Fialofana ahitana fiadanana ve ny tokantranonao?
“Homen’i Jehovah tokantrano anie hianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy.” — ROTA 1:9.
1. 3 000 taona lasa teo ho eo izay, iza avy moa ireo vehivavy nandeha ho any Joda?
3 000 taona lasa teo ho eo izay, ny vehivavy telo dia nanao dia nety hahitan-doza namakivaky ny tanin’i Moaba mikitoantoana, faritra matetika be mpangalatra sy jiolahy. Maty vady i Naomy, ilay be taona indrindra, ka naniry mafy hiverina tany Betlehema any Joda, tany niaviany mamin’ny fony. Niara-dalana taminy ny vehivavy Moabita roa, tanora noho izy, dia Orpa sy Rota, vady navelan’ireo zanany lahy maty, dia Kiliona sy Malona. Henoy ange...
2. Firarian-tsoa inona no nataon’i Naomy ho an’i Orpa sy Rota?
2 “Andeha, hoy Naomy tamin’izy ireo, samy mody any amin’ny tranon-dreninareo avy hianareo; mba hohasoavin’i Jehovah anie hianareo araka izay efa nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa.” Nilaza izao firarian-tsoa hafa izao koa izy: “Homen’i Jehovah tokantrano anie hianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy.” (Rota 1:8, 9). Eny, nanery an’ireo vinantovaviny i Naomy mba hiverina any amin’ny firenen’izy ireo, noho ny fanantenana ny hanomezan’Andriamanitra azy any fialan-tsasatra sy fampaherezana entin’ny vady tsara sy ny tokantrano mahafinaritra.
3. Inona moa no fanapahan-kevitra nataon-dRota, ary inona no naterak’izany tamin’ny farany?
3 Lasa nody i Orpa fa tsy nety kosa i Rota nahatoky. Tsy nety nandao ny rafozambaviny izy fa nanao izao fanapahan-kevitra izao: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” Inona no haterak’izany? Hahita tokantrano, fialofam-piadanana, eo anilan’i Boaza, i Rota; handray “valim-pitia lehibe” izy. Ho anisan’ny razamben’i Davida mpanjaka sy ny Tompony tsy manam-paharoa, dia Jesosy Kristy, izy. — Rota 1:16; 2:12; 4:13-22; Salamo 110:1; Matio 1:1-6.
4. Fanontaniana lalina inona no manosika antsika hieritreritra?
4 Nirin’i Naomy hahazo fanomezana avy amin’i Jehovah ny tsirairay avy amin’ireo vinantovaviny: fanambadiana mafy orina sy tokantrano izay ho fialofana hahitana fiadanana. Tsy isalasalana mihitsy fa tian’Andriamanitra hahita filaminana ao an-tokantranony koa ireo mpanompony. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia mipoitra àry izao fanontaniana izao: Fialofana ahitana fiadanana ve ny tokantranonao?
Ny fifidianana vady tsara
5. Inona moa no dingana voalohany tokony hataon’ny kristiana mpitovy iray izay mikasa ny hanambady raha iriny ny hahita filaminana ao amin’ny ho tokantranony?
5 Raha kristiana lahy na vavy mpitovo ianao ka mikasa ny hanambady, dia tsy isalasalana fa manantena ny hahita filaminana ao amin’ny ho tokantranonao ianao. Nolazalazain’ny apostoly Paoly mazava ny dingana voalohany tokony hatao mba hahatongavan’izany faniriana izany ho tanteraka. Izao no nosoratany: “Ny vavy voafehin’ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.” — 1 Korintiana 7:39.
6. a) Inona moa no dikan’ny hoe ‘manambady ao amin’ny Tompo ihany’? b) Fanontaniana inona avy no mendrika hoheverin’izay rehetra mitady vady? d) Nahoana moa no ilaina ny mivavaka alohan’ny hanambadiana, na dia olona vita batisa aza?
6 Ny hoe ‘manambady ao amin’ny Tompo ihany’ dia milaza tsy fanambadiana afa-tsy mpino. Tsy tokony ho maimaika hanambady anefa ny kristiana iray na dia amin’olona efa nanolo-tena ho an’i Jehovah aza. Tena azo atao ve ny milaza fa ‘mitady ny fahamarinana sy ny fandeferana’ io kasaina hovadina io? (Zefania 2:3.) Manompo an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra ve izy? Moa ve ny teniny ahitana taratry ny fitiavany an’i Jehovah sy ny faniriany hidera azy? Mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ve izy ka manome ho an’izany ny toerana tsara indrindra eo amin’ny fiainany? Ho afaka hiantsoroka ireo andraikitra avy amin’ny fanompoana sy ny fanambadiana kristiana ve izy io? Na dia olona efa vita batisa aza no kasaina hovadina, dia zava-dehibe ny hieritreretana tsara sy ny hivavahana. Araka izay rehetra azo atao, dia ilaina ny mamantatra raha manana ireo toetra tsara ara-panahy io lehilahy io na io vehivavy kristiana io. Amin’izany no hitsimbinan-tena amin’ny fahasahiranana sy ny alahelo izay matetika tokoa no manakorontana ireo tokantrano voazarazara eo amin’ny lafiny ara-pivavahana.
7. Inona moa no tokony hatao mba hahasambatra tanteraka ao anatin’ny fanambadiana?
7 Ny mpivady kristiana dia manana fahafahana hifanome izay ilain’ny iray ara-piraiketam-po ary mifanakalo hevitra ara-panahy. Azon’izy ireo atao àry ny mampifamatotra ny fatorana mafy indrindra mety hisy eo amin’ny olombelona roa. Azo antoka fa ny lehilahy sy ny vehivavy kristiana dia maniry hanandrana fifankazarana akaiky amin’ny vadiny. Noho isika noforonina hila ny hivavaka, dia mahatsapa ny lehibe indrindra amin’ny fahasambarana isika amin’ny fanaovana izay ilaina mba hanomezana fahafahampo izay ilaintsika ara-panahy (Matio 5:3, MN ). Noho ny fahatsapana izany, dia azo antoka fa tsy ho tiantsika ny tsy hankatò an’i Jehovah amin’ny fanambadiana tsy mpino, satria amin’izany dia tsy hisy io firaisan-tsaina ara-panahy io izay manamafy ny fatoram-panambadiana (Deoteronomia 7:3, 4). Mba hahasambatra tanteraka, dia ataovy izay hananan’Andriamanitra toerana ao anatin’ny fanambadianareo. ‘Tsy mora tapahina ny mahazaka telo olana’ toy izany. (Mpitoriteny 4:12.) Eny, amin’ny fanomezana toerana ho an’i Jehovaha Andriamanitra ao amin’ny fanambadianao no hanamafisanao ny fanambadianareo ka hanaovanao ny tokantranonao ho fialofana hahitana fiadanana.
Torohevitra mampitombo ny fiadanana eo anivon’ny tokantrano
8. Torohevitra inona avy moa no sarobidy indrindra ho an’ny kristiana manambady?
8 Ary ireo kristiana efa manambady, inona no tokony hataon’izy ireny mba hahatonga ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana? Miharihary fa zavatra maro, kanefa ilaina indrindra ny mampihatra ireo torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny Efesiana 5:21-33. Marina fa mety hampiasa ireo teny ireo ny lehilahy iray na ny vehivavy iray mba hampisongadinana ny fahalemen’ny vadiny. Mahasoa lavitra anefa ny hisaintsainana ireo torohevitra ireo, mba hampiharana azy manokana.
9. Torohevitra inona moa no omen’i Paoly ho an’ireo lehilahy kristiana manambady?
9 Raha lehilahy kristiana manambady ianao, dia hanao izay hahatonga ny tokantranonao ho fialofana hahitana fiadanana, amin’ny fampiharan’ny tenanao manokana ireo torohevitr’i Paoly. Manao izao fananarana izao ilay apostoly: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” Hoy ny teny nanampiny: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana.” Tokony “ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany” ny lehilahy manambady, toy ny hoe tenany ihany ravehivavy. Tsy misy zavatra ara-dalàna toy izany, satria ‘tonga nofo iray ihany ireo’? — Genesisy 2:24.
10. Araka ny 1 Timoty 5:8, inona no andraikitra tokony hiantsorohan’ny lehilahy kristiana manambady?
10 Ny lehilahy iray izay tia ny vadiny tahaka ny tenany dia hahay hitari-javatra eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tompon’andraikitra amin’ny toe-piainana ara-panahin’ny fianakaviany izy. Tsy azony atao ara-drariny àry ny hamela ny zavatra fotsiny amin’izao. Hiahy tsara ny amin’ny tombontsoa ara-nofo sy ara-panahin’ny ankohonany manontolo izy. “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, hoy i Paoly, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — 1 Timoty 5:8.
11. Inona moa no torohevitra omen’i Paoly an’ireo vehivavy kristiana manambady?
11 Etsy an-daniny koa, dia betsaka ny zavatra azon’ny vehivavy kristiana iray atao mba hahatonga ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana. Nanome izao torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izao ho an’ireo vehivavy i Paoly: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. (...) Aoka (...) ny vavy hanaja [lalina, MN] ny lahy.” (Efesiana 5:22-24, 33). Izany ‘fanajana lalina’ izany dia manampy amin’ny fanaovana izay hahatonga ny tokantrano ho fialofana hahitana fiadanana. Izany dia mifanipaka tanteraka amin’ny fitiavana fahaleovan-tena sy fifaninanana asehon’ny vehivavy maro aoka izany ankehitriny, dia toe-tsaina manakorontana sy mampisamboaravoara tokantrano.
12. Ahoana no tokony hataon’ny vehivavy sy ny lehilahy kristiana manambady?
12 Tokony hanao zavatra amin’ny fomba hampitomboana ny fitiavana sy ny fanajana ny vehivavy sy ny lehilahy kristiana. Haneho fiheverana sy fitiavana ary fahamasahana ara-panahy ny lehilahy manambady. Fa ny vehivavy kosa dia hatahotra an’Andriamanitra ka hiseho hahay hiara-hiasa sy hahafinaritra. Takatra mora foana fa amin’ny fanaovana toy izany, dia hahatonga ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana ny mpivady.
‘Aza manome fitoerana ho an’ny devoly’
13. Inona moa no torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:26, 27?
13 Noho ny tsy fahatanterahan’olombelona, dia tsy mora foana akory ny miaro ny fiadanana ao an-tokantrano. Mety hanimba ny fiadanana ao ny fihenjanana avy any ivelan’ny fianakaviana. Kanefa, ny fampiharana ireo torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny Efesiana 4:26, 27 dia hitondra fanampiana ho an’ny tokantrano. Izao no nosoratan’i Paoly: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.” Na dia rariny aza ny hahatezeran’ny anankiray amin’ny mpivady amin’ny toe-javatra sasany, dia tsy tokony havelany hitarika azy hanota mihitsy ny fahasosorany, amin’ny fahatezerana mitohy sy amin’ny fitehirizana lolompo. Aoka tsy havelantsika mihitsy hanaisotra ny fiadanana ao an-tokantranontsika ilay fahavalon’ny fiadanana, dia Satana Devoly! — 1 Petera 5:8.
14. Raha mitranga ny fahasahiranana noho ny tsy fifanarahana, inona avy no fanipazan-kevitra mahatonga ho afaka hamerina indray ny fiadanana ao an-tokantrano?
14 Mba hanjakan’ny fiadanana ao anatin’ny tokantrano iray, dia mazava ho azy fa tokony hampihatra ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly ny mpivady. Raha misy fahasahiranana miteraka tsy fifanarahana, dia ho afaka haneho ny vokatry ny fanahy sy hanorina indray ny fiadanana ao an-tokantranony izy ireo amin’ny fiaraha-mivavaka amin’Andriamanitra mba hanomezany azy ireo ny fanahiny (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23). Eny, na dia ao anatin’ny toe-javatra misedra indrindra aza, izany fomba fanao izany dia hanampy azy ireo hanao ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana.
Ny anjara raisin’ny zanaka eo amin’ny fitanana ny fiadanan’ny fianakaviana
15. Ahoana no azon’ny zatovo andraisana anjara amin’ny fiadanam-pianakaviana?
15 Afaka manao izay hisian’ny fiadanam-pianakaviana koa ny zatovo. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fahavononana hankatò sy hiara-hiasa. Izany toe-tsaina tsara izany dia miankina be dia be amin’ny fampianarana araka ny Baiboly azony sy amin’ny fomba iantsorohan’ny ray aman-dreniny kristiana ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha-mpampianatra. Mitaky indrindra ny hanehoan’ny ray aman-dreny ohatra tsara izany fampiofanana lehibe izany. Marina ny nanambaran’ny Ohabolana 22:6 hoe: “Zaro [tezao, MN] amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Amin’ny ankapobeny, ny zanaka izay mahazo fanabeazana tsara ka omen’ny ray aman-dreny ohatra tsara dia tsara, dia tsy miala amin’ny lalana tsara. Mazava ho azy anefa fa ny fitondrantenany dia miankina be dia be amin’ny hatsarana sy ny halalin’ny fanabeazana omena azy mbamin’ny toe-pony.
16. Raha ny amin’ny fanabeazana ny zanaka, inona moa no ohatra omen’izay hita tamin’i Timoty antsika?
16 Ry ray aman-dreny, manomboha mitaiza ny zanakareo eo amin’ny lafiny ara-panahy raha mbola vao kely izy. Nandray soa tamin’ny fanabeazana ara-panahy aloha be i Timoty, araka ny miharihary amin’izao fananarana nataon’i Paoly ho azy izao: “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:14, 15). Tena “nampinoana” tokoa an’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Timoty. Ny dikan’ny teny grika ampiasaina ao amin’io andininy io dia hoe “miaiky mafy ny amin’ny, mahazo antoka ny amin’ny” zavatra iray (Rakibolana vaovao grika anglisy nataon’i Thayer, pejy faha-514). Tsy maintsy ho nanao fiezahana be dia be ny reny sy reniben’i Timoty, dia Loisa sy Eonika kristiana, mba hitarihana an’i Timoty hanana izany ‘antoka mafy’ izany. Afaka nampita “finoana tsy mihatsaravelatsihy” taminy izy ireo na dia toa tsy mpino aza ny rainy (2 Timoty 1:5). Miezaka hampitombo finoana sahala amin’izany eo amin’ireo zanakao ve ianao?
17. Inona moa no mampiseho fa azo atao ny mampianatra zanaka raha mbola vao zaza izy?
17 Nahazo fampianarana araka ny Baiboly fony vao zaza Timoty. Aoka àry tsy hataontsika ambanin-javatra mihitsy ny fahaizan’ny ankizy mandray fahalalana. Araka ny filazan’ny gazety amerikana malaza mivoaka isan’andro (The New York Times), ny fandinihana natao dia nampiharihary fa “avo roa heny ny isan’ny synapsa (faritra fitohizan’ny rantsandrantsana amin’ny selan’ny atidoha) ao amin’ny faritra sasany amin’ny atidohan’ny zaza iray noho ny ao amin’ny an’ny olon-dehibe”. Na dia zaza mbola kely dia kely aza dia afaka mahafantatra fa tsara ny zavatra sasany ary ratsy ny hafa, mahafinaritra na mampanaintaina. Ao amin’ny bokiny hoe Ny atidoha (anglisy), dia izao no ambaran’i Richard Restak: “Ao amin’ny manana aina rehetra, dia ny atidoha no mandahatra ny filazana azo arakaraka ny maha-zava-dehibe azy mba hitohizan’ny fahavelomana. ‘Tadidin’ny’ biby iray ny mpihaza azy ka mandositra izy raha vao manatona io. Mifandray amin’ny hamafin’ny fihetseham-po koa ny fitadidiana. Tsy ilaina ny milaza indroa amin’ny zaza iray fa tsy mety ny mikasika lapoaly mahamay.” Marina fa mbola be dia be no tokony hofantarina ny amin’ny fiasan’ny atidoha, kanefa fantatra fa afaka mandray fahalalana amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra ny zaza iray. Azo atao, ohatra, ny mampianatra na dia zazakely aza, hipetraka tsara mandritra ireo fivoriana kristiana.
18. Ao amin’ny Efesiana 6:1-4, inona moa no torohevitra omen’i Paoly ireo zanaka sy ireo ray aman-dreny?
18 Arakaraka ny itomboan’ny ankizy, dia afaka mahazo fahalalana miandalana ny zavatra ara-panahy izy. Azon’izy ireny atao, ankoatra ny zavatra hafa, ny mianatra fa mitaky ny hankatoavany ny ray aman-dreniny Andriamanitra. Tokony hitaiza azy amin’ny fomba hentitra, nefa koa amim-pitiavana àry ny ray aman-dreniny, satria izao no nosoratan’i Paoly: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’. Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy.” (Efesiana 6:1-4). Ny zanaka mankatò dia mandray anjara be dia be amin’ny fanaovana izay hahatonga ny tokantrano ho fialofana hahitana fiadanana.
19. Inona moa no mety hanamafy ireo fatorana mampiray ny ray aman-dreny sy ny zanaka?
19 Fa inona no mety hanamafy ny fatorana mampiray ny ray aman-dreny sy ny zanaka? Azo antoka fa mandray anjara be dia be amin’izany ny famakian’ny fianakaviana ny Baiboly sy ireo boky kristiana. Ny boky tahaka ny Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly sy Ecoutez le grand Enseignant dia mahasoa indrindra mba hanampiana ireo ankizy. Rehefa mamaky ny Baiboly ianao na manao zavatra hafa, dia hamafiso ny amin’ny fitiavana an’Andriamanitra. Eo am-pisakafoana, aoka ny resaka ataonareo hidera an’i Jehovah, Ilay nanome ny zavatra rehetra. Rehefa misy dia ataonao miaraka amin’ny zanakao, dia lazao fa avy amin’Andriamanitra ireo zava-mahatalanjona noforonina: zavamaniry, voninkazo, hazo, tendrombohitra, rano mandeha, farihy sy biby. Rehefa mandray anjara amin’ny fitoriana ianao, dia hararaoty ny fotoana hahafahana miresaka amin’ny zanakao ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Isan’andro, dia ampio izy hamboly fitiavana lehibe kokoa ny tenan’i Jehovah. Mazava ho azy fa mba hanohinana ny fony, ny tenanao koa dia tokony hanana ny fitiavana an’i Jehovah irinao hampitaina amin’ny zanakao. — Deoteronomia 6:4-7.
20. Inona moa no maha-zava-dehibe ny fifehezana mety?
20 Aza hadinoina na oviana na oviana fa tena ilaina ny fifehezana. Rehefa ampiharina sy ekena araka ny mety izany, dia “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana”. (Hebreo 12:11.) Ny zanaka manaiky amim-pahendrena ny fifehezan’ny ray aman-dreniny dia mampifaly sy manome voninahitra ny fianakaviany, ary miaro ny laza tsarany (Ohabolana 10:1; 13:1; 23:24, 25). Eny, amin’ny fanatanterahana ny anjara asany araka ny ilazalazana izany ao amin’ny Soratra Masina, ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia manao ny tokantranony ho fialofana ahitana fiadanana.
Ataovy izay hahatonga ny tokantranonao ho fialofana misy fiadanana hatrany
21. Araka ny Ohabolana 24:3, 4, ahoana no anaovana ny tokantrano iray ho fialofana misy fiadanana hatrany?
21 Ahoana no azo anaovana izay hahatonga ny tokantranon’ny tena ho fialofana misy fiadanana hatrany? Mamaly toy izao ny ohabolana iray: “Fahendrena no anaovana trano [ankohonana, MN ]; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy; sady fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.” (Ohabolana 24:3, 4). Noho ny fahalalany sy ny fiezahany, ny fianakaviana iray tia miasa dia mety hahazo fananana ara-nofo maro. Kanefa tsy afaka mandroso sy miorina mafy ny ankohonana raha tsy maneho fahaiza-manavaka sy fahendrena araka an’Andriamanitra ny mpianakavy amin’ny fampiharana tsara ny fahalalana ny Soratra Masina. Eny, mampandroso ny fianakaviana iray ny fahendrena ary mahatonga azy ho afaka ny ho tafaray tsara hatrany.
22. Inona no hateraky ny fampiharana ireo toromarik’Andriamanitra?
22 Hahita fiadanana ny ankohonana iray raha toa ny mpianakavy ka mampihatra ireo toromarik’Andriamanitra izay nanambara toy izao tamin’ny Isiraelita: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” (Isaia 48:17, 18). Ry lehilahy sy vehivavy ary zanaka matahotra an’Andriamanitra, samia àry maneho ny fahendrena avy any ambony, dia ho fialofana hahitana fiadanana mandrakariva ny tokantranonareo.
Tadidinao ve?
◻ Karazam-bady manao ahoana moa no tokony hofidin’ny kristiana mpitovo iray raha tiany hilamina ny tokantranony?
◻ Araka ny Efesiana 5:21-33, inona moa no tokony hataon’ny lehilahy sy ny vehivavy mba hanjakan’ny fiadanana ao an-tokantranon’izy ireo?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fampiharana ny torohevitra omena ao amin’ny Efesiana 4:26, 27 no manampy amin’ny fanaovana tokantrano iray ho toeram-piadanana?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azon’ireo zanaka andraisana anjara amin’ny fiadanan’ny fianakaviana?
◻ Ahoana no azo atao mba hahatonga ny tokantranon’ny tena ho fialofana ahitana fiadanana hatrany?
[Sary, pejy 17]
Tokony hanao zavatra amin’ny fomba hampitomboana ny fitiavana sy ny fanajana ny vehivavy sy ny lehilahy kristiana manambady.
[Sary, pejy 18]
Nianatra ireo fahamarinan’Andriamanitra hatry ny fony vao zaza i Timoty. Manampy ireo zanakao hitombo amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’i Jehovah ve ianao?