Mpiringiringy eny Amin’ny Hantsam-bato
NANARAKA ny morona andrefan’ny Ranomasina Maty no nisy ilay tanàna fahiny sy ny efitra nanodidina azy nantsoina hoe En-jedy. Fonenana tonga lafatra ho an’ny osy dia any amin’ny Tany Nampanantenaina, mitovy amin’ireo hita eto, ireo hadilanana be vatolampy sy ny tevana eo amin’ilay faritra.
Anisan’ny zava-mahatalanjona amin’ny biby noforonina io zavaboary tsy mora potraka io. Andeha isika hanokatra ny Baiboly ka hijery akaiky kokoa an’io biby mahavariana io.
“Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osi-dia”
Izany no nohirain’ny mpanao salamo. (Salamo 104:18). Voaomana tsara ho amin’ny fipetrahana eny amin’ny toerana manerinerina ny osy dia! Faran’izay mailaka izy ireo, matoky tena tsara sady haingam-pandeha rehefa mamindra eny amin’ny toerana mikitoantoana. Anisan’ny mahatonga izany ny firafitry ny kitrony. Afaka misokatra ilay vaky eo amin’ny kitron’ilay osy rehefa itambesarany, ka ahafahany mamikitra mafy rehefa mijoro na mandeha eo amin’ny vatolampy tery izy.
Mahazendana koa ny fahaizan’ny osy dia mitana ny fijoroany. Afaka mitsambikina lavitra be izy ary mitontona eo amin’ny moron-tevana zara raha ampy hametrahana ny tongony efatra. Indray mandeha, ilay biôlôjista atao hoe Douglas Chadwick dia nahamarika osy dia karazany hafa nampiasa ny fahaizany mitana ny fijoroany mba tsy ho voafandrika teo amin’ny moron-tevana tery loatra izay tsy nahafahany nihodina. Hoy izy: “Rehefa avy nanopy maso tamin’ilay moron-tevana manaraka tokony ho 120 metatra terỳ ambany ilay osy, dia namahatra tsara tamin’ny tongony anoloana izy ary nampiakatra moramora ny vodiny ho eo ambonin’ny lohany, nanaraka ny tavan’ilay vatolampy, toy ny hoe nanao tsingolobatita. Tsy avy niaina aho teo am-pijerena ilay osy nanohy ny nataony mandra-pidin’ny tongony aoriana ka nitodihany tany amin’ny lalana niaviany.” (National Geographic). Tsy mahagaga raha nantsoina hoe “ny mpiringiringy eny amin’ny hantsam-bato” ny osy dia!
‘Fantatrao ve ny fotoana iterahan’ny osy dia?’
Zavaboary saro-tahotra be ny osy dia. Aleony mipetraka mitokana tsy miaraka amin’ny olombelona. Eny tokoa, sahirana ny olona manatona mba hizaha azy eny amin’ny natiora. Noho izany, dia azon’ilay Tompon’ny “biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra” natao tsara ny nanontany an’i Joba hoe: “Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osi-dia any amin’ny harambato?” — Salamo 50:10; Joba 39:1.
Ny fahaizana tonga ho azy nomen’Andriamanitra azy no milaza amin’ny osy dia vavy ny fotoana tokony hiterahany. Mitady toerana tsy misy atahorana izy ary miteraka iray na roa, mazàna eo amin’ny faran’ny volana May na amin’ny Jona. Ao anatin’ny andro vitsivitsy monja dia efa mahatana ny fijoroany tsara ireo osikely vao teraka.
“Dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika”
Toy izao no nampirisihan’i Solomona Mpanjaka hendry an’ireo lehilahy: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy”. (Ohabolana 5:18, 19). Tsy natao mba hanambaniana ny vehivavy akory izany. Toa ny hatsaran-tarehy sy ny bika mahafinaritra ary ny toetra miavaka hafa ananan’ireo biby ireo no tian’i Solomona holazaina.
Anisan’ny “zava-mananaina” tsy tambo isaina manome porofo lehibe ny amin’ny fahendren’ny Mpamorona, ny osy dia. (Genesisy 1:24, 25). Tsy faly ve isika fa nohodidinin’Andriamanitra zavaboary mahavariana maro aoka izany?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Courtesy of Athens University