Miravaka Kavim-bolamena
HATRAMIN’NY andro fahagola dia efa nankafizina ny firavaka volamena, noho ny hasarobidiny sy ny hatsaran-tarehiny. Fony i Josefa tonga praiminisitr’i Egypta, dia nahazo rojo volamena avy tamin’i Farao izy. (Genesisy 41:42). I Rebeka dia nomena kavin’orona volamena iray sy haba volamena roa, nitentina 7 700 000 FMG eo ho eo amin’ny vola ankehitriny. (Genesisy 24:44). Tsy isalasalana fa noraisina tamim-pankasitrahana ary nanaovana tamim-pahafinaretana ireny fanomezana sarobidy ireny.
Ny Baiboly dia miresaka momba ny firavaka ara-panoharana izay lafo vidy lavitra noho ireo nanaovan’i Josefa sy i Rebeka. Hoy ny Ohabolana 25:12: “Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara ny mpananatra hendry, raha amin’ny sofina mihaino.” Rehefa manome torohevitra miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny fomba fiheveran’ny tenany, ny mpananatra iray, dia tena manolotra fanomezana sarobidy marina. Fa nahoana? Satria raha ny tena izy, dia avy amin’i Jehovah izany torohevitra izany. Hoy ny Baiboly amintsika: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany; fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” (Ohabolana 3:11, 12). Rehefa manaiky sy mampihatra amim-panetren-tena ilay torohevitra ilay nomena azy, dia toy ny hoe miravaka kavim-bolamena. Izany dia tena araka ilay ohabolana ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.” — Ohabolana 3:13, 14.