-
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tenaNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Jolay
-
-
Mitandrema amin’ny vava malama
Ny antony tena mahatonga ny fahaiza-misaina ho zava-dehibe, eo am-pihazonana fahadiovana ara-pitondran-tena ao amin’ny tontolo iray tsy madio, dia noho ny fahaizan‘ny olona iray maloto fitondran-tena maka fanahy. Nampitandrina toy izao i Solomona: “Ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
-
-
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tenaNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Jolay
-
-
Ao amin’io ohabolana io, ilay olona maniasia dia aseho ho toy ny “vehivavy jejo”—mpivaro-tena.a Mamy toy ny tantely, ary malama toy ny menaka oliva, ny teny entiny hakana fanahy izay ho voany. Tsy izany ve no fomba anombohana ny ankabeazan’ny fitaomana hanao faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy vavy? Diniho, ohatra, ny zavatra niainan’ny sekretera bikàna iray, 27 taona, antsoina hoe Amy. Nitantara toy izao io tovovavy io: “Naneho fahalianana be tamiko sy nidera ahy tamin’ny zavatra rehetra ilay lehilahy tany am-piasana. Mahafinaritra erỳ izany hoe misy mahamarika izany ny tena. Hitako mazava tsara anefa fa ny mahaliana azy amiko dia ny momba ny lahy sy ny vavy ihany. Tsy hanaiky ho voafitaky ny fandrokidrokiana ataony aho.” Mazàna no manintona ny teny fandokafana ataon’ny lehilahy na ny vehivavy iray te hitaona, rehefa tsy fantatsika ny tena fikasany marina. Raha ny amin’izany, dia mila mampiasa ny fahaiza-misaina ananantsika isika.
-