Mitandrema Amin’ny Fiheveran-tena ho Marina!
TAMIN’NY taonjato voalohany, ireo Fariseo dia nanana laza tsara ho mpivavaka marina tamin’Andriamanitra. Mpianatra nazoto ny Soratra Masina izy ireo ary nivavaka matetika. Nihevitra azy ireo ho nalemy fanahy sy nahalala ny antonona ny olona sasany. Nanoratra toy izao i Josèphe, mpanoratra tantara jiosy: “Ireo Fariseo dia mifaneho firaiketam-po sy mamboly fifandraisana mirindra amin’ny tany ama-monina.” Tsy mahagaga àry raha izy ireo no azo inoana fa olona nohajaina indrindra sy nanehoana fiheverana ambony indrindra tao amin’ny fitambaran’olona jiosy tamin’izany fotoana izany!
Kanefa, amin’izao andro izao ny teny hoe “toy ny Fariseo” sy ireo teny mifandray amin’izany dia milaza hevitra manambany, mitovy hevitra amin’ny hoe mody tia fivavahana, mihevi-tena ho marina, miseho ho masina mihoatra noho ny hafa, mpivavaka tafahoatra sy manompo an-tendro-molotra ihany. Nahoana no namoy ny lazany tsara ireo Fariseo?
Izany no izy satria, tsy mba tahaka ny ankamaroan’ny Jiosy, i Jesosy Kristy dia tsy voafitaky ny fisehoana ivelan’ireo Fariseo. Nampitaha azy ireo tamin’ny “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra”, izy. — Matio 23:27.
Marina fa nanolotra vavaka lava be izy ireo rehefa nijoro teny an-kalamanjana, kanefa izany dia mba ho hitan’ny hafa fotsiny, araka ny voalazan’i Jesosy. Fisehosehoana fotsiny ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. Tia fatratra ny fitoerana aloha tany amin’ny fanasana sy ny fipetrahana aloha tao amin’ny synagoga izy ireo. Na dia voatery hanisy somotraviavy teo amin’ny akanjony aza ny Jiosy rehetra, dia nitady hanaitra ny sain’ny olona ireo Fariseo tamin’ny fanisiana somotraviavy lava be tafahoatra. Nirehareha izy ireo nampiseho ny filakiterany [boaty mirakitra andinin-teny] nohalehibiazina, nentina toy ny ody atao fiaro. (Matio 6:5; 23:5-8). Nitondra fahafaham-baraka ho azy ireo tamin’ny farany ny fihatsarambelatsihin’izy ireo sy ny fierenany ary ny fieboeboany.
Nilaza ny fandavan’Andriamanitra ny Fariseo toy izao i Jesosy: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy’.” (Matio 15:7-9). Ny fahamarinan’izy ireo, raha ny marina, dia fiheveran-tena ho marina. Takatra ny antony nampitandreman’i Jesosy ny mpianany hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo”. (Lioka 12:1). Amin’izao andro izao, isika koa dia tsy maintsy ‘mitandrina’ amin’ny fiheveran-tena ho marina, na miambina mba tsy ho tonga mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana.
Amin’ny fanaovana izany, dia tokony hekentsika fa tsy tonga mpihevi-tena ho marina tampotampoka eo ny olona iray. Misoko miandalana mandritra ny fe-potoana elaela kosa io fironana io. Na dia amin’ny fomba tsy nahy aza, ny olona iray dia mety hahazo ireo lafin-toetra tsy faniry nananan’ny Fariseo.
Toe-tsaina manambony tena
Inona avy no sasany amin’ireo lafin-toetra tsy maintsy ‘itandremantsika’? Mazàna ny olona mihevi-tena ho marina dia “miresaka sy mijoro ary miseho ho toy ny hoe mbola tsy nanao ratsy mihitsy izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny Encyclopædia of Religion and Ethics. Mandoka tena sady manandra-tena koa ny mpihevi-tena ho marina, ka izany dia olana lehibe teo amin’ny Fariseo.
Nilazalaza an’io toe-tsain’ny Fariseo io tamin’ny alalan’ny fanoharana iray toy izao i Jesosy: “Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ny tempoly hivavaka; ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra aho.” Nifanohitra tamin’izany fa niaiky tamim-panetren-tena ny fahadisoany ilay mpamory hetra ka nohamarinina bebe kokoa noho ilay Fariseo nandoka tena. Nanao io fanoharana io tamin’ireo “izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa”, i Jesosy. — Lioka 18:9-14.
Amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka antsika, dia mety hihevitra isika indraindray fa tsara kokoa noho ny hafa isika noho ny fahaizana na ny tombony voajanahary ananantsika. Tokony hanesotra haingana ny eritreritra toy izany anefa ny Kristiana. Mety hanana fanandraman-javatra an-taonany maro amin’ny fomba fiaina kristiana ianao. Mety ho mpampianatra Baiboly mahay ianao. Na angamba ianao manambara fa voahosotra hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ny tenanao. Ny sasany ao amin’ny kongregasiona dia manana tombontsoa manokana amin’ny maha-mpanompo manontolo andro, loholona, na mpanampy amin’ny fanompoana. Manontania tena hoe: ‘Ahoana no ho fiheveran’i Jehovah raha toa aho ka mampiasa izay nomeny ahy mba ho fototry ny fiheveran-tena ho mihoatra noho ny hafa?’ Azo antoka fa tsy hampifaly azy izany. — Filipiana 2:3, 4.
Rehefa maneho toe-tsaina manambony tena ny Kristiana iray noho ny fahaizany, ny tombontsoany, na ny fahefany nomen’Andriamanitra azy, raha ny marina, izy dia mandroba an’Andriamanitra amin’ny voninahitra sy ny haja, izay Izy ihany no mendrika izany. Mananatra ny Kristiana mazava ny Baiboly mba ‘tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina’. Mampirisika antsika mafy toy izao izy io: “Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.” — Romana 12:3, 16.
“Aza mitsara”
Araka ny encyclopédie iray momba ny Baiboly, ny olona iray mihevi-tena ho marina dia “mihevitra ny tenany ho mahitsy ara-pitondran-tena, na ho manana toerana tsara eo anatrehan’Andriamanitra noho ny fitandremany ara-bakiteny ny fitakian’ny lalàna, tsy misy fiheverana ny tena hevitr’izy io”. Milazalaza ny mpihevi-tena ho marina ho “olona mpivavaka tafahoatra izay mandany ny fotoanany rehetra hikarohana ny faharatsiana eo amin’ny hafa”, ny asa soratra hafa iray.
Meloka noho ny fanaovana izany ny Fariseo. Tamin’ny farany, ny fitsipika nataon’izy ireo dia toa zava-dehibe kokoa noho ny lalàn’Andriamanitra sy ny fotopoto-pitsipiny. (Matio 23:23; Lioka 11:41-44). Nanendry ny tenany ho mpitsara izy ireo ary nirona hanameloka na iza na iza tsy nanaraka ny fari-pitsipika nanohana ny fiheveran-tena ho marina naorin’izy ireo. Niteraka faniriana hifehy ny olon-kafa ny toe-tsain’izy ireo nanambony tena sy ny fahatsiarovany tena ho mendrika tafahoatra. Nahatezitra azy ireo ny tsy nahafahany nifehy an’i Jesosy, hany ka nioko ny hamono azy izy ireo. — Jaona 11:47-53.
Tsy mahafinaritra toy inona moa ny miaraka amin’ny olona iray izay manandra-tena ho mpitsara, mikaroka fahadisoana foana, mandinika akaiky sy manara-maso ny olona rehetra manodidina azy. Raha ny marina, dia tsy misy olona ao amin’ny kongregasiona manana fahefana hanery ny hafa hanaraka ny fomba fiheverany sy ny fitsipika nataon’ny tenany. (Romana 14:10-13). Takatry ny Kristiana mahay mandanjalanja fa tafiditra amin’ny zavatra anaovan’ny tsirairay fanapahan-kevitra ny lafiny maro amin’ny fiainana andavanandro. Ireo olona manana fironana hitaky fahatanterahana sy mitaky be loatra, dia izy ireo indrindra no tsy maintsy manalavitra ny fitsarana ny hafa.
Marina fa omen-dalana hanana toro lalana izay mandray anjara amin’ny fisosan’ny fiasan’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany ny kongregasiona kristiana. (Hebreo 13:17). Nanolana an’ireny toro lalana ireny na nanampy fitsipiny manokana anefa ny sasany. Any amin’ny faritra iray dia tsy maintsy manao complet avokoa ny lehilahy rehetra mpianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ary tsy maintsy manidy ny bokotry ny palitaony rehefa manao lahateny. Ny mpianatra iray tsy nanao izany dia ho nesorina tamin’ny tombontsoa hanao lahateny amin’ny hoavy. Tsy mahalala ny antonona kokoa sy mifanaraka amin’ny hevitra fonosin’ny Tenin’Andriamanitra ve ny manome fitarihana amin-katsaram-panahy, mitokana, rehefa ilaina izany, toy izay hanao fitsipika henjana toy izany? — Jakoba 3:17.
Ny fiheveran-tena ho marina koa dia mety hampandroso ny fomba fiheverana hoe matoa ny tenan’ny Kristiana iray mandia zava-tsarotra maro, dia tsy maintsy ho misy lesoka ara-panahy eo aminy. Izany indrindra no noheverin’i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara, izay samy nihevi-tena ho marina, momba an’i Joba nahatoky. Tsy nanana fahalalana feno momba ilay tarehin-javatra izy ireo, hany ka fahasahisahian-dratsy ny niampangan’izy ireo an’i Joba ho nanao ratsy. Nanafay azy ireo i Jehovah noho ny fanombantombanana voaolana nataon’izy ireo momba ny fisedrana an’i Joba. — Jereo ny Joba, toko faha-4, 5, 8, 11, 18, 20.
Zotom-po diso toerana
Mifandray matetika ny fiheveran-tena ho marina sy ny zotom-po. Ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny Jiosy nanana fironana ho amin’ny fivavahana ho “mazoto ho an’Andriamanitra (...) saingy tsy araka ny fahalalana. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra”. (Romana 10:2, 3). Tamin’ny naha-Fariseo azy, dia efa be zotom-po tafahoatra koa ny tenan’i Paoly, na dia diso toerana aza ny zotom-pony, tsy niorina tamin’ny fahamarinan’i Jehovah. — Galatiana 1:13, 14; Filipiana 3:6.
Mifanentana ny ananaran’ny Baiboly hoe: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana [no hosimbanao] ny tenanao?” (Mpitoriteny 7:16). Ao amin’ny kongregasiona, ny Kristiana iray dia mety hanomboka amin’ny maha-mpanaraka ny feon’ny fieritreretana, kanefa mety hihasimba ka ho lasa fiheveran-tena ho marina ny fanarahany ny feon’ny fieritreretana sy ny zotom-pony. Rehefa tarihin’ny fahendren’olombelona fa tsy ny fahamarinan’i Jehovah ny zotom-po ara-pivavahana, dia afaka manimba ny hafa. Amin’ny fomba ahoana?
Ny ray aman-dreny, ohatra, dia mety hanjary ho variana loatra amin’ny fikarakarana izay ilain’ny hafa ara-panahy, ary amin’izany izy ireo dia mety hanao tsirambina an’izay ilain’ny fianakavian’ny tenany. Na mety ho be zotom-po tafahoatra ny ray aman-dreny, ka hitaky amin’ny zanany mihoatra noho izay azon’izy ireo atao. (Efesiana 6:4; Kolosiana 3:21). Misy ankizy sasany tsy maharaka ny zavatra takina tsy araka ny antonona toy izany, ka manana fiainana roa sosona ho setrin’izany. Hanisy fiheverana ny fetran’ny fianakaviany ny ray na reny iray mahalala ny antonona ka hanao fanitsiana mifanentana. — Ampitahao amin’ny Genesisy 33:12-14.
Afaka manesotra amintsika koa ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fahaizana miombom-pihetseham-po amin’ny hafa ary ny fanehoam-pitiavana, izay tena zava-dehibe eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa, ny zotom-po be loatra. Mety hiasa mafy dia mafy ny olona iray mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Kanefa, mety hanimba ny hafa ny zotom-pony be loatra eny am-pisehoany eny. Hoy i Paoly: “Na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.” — 1 Korintiana 13:2, 3.
Mankasitraka ny olona manetry tena Andriamanitra
Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia mila mamantatra ilay fandrahonan’ny fiheveran-tena ho marina isika alohan’ny hitomboan’izy io. Tsy maintsy manalavitra ny toe-tsaina manambony tena sy ny fahazarana mitsara ny hafa ary ny zotom-po an-jambany miorina amin’ny fahendren’olombelona, isika.
Rehefa ‘mitandrina’ amin’ny toe-tsain’ny Fariseo isika, dia tsy mitsara ny hafa ho mpihevi-tena ho marina, fa ho tsara kokoa ny hifantohantsika kosa amin’ny fironan’ny tenantsika. Marina fa nitsara ny Fariseo i Jesosy ka nanameloka azy ireo ho “taranaky ny bibilava” mendrika ny fandringanana mandrakizay. Afaka namantatra ny tao am-pon’ny olona anefa i Jesosy. Tsy afaka manao izany isika. — Matio 23:33.
Aoka isika hikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra fa tsy ny antsika. (Matio 6:33). Amin’izay ihany isika vao afaka manana ny fankasitrahan’i Jehovah, satria mananatra antsika rehetra toy izao ny Baiboly: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’.” — 1 Petera 5:5.