 1:5) Aorian’ny fianaranao, dia mandiniha tena amim-pahatsorana, rehefa mitady ny fanampian’i Jehovah mba hialana amin’ny hevi-diso na ny fanirian-dratsy ianao. ‘Miderà an’i Jehovah’ foana noho ireo zavatra ampahafantariny. (Sal. 147:7) Manjary manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika, rehefa ampiarahintsika amin’ny vavaka ny fianarantsika. Voatosika hidera azy isika, rehefa miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny izy.—Sal. 145:18.
Mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’ny olona hafa izany fihetsika vonon-kandray izany. Eo amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra, dia fanaon’ny olona ny misalasala sy manohitra izay zavatra voasoratra. Tsy izany anefa no fihetsitsika. Mitoky amin’i Jehovah isika. (Ohab. 3:5-7) Raha misy zavatra tsy azontsika, dia tsy hiana-kendry isika ka hanatsoaka hevitra hoe ilay izy no tsy maintsy diso. Sady mikaroka sy mandalina mba hahazoana valiny isika, no miandry an’i Jehovah. (Mika 7:7) Sahala amin’i Ezra, dia ny hampihatra sy hampianatra izay ianarantsika no zava-kendrentsika. Ho tondraka ny valisoa ho azontsika avy amin’ny fianarantsika, raha manana izany faniriana izany ny fontsika.
Ny fomba fianatra
Aza tonga dia asesy avy hatrany ny fehintsoratra rehetra, hatreo amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, fa makà aloha fotoana hijerena mialoha ilay lahatsoratra na ilay toko manontolo. Ireo teny ao amin’ilay lohateny no fakafakao voalohany. Io no loha hevitr’ilay zavatra hianaranao. Avy eo, dia diniho tsara ny fomba ifandraisan’ireo lohatenikely amin’io loha hevitra io. Jereo ireo sary, tabilao, na faritra voafefy miaraka amin’ilay lahatsoratra. Manontania tena hoe: ‘Araka izay fandinihana mialoha izay, inona no hianarako ato? Fianarana sarobidy inona no ho azoko avy amin’izy ity?’ Hamaritra ny ho zava-kendren’ilay fianarana hataonao izany.
Atombohy àry ilay fianarana. Misy fanontaniana ireo lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky sasany. Rehefa mamaky ny fehintsoratra tsirairay ianao, dia hanampy anao ny fanipihana ireo valiny. Na dia tsy misy fanontaniana aza ilay lahatsoratra, dia mbola mety hanipika ireo hevi-dehibe tianao hotadidina ihany ianao. Raha vaovao aminao ny hevitra iray, dia andanio fotoana kely fanampiny mba hahazoanao antoka fa takatrao tsara ilay izy. Jereo manokana izay fanoharana na fanjohian-kevitra hanampy anao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na ho azo ampidirina ao amin’ny lahateny na anjara iray any aoriana. Eritrereto izay olona azonao ampitana ilay zavatra nianaranao, ka ho afaka hanatanjaka ny finoany avy amin’ilay izy. Tsipiho ireo hevitra tianao hampiasaina, ary ivereno rehefa vita ilay fianaranao.
Eo am-pandinihana ilay lahatsoratra, dia jereo ireo andinin-teny voatonona ao. Fakafakao ny ifandraisan’ny andinin-teny tsirairay amin’ny zava-kendrena ankapoben’ilay fehintsoratra.
Mety hahita hevitra tsy azonao avy hatrany na tianao hanaovana fikarohana lalina kokoa, ianao. Aza variana amin’ireny, fa mariho fotsiny izy ireny mba hodinihinao any aoriana. Matetika no hazavaina ao amin’ny tohin’ilay zavatra ianarana izy ireny. Raha tsy izany, dia afaka manao fikarohana fanampiny ianao. Zavatra inona avy no azo marihina manokana toy izany? Angamba misy andinin-teny iray tsy azonao tsara. Na mety ho tsy hitanao avy hatrany ny ifandraisany amin’ilay foto-kevitra resahina. Na angamba ianao mihevitra fa azonao ny hevitra iray ao amin’ilay lahatsoratra, saingy tsy tena mazava tsara aminao ka tsy hainao hazavaina amin’olon-kafa. Aza lalovana fotsiny ireny, fa mety ho fahendrena ny hanaovana fikarohana momba azy ireny, rehefa vitanao ilay fianarana natombokao.
Rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kristianina hebreo ny apostoly Paoly, dia niato teny antenatenany, ka nilaza hoe: “Izao no fotony.” (Heb. 8:1) Mampahatsiahy ny tenanao toy izany ve ianao indraindray? Diniho ny antony nanaovan’i Paoly izany. Tao amin’ireo toko teo aloha, dia efa nasehony fa efa niditra tany an-danitra i Kristy, mba ho Mpisoronaben’Andriamanitra. (Heb. 4:14–5:10; 6:20) Kanefa navahany tsara sy noantitranteriny io hevi-dehibe io eo am-piandohan’ny toko faha-8. Izany dia mba hampiomanana ny sain’ny mpamaky azy hieritreritra lalina momba ny nifandraisan’ilay izy tamin’ny fiainan’izy ireo. Nasehony fa efa niseho teo anoloan’Andriamanitra ho azy ireo i Kristy, ary nanokatra ny lalana hidiran’izy ireo tao amin’io “fitoerana masina” any an-danitra io. (Heb. 9:24; 10:19-22) Azo antoka ny fanantenan’izy ireo, ka nanosika azy ireo hampihatra ireo torohevitra hafa momba ny finoana sy ny fiaretana ary ny fitondran-tena kristianina, nomen’i Paoly tao amin’ny taratasiny. Toy izany koa, rehefa mianatra isika, dia hifantoka amin’ireo hevi-dehibe. Hanampy antsika hahita ny fizotran’ny fanazavana ilay loha hevitra izany, ary hampiaiky antsika momba ireo antony tsara hampiharana azy io.
Hanosika anao hampihatra izay ianaranao ve ny fianarana manokana ataonao? Fanontaniana tena lehibe izany. Rehefa mianatra zavatra iray ianao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fihetsiko sy ny zava-kendreko eo amin’ny fiainana? Ahoana no ahafahako mampihatra ity fanazavana ity mba handaminako zava-manahirana iray, handraisako fanapahan-kevitra iray, na hahatratrarako zava-kendrena iray? Ahoana no ahafahako mampiasa azy ity ao amin’ny fianakaviako, eo amin’ny fanompoana, eo amin’ny fiangonana?’ Diniho amim-bavaka ireo fanontaniana ireo, ary mieritrereta tarehin-javatra tena misy, izay azonao ampiharana ny fahalalanao.
Rehefa nahavita toko iray na lahatsoratra iray ianao, dia makà fotoana hanaovana famerenana fohy. Jereo raha afaka mitadidy ireo hevi-dehibe sy ny porofo nanohana ny tsirairay aminy, ianao. Hanampy anao hitadidy ilay fanazavana izany.
Izay zavatra hianarana
Be zavatra ianarana isika vahoakan’i Jehovah. Inona anefa no tokony hianarantsika voalohany? Tsara ny hianarantsika isan’andro ny andinin-teny sy ny fanazavana azy ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Manatrika ireo fivoriana isika isan-kerinandro, ary hanampy antsika handray soa bebe kokoa ny fianarana ataontsika ho fanomanana azy ireo. Fanampin’izany, dia misy manokana fotoana hianarana ny sasany amin’ireo bokintsika nivoaka talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Ny hafa mifidy tapany iray amin’ny fandaharana famakiana Baiboly isan-kerinandro, izay anaovany fianarana lalina kokoa.
Ahoana raha tsy afaka mianatra tsara izay zavatra rehetra hodinihina any amin’ireo fivoriana ianao, noho ny toe-javatra misy anao? Halaviro ilay fandrika hianatra ilay lahatsoratra maimaika mba hahavitana azy fotsiny, na ilay fandrika ratsy kokoa tsy hianatra azy mihitsy, satria hoe tsy ho vitanao tsinona ilay izy manontolo. Farito kosa izay ho vitanao, ary ataovy tsara ny fianaranao azy. Ataovy isan-kerinandro izany. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia miezaha hampitombo ny isan’ny fivoriana omaninao.
‘Ampioreno ny ankohonanao’
Takatr’i Jehovah fa tsy maintsy miasa mafy ireo loham-pianakaviana mba hamelomana ny vady aman-janany. “Amboary ny asanao any ivelany”, hoy ny Ohabolana 24:27, “ary ataovy lavorary ny any an-tsaha.” Kanefa tsy azo atao tsirambina ny zavatra ara-panahy ilain’ny fianakavianao. Noho izany, dia hoy ny tohin’io andinin-teny io: “Rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao hianao.” Ahoana no ahafahan’ireo loham-pianakaviana manao izany? Hoy ny Ohabolana 24:3: “Fahalalinan-tsaina no mampaharitra” ny ankohonana iray.
Ahoana no hanampian’ny fahalalinan-tsaina ny ankohonanao? Ny fahalalinan-tsaina dia ny fahaizana mijery any ambadik’izay miseho miharihary. Tena mety ilay filazan’ny olona hoe raha tianao handaitra ny fianaram-pianakavianao, dia diniho aloha ny fianakavianao. Manao ahoana ny fandrosoana ara-panahin’ny mpianakavinao? Mihainoa tsara rehefa mifampiresaka aminy ianao. Misy toe-tsaina tia mitaraina na tsy faly ve eo amin’izy ireo? Ny zavatra ara-nofo ve no zava-dehibe aminy? Rehefa miaraka amin’ny zanakao eny amin’ny fanompoana ianao, tsy mampaninona azy ireo ve ny ho fantatry ny mpiara-mianatra aminy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany? Tiany ve ny famakiana sy fianarana ny Baiboly ataon’ny fianakavianareo? Tena ataony fomba fiainany tokoa ve ny lalan’Andriamanitra? Ny fandinihana tsara toy izany dia hampiharihary izay ilainao loham-pianakaviana, hatao, mba hananan’ny mpianakavinao tsirairay toetra tsara.
Mitadiava lahatsoratra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! momba ny zavatra manokana ilainareo. Avy eo, dia ampahafantaro mialoha amin’ny fianakavianao izay hianarana, mba hieritreretan’izy ireo momba ilay izy. Aoka hanjakan’ny fitiavana foana ilay fianarana. Aza mibedy na mamasoka na iza na iza, fa ny maha zava-dehibe ilay zavatra dinihinareo kosa no asongadino, ka ampiharo amin’izay ilain’ny fianakavianareo manokana. Ampandraiso anjara ny mpianakavy rehetra. Ampio ny tsirairay hahita fa “tonga lafatra” ny Tenin’i Jehovah, satria izay ilaina mihitsy no omeny.—Sal. 19:7.
Ireo valisoa hojinjaina
Ny olona mahay mandini-javatra nefa tsy mahataka-javatra ara-panahy dia mianatra momba izao tontolo izao sy ny zava-miseho maneran-tany ary ny tenany mihitsy aza, saingy tsy mahatakatra ny tena hevitr’izay hitany. Etsy an-danin’izany kosa, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, ny olona mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia mahita ao amin’ireo zavatra ireo ny asa tanan’Andriamanitra, sy ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly ary ny fizotran’ny fikasan’Andriamanitra mba hitahiana ny olombelona mpankatò.—Marka 13:4-29; Rom. 1:20; Apok. 12:12.
Na dia mahafinaritra aza izany rehetra izany, dia tsy tokony hahatonga antsika hiavonavona. Manampy antsika hanetry tena foana kosa ny fandinihantsika ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. (Deot. 17:18-20) Miaro antsika amin’ny “famitahan’ny ota” koa izany, satria raha velona ao am-pontsika ny Tenin’Andriamanitra, dia ho afaka hanohitra ny ota foana isika, na dia manintona toy inona aza izy io. (Heb. 2:1; 3:13; Kol. 3:5-10) Noho izany, dia ‘handeha mendrika an’i Jehovah isika, ka hanao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, ary hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra.’ (Kol. 1:10) Ny hanao izany no zava-kendrentsika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahavitantsika izany no valisoa lehibe indrindra.