Tsarovy Ilay Mpamorona Anao Lehibe!
“Tsarovy [ilay Mpamorona anao Lehibe,“NW” ] (...), dieny tsy mbola tonga ny andro mahory”. — MPITORITENY 12:1.
1. Tokony haniry hampiasa ny fahatanorany sy ny heriny amin’ny fomba ahoana ny tanora vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra?
OMEN’I Jehovah hery hanaovana ny sitrapony ireo mpanompony. (Isaia 40:28-31). Marina izany, na firy taona izy ireo na firy taona. Ny tanora vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra indrindra anefa no tena tokony haniry hampiasa amim-pahendrena ny fahatanorany sy ny heriny. Raisin’izy ireo am-po, noho izany, ny torohevitr’ilay “Mpitoriteny”, izay tsy iza fa i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Nampirisika toy izao izy: “Tsarovy [ilay Mpamorona anao Lehibe, NW ] amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao”. — Mpitoriteny 1:1; 12:1.
2. Inona no tokony hataon’ny zanaky ny Kristianina vita fanoloran-tena?
2 Ilay fananaran’i Solomona ny amin’ny tokony hahatsiarovana ilay Mpamorona Lehibe, mandritra ny fahatanorana, dia niantefa voalohany indrindra tamin’ireo tanora lahy sy vavy teo amin’ny Isiraely. Teraka tao amin’ny firenena iray vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah tokoa mantsy izy ireo. Ary ahoana ny amin’ny zanaky ny Kristianina vita fanoloran-tena amin’izao andro izao? Azo antoka fa tokony hahatsiaro an’ilay Mpamorona azy Lehibe izy ireo. Raha manao izany izy ireo, dia hanome voninahitra azy, ka handray soa avy amin’izany. — Isaia 48:17, 18.
Ohatra tsara dia tsara tamin’ny lasa
3. Inona no ohatra navelan’i Josefa sy i Samoela ary i Davida?
3 Tanora maro ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly no namela ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fahatsiarovana ilay Mpamorona azy Lehibe. Nahatsiaro ny Mpamorona azy, efa hatramin’ny fahazazany, i Josefa, zanakalahin’i Jakoba. Rehefa naka fanahy an’i Josefa mba hanao firaisana maloto taminy ny vadin’i Potifara, dia nanda tamin’ny fomba hentitra izy, tamin’ny filazana hoe: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:9). Ilay Levita atao hoe Samoela dia nahatsiaro ny Mpamorona azy, tsy tamin’ny fahazazany ihany, fa nandritra ny androm-piainany manontolo koa. (1 Samoela 1:22-28; 2:18; 3:1-5). Azo antoka fa, tamin’ny fahatanorany, dia nahatsiaro ny Mpamorona azy i Davida avy any Betlehema. Niharihary ny fatokisany an’Andriamanitra rehefa nifanandrina tamin’ilay Filistina goavambe atao hoe Goliata, izy. Hoy tokoa mantsy izy: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefompohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao (...), mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah; fa an’i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tànanay Izy.” Tsy ela dia maty i Goliata, ary vaky nandositra ny Filistina. — 1 Samoela 17:45-51.
4. a) Inona no mampiseho fa nahatsiaro an’ilay Mpamorona antsika Lehibe ny zazavavy isiraelita babo iray tany Syria, sy i Josia mpanjaka tanora? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nahatsiaro ny Mpamorona azy izy, fony izy 12 taona?
4 Tanora hafa iray izay nahatsiaro an’ilay Mpamorona Lehibe ny ankizivavy isiraelita babo iray. Nanao fanambarana tsara dia tsara tamin’ny vadin’i Namàna, komandin’ny tafika syrianina, izy, hany ka nandeha tany amin’ny mpaminanin’Andriamanitra i Namàna, sitrana tamin’ny habokany, ary tonga mpivavaka tamin’i Jehovah. (2 Mpanjaka 5:1-19). I Josia, mpanjaka tanora, dia nampandroso tamin-kerim-po ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah. (2 Mpanjaka 22:1–23:25). I Jesosy avy any Nazareta anefa no ohatra tsara indrindra ny amin’ny olona nahatsiaro an’ilay Mpamorona azy Lehibe, fony izy mbola ankizy. Diniho ange izay nitranga fony izy 12 taona e! Nentin’ny ray aman-dreniny tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska izy. Rehefa teny an-dalana nody ireo ray aman-dreniny, dia voamarik’izy ireo fa tsy teo i Jesosy, ka nitodi-doha niverina mba hikaroka azy izy ireo. Tamin’ny andro fahatelo, dia hitan’izy ireo niara-nandinika fanontaniana momba ny Soratra Masina tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly izy. Nametraka fanontaniana izay nanome taratry ny fitebitebeny ny renin’i Jesosy, ka hoy i Jesosy nanontany azy: “Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49). Nahasoa an’i Jesosy ny nahazo fanazavana ara-panahy tao amin’ny tempoly, ‘tranon’ny Rainy’. Amin’izao andro izao, dia toerana faran’izay tsara hahazoana fahalalana marina momba ilay Mpamorona antsika Lehibe ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tsarovy i Jehovah dieny izao!
5. Ahoana no ilazanao amin’ny fomba fiteninao manokana ny zavatra nolazain’ilay mpitoriteny ao amin’ny Mpitoriteny 12:1?
5 Ny mpivavaka amin’i Jehovah amin’ny fony rehetra dia maniry hanomboka haingana araka izay atao ny fanompoana azy, ka hanompo an’Andriamanitra amin’ny andro sisa iainany. Inona kosa anefa no tsinjo fa hanjo ny olona iray izay mandanilany foana ny fahatanorany, satria tsy mahatsiaro an’ilay Mpamorona azy? Hoy ilay mpitoriteny, teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra: “Tsarovy [ilay Mpamorona anao Lehibe, NW ] amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao”. — Mpitoriteny 12:1.
6. Inona no porofo fa nahatsiaro an’ilay Mpamorona azy Lehibe i Simeona sy i Hana, izay samy efa be taona?
6 Tsy misy olona finaritra amin’ilay ‘andro mahorin’ny’ fahanterana. Falifaly kosa anefa ny zokiolona izay mahatsiaro an’Andriamanitra. I Simeona efa be taona, ohatra, dia nitrotro an’i Jesosy zaza tao amin’ny tempoly, no sady nilaza tamim-pifaliana hoe: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.” (Lioka 2:25-32). Nahatsiaro ny Mpamorona azy koa i Hana, 84 taona. Tao amin’ny tempoly foana izy, ary teo izy rehefa nentina tao i Jesosy zaza. “Nony niditra tamin’izany ora izany [i Hana], dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.” — Lioka 2:36-38.
7. Manao ahoana ny toe-javatra misy an’ireo nihantitra tao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?
7 Ireo Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, izay efa mihantitra ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia mety hijaly noho ny fanaintainana sy ny fetran’ny mety ho vitany, vokatry ny fandroson’ny taona. Na izany aza anefa, dia sambatra erỳ izy ireo, ary ankasitrahantsika tokoa ny fanompoan’izy ireo amim-pahatokiana! Manana “ny fifaliana avy amin’i Jehovah” izy ireo, satria fantany fa nampiharin’i Jehovah tamin’ity tany ity ny fahefany tsy hay resena, ka nametraka an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka mahery any an-danitra izy. (Nehemia 8:10). Izao no fotoana tokony hanarahan’ny antitra sy ny tanora ity fampirisihana ity: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, — samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” — Salamo 148:12, 13.
8, 9. a) Tsy mahafa-po an’iza ilay “andro mahory”, ary nahoana no izany no izy? b) Ahoana no hilazanao amin’ny fomba fiteninao ny Mpitoriteny 12:2?
8 Ilay ‘andro mahorin’ny’ fahanterana, dia tsy mahafa-po, ary angamba tena mampijaly, ho an’ireo izay tsy mihevitra an’ilay Mpamorona azy Lehibe sy tsy mahatakatra ny fikasany be voninahitra. Tsy mahazo hevi-javatra ara-panahy, izay afaka manonitra ireo fisedran’ny fahanterana sy ireo loza mahazo ny olombelona hatramin’ny nanjerana an’i Satana avy tany an-danitra, izy ireo. (Apokalypsy 12:7-12). Mampirisika antsika, noho izany, ilay mpitoriteny mba hahatsiarovantsika ny Mpamorona antsika, “dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana”. (Mpitoriteny 12:2). Inona no hevitr’ireo teny ireo?
9 Ny fotoam-pahatanorana dia nampitahain’i Solomona tamin’ny vanin-taona mafana any Palestina, satria mampamirapiratra ny fahazavany avy eny amin’ny lanitra tsy semban-drahona ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, amin’io vanin-taona io. Mamirapiratra àry ny fahitana ny zava-drehetra. Amin’ny fahanterana anefa, ny andron’ny olona iray dia toy ny ririnina mangatsiaka sy manorana, izay irotsahan’ny zava-manahirana sesilany. (Joba 14:1). Hampalahelo tokoa raha hoe mahafantatra ny mombamomba ny Mpamorona ny olona iray, nefa tsy manompo azy amin’ny vanin-taona mafana eo amin’ny fiainana! Amin’ny fotoan’ny ririnin’ny fiainana, izany hoe amin’ny fahanterana, dia mihamaizina ny zava-drehetra, indrindra ho an’ireo izay tsy nahay nanararaotra ny fahafahana hanompo an’i Jehovah tamin’ny fahatanorany, noho ny nikatsahany zava-poana. Na firy taona anefa isika na firy taona, dia aoka isika ‘ho tanteraka amin’ny fanarahana an’i Jehovah’, toa an’i Kaleba nahatoky, lehilahy tsy nivadika, niara-niasa tamin’i Mosesy mpaminany. — Josoa 14:6-9.
Ireo vokatry ny fandroson’ny taona
10. Sary mampiseho inona ny hoe a) “mpiandry trano”? b) “lehilahy matanjaka”?
10 Avy eo i Solomona dia niresaka ireo zava-tsarotra fahita amin’ilay andro ‘hangovitan’ny mpiandry trano, ary hanjokoan’ny lehilahy matanjaka, ary hitsaharan’ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary hahamaizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely’. (Mpitoriteny 12:3). Manondro ny vatan’olombelona ilay “trano”. (Matio 12:43-45; 2 Korintiana 5:1-8). Ny “mpiandry trano” dia ny sandry sy ny tanana, izay miaro ny vatana sy manome izay ilainy. Amin’ny fahanterana, dia matetika izy ireo no mangovitra noho ny fahosana sy ny tahotra ary ny aretina mampangovitra. Ireo “lehilahy matanjaka”, izany hoe ny tongotra manontolo hatreny am-poto-pe, dia tsy andry matanjaka intsony fa nihaosa, ary nanjoko na nivonkina, hany ka mitaritarika fotsiny sisa ny felatongotra. Tsy mahafaly anao ve anefa ny mahita mpiray finoana zokiolona, any amin’ireo fivoriana kristianina?
11. Iza ireo “ankizivavy mpitoto” sy “vehivavy mitsirika eo am-baravarankely”, raha amin’ny heviny ara-panoharana?
11 “Hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo”. Amin’ny fomba ahoana anefa? Mety ho efa simba na niala ny nify, ka vitsy sisa tavela, raha misy. Sarotra na mitsahatra tanteraka ny fitotoana ventin-kanina. Ireo “vehivavy mitsirika eo am-baravarankely”, izany hoe ny maso sy ny fahaizana ara-tsaina izay amin’ny alalany no ahitantsika, dia manjary manjavozavo, raha tsy maizina tanteraka mihitsy aza.
12. a) Amin’ny ahoana no hoe “hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dàlambe”? b) Ahoana no fiheveranao an’ireo zokiolona mitory ilay Fanjakana?
12 Hoy ilay mpitoriteny nanohy ny teniny: “Ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dàlambe, rehefa malemy ny feon’ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voron-kely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra”. (Mpitoriteny 12:4). Ny varavarana kopa-droan’ny vava, izany hoe ny molotra, dia tsy misokatra firy intsony na tsy misokatra mihitsy mba hilaza izay ao amin’ilay “trano”, na ny vatan’ireo be antitra tsy manompo an’Andriamanitra. Tsy misy teny avoaka eny “an-dàlambe”, izany hoe eny ampahibemaso eny. Ahoana anefa ny amin’ireo zokiolona be zotom-po amin’ny fitoriana ilay Fanjakana? (Joba 41:6). Mety hiadam-pandeha izy ireo rehefa mandeha isan-trano, ary mety hampananosarotra ny sasany ny miteny, nefa azo antoka fa midera an’i Jah izy ireo! — Salamo 113:1.
13. Ahoana no ilazalazan’ilay mpitoriteny ireo zava-manahirana hafa mpahazo ny zokiolona, kanefa inona no marina raha ny amin’ireo Kristianina zokiny kokoa?
13 Manjary malemy ny feon’ny fikosoham-bary, satria hihy tsy misy nify no itsakoana sakafo. Tsy tsara torimaso ny be taona eo am-pandriany, ka na dia ny feom-borona aza dia efa manaitra azy. Vitsy ny hira hirainy, ary iva izay mety ho feon-kira ataony. “Ny zazavavy mpihira rehetra”, izany hoe ireo naoty amin’ny feon-kira, dia “halemy”. Zara raha ren’ny zokiolona ny mozika sy ny hira ataon’ny hafa. Tsy mitsahatra manandra-peo amin’ny hira fiderana an’Andriamanitra any amin’ireo fivoriana kristianina kosa anefa ireo voahosotra be taona sy ireo namany, izay efa zokinjokiny koa ny sasany aminy. Faly erỳ isika manana azy ireny eo anilantsika, amin’ny fanandratana an’i Jehovah eo anivon’ny kôngregasiôna! — Salamo 149:1.
14. Tahotra inona no mahazo an’ireo be taona?
14 Mampalahelo tokoa ny manjo ny be taona, indrindra fa ireo tsy niraharaha ny Mpamorona! Hoy ilay mpitoriteny: “Atahoran’ny olona ny eny amin’ny fitoerana avo, (...) ivadihan’ny olona fo eny an-dalambe, amin’izay amonian’ny amandie, sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra, ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany”. (Mpitoriteny 12:5, Fandikan-teny Katolika). Maro amin’ireo be taona no matahotra ny hianjera rehefa eny an-tampon’ny tohatra avo iray. Mety hahafanina azy ireo na dia ny fijerena zavatra avo aza. Rehefa tsy maintsy mivoaka eny amin’ny arabe feno olona izy ireo, dia mivadi-po fandrao iharam-pahavoazana na iharam-panafihana avy amin’ny mpangalatra.
15. Amin’ny ahoana no hoe ‘mamony ny amandie’, ary ‘mavesatra’ ny valala?
15 Raha ny amin’ny lehilahy be taona, dia ‘mamony ny amandie’. Izany dia toa manondro ny volony izay miova ho volondavenona, ary avy eo dia fotsy mangatsakatsaka. Mamony fotsy ny amandie ary mihintsana sahala amin’ny vonin’izy io ny volo fotsy. “Mavesatra” na hoe miresaresa eny izy, angamba manjoko, ary dia mikirazorazo ny sandriny, na apetrany eo amin’ny maojany ny tanany ka miforitra miakatra ny kihony, hany ka toy ny valala izy. Raha misy amintsika anefa somary mitovy amin’izany, dia aoka hotadidin’ny hafa fa anisan’ny andiam-balala mahery sy haingam-pandehan’i Jehovah isika! — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1998, pejy faha-8-13.
16. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “tsy hisy asany intsony ny kapra”? b) Inona ilay ‘fonenana mandrakizay’ ho an’ny olombelona, ary inona avy ireo fambara mampiharihary fa mihantomotra ny fahafatesana?
16 Efa tsy mazoto homana intsony ny zokiolona, na dia matsiro sahala amin’ny kapra aza ny sakafo eo anoloany. Nampiasaina hatramin’ny ela mba hanaitairana ny fahazotoan-komana ireny voan’ny kapra ireny. Ny hoe “tsy hisy asany intsony ny kapra” dia toa milaza fa rehefa mihena ny fahazotoan-koman’ny be taona iray, dia tsy manaitra ny faniriany hihinan-kanina intsony na dia io voa io aza. Izany zavatra izany dia manondro fa mihamanatona an’ilay “fonenany mandrakizay”, izany hoe ny fasana, izy. Ho fonenany mandrakizay izy io raha tsy nahatsiaro ny Mpamorona azy izy ka nanaraka lalan-dratsy aoka izany, hany ka tsy hahatsiaro azy Andriamanitra amin’ny fitsanganan’ny maty. Miharihary avy amin’ilay toe-peo mampahonena sy ny tolokom-pitarainana mivoaka amin’ny varavaran’ny vavan’ny be taona ireo fambara milaza fa mihantomotra ny fahafatesana.
17. Amin’ny ahoana no hoe mivaha “ny kofehy volafotsy”, ary mety ho sary mampiseho inona ilay “vilia volamena”?
17 Ampirisihina hahatsiaro ny Mpamorona antsika isika ‘dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barìka eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano’. (Mpitoriteny 12:6). Mety ho ny tsokan-damosina io “kofehy volafotsy” io. Azo antoka ny hitrangan’ny fahafatesana rehefa simba tsy misy fanafany intsony io lalana mahatalanjona fampitan-kafatra mankany amin’ny atidoha io. Ilay “vilia volamena” dia mety hanondro ny atidoha, izay ao anatin’ny karandoha miendrika vilia baolina, izay iraiketan’ny tsokan-damosina. Volamena ny atidoha noho ny hasarobidiny, ka rehefa mitsahatra tsy miasa izy io, dia midika ho fahafatesana izany.
18. Inona ilay ‘barìka eo an-doharano’ amin’ny heviny ara-panoharana, ary inona no mitranga rehefa vaky izy io?
18 Ilay ‘barìka eo an-doharano’ dia ny fo, izay mandray ny ra mikoriana ka mandefa azy io indray hikoriana manerana ny vatana manontolo. Manjary toy ny barìka rava, na vaky, ny fo, eo amin’ny fahafatesana, montsamontsana eo an-doharano satria tsy afaka mandray sy mitana ary mipaompy intsony an’ilay ra tena ilaina mba hanomezana hanina sy hamelombelomana ny vatana. Ilay ‘kodia tapaka eo an-davaka famorian-drano’ dia tsy mihodina intsony, ka mampitsahatra ny fikorianan’ny ra miantoka ny aina. Nampahafantarin’i Jehovah an’i Solomona, araka izany, ny fikorianan’ny ra, ary izany dia ela be talohan’ny nanaporofoan’i William Harvey, dokotera tamin’ny taonjato faha-17, ny hoe mikoriana ny ra.
19. Ahoana no iharan’ny Mpitoriteny 12:7, eo amin’ny fahafatesana?
19 Hoy ny teny nanampin’ilay mpitoriteny: “Ka ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.” (Mpitoriteny 12:7). Koa satria tapaka ilay “kodia”, dia miverina ho vovoka ny vatan’olombelona, izay natao tamin’ny vovoky ny tany tamin’ny voalohany. (Genesisy 2:7; 3:19). Maty ny fanahy (âme), satria ilay fanahy (esprit), na herim-piainana, nomen’Andriamanitra, dia miverina any amin’ilay Mpamorona antsika ka izy no manam-pahefana aminy. — Ezekiela 18:4, 20; Jakoba 2:26.
Inona no hoavin’ireo mahatsiaro?
20. Inona no nangatahin’i Mosesy tao amin’ilay vavaka nataony, voarakitra ao amin’ny Salamo 90:12?
20 Nasehon’i Solomona tamin’ny fomba tena nandaitra ny maha zava-dehibe ny hahatsiarovana ilay Mpamorona antsika Lehibe. Azo antoka fa tsy izao fiainana somary fohy sy be zava-manahirana izao ihany akory no hany anjaran’ireo mahatsiaro an’i Jehovah sy manao ny sitrapony amin’ny fony rehetra. Na tanora na antitra izy ireo, dia manana ilay toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Mosesy, izay nivavaka hoe: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” Faniriana niredareda tao amin’ilay mpaminanin’Andriamanitra nanetry tena ny mba hampianaran’i Jehovah azy mbamin’ny vahoakan’ny Isiraely haneho fahendrena rehefa manombana ‘ny andron’ny taonany’, sy rehefa mampiasa izany amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra. — Salamo 90:10, 12.
21. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hanisa ny androntsika, ho fanomezam-boninahitra an’i Jehovah?
21 Ny tanora kristianina indrindra indrindra no tokony ho tapa-kevitra hanaraka ny torohevitr’ilay mpitoriteny ny amin’ny tokony hahatsiarovana ny Mpamorona. Manana fahafahana faran’izay tsara hanolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra tokoa izy ireo! Na firy taona anefa isika na firy taona, dia mety ho afaka hanohy hanisa ny androntsika mandrakizay isika, raha mianatra manisa ny androntsika ho fanomezam-boninahitra an’i Jehovah, amin’izao “andro farany” izao. (Daniela 12:4; Jaona 17:3). Mba hanaovana izany, dia mazava ho azy fa tsy maintsy mahatsiaro an’ilay Mpamorona antsika Lehibe isika. Tsy maintsy manefa ny hany adidintsika amin’Andriamanitra koa isika.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no ampirisihina hahatsiaro ny Mpamorona azy ny tanora?
◻ Inona no ohatra sasany voalazan’ny Soratra Masina, raha ny amin’ireo nahatsiaro an’ilay Mpamorona azy Lehibe?
◻ Inona no sasany amin’ireo vokatry ny fahanterana, araka ny nilazalazan’i Solomona azy?
◻ Inona no hoavin’ireo mahatsiaro an’i Jehovah?
[Sary, pejy 15]
Nahatsiaro an’i Jehovah i Davida, ilay zazavavy isiraelita babo, i Hana, ary i Simeona
[Sary, pejy 16]
Faly manolotra fanompoana masina ho an’ilay Mpamorona antsika Lehibe ireo Vavolombelon’i Jehovah efa zokiolona