Izay “Tokony Hataon’ny Olona Rehetra”
“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — MPITORITENY 12:13.
1, 2. Nahoana no mety ny mandinika ny adidintsika amin’Andriamanitra?
‘INONA no ilain’i Jehovah aminao?’ Nanao izany fanontaniana izany ny mpaminany fahiny iray. Avy eo dia nofaritany tsara izay notakin’i Jehovah — ny hanao ny marina, ho tia famindram-po ary hanaraka an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena. — Mika 6:8.
2 Amin’izao andro anindrahindrana ny maha-izy ny tena manokana sy ny tsy fiankinan-doha izao, dia maro no tsy mahazoazo ilay hevitra hoe mitaky zavatra aminy Andriamanitra. Tsy maniry ny ho voateritery izy ireo. Ahoana anefa ny amin’ilay fanatsoahan-kevitra nataon’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny? “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:13.
3. Nahoana isika no tokony hieritreritra amim-pitandremana ny bokin’ny Mpitoriteny?
3 Na toy inona na toy inona toe-javatra misy antsika na fomba fijerintsika ny fiainana, dia afaka mandray soa lehibe isika raha mandinika ny fanazavana nahatonga io fanatsoahan-kevitra io. I Solomona Mpanjaka, ilay nanoratra io boky ara-tsindrimandry io dia nandinika zavatra sasany amin’ireo tena anisan’ny fiainantsika andavanandro. Mety hisy ho maimaika hanatsoaka hevitra fa tsy manorina tanteraka ilay famakafakana nataony. Kanefa dia araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy io, ary afaka manampy antsika hanombana ny asantsika sy ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana. Fifaliana mitombo no vokatr’izany.
Fiatrehana ireo fanahiana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana
4. Inona no nodinihin’i Solomona sy noresahiny ao amin’ny Mpitoriteny?
4 Nandinika lalina ny ‘asan’ny zanak’olombelona’ i Solomona. “Nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny lanitra”. Tamin’ny fitenenana hoe “asa”, dia tsy voatery ho asa fivelomana, na asa fikaramana akory no tian’i Solomona holazaina, fa izay fanaovan-javatra rehetra isasaran’ireo lehilahy sy vehivavy mandritra ny fiainany manontolo kosa. (Mpitoriteny 1:13). Aoka isika handinika zavatra ahina na asa lehibe sasany, ary avy eo dia hampitaha izany amin’ireo asantsika sy ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana.
5. Inona no iray amin’ireo asan’olombelona lehibe indrindra?
5 Azo antoka fa ny vola no votoatin’ireo zavatra ahina sy asan’ny olona maro. Tsy misy afaka milaza ara-drariny an’i Solomona ho tsy niraharaha vola toy ny ataon’ny mpanan-karena sasany. Tsy nihambahamba izy niaiky fa misy ilana vola; tsara kokoa ny manana vola ampy tsara, toy izay ho voatery hiaina ao anatin’ny fihafiana na ny fahantrana. (Mpitoriteny 7:11, 12). Kanefa tsy maintsy efa hitanao fa ny vola, miaraka amin’ireo fananana voavidiny, dia mety hanjary ho ny tanjona lehibe indrindra eo amin’ny fiainana — ho an’ny mahantra sy ny manankarena.
6. Inona no azontsika ianarana momba ny vola, avy amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy sy avy amin’ny zavatra niainan’i Solomona?
6 Tsarovy ny fanoharan’i Jesosy momba ilay lehilahy nanankarena izay tsy afa-po mihitsy fa niasa mba hahazoana bebe kokoa. Nitsara azy ho olona adala, Andriamanitra. Nahoana? Satria ‘ny aintsika tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananantsika’. (Lioka 12:15-21). Manamarina ny tenin’i Jesosy ny zavatra niainan’i Solomona — azo inoana fa bebe kokoa noho ny antsika. Vakio ilay filazalazana ao amin’ny Mpitoriteny 2:4-9. Nisy fotoana nilofosan’i Solomona mba hahazoana harena. Nanorina trano sy tanimboly mahafinaritra izy. Nanana fahafahana hahazo ary tena nahazo vehivavy tsara tarehy ho namana izy. Moa ve ny harena mbamin’izay navelan’izany hataon’i Solomona nitondra fahafaham-po lalina sy fahatsapana ho nahavita zavatra marina teo amin’ny fiainan’i Solomona ka nampisy heviny ny fiainany? Namaly tamim-pahatsorana toy izao izy: “Nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro. — Mpitoriteny 2:11; 4:8.
7. a) Inona no porofoin’ny fanandraman-javatra raha ny amin’ny hasarobidin’ny vola? b) Inona no zavatra hitanao manokana ka manamarina ny fanatsoahan-kevitr’i Solomona?
7 Fijerena ny zava-misy izany, fahamarinana izay hita porofo eo amin’ny fiainan’olona maro. Tsy maintsy miaiky isika fa tsy mandamina tsotra izao ny olana rehetra ny fananana vola bebe kokoa. Afaka mandamina ny sasany izy io, ka anisan’izany ny hoe manamora kokoa ny fahazoana sakafo sy fitafiana. Kanefa ny olona iray dia tsy afaka manisy afa-tsy fitambarana akanjo iray ihany isaky ny manao, ary tsy afaka mankafy afa-tsy sakafo sy fisotro voafetra ihany ny habetsahany. Ary ianao dia efa namaky zavatra momba ny fiainan’olona manankarena izay ory noho ny fisaraham-panambadiana, ny amin’ny fibobohana alkaola na fidorohana zava-mahadomelina, sy ny fifankahalana eo amin’ny mpihavana. Hoy i J. P. Getty, mpanefohefo iray: “Tsy voatery hisy ifandraisany amin’ny fahasambarana ny vola. Angamba kosa aza amin’ny tsy fahasambarana.” Nisy antony tsara nanakilasian’i Solomona ny fitiavam-bola tamin’ny zava-poana. Ampifanohero amin’izao fanamarihana nataon’i Solomona izao izany zava-misy izany: “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” — Mpitoriteny 5:9-11.
8. Inona no antony tsy hanamboniana tafahoatra ny maha-zava-dehibe ny vola?
8 Ny vola sy ny fananana koa dia tsy mitondra fahatsapana fahafaham-po raha ny amin’ny hoavy. Raha manam-bola sy fananana bebe kokoa ianao, dia ho azo antoka fa hanam-panahiana fanampiny momba ny fiarovana azy ireny, ary mbola tsy ho fantatrao akory izay havoakan’ny ampitso. Iza no mahita raha hamoy azy rehetra miaraka amin’ny ainao ianao? (Mpitoriteny 5:12-16; 9:11, 12). Koa satria izany no izy, dia tsy tokony ho saro-takarina ny antony tokony hananan’ny fiainantsika, na ny asantsika, heviny ambony kokoa sy maharitra kokoa noho ny vola sy ny fananana.
Fianakaviana sy laza ary fahefana
9. Nahoana ny fiainam-pianakaviana no nipoitra ara-drariny tao amin’ny fandinihana nataon’i Solomona?
9 Voafaoka tao amin’ilay famakafakan’i Solomona ny fiainana ny raharaha momba ny fanahiana fatratra ny amin’ny fianakaviana. Ny Baiboly dia manasongadina ny fiainam-pianakaviana, voafaoka amin’izany ny fifaliana amin’ny fananana sy fitaizana zanaka. (Genesisy 2:22-24; Salamo 127:3-5; Ohabolana 5:15, 18-20; 6:20; Marka 10:6-9; Efesiana 5:22-33). Izany ve anefa no lafiny tampony amin’ny fiainana? Toa mihevitra izany ny maro, raha dinihina amin’ny fanantitranterana ataon’ny kolontsaina sasany amin’ny fanambadiana sy ny zanaka ary ny rohim-pihavanana. Asehon’ny Mpitoriteny 6:3 anefa fa tsy tsiambaratelon’ny fahafaham-po eo amin’ny fiainana, na dia ny fananana zanaka zato aza. Eritrereto hoe firifiry akory moa ireo ray aman-dreny izay nanao sorona ho an-janany mba hanomezana azy ireo fiaingana tsara sy mba hanamorana kokoa ny fiainan-janany. Na dia mendri-kaja aza izany, dia azo antoka fa tsy nokasain’ny Mpamorona antsika ho zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fisiantsika ny fampitana aina amin’ny taranaka manaraka fotsiny, toy ny ataon’ny biby. Mandeha ho azy ny fanaovan’ny biby izany mba tsy hahalany tamingana azy.
10. Nahoana no hita fa zava-poana ny fifantohana tafahoatra amin’ny fianakaviana?
10 Tamim-pahaiza-mandini-javatra no nanintonan’i Solomona ny saina ho amin’ny zava-misy sasany eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Ohatra, ny lehilahy iray dia mety hifantoka amin’ny fihariana zavatra ho an’ny zanany sy ny zafikeliny. Kanefa ho hendry ve izy ireo? Sa izy ireo hanao hadalana amin’izay nikelezany aina hangonina ho azy ireo? Raha itỳ farany no mitranga, dia ho “zava-poana sy faharatsiana lehibe” toy inona moa izany! — Mpitoriteny 2:18-21; 1 Mpanjaka 12:8; 2 Tantara 12:1-4, 9.
11, 12. a) Nifantoka tamin’ny fikatsahana inona teo amin’ny fiainana ny sasany? b) Nahoana no azo lazaina fa ny fitadiavana laza dia ‘fisamborana rivotra’?
11 Mifanohitra tanteraka amin’izany indray fa maro no nampandefitra ny fiainam-pianakaviana ara-dalàna teo anoloan’ny fahatapahan-keviny hahazo laza na fahefana eo amin’ny hafa. Mety ho fahadisoana mahazatra kokoa eo amin’ny lehilahy izany. Efa nahita izany ve ianao teo amin’ireo mpiara-mianatra aminao, na mpiara-miasa, na mpiara-monina? Maro no miady mafy amim-pamoizam-po mba ho voamariky ny hafa, mba ho tonga olona ambony, na mba hanana fahefana eo amin’ny hafa. Hatraiza anefa izany no tena misy heviny marina?
12 Eritrereto ny fomba iadian’ny sasany mafy mba hahatongavana ho malaza, na eo amin’ny ambaratonga kely izany na eo amin’ny ambaratonga lehibe. Hitantsika izany any an-tsekoly, eo amin’ny manodidina, ary eo amin’ireo antokon’olona ara-tsosialy maro samihafa. Hery manosika koa izy io eo amin’ireo izay maniry halaza eo amin’ny zavakanto sy ny fialam-boly ary ny politika. Tsy herim-po very maina ve anefa izany, amin’ny ankamaroany? Mety ny niantsoan’i Solomona izany hoe “misambo-drivotra”. (Mpitoriteny 4:4). Na dia manjary malaza aza ny tanora iray ao amin’ny klioba iray, na ao amin’ny ekipan’ny fanatanjahan-tena iray, na ao amin’ny tarika mpihira iray — na misy lehilahy na vehivavy mahazo laza tsara ao amin’ny kompania iray na eo amin’ny fiaraha-monina — firy moa ny olona tena mahafantatra marina izany? Mahafantatra ny fisian’ilay olona akory ve ny ankamaroan’ny olona any amin’ny ilan’ny bolan-tany (na ireo ao amin’ilay tany misy azy mihitsy aza)? Sa izy ireo manohy fotsiny ny fiainany, tsy mahalala tanteraka ny amin’izay laza kely ananan’ilay olona? Mitovy amin’izany koa ny amin’izay mety ho hery na fahefana azon’ny olona iray any am-piasana, na ao an-tanàna, na eo anivon’ny antokon’olona iray.
13. a) Ahoana no anampian’ny Mpitoriteny 9:4, 5 antsika hanana fomba fijery mety, mahakasika ny fikelezana aina mba hahazo laza na fahefana? b) Zava-misy inona avy no tokony hatrehintsika raha toa ka tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
13 Midika ho inona moa izany laza na fahefana izany rehefa mandeha ny fotoana? Rehefa lasa ny taranaka iray ka tonga ny iray hafa, dia maty ary hadino ireo olona nalaza na nanam-pahefana. Marina izany raha ny amin’ireo mpanao fanorenana, ireo mpitendry zavamaneno sy mpanakanto hafa, ireo mpanao fanavaozana ara-tsosialy sy ny toy izany, tsy misy hafa amin’ny maha-marina izany ho an’ny ankamaroan’ireo mpanao politika sy mpitari-tafika. Olona voafaritra tsara firy tao amin’ireo asa ireo, izay velona teo anelanelan’ireo taona 1700 sy 1800, no fantatrao? Nanomban-javatra araka ny mety toy izao i Solomona: “Ny amboa velona no tsara noho ny liona maty. Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, (...) fa hadino ny fahatsiarovana azy.” (Mpitoriteny 9:4, 5). Ary raha tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany, dia tena zava-poana tokoa ny fikelezana aina mba hahazoana laza sy fahefana.a
Izay ifantohantsika sy adidintsika
14. Nahoana no tokony hanampy antsika manokana ny bokin’ny Mpitoriteny?
14 Tsy nanao fanamarihana momba ireo asa sy tanjona ary fahafinaretana maro ampifantohan’ny olona ny fiainany, i Solomona. Na dia izany aza, dia ampy izay nosoratany. Tsy voatery ho toa mahaketraka na tsy manorina akory ny fandinihantsika ilay boky, satria tamin’ny fijerena ny zava-misy no nandinihantsika indray boky iray ao amin’ny Baiboly izay ninian’i Jehovah Andriamanitra nomena ara-tsindrimandry mba hahasoa antsika. Afaka manampy ny tsirairay amintsika izy io mba hanitsy ny fomba fijerintsika ny fiainana sy izay ifantohantsika. (Mpitoriteny 7:2; 2 Timoty 3:16, 17). Izany indrindra no izy raha jerena amin’ireo fanatsoahan-kevitra izay nataon’i Solomona noho ny fanampian’i Jehovah.
15, 16. a) Nanao ahoana ny fijerin’i Solomona ny fankafizana ny fiainana? b) Inona no nolazain’i Solomona fa nilaina mba hankafizana ny fiainana?
15 Hevitra napoitran’i Solomona imbetsaka ny hoe ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina dia tokony hahita fifaliana eo amin’ny asany eo anatrehan’Andriamanitra. “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 2:24; 3:12, 13; 5:17; 8:15). Mariho fa tsy nampirisihan’i Solomona ny fikoranana mitabataba; ary tsy nankasitrahany koa ny fihetsika manao hoe ‘aoka isika hihinana sy hisotro ary hifaly, fa rahampitso dia ho faty’. (1 Korintiana 15:14, 32-34). Ny tiany holazaina dia hoe tokony hahita fifaliana eo amin’ireo fahafinaretana ara-dalàna isika, toy ny mihinana sy misotro, eo ‘am-panaovantsika ny tsara, raha mbola velona koa isika’. Tsy isalasalana fa izany dia mampifantoka ny fiainantsika amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Mpamorona izay mamaritra ny tena atao hoe tsara. — Salamo 25:8; Mpitoriteny 9:1; Marka 10:17, 18; Romana 12:2.
16 Nanoratra toy izao i Solomona: “Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra ela ny asanao.” (Mpitoriteny 9:7-9). Eny, ny lehilahy na ny vehivavy izay tena manana fiainana ampoky ny soa sy mahafa-po tokoa, dia marisika eo amin’ny asa izay ankasitrahan’i Jehovah. Izany dia mitaky ny hanisiantsika fiheverana an’Andriamanitra tsy an-kijanona. Izany ka fomba fijery tsy mitovy amin’ilay ananan’ny ankamaroan’ny olona izay mitondra ny fiainany miorina amin’ny fisainan’olombelona!
17, 18. a) Manao ahoana ny fihetsiky ny olona maro manoloana ireo zava-misy eo amin’ny fiainana? b) Vokany manao ahoana no tokony hataontsika ao an-tsaina mandrakariva?
17 Na dia misy aza fivavahana mampianatra momba ny any ankoatra, dia olona maro no mino fa tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany no tena azony antoka. Mety ho efa hitanao izy ireny nanao zavatra toy ilay nolazalazain’i Solomona hoe: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” (Mpitoriteny 8:11). Na dia ireo tsy tafalentika ao amin’ny fanaovan-dratsy aza, dia mampiseho fa miahy indrindra indrindra ny amin’izao ankehitriny izao izy ireo. Izany no antony iray mahatonga ny vola, ny fananana, ny voninahitra, ny fahefana eo amin’ny hafa, ny fianakaviana, na ireo zava-mahaliana toy izany, hanjary ho zava-dehibe tafahoatra ho azy ireo. Tsy namarana ny teniny teo anefa i Solomona. Nanampy teny toy izao izy: “Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’Andriamanitra.” (Mpitoriteny 8:12, 13). Mazava fa niaiky mafy i Solomona hoe hisy soa ho antsika raha ‘matahotra ilay Andriamanitra marina’ isika. Soa toy inona? Afaka mahita ny valiny isika ao amin’ilay fampifanoheran-javatra nataony. Azon’i Jehovah atao izay ‘hampaharitra ela’ antsika.
18 Ireo izay mbola azo lazaina hoe tanora dia tokony hisaintsaina indrindra ny amin’ny hoe azo antoka tanteraka fa hisy soa ho azy ireo raha matahotra an’Andriamanitra izy ireo. Araka ny mety ho efa hitanao manokana, dia mety ho tafintohina ka ho resy amin’ny hazakazaka ny mpihazakazaka haingana indrindra. Mety ho resy an’ady ny tafika mahery iray. Mety hahita ny tenany ao anatin’ny fahantrana ny mpandraharaha mahay iray. Ary zavatra tsy azo antoka maro hafa no mahatonga ny fiainana ho tena tsy azo fantarina mialoha. Kanefa dia afaka mahazo antoka tanteraka ny amin’izao ianao: Ny lalana mampiseho fahendrena indrindra sy azo antoka indrindra dia ny fankafizana ny fiainana, eo am-panaovanao ny tsara ao anatin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, sy mifanaraka amin’ny sitrapony. (Mpitoriteny 9:11). Voafaoka amin’izany ny fianarana avy ao amin’ny Baiboly ny atao hoe sitrapon’Andriamanitra, ny fanolorana ny fiainan’ny tena ho azy, ary ny fahatongavana ho Kristiana vita batisa. — Matio 28:19, 20.
19. Ahoana no azon’ny tanora ampiasana ny fiainany, kanefa inona no lalana feno fahendrena?
19 Ilay Mpamorona dia tsy hanery ny tanora na ny hafa mba hanaraka ny tari-dalana omeny. Azon’izy ireo atao ny ho revo amin’ny fianarana, angamba mihitsy aza mandritra ny androm-piainany dia ho tonga mpianatra ireo boky fianarana tsy hita isa ataon’olombelona, izy. Handreraka ny nofo izany amin’ny farany. Na afaka mandeha amin’izay itarihan’ny fony azy, dia fon’olombelona tsy lavorary izy ireo, na afaka manaraka izay manintona ny maso. Azo antoka fa hitondra alahelo izany, ary ny fiainana lanina toy izany, amin’ny farany, dia ho hita fa zava-poana fotsiny. (Mpitoriteny 11:9–12:12; 1 Jaona 2:15-17). Koa manao fiangaviana amin’ny tanora i Solomona — fiangaviana izay tokony hodinihina amim-pitandremana, na firy taona isika na firy taona: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao”. — Mpitoriteny 12:1.
20. Inona no fomba fijery voalanjalanja raha ny amin’ilay hafatra ao amin’ny Mpitoriteny?
20 Inona àry ny ho fanatsoahan-kevitsika? Ahoana ny amin’ilay fanatsoahan-kevitra nataon’i Solomona? Hitany, na nodinihiny “ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany”. (Mpitoriteny 1:14). Tsy tenin-dehilahy iray tsy matoky olona sy sosotra mafy akory no hitantsika ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny. Anisan’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ireo ka mendrika ny hodinihintsika.
21, 22. a) Lafiny inona avy eo amin’ny fiainana no nasian’i Solomona fiheverana? b) Fanatsoahan-kevitra feno fahendrena inona no nataony? d) Nisy akony nanao ahoana teo aminao ny fandinihana izay raketin’ny Mpitoriteny?
21 Nanadihady ny asa mahatorovana sy ny ady mafy ary ny fanirian’olombelona, i Solomona. Noeritreretiny ny fomba iafaran’ny zavatra eo amin’ny fizotran’ny fanaovan-javatra ara-dalàna, ilay fiafarana mahakivy sy poaka aty izay hitan’ny olona maro aoka izany. Nandinika ny zava-misy momba ny tsy fahalavorarian’olombelona sy ny fahafatesana aterak’izany, izy. Ary nasiany fiheverana ny fahalalana nomen’Andriamanitra momba ny toetran’ny maty sy ireo fanantenana fiainana ho avy. Izany rehetra izany dia notombanan’ny lehilahy iray izay nanana fahendrena nampitomboin’Andriamanitra, eny, iray tamin’ireo olona hendry indrindra teto an-tany. Avy eo dia nampidirina tao amin’ny Soratra Masina ilay fanatsoahan-kevitra mba ho tombontsoan’izay rehetra maniry fiainana misy heviny marina. Tsy tokony hanaiky izany ve isika?
22 “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” — Mpitoriteny 12:13, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nanao izao fanamarihana feno hevi-dalina izao indray mandeha Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy): “Tsy tokony handanilany foana izao fiainana izao amin’ny zava-poana isika (...). Raha tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany, dia tsy misy na inona na inona zava-dehibe. Izao fiainana izao dia toy ny baolina atsipy eny amin’ny rivotra, izay tsy ela dia mianjera indray amin’ny vovoka. Izy io dia rahona mihelina, voninkazo mihamalazo, bozaka hotapahina sy ho maina tsy ho ela. (...) Raha atao eo amin’ny mizana ny mandrakizay, dia pentina faran’izay bitika amin’izany ny androm-piainantsika. Raha renirano mikoriana ny fotoana, dia tsy piti-drano vaventy akory ilay izy. Azo antoka fa marina [ny an’i Solomona] raha nijery indray ireo zavatra ahina sy asa maro eo amin’ny fiainan’olombelona izy ka nilaza azy ireny ho zava-poana. Vetivety kely isika dia maty, hany ka toa aleo aza tsy ary, inona izay olona iray eo amin’ny arivo tapitrisa izay tonga sy lasa, ary vitsy dia vitsy tokoa aza no mba mahafantatra fa teto isika. Io fomba fijery zavatra io akory tsy mampiseho fironana hanasongadina ny lafy ratsin-javatra, na mahaketraka, na manjombona, na maloka. Izy io dia fahamarinana, zava-misy tsy maintsy atrehina, fomba fijery araka ny tena izy, raha toa ka tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany.” — 1 Aogositra 1957, pejy faha-472.
Tsaroanao Ve?
◻ Inona no fanombanana amim-pahendrena ny toeran’ny fananana eo amin’ny fiainanao?
◻ Nahoana isika no tsy tokony hanantitrantitra tafahoatra ny amin’ny fianakaviana, ny laza, na ny fahefana eo amin’ny hafa?
◻ Fihetsika araka an’Andriamanitra inona momba ny fifaliana no nampirisihan’i Solomona?
◻ Ahoana no nandraisanao soa avy tamin’ny fandinihana ny bokin’ny Mpitoriteny?
[Sary, pejy 15]
Tsy miantoka fahafaham-po ny vola sy ny fananana
[Sary, pejy 17]
Afaka mahazo antoka ny tanora fa hisy soa ho azy ireo raha matahotra an’Andriamanitra izy ireo