Teny Fiderana ve Izany sa Fandokafana?
MISY olona iray milaza aminao hoe: “Tsara be ny taovolonao vaovao!” Teny fiderana ve izany sa fandokafana? “Tena manendrika be anao mihitsy iny kompile iny izany!” Teny fiderana sa fandokafana? “Itỳ no sakafo matsiro indrindra nohaniko hatramin’izay!” Teny fiderana ve izany sa fandokafana? Rehefa mahazo fanamarihana tsara toy izany isika, dia mety hanontany tena hoe natao tamim-pahatsorana sy marina ve izy ireny sa natao hampifaliana antsika fotsiny fa tsy voatery hino izany akory ilay miteny.
Ahoana no ahafahantsika mahafantatra hoe teny fiderana sa fandokafana ny zavatra lazain’ny olona iray amintsika? Zava-dehibe ve izany? Tsy afaka manaiky fotsiny izay voalaza ve isika ka mifaly amin’ny fahafaham-po omen’izany antsika? Ahoana rehefa manao teny fiderana ny hafa isika? Efa mba nandinika ny antony manosika antsika ve isika? Afaka manampy antsika mba hahay hanavaka sy hampiasa ny lelantsika amin’ny fomba izay midera an’i Jehovah Andriamanitra, ny fieritreretana momba ireo fanontaniana ireo.
Famaritana ny teny fiderana sy ny fandokafana
Nofaritan’ny rakibolana iray hoe fanehoana fankasitrahana na fiderana, ny teny fiderana, ary ilay teny dia afaka mampiseho koa fanompoam-pivavahana na fanomezam-boninahitra. Mazava fa ireo dikany roa farany dia tsy miresaka afa-tsy ny fiderana avantana amin’i Jehovah Andriamanitra. Izany dia tapany tsy azo sarahina amin’ny fanompoam-pivavahana marina, araka ny nampirisihan’ny mpanao salamo ara-tsindrimandry hoe: “Fa tsara (...), mamy sady mendrika ny fiderana.” “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah.” — Salamo 147:1; 150:6.
Kanefa, tsy midika akory izany fa tsy azo omena ny olombelona ny fiderana. Azo atao ny manao izany amin’ny endriky ny teny fiderana sy ny fankasitrahana na fitsarana tsara. Ao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy, dia hoy ny tompo iray tamin’ny mpanompony: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky”. — Matio 25:21.
Etsy an-danin’izany kosa, ny fandokafana dia faritana ho fiderana tsy tena izy sy tsy amim-pahatsorana na tafahoatra, ka ny antony manosika ny mpandoka matetika, dia ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany. Ny teny fiderana tafahoatra feno hafetsena dia atao mba hahazoana sitraka na tombontsoa ara-nofo avy amin’ilay iray hafa, na mba hamoronana fahatsapana ho voatery hanao zavatra ho an’ilay mpandoka. Araka izany, ny mpandoka dia atosiky ny fitiavan-tena. Araka ny Joda 16, dia “vonona ny handoka ny hafa izy ireo rehefa mahita tombontsoa avy amin’izany”. — The Jerusalem Bible.
Ny fomba fijerin’ny Soratra Masina
Inona no fomba fijerin’ny Soratra Masina momba ny fiderana ny mpiara-belona amin’ny tena? Namela ohatra amin’io lafiny io mba harahintsika, i Jehovah. Lazaina amintsika ao amin’ny Baiboly fa hoderaina isika raha manao ny sitrapon’i Jehovah. Nilaza ny apostoly Paoly fa “samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra”. Milaza amintsika i Petera fa ny hatsaran’ny finoantsika voazaha toetra dia “mba ho hita ho fiderana”. Noho izany, ilay zava-misy hoe hidera ny olombelona i Jehovah, dia maneho amintsika fa ny fanomezana fiderana amim-pahatsorana dia fanaovan-javatra feno hatsaram-panahy sy maneho fitiavana ary mahasoa, dia zavatra tsy azo odian-tsy hita. — 1 Korintiana 4:5; 1 Petera 1:7.
Ny loharano hafa iray mety hiavian’ny fiderana ho antsika, araka ny Baiboly, dia ny fahefana ara-pitondram-panjakana izay mandinika ny fitondran-tenantsika tsara ka midera antsika amim-pahatsorana. Ilazana isika hoe: “Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy hianao”. (Romana 13:3). Isika koa dia mety hahazo fiderana avy amin’ny olona mino amim-pahatsorana izay lazainy ary manana antony manosika mety, amin’ny fiderana antsika. Hoy ny Soratra Masina ara-tsindrimandry ao amin’ny Ohabolana 27:2: “Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao”. Milaza izany fa mety ny fanekena fiderana avy amin’ny olombelona.
Tsy marina kosa izany amin’ny fanomezana na fandraisana fandokafana. Nahoana no tsy mampifaly an’i Jehovah aoka izany ny teny mandoka? Ny antony iray dia noho izy tsy atao amim-pahatsorana, nefa i Jehovah manameloka ny fihatsarambelatsihy. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:6, 7.) Fanampin’izany, dia tsy milaza ny marina izy io. Tamin’ny filazalazana ny olona izay azo antoka fa hahazo ny tsy fankasitrahan’i Jehovah, dia nilaza toy izao ny mpanao salamo: “Samy milaza lainga amin’ny namany amin’ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. Holevonin’i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra”. — Salamo 12:2, 3.
Ambonin’ny zava-drehetra, ny fandokafana dia tsy maneho fitiavana. Atosiky ny fitiavan-tena izy io. Rehefa avy niresaka an’ireo mpandoka i Davida mpanao salamo dia nilaza ny tenin’izy ireo toy izao: “Hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?” Lazalazain’i Jehovah ho ‘mpampahory ny ory’ ny olona tia tena toy izany. Tsy nampiasain’izy ireo mba hampaherezana ny hafa ny lela mandokadokany, fa mba hanimbana sy hampahoriana azy ireo kosa. — Salamo 12:4, 5.
Fandokafana — Fandrika iray
“Izay olona mandrobo ny namany dia mamela-pandrika ny tongony.” Izany no nolazain’i Solomona Mpanjaka hendry, ary tena marina mihitsy izany! (Ohabolana 29:5). Nanandrana namela-pandrika tamin’i Jesosy, tamin’ny alalan’ny fandokafana, ireo Fariseo. Hoy izy ireo: “Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny làlan’Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona.” Toa tsy misy hokianina erỳ no fandre izany! Kanefa tsy voafitaky ny teny malefak’izy ireo i Jesosy. Fantany fa tsy nino ny fampianarany marina izy ireo, fa nanandrana fotsiny namandrika azy tamin’ny teniny, ny amin’ny fiadian-kevitra momba ny fandoavan-ketra ho an’i Kaisara. — Matio 22:15-22.
Mifanohitra lavitra amin’i Jesosy i Heroda Mpanjaka tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nikabary ampahibemaso tao an-tanànan’i Kaisaria izy, dia hoy ny vahoaka: “Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!” Tsy niteny mafy ny vahoaka noho ny fiderana niharihary fa diso, i Heroda, fa nanaiky ilay fandokafana kosa. Nitondra famaliana avy hatrany ny anjelin’i Jehovah, satria nasian’ny famelezan’ny kankana izay nitarika ho amin’ny fahafatesany, i Heroda. — Asan’ny Apostoly 12:21-23.
Ny Kristiana matotra iray dia ho mailo hamantatra ny fandokafana amin’ny maha-izy azy. Ireo loholon’ny kongregasiona indrindra no tokony hitandrina fatratra, rehefa misy olona iray voarohirohy amin’ny raharaha ara-pitsarana, maneho teny fiderana tafahoatra, angamba tonga hatramin’ny fampitahana mihitsy ny loholona iray amin’ny iray hafa, ka milaza fa tsara fanahy sy mahay miombom-pihetseham-po lavitra ilay loholona iresahany.
Mampiseho mazava fandrika iray mety hapetraky ny fandokafana ny Baiboly, rehefa milazalaza ny fomba itarihan’ny vehivavy mpandrobo iray ny lehilahy tanora iray ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. (Ohabolana 7:5, 21). Misy ifandraisany amin’ny tarehin-javatra amin’izao andro izao io fampitandremana io. Eo amin’ireo izay voaroaka tao amin’ny kongregasiona kristiana isan-taona, dia maro no noroahina noho ny fitondran-tena maloto. Nety ho nanomboka tamin’ny fandokafana ve ny fahalatsahana tao anatin’ny fahotana lehibe toy izany? Koa satria maniry fatratra ny hahazo fanamarihana tsara sy hilazana zavatra tsara momba ny tenany ny olombelona, ny teny malefaka avy amin’ny molotra mpandoka dia afaka mampihena ny fanoheran’ny Kristiana ny fitondran-tena tsy mety. Raha tsy miaro tena amin’izany ny olona iray, dia mety hiteraka vokany manimba izany.
Miarova tena amin’ny fandokafana
Manome fahafaham-po ny fitiavan-tena na ny maha-tsinontsinona ny olona iray dokafana ny fandokafana. Mirona hanome fomba fijery mampitombo ny vidin’ny tenany, ka mahatonga azy hihevi-tena ho ambony noho ny hafa amin’ny fomba sasany, izy io. Nampitaha ny fandokafana tamin’ny vola sandoka, “izay raha tsy noho ny fieboeboana dia tsy ho azo ampiasaina”, ilay filôzôfa atao hoe François de La Rochefoucauld. Noho izany, ny fomba iarovan-tena dia ny fanarahana ny fananarana mivantana nataon’i Paoly hoe: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.” — Romana 12:3.
Na dia fironantsika ara-dalàna aza ny maniry handre izay mahafinaritra ny sofintsika, ny zavatra tena ilaintsika matetika dia torohevitra sy fananarana miorina amin’ny Baiboly. (Ohabolana 16:25). Tsy naniry handre afa-tsy izay nahafinaritra azy i Ahaba Mpanjaka; nangataka an’i Mikaia mpaminany mihitsy aza ny mpanompony mba hahatonga ny teniny ‘ho tahaka ny an’ny anankiray amin’ireo [mpaminany mpandokan’i Ahaba], ka mba hitenenany soa koa.’ (1 Mpanjaka 22:13). Raha nanaiky hihaino ireo teny mahitsy sy nanova ny lalany feno fikomiana i Ahaba, dia ho afaka nisoroka ny faharesena an’adin’ny Isiraely nampahonena sy ny fahafatesan’ny tenany koa. Mba hahasalama antsika ara-panahy, dia tokony ho mailaka isika hanaiky ny torohevitra hentitra nefa feno fitiavana, avy amin’ireo loholona kristiana voatendry, izay maniry ny hanampy antsika hitoetra eo amin’ny lala-mahitsin’ny fahamarinana, fa tsy hitady olona hilaza amintsika foana hoe mahafinaritra erỳ isika, ka hampifaly ny sofintsika amin’ny teny mandoka! — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:3.
Tsy maniry na oviana na oviana ny hitady doka, na noho ny antony inona na noho ny antony inona, ny Kristiana. Sahala amin’i Eliho nahatoky, dia mivavaka amim-pahatapahan-kevitra izy ireo hoe: “Aoka tsy hizaha tavan’olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona. Fa tsy mba mahay mandrobo aho; raha izany, dia halain’ny Mpanao ahy faingana aho.” Avy eo, sahala amin’i Paoly, dia ho afaka hilaza izy ireo hoe: “Tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, (...) na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana”. — Joba 32:21, 22; 1 Tesaloniana 2:5, 6.
Manaova teny fiderana rehefa tokony hatao izany
Mampiseho ilay ohabolana ara-tsindrimandry fa afaka ho toy ny famantarana ny hatsaran-javatra iray ny teny fiderana, rehefa nilaza hoe: “Ny memy ho an’ny volafotsy, ny fandrendrehana ho an’ny volamena, ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.” (Ohabolana 27:21). Eny, ny teny fiderana dia mety hiteraka fiheveran-tena ho ambony na avonavona, ka hitarika ho amin’ny fahalavoan’ny olona iray. Etsy an-danin’izany kosa, izy io dia mety hampiharihary ny fiheveran-tenany araka ny antonona sy ny fanetren-tenany, raha ekeny fa tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy noho izay rehetra nataony ka nahazoany fiderana.
Mampahery ny omena sy ny mpanome azy ny teny fiderana amim-pahatsorana noho ny fitondran-tena na ny zava-bita mendrika. Mahatonga fifanehoana fankasitrahana mafana sy mahasoa izany. Mampirisika hiezaka mafy ho amin’ny zava-kendrena mendri-piderana izany. Mety hahatonga ireo tanora hiasa mafy kokoa, ny teny fiderana mendrika azy ireo. Mety hanampy mba hamolavolana ny toetran’izy ireo izany, eo am-piezahany hiaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika takina aminy.
Aoka àry isika hanalavitra ny fandokafana — na ny fanomezana izany na ny fandraisana. Aoka isika hanetry tena rehefa manaiky teny fiderana. Ary aoka isika halala-tanana sy hanao zavatra amin’ny fanahy manontolo rehefa manome fiderana — tsy tapaka ho an’i Jehovah ao amin’ny fanompoam-pivavahantsika ary amim-pahatsorana ho an’ny hafa amin’ny endriky ny teny fiderana sy fankasitrahana mahasoa, amin’ny fitadidiana ny hoe: “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” — Ohabolana 15:23.