LAHATSORATRA FIANARANA 49
Afaka ny Hiaina Mandrakizay Isika!
“Hahazo fiainana mandrakizay izy ireo.”—JAONA 17:3.
HIRA 147 Azo Antoka ny Fiainana Mandrakizay
HO HITANAO ATOa
1. Inona no vokany rehefa misaintsaina an’ilay fampanantenan’i Jehovah fiainana mandrakizay isika?
“FIAINANA MANDRAKIZAY”! (Rom. 6:23) Izany no ampanantenain’i Jehovah ho an’izay mankatò azy. Rehefa misaintsaina an’izany isika, dia azo antoka hoe vao mainka ho tiantsika izy. Eritrereto ange e! Tena tia antsika ilay Raintsika any an-danitra, dia omeny an’io fanomezana io isika amin’izay tsy ho tafasaraka aminy mihitsy!
2. Manampy antsika hanao inona ny fampanantenana fiainana mandrakizay?
2 Hahavita hiaritra ny fitsapana mahazo antsika amin’izao isika, noho ilay fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay. Hanompo azy foana isika, na dia mandrahona antsika ho faty aza ny fahavalontsika. Nahoana? Fantatsika, ohatra, hoe raha tsy mivadika isika nefa maty, dia hatsangan’i Jehovah ary afaka manantena ny tsy ho faty intsony. (Jaona 5:28, 29; 1 Kor. 15:55-58; Heb. 2:15) Nahoana isika no mahazo antoka hoe afaka ny hiaina mandrakizay? Andao isika handinika antony vitsivitsy.
VELONA MANDRAKIZAY I JEHOVAH
3. Nahoana isika no afaka mahazo antoka hoe vitan’i Jehovah ny manampy antsika hiaina mandrakizay? (Salamo 102:12, 24, 27)
3 Fantatsika fa vitan’i Jehovah ny manampy antsika hiaina mandrakizay. Izy mantsy no Loharanon’aina, ary velona mandrakizay izy. (Sal. 36:9) Efa nisy foana izy, ary mbola hisy foana. Misy andinin-teny vitsivitsy manamarina an’izany. Resahin’ny Salamo 90:2, ohatra, fa efa nisy “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” i Jehovah. Miresaka zavatra mitovitovy amin’izany koa ny Salamo faha-102. (Vakio ny Salamo 102: 12, 24, 27.) Ankoatra izay, dia izao no nolazain’i Habakoka mpaminany momba an’ilay Raintsika any an-danitra: “Tsy efa nisy hatramin’izay ve ianao, Jehovah ô? Tsy ho faty ianao, Andriamanitro ô, Ilay Masina ivavahako.”—Hab. 1:12.
4. Tokony hanahy ve ianao raha sarotra aminao ny mahazo an’ilay hoe efa nisy foana i Jehovah? Hazavao.
4 Sarotra aminao ve ny mahatakatra an’ilay hoe efa nisy foana i Jehovah hatramin’izay, ary mbola hisy “mandrakizay”? (Isaia 40:28) Tsy ianao irery no hoatr’izany. Izao no nolazain’i Eliho momba an’Andriamanitra: “Saro-takarina ny isan’ny taonany.” (Joba 36:26) Rehefa tsy azonao anefa ny zavatra iray, dia tsy midika izany hoe tsy mitombina ilay izy. Mety tsy ho azontsika tsara, ohatra, ny mombamomba ny hazavana. Tsy midika anefa izany hoe tsy misy ny hazavana. Hoatr’izany koa ny momba an’i Jehovah. Tsy ho takatsika olombelona amin’ny fomba feno mihitsy ny hoe efa nisy foana izy hatramin’izay, ary mbola hisy foana. Tsy midika anefa izany hoe tsy velona mandrakizay izy. Tsy miankina amin’ny zavatra takatsika na tsy takatsika ny marina momba ny Mpamorona. (Rom. 11:33-36) Efa nisy izy talohan’ny nisian’izao rehetra izao, anisan’izany ny masoandro sy ny kintana, izay manome hazavana. Manome toky antsika i Jehovah hoe “Izy Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny.” Efa nisy izy talohan’ny ‘namelarany ny lanitra.’ (Jer. 51:15; Asa. 17:24) Nahoana koa isika no afaka matoky hoe afaka ny hiaina mandrakizay isika?
NOFORONINA HIAINA MANDRAKIZAY ISIKA
5. Afaka nanantena inona ilay mpivady voalohany?
5 Rehefa namorona ny zavamananaina eto an-tany i Jehovah, dia efa noferany ny fotoana hahaveloman-dry zareo. Ny olombelona ihany no afaka nanantena ny tsy ho faty mihitsy. Nampitandrina an’i Adama anefa i Jehovah hoe: “Aza mihinana amin’ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ... fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Gen. 2:17) Tsy maty i Adama sy Eva raha nankatò. Azo inoana fa ho navelan’i Jehovah hihinana tamin’ilay “hazon’aina” izy mivady rehefa nandeha ny fotoana. Hoatran’ny hoe toky avy aminy izany fa “ho velona mandrakizay” ry zareo.b—Gen. 3:22.
6-7. a) Inona koa no manaporofo fa tsy natao ho faty ny olombelona? b) Inona no zavatra tianao hatao rehefa miaina mandrakizay ianao? (Jereo ny sary.)
6 Mahaliana ny zavatra hitan’ny mpikaroka sasany. Voaporofon’ny siansa fa vitan’ny atidohantsika ny mitahiry fanazavana mihoatra lavitra noho izay voangontsika mandritra ny androm-piainantsika amin’izao. Milaza ny gazety amerikanina iray momba ny siansa tamin’ny 2010, fa mitovy amin’ny fandaharana amin’ny tele mandritra ny telo tapitrisa ora, na 300 taona mahery, ny fanazavana azon’ny atidoha tehirizina. Toa mihoatra lavitra noho izany anefa ny zava-bitan’ny atidoha. Hita avy amin’izany fa nataon’i Jehovah afaka mitahiry fanazavana be dia be ny atidohantsika, fa tsy izay voatahiry ao anatin’ny 70 na 80 taona fotsiny.—Sal. 90:10.
7 Efa nataon’i Jehovah ao anatintsika koa ilay faniriana ho velona foana. Milaza ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra ‘ao am-pon’ny olombelona ny faniriana hiaina mandrakizay.’ (Mpito. 3:11) Izany no mahatonga antsika hihevitra hoe fahavalo ny fahafatesana. (1 Kor. 15:26) Ahoana, ohatra, raha marary be isika? Tsy manao na inona na inona ve isika fa hiandry fahafatesana fotsiny? Tsy izany! Mazàna isika no mamonjy dokotera, dia mihinana fanafody mba ho sitrana. Manao an’izay rehetra azontsika atao isika mba tsy ho faty. Ahoana indray raha maty ny olona akaiky antsika? Tena malahelo isika ary mety haharitra ela be izany, na antitra ilay olona na tanora. (Jaona 11:32, 33) Isika ve dia ho nataon’ilay Mpamorona be fitiavana hanana faniriana hiaina mandrakizay sy ho afaka hiana-javatra mandrakizay, raha tsy tiany ho velona foana isika? Mbola misy antony hafa anefa mahatonga antsika hiaiky fa tsy natao ho faty mihitsy isika. Tsy niova ny fikasan’i Jehovah. Manaporofo an’izany ny zavatra nataony taloha sy amin’izao. Andao isika handinika sasany amin’izany.
TSY NIOVA NY FIKASAN’I JEHOVAH
8. Inona no azontsika antoka momba ny fikasan’i Jehovah, araka ny Isaia 55:11?
8 Tsy niova ny fikasan’i Jehovah, na dia nanota aza i Adama sy Eva ary maty ny taranany. (Vakio ny Isaia 55:11.) Mbola tiany hiaina mandrakizay ny olombelona tsy mivadika. Manamarina an’izany ny zavatra nolazainy sy nataony mba hahatanteraka ny fikasany.
9. Inona no nampanantenain’Andriamanitra? (Daniela 12:2, 13)
9 Nampanantena i Jehovah fa hanangana ny maty izy, dia ho afaka hiaina mandrakizay ry zareo. (Asa. 24:15; Tit. 1:1, 2) Natoky ilay lehilahy manam-pinoana atao hoe Joba fa tsy andrin’i Jehovah ny hanangana ny maty. (Joba 14:14, 15) Fantatr’i Daniela mpaminany fa hatsangana ny maty ary afaka manantena ny hiaina mandrakizay. (Sal. 37:29; vakio ny Daniela 12:2, 13.) Hain’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy koa fa homen’i Jehovah “fiainana mandrakizay” izay mpanompony tsy mivadika. (Lioka 10:25; 18:18) Niresaka an’io fampanantenana io im-be dia be i Jesosy, ary na izy aza natsangan’ny Rainy tamin’ny maty.—Mat. 19:29; 22:31, 32; Lioka 18:30; Jaona 11:25.
10. Manaporofo inona ireo fananganana ny maty tamin’ny lasa? (Jereo ny sary.)
10 Mpanome Aina i Jehovah sady manana hery hananganana ny maty. Nomeny hery hananganana ny zanakalahin’ilay mpitondra tena tany Zarefata i Elia mpaminany. (1 Mpanj. 17:21-23) Afaka nanangana ny zanakalahin’ilay vehivavy sonemita koa i Elisa mpaminany tatỳ aoriana, noho ny fanampian’Andriamanitra. (2 Mpanj. 4:18-20, 34-37) Ireny sy ny fananganana ny maty hafa, dia samy manaporofo fa manana hery hamelomana ny maty i Jehovah. Noporofoin’i Jesosy koa tamin’izy teto an-tany fa nomen’ny Rainy an’izany hery izany izy. (Jaona 11:23-25, 43, 44) Efa any an-danitra izao i Jesosy, ary ‘efa nomena azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.’ Vitany àry ny hanatanteraka an’ilay fampanantenana hoe hatsangana ‘izay rehetra any am-pasana’ ka afaka manantena ny ho velona mandrakizay.—Mat. 28:18; Jaona 5:25-29.
11. Nahoana isika no ho afaka hiaina mandrakizay noho ny vidim-panavotana?
11 Navelan’i Jehovah hijaly sy ho faty ilay Zanany malala. Fa maninona? Nolazain’i Jesosy ny antony. Hoy izy: “Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nomen’Andriamanitra ho vidim-panavotana ny Zanany mba hanaronana ny fahotantsika, amin’izay isika ho afaka hiaina mandrakizay. (Mat. 20:28) Nanazava an’io lafiny lehibe amin’ny fikasan’Andriamanitra io ny apostoly Paoly. Izao no nosoratany: “Koa satria avy amin’ny olona iray ny fahafatesana, dia avy amin’ny olona iray koa ny fitsanganan’ny maty. Fa toy ny ahafatesan’ny rehetra noho ny nataon’i Adama, no hamelomana ny rehetra kosa noho ny nataon’i Kristy.”—1 Kor. 15:21, 22.
12. Ahoana no hataon’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany?
12 Nampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpanara-dia azy, ka nasainy nangataka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hatao eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra. (Mat. 6:9, 10) Anisan’ny fikasan’Andriamanitra ny hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny olombelona. Mba hanatanterahana an’izany, dia notendren’i Jehovah ho Mpanjakan’ilay Fanjakan’ny Mesia ny Zanany. Manangona olona 144 000 avy eto an-tany koa Andriamanitra. Hiara-miasa amin’i Jesosy izy ireo mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.—Apok. 5:9, 10.
13. Inona no ataon’i Jehovah amin’izao, ary inona no tsy maintsy ataonao?
13 Manangona “vahoaka be” i Jehovah amin’izao, ary mampiofana azy ireo mba ho lasa vahoakan’ilay Fanjakany. (Apok. 7:9, 10; Jak. 2:8) Misara-bazana ny ankamaroan’ny olona noho ny ady sy ny tahotra. Izay anisan’io vahoaka be io kosa miezaka mafy mba tsy hankahala firenena na foko na olona. Hoatran’ny hoe efa manefy ny sabany ho angadinomby ry zareo. (Mika 4:3) Tsy mandray anjara amin’ny ady mandripaka ain’olona be dia be ry zareo, fa manampy ny olona hahita an’ilay “tena fiainana”, ka mampianatra azy ireo momba an’ilay tena Andriamanitra sy ny fikasany. (1 Tim. 6:19) Mety hotoherin’ny fianakaviany izy ireo na hamoy vola aman-karena, satria manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ataon’i Jehovah azo antoka anefa hoe mahazo izay tena ilainy ry zareo. (Mat. 6:25, 30-33; Lioka 18:29, 30) Izany no manampy antsika hatoky fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra, sady hanao an’izay hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah foana.
HAMIRATRA NY HOAVY
14-15. Ahoana no hahatanteraka an’ilay hoe hofoanan’i Jehovah mandrakizay ny fahafatesana?
14 Efa manjaka any an-danitra izao i Jesosy ary hanatanteraka ny fampanantenan’i Jehovah rehetra. (2 Kor. 1:20) Efa hatramin’ny 1914 izy no manjaka eo amin’ny fahavalony. (Sal. 110:1, 2) Tsy ho ela dia hamita ny fandreseny i Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy, ka handringana ny ratsy fanahy.—Apok. 6:2.
15 Hatsangana ny maty mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy, ary hatao lavorary ny olombelona mankatò. Aorian’ny fitsapana farany, dia “handova ny tany” izay hitan’i Jehovah hoe anisan’ny olo-marina “ka honina eo mandrakizay.” (Sal. 37:10, 11, 29) Ho faly isika satria ‘hofoanana ny fahafatesana’, izany hoe ilay “fahavalo farany.”—1 Kor. 15:26.
16. Inona no tokony ho antony lehibe indrindra anompoantsika an’i Jehovah?
16 Hitantsika tato fa mifanaraka amin’izay resahin’ny Tenin’Andriamanitra ilay fanantenantsika hiaina mandrakizay. Manampy antsika tsy hivadika io fanantenana io, amin’izao andro farany efa sarotra izao. Tsy mivadika amin’i Jehovah ve izany isika satria fotsiny hoe tsy te ho faty? Tsy hampifaly azy isika raha izany! Ny antony lehibe indrindra mahatonga antsika tsy hivadika, dia satria tena tia an’i Jehovah sy Jesosy isika. (2 Kor. 5:14, 15) Io fitiavana io no mandrisika antsika hanahaka an-dry zareo sy hiresaka ny fanantenantsika amin’ny hafa. (Rom. 10:13-15) Raha miezaka ny tsy ho tia tena sy halala-tanana isika, dia ho anisan’ilay karazan’olona tian’i Jehovah ho namany mandrakizay.—Heb. 13:16.
17. Inona no andraikitsika tsirairay? (Matio 7:13, 14)
17 Ho anisan’ireo hahazo fiainana mandrakizay ve ianao? Efa nanao zavatra i Jehovah mba hahazoanao an’izany. Anao àry ny safidy, raha hijanona eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana ianao na tsia. (Vakio ny Matio 7:13, 14.) Hoatran’ny ahoana anefa izany hiaina mandrakizay izany? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.
HIRA 141 Sarobidy ny Fiainana
a Efa tsy andrinao ve ny hoe hiaina mandrakizay? Nampanantena i Jehovah fa indray andro any, dia tsy hatahotra ny ho faty intsony ianao. Nahoana isika no tena afaka matoky hoe hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah? Antony vitsivitsy ihany no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity.
b Jereo ilay hoe “Ny Teny hoe ‘Mandrakizay’ ao Amin’ny Baiboly.”
c SARY: Rahalahy zokiolona maka sary an-tsaina ny zavatra sasany ho azony atao rehefa miaina mandrakizay izy.