Fankasitrahana ny Vehivavy sy ny Asany
TELO arivo taona lasa izay, ny lehilahy iray nantsoina hoe Lemoela dia nanoratra filazalazana nidera fatratra ny atao hoe vehivavy mahay. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly izany, ao amin’ny Ohabolana toko faha-31. Azo antoka fa be zavatra natao ilay vehivavy, ary noderain’i Lemoela fatratra ny toetrany mendrika. Nikarakara ny fianakaviany ravehivavy, nivarotra teny an-tsena, nividy sy nivarotra tany, nanamboatra akanjo ho an’ny ankohonany, ary niasa teny an-tsaha.
Tsy natao ho zara raha nisy vidiny io vehivavy io. “Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy”. Sarobidy ny vehivavy toy izany. Hoy ny Baiboly: “Ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny perla.” — Ohabolana 31:10-28, fanamarihana ambany pejy.
Nanjary sarotra kokoa anefa ny asan’ny vehivavy, taorian’ny andron’i Lemoela. Matetika no takin’ny anjara asany amin’izao taonjato faha-20 izao aminy, ny haha-vady, reny, mpitsabo, mpampianatra, mpamelona, sy mpamboly ary mpiompy, azy. Vehivavy maro tsy tambo isaina no manao sorona be mba hahazoany antoka fotsiny fa hanan-tsakafo ampy ny zanany. Moa ve ireny vehivavy rehetra ireny koa tsy mendri-pankasitrahana sy teny fiderana?
Vehivavy mpamelona
Amin’izao andro izao, dia vehivavy maro kokoa noho ny hatramin’izay no voatery miasa any ivelan’ny tokantranony mba hanampiana amin’ny famelomana ny fianakaviany, na ny hany mpamelona ny fianakaviany. Manamarika tatitra iray izay nilaza toy izao ilay boky hoe Women and the World Economic Crisis (Ny Vehivavy sy ny Krizy Ara-bola Maneran-tany): “Tsy ny raharaha ao an-trano ihany no asan’ny vehivavy. Somary vitsy ny vehivavy, na aiza na aiza maneran-tany, izay afaka milaza hoe ‘mpikarakara tokantrano fotsiny’ izy.” Ary mahalana vao manintona ny asan’ny vehivavy. Na dia mety hampiseho vehivavy mpitantan-draharaha ao amin’ny birao mihaja be aza ny gazetiboky na ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona, dia mazàna no tena hafa noho izany ny zava-misy. Miasa mafy mandritra ny ora maro mba hahazoana karama varimasaka ny ankamaroan’ny vehivavy maneran-tany.
Vehivavy an-jato tapitrisany maro no miasa tany, mamboly, mikarakara tanimboly kelin’ny fianakaviany, na miompy. Mamokatra sakafo ho an’ny antsasak’izao tontolo izao izany asa mafy izany, izay mazàna no kely karama na tsy andraisan-karama. “Any Afrika, dia 70 isan-jaton’ny sakafo no vokarin’ny vehivavy; any Azia, dia 50-60 isan-jato; ary any Amerika Latina, dia 30 isan-jato”, hoy ny tatitra nataon’ilay boky hoe Women and the Environment (Ny Vehivavy sy ny Tontolo Iainana).
Rehefa manana asa andraisan-karama ny vehivavy, dia mazàna no latsaka noho ny an’ny mpiasa lehilahy ny karamany, satria fotsiny izy vehivavy. Tena mangidy tokoa izany fanavakavahana izany, indrindra fa ho an’ny reny iray izay hany mpamelona ny fianakaviany. Ary mihafahita hatrany anefa ny hoe ny reny no hany mpamelona ny fianakaviany. Tombanan’ny tatitra iray nataon’ny Firenena Mikambana fa eo anelanelan’ny 30 sy 50 isan-jaton’ny tokantrano rehetra atsy Afrika sy any Caraïbes ary any Amerika Latina no miantehitra amin’ny vehivavy, satria izy indrindra no tena mpamelona. Ary na dia any amin’ny tany mandroso kokoa aza, dia nihamaro ny vehivavy voatery ho toy izany koa.
Manafaingana izany fironana izany ny fahantran’ny tambanivohitra, manerana ny ankabeazan’ny tontolo an-dalam-pandrosoana. Hitan’ny lehilahy iray, ohatra, fa tolona tsy an-kijanona ny mamelona ny fianakaviany. Mety hanapa-kevitra àry izy ny hifindra hankany amin’ny tanàna iray eo akaiky na any amin’ny tany hafa mihitsy aza, mba hahazoana asa. Ajanony ny vadiny mba hikarakara ny fianakaviana. Raha ambinina ralehilahy ka mahita asa, dia handefa vola any aminy. Na dia tsara fikasa aza anefa izy, dia matetika no tsy mitohy izany. Mety hilentika lalina kokoa ao anatin’ny fahantrana ny fianakaviana nilaozany, ary miankina amin’ilay reny irery sisa izao ny fahasambaran’izy io.
Mametraka enta-mavesatra goavana eo amin’ny vehivavy an-tapitrisany maro io olana mifampidipiditra io, izay lazalazaina amin’ny fomba mifanentana hoe ny “fihamaroan’ny vehivavy mahantra”. “Ny tokantrano tarihin’ny vehivavy, tombanana ho ny ampahatelon’ny tokantrano maneran-tany, dia azo inoana fa mahantra be noho ny tokantrano tarihin’ny lehilahy, ary mihamaro ny tokantrano tarihin’ny vehivavy toy izany”, hoy ny fanazavan’ilay boky hoe Women and Health (Ny Vehivavy sy ny Fahasalamana). Na dia sarotra aza anefa ny mahita hanin-kohanina, dia tsy izany ihany no zava-tsarotra atrehin’ny vehivavy.
Sady reny no mpampianatra
Tsy maintsy mikarakara koa izay hahasoa ny zanany ara-pihetseham-po ny reny iray. Manana anjara asa lehibe izy eo amin’ny fanampiana ny zanany hianatra momba ny fitiavana sy ny firaiketam-po — fianarana mety ho tena zava-dehibe, tsy misy hafa amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilainy ara-batana. Mba hitomboan’ny zaza iray ho tonga olon-dehibe mahay mandanjalanja, dia mila rivo-piainana mafana sy mampilamin-tsaina izy. Eo indray koa, dia tena zava-dehibe ny anjara asan’ny reny.
Izao no nosoratan’i Helen Bee, ao amin’ilay boky hoe The Developing Child (Ny Zaza Mitombo): “Miahy ilay zaza ny ray na reny be fitiavana, maneho firaiketam-po, fanaony matetika na tsy tapaka ny mametraka eo amin’ny loha laharana ny zavatra ilain’ilay zaza, maneho hafanam-po amin’ny zavatra ataon’ilay zaza izy, sy mihetsi-po ary miombom-pihetseham-po amin’ilay zaza.” Azo antoka fa ny zanaka nanehoam-pitiavana toy izany dia tokony haneho amin-dreniny be fiahiana ny fankasitrahany. — Ohabolana 23:22.
Amin’ny alalan’ny fampinonoana no anomezan’ny reny maro rivo-piainana mafana ho an-janany, dieny izy vao teraka. Fanomezana faran’izay sarobidy azon’ny reny omena an-janany vao teraka ny rononon-dreny, indrindra fa ao amin’ny tokantrano mahantra. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-10-11.) Mahaliana ny filazan’ny Baiboly amintsika fa nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny an’ny “reny mitaiza ny zanany naterany”, ny firaiketam-pony mafana tamin’ny Kristiana tany Tesalonika. — 1 Tesaloniana 2:7, 8.
Ankoatra ny famelomana sy ny fanolokoloana ny zanany, dia matetika ny reny no mpampianatra lehibe indrindra azy ireo. “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”, hoy ny torohevitry ny Baiboly, mba hilazana tsy mivantana fa mandray anjara be dia be amin’ny fampianarana ny zanany ny reny. (Ohabolana 1:8). Ny reny na ny renibe indrindra indrindra no mampianatra amim-paharetana ny zaza hiteny sy hamindra ary hanao ny raharaha ao an-trano sy ny zavatra maro hafa tsy tambo isaina.
Ilaina mafy ny fangoraham-po
Anisan’ny fanomezana lehibe indrindra azon’ny vehivavy omena ny fianakaviany ny fangoraham-po. Rehefa misy marary ny mpianakavy, dia manjary mpitsabo ny reny, sady mbola miantsoroka ny andraikiny hafa rehetra ihany. “Ny vehivavy, raha ny marina, no manome ny ankamaroan’ny fikarakarana ara-pahasalamana maneran-tany”, hoy ny fanazavan’ilay boky hoe Women and Health.
Mety hanosika ny reny iray hisakafo kely kokoa mihitsy aza ny fangoraham-pony, mba hahafahan’ny zanany hanan-kohanina. Hitan’ny mpikaroka fa misy vehivavy mihevitra hoe ampy ny sakafo haniny, na dia tsy ampy sakafo aza izy. Zatra aoka izany manome ny ampahany bebe kokoa ho an’ny vady aman-janany izy ireny, raha mbola afa-miasa koa, ka mihevi-tena hoe ampy sakafo.
Indraindray dia miseho eo amin’ny fanahian’ny vehivavy momba ny tontolo iainana eo an-toerana, ny fangoraham-pony. Zava-dehibe aminy io tontolo iainana io, satria mijaly koa izy rehefa mandany ny tsiron’ny tany ny hain-tany sy ny fanjarian’ny tany ho efitra ary ny fandripahana ala. Tao amin’ny tanàna iray any Inde, dia tezitra ny vehivavy rehefa nahafantatra fa handeha hikapa hazo 2 500 teo ho teo tao amin’ny ala iray teo akaiky ny kompania iray mpanao hazo fisaka. Nila ireo hazo ireo ny vehivavy mba hahazoany sakafo sy kitay ary sakafom-biby. Rehefa tonga ireo mpikapa hazo, dia efa teo an-toerana ireo vehivavy, nifampitantana, nanodidina ireo hazo mba hiaro azy. ‘Tsy maintsy tapahinareo aloha ny tendanay raha tianareo ny hanapaka ireo hazo’, hoy izy ireo tamin’ireo mpikapa hazo. Voavonjy ilay ala.
“Omeo azy ny valisoa tokony ho azy”
Mendri-panajana sy fanekena ny vehivavy, ary koa ny asany, na mpamelona izy, na reny, mpampianatra, na loharanom-pangoraham-po. Nanisy vidiny ny asan’ny vehivavy sy ny toroheviny i Lemoela, ilay lehilahy hendry izay nidera aoka izany ny vehivavy mahay. Raha ny marina, dia hazavain’ny Baiboly fa avy tamin’ny toromarika nomen-dreniny azy indrindra no nanovozan’i Lemoela ny hafatra nampitainy. (Ohabolana 31:1). Niaiky i Lemoela fa tsy tokony hatao ho zara raha misy vidiny ny vady sady reny tsy manao tsirambina. “Omeo azy ny valisoa tokony ho azy”, hoy ny nosoratany. “Mitondra fiderana ho azy ny asany.” — Ohabolana 31:31, New International Version.
Kanefa, tsy nampiseho taratry ny fisainan’olombelona fotsiny akory ireo hevitra ireo, fony i Lemoela nandrakitra an-tsoratra azy ireo. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, izy ireo. “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:16, NW ). Mampiseho taratry ny fiheveran’ilay Andriamanitra Tsitoha ny vehivavy ireo fihetseham-po ireo, satria izy no nanome tsindrimandry an’ilay mpanoratra ireo andalan-teny ireo ao amin’ny Baiboly, mba ho fampianarana antsika.
Ankoatra izany, dia lazain’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry fa tokony ‘hanaja’ ny vadiny ny lehilahy. (1 Petera 3:7). Ary ilazana toy izao ny lehilahy, ao amin’ny Efesiana 5:33: “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra”. Eny tokoa, hoy ny Efesiana 5:25: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. Eny, tia aoka izany ny mpanara-dia azy i Kristy, hany ka vonona ny ho faty ho azy ireo izy. Ohatra tsara dia tsara sy nampiseho tsy fitiavan-tena re izany ho an’ny lehilahy manambady! Ary nampiseho taratry ny fari-pitsipik’Andriamanitra, izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly mba hahasoa antsika, ny fari-pitsipika nampianarin’i Jesosy sy niainany.
Kanefa, na dia eo aza ny asa mafy ataon’ny vehivavy eo amin’ny sehatra maro aoka izany, dia mahalana ny maro aminy vao mahazo fankasitrahana noho izay ataony. Ahoana no ahafahan’izy ireo manatsara dieny izao ny fiainany? Afa-tsy izany koa, mety hiova ve ny fihetsika manoloana azy ireo? Inona no zavatra antenaina amin’ny hoavy ho an’ny vehivavy?
[Efajoro/Sary, pejy 10, 11]
Fomba Telo Azon’ny Vehivavy Anatsarana ny Fiainany
Fianarana. Misy vehivavy 600 tapitrisa eo ho eo no tsy mahay taratasy maneran-tany — ka tsy mba afaka nankany an-tsekoly mihitsy ny ankamaroany. Kely koa angamba ny fianarana vitan’ny tenanao, kanefa tsy midika akory izany hoe tsy afaka mampiana-tena ianao. Tsy mora izany, kanefa vehivavy maro no nahomby tamin’izany. “Mety handray anjara lehibe mba hanosika olon-dehibe hanao izay hahaizany hamaky teny sy hanoratra, ny antony ara-pivavahana”, hoy ny fanazavan’ilay boky hoe Women and Literacy (Ny Vehivavy sy ny Fahaizana Mamaky Teny sy Manoratra). Valisoa tsara dia tsara ho azonao avy amin’ny fianarana mamaky teny, ny fahafahan’ny tenanao mihitsy mamaky ny Baiboly. Misy tombony maro hafa koa anefa.
Tsy vitan’ny hoe manana fahafahana bebe kokoa hitady vola ny reny mahay taratasy, fa afaka mianatra fahazarana ara-pahasalamana mahasoa koa izy. Ohatra mahazendana mampiseho ny tombontsoa azo avy amin’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny fanjakan’i Kerala, any Inde. Na dia latsaka ny salany aza ny fidiram-bolan’io faritra io, dia 87 isan-jaton’ny vehivavy ao aminy no mahay taratasy. Mahaliana fa ao amin’io fanjakana io, ny isan’ny zaza maty dia latsaka be noho ny any amin’ny faritra sisa amin’i Inde, izay avo dimy heny; amin’ny antsalany, dia manan-tombo 15 taona ny fahaveloman’ny vehivavy; ary mankany an-tsekoly avokoa ny ankizivavy rehetra.
Mazava ho azy fa mampirisika ny zanany hianatra ny reny mahay taratasy — ary tsy zavatra kely akory izany. Fampiasam-bola faran’izay tsara ny fampianarana ny ankizivavy. Tsy misy zavatra hafa ankoatra izany mahavita manatsara ny fahasalaman’ny fianakaviana sy ny fiainan’ny vehivavy mihitsy, hoy ny fanamarihan’ilay bokin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF), hoe The State of the World’s Children 1991. Tsy misy isalasalana fa hanampy anao ho reny sady mpamelona tsara kokoa, ny fahaizanao mamaky teny sy manoratra.a
Fahasalamana. Raha reny ianao, dia mila mikarakara tena, indrindra raha bevohoka na mampinono ianao. Afaka manatsara ny sakafo haninao ve ianao? Efa ho ny androatokon’ny vehivavy bevohoka atsy Afrika, ary koa any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’i Azia, no hitan’ny dokotera fa tsy ampy ra. Mandany ny herinao ny tsy fahampian-dra. Ankoatra izany, dia mety hahita loza bebe kokoa mifandray amin’ny fiterahana ianao, ary mety ho mora voan’ny tazomoka kokoa, raha tsy ampy ra. Na dia mety ho tsy dia misy firy na lafo aza ny hena na ny trondro, dia mety ho azo vidina ny atody sy ny voankazo na ny legioma be vy. Aza avela hisakana anao tsy hihinan-tsakafo mahavelona ny finoanoam-poana, ary aza avela hisakana anao tsy hahazo ny anjara haninao ao amin’ny fianakaviana ny fomba amam-panao eo an-toerana.b
Mahasoa anao sy ny zanakao ny fampinonoana. Mora kokoa sy madio kokoa ary mahavelona kokoa noho ny zavatra asolo azy, ny rononon-dreny. Tombanan’ny UNICEF fa ho azo nosorohina ny fahafatesan’ny zaza iray tapitrisa isan-taona, raha toa ka nampinono ny zanany ny reny, nandritra ny efa-bolana ka hatramin’ny enim-bolana voalohany niainan’ilay zaza. Mazava ho azy fa raha manana areti-mifindra fantatra ho mety hifindra amin’ny alalan’ny rononony ny reny, dia tokony hampiasaina ny solon-drononon-dreny azo antoka amin’izay fotoana izay.
Ataovy azo antoka fa mahazo rivotra tsara ny ao anaty tranonao, raha ao ianao no mahandro sakafo amin’ny afon-kitay na afon’arina. “Azo inoana fa ny fahazoana setroka sy gaza feno poizina avy amin’ny fahandroan-tsakafo no zavatra manimba fahasalamana indrindra iaretanao amin’izany, araka ny fantatra ankehitriny”, hoy ny fampitandreman’ilay boky hoe Women and Health.
Aza mifoka sigara, na manao ahoana na manao ahoana ny faneren’ny hafa. Ny vehivavy no kendren’ny dokam-barotra miely patrana momba ny sigara atỳ amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana, amin’ny fitadiavany hampiaiky ny vehivavy fa fanaon’olona mandroso ny fifohana sigara. Tsy marina velively izany. Manimba ny zanakao ny fifohanao sigara, ary mety hamono anao. Tombanana fa amin’ny farany, dia ny ampahefatry ny mpifoka rehetra no ho fatin’ny fahandevozany amin’ny sigara. Ankoatra izany, dia mampitandrina ny manam-pahaizana fa mety ho andevozin’ny sigara mora foana ny olona iray sambany vao mifoka.
Fahadiovana. Tena zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny fianakavianao ny ohatra sy ny torohevitra omenao mikasika ny fahadiovana. Manoritra ireto fepetra fototra manaraka ireto momba ny fahadiovana ilay boky hoe Facts for Life:
• Sasao amin’ny rano sy savony ny tanana, rehefa avy any an-kabine ianao, sy alohan’ny handraisanao sakafo. Ataovy azo antoka fa manasa tanana ny zanakao, alohan’ny hisakafoana.
• Mampiasà kabine, ary ataovy madio sy misarona foana izy io. Raha tsy azo atao izany, dia mandehana lavitra be ny tranonao araka izay azo atao rehefa mivalana, ary aleveno avy hatrany ny dikinao. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 23:13, 14.
• Miezaha mampiasa rano madio ho an’ny ankohonanao. Mba hahazoana izany, dia ataovy misarona foana ny lava-drano, ary mampiasà fitaovana madio hitondrana rano.
• Raha tsy mahazo rano fisotro azo antoka ianao, dia ampangotrahy ny rano, ary avelao hangatsiaka aloha vao sotroina. Na dia mety ho toa madio aza ny fijery ilay rano tsy nampangotrahina, dia mety ho mbola misy mikraoba ihany.
• Tadidio fa mety hampita otrikaretina mora foana ny sakafo tsy nandrahoina. Tokony hosasana ny sakafo hohanina manta, alohan’ny hihinanana azy, ary avy eo dia hohanina haingana araka izay azo atao. Tokony handrahoina mba ho masaka tanteraka ny sakafo hafa, indrindra fa ny hena sy ny akoho amam-borona.
• Ataovy madio sy misarona foana ny sakafo mba tsy holotoin’ny bibikely sy ny biby.
• Dory na aleveno ny fako.c
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra, maimaim-poana, ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tafiditra ao anatin’ny fandaharany fampianarana Baiboly izany.
b Any amin’ny tany sasany, dia tsy avelan’ny finoanoam-poana hihinana trondro, atody, na akoho, ny vehivavy bevohoka, sao, hono, hanimba ilay zaza ao am-bohoka. Takin’ny fomba amam-panao amin’ilay vehivavy indraindray ny hihinanany ny sisa, rehefa tapi-nihinana avokoa ny lehilahy sy ny ankizilahy.
c Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aprily 1995, pejy faha-6-11, raha mila tsipiriany fanampiny.
[Sary, pejy 8]
Vehivavy maro any amin’ny tontolo tandrefana no miasa am-birao
[Sary, pejy 8, 9]
Vehivavy maro no tsy maintsy miasa ao amin’ny faritra maloto maharikoriko
[Sary nahazoan-dalana]
Godo-Foto
[Sary, pejy 9]
Mpampianatra ny reny ao an-tokantranony