Boky, Boky, Boky!
“Tsy misy farany ny manao boky maro”, hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka hendry fahiny. (Mpitoriteny 12:12). Nandritra ny taona 1995, dia boky vaovao efa ho iray isaky ny mponina 580 no navoaka tany Grande-Bretagne, ka nahatonga io tany io ho loha laharana maneran-tany eo amin’ny famoahana boky vaovao. Faharoa i Sina, ilay tany be mponina indrindra, izay nanao fanontana 92 972 raha ampitahaina amin’ny an’i Grande-Bretagne izay 95 015. Nanaraka i Alemaina (boky vaovao 67 206) ary avy eo dia i Etazonia (49 276), ka i Frantsa no manaraka (41 234). “Ny teny anglisy fotsiny no tena mahatonga an’i Grande-Bretagne ho loha laharana maneran-tany”, hoy ny fanamarihan’ny gazety The Daily Telegraph any Londres.
Asehon’ireo tatitra fa nidina ny tsenan’ny boky tao anatin’ny taona maromaro, ary ankehitriny dia 80 isan-jaton’ny olon-dehibe any Grande-Bretagne monja no mividy boky iray na maherin’izany isan-taona. Kanefa mamaky izay boky rehetra vidiny ve ny olona?
Boky iray izay sady mbola aely hatraiza hatraiza no mbola vakina ny Baiboly, izay misy amin’ny fiteny maherin’ny 2 120, amin’ny ampahany na manontolo. Raha mbola tsy manana ianao, dia mifandraisa amin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower akaiky anao indrindra mba hahazoana iray. Raha manana Baiboly ianao, dia raiso izy io, ary hamarino ireo fakan-teny avy ao amin’ny Soratra Masina izay hita ao amin’ireo lahatsoratra amin’itỳ gazety itỳ. Raha manao izany ianao, dia hahita ilay fahalalana manome fiainana ao amin’ny Baiboly.