Toko Faha-24
Ahoana no Ahafahako Mandà Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?
NY FANDINIHANA iray nataon’ny gazetiboky ’Teen nanerana an’i Etazonia dia nampiharihary fa maro tamin’ireo mpamaky azy tanora no naniry hahazo fanazavana momba ilay fanontaniana hoe: “Ny fomba handavana ny fanerena hanao firaisana.”
Ao amin’ny Salamo 119:9, ilay mpanao salamo dia nanontany toy izany koa hoe: “Inona no hiarovan’ny zatovo [lahy na vavy] ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?” Ny valiny: “Ny fitandremana araka ny teninao [ny an’Andriamanitra].” Tsy fahalalana ao an-doha fotsiny anefa no ilaina. “Fantatrao ao an-tsainao izay lazain’ny Baiboly momba ny fijangajangana”, hoy ny vehivavy tanora iray nitsotra. “Kanefa ny fonao dia tsy mitsahatra manosika izany antony izany ho any amin’ny faran’ny sainao.” Tena mety indrindra ny nanohizan’ny mpanao salamo toy izao: “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.” — Salamo 119:11.
Arovy ny fonao
Ny firaketana ny tenin’Andriamanitra ao am-ponao dia mitaky voalohany indrindra ny hamakianao sy hianaranao ny Soratra Masina sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Izany dia hanampy anao mba hiaiky fa sarobidy ireo lalàn’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany, ny famakiana sy fihainoana na fijerena zavatra manaitaitra anao eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia mampirongatra ny “firehetana momba ny lahy sy ny vavy”. (Kolosiana 3:5, NW ). Koa fadio tanteraka àry ny zavatra toy izany! Mieritrereta kosa momba ireo zavatra mendrika sy madio.
Nisy fikarohana hafa koa nampiseho fa ny namanao akaiky dia afaka misy heriny lehibe eo amin’ny hitoeranao ho madio na tsia. Hoy ny mpanao salamo: “Naman’izay rehetra matahotra Anao [Andriamanitra] aho sy naman’izay mitandrina ny didinao.” — Salamo 119:63.
Moa ve ny namanao, ireo izay tena miezaka marina ny ‘hitandrina ny didin’Andriamanitra’? Ny vehivavy tanora iray antsoina hoe Joanna dia manao izao fanamarihana izao momba ny fifidianana namana: “Raha miaraka amin’olona izay tia an’i Jehovah ianao, dia hahita fa, rehefa miresaka momba ny fari-pitondran-tena ianareo, dia manomboka mitovy hevitra amin’izy ireo ny tenanao. Raha mahare azy ireo miteny ianao, ohatra, fa maharikoriko ny fahalotoam-pitondran-tena, dia manomboka manaiky izany koa ny tenanao. Etsy an-danin’izany kosa, raha miaraka amin’ny olona iray izay tsy miraharaha ianao, tsy ho ela dia hitovy tsy hisy hafa aminy.” — Ohabolana 13:20.
Matetika anefa dia ny fiarahan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, na hivady izy ireo na tsia, no mandrahona indrindra ny fahafahana hitoetra ho madio. Diniho ny fandinihana iray nataon’i Robert Sorensen nanerana an’i Etazonia. Hitany tamin’izany fa ny 56 isan-jaton’ireo lehilahy tanora sy ny 82 isan-jaton’ireo vehivavy tanora nanontaniany no nanao firaisana voalohany tamin’ny olona iray niarahany tsy tapaka — na fara faharatsiny fantany tsara sady tena tiany. Ahoana àry raha ampy taona ho amin’ny fanambadiana ianao ka miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy iray tsy tahaka anao? Ahoana no ahafahanareo mifankahalala tsaratsara kokoa kanefa mbola mitoetra ho madio?
Fanalavirana ireo fandrika rehefa mifanerasera alohan’ny fanambadiana
Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Ara-dalàna tsotra izao ny fahatsapana ho voasinton’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka anao. Kanefa arakaraka ny iarahanareo no hitomboan’izany fifanintonana izany. Ary dia mety hampaniasia ny fonao io faniriana ara-dalàna io. “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, (...) ny fijangajangana”, hoy i Jesosy Kristy. — Matio 15:19.
Matetika dia tsy manam-pikasana ny hanao firaisana ny lehilahy sy vehivavy tanora miaraka.a Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia mitranga ny firaisana satria mifanafosafo, izany hoe mifampikasika amin’ny fomba feno fanaitairana, ireo faritra miafina kokoa amin’ny vatana, izy ireo. Nitsotra toy izao ny ankizivavy iray niteraka tsy nanambady: “Tamiko sy tamin’ny ankamaroan’ireo ankizy fantatro, dia nihalasa lavitra tsikelikely hatrany hatrany fotsiny ilay izy, ary amin’ny farany dia tsy virjiny intsony ianao. Manomboka amin’ny fifanafosafoana kely ianareo, avy eo, alohan’ny hahatsapanareo izay mitranga, dia tsy afaka mijanona intsony.”
Mba tsy hahalatsahan’ny tenanao ao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena, dia tsy maintsy mitari-dalana ny fonao ianao fa tsy hamela azy hitari-dalana anao. (Ohabolana 23:19). Ahoana no ahafahanao manao izany?
Manisia fetra: Mety hihevitra ny zatovolahy iray fa manantena azy hanomboka ny fanorohana sy ny fanafosafoana ilay ankizivavy iarahany, kanefa raha ny tena izy, dia tsy manantena izany akory izy. “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; fa ao amin’ny [miara-midinika, NW ] no misy fahendrena.” (Ohabolana 13:10). Koa raha miaraka amin’ilay ankizilahy na ilay ankizivavy namanao ianao, dia ataovy fantany ny fomba fihevitrao momba ilay raharaha amin’ny alalan’ny ‘fiaraha-midinika’. Manehoa fahendrena amin’ny fanisiana fetra raha ny amin’ireo fanehoam-pitiavana. Ankoatra izany, dia aza mandefa famantarana manana heviny mampisalasala. Ny fanaovana akanjo mifinjifinjy, mampiseho vatana na manaitaitra ny filan’ny hafa dia mety hanome hafatra diso an’ilay namanao.
Halaviro ny tarehin-javatra mampisy fakam-panahy: Ny Baiboly dia milaza amintsika momba ny ankizivavy virjiny iray izay nasain’ilay ankizilahy niarahany, hiaraka aminy ho any amin’ny toerana iray nitokana tany an-tendrombohitra. Inona no antony? Mba hahafahan’izy roa hankafy ny hatsaran-tarehin’ny lohataona vao niandoha. Nanjary fantatr’ireo anadahin’ilay ankizivavy anefa ny amin’ny fikasan’izy ireo hitsangantsangana ary dia nosakanany tamim-pahatezerana izany. Moa ve izy ireo nihevitra fa nanam-pironana ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena ny anabaviny? Tsy izany velively! Fantatr’izy ireo tsara kosa ny herin’ny fakam-panahy amin’ny toe-javatra toy izany. (Tonon-kiran’i Solomona 1:6; 2:8-15). Toy izany koa, fa tokony hanalavitra ireo toe-javatra mety hitarika ho amin’ny fakam-panahy ianao, toy ny fiarahana irery amin’ilay ankizilahy na ilay ankizivavy namanao ao an-trano na ao anaty aotomobilina mijanona eo amoron-dalana.
Fantaro ireo fetran’ny tenanao: Misy fotoana mety haha-mora resin’ny fanangolena hanao firaisana anao kokoa noho ny amin’ny fotoana hafa. Mety ho kivy ianao, ohatra, noho ny zavatra tsy nety iray nataonao na noho ny tsy fifanarahana tamin’ny ray aman-dreninao. Na inona na inona antony, amin’ny fotoana toy ireny, dia mila ny mitandrina indrindra ianao. (Ohabolana 24:10). Ankoatra izany, dia tandremo ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola. Eo ambanin’ny herin’ny alkaola, dia mety hamoy ny sakana ao anatinao ianao. ‘Divay sy ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.’ — Hosea 4:11.
Milazà hoe “tsia” ary hazòny ny teninao: Inona no azon’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka atao rehefa mihamitombo ny fihetseham-pony ka hitany fa mihamanatona amin’ny fomba mampidi-doza ny fanaovana firaisana ny tenany? Ny iray amin’izy roa dia tsy maintsy milaza na manao zavatra izay ‘hampangatsiaka’ azy ireo. I Debra, ohatra, dia tafajanona irery niaraka tamin’ilay ankizilahy niarahany izay nanajanona ny fiara teo amin’ny toerana nitokana iray mba “hiresaka”. Rehefa nanomboka nihanahery ny fientanam-po, dia hoy i Debra taminy: “Tsy fifanafosafoana ve izao ataontsika izao? Tsy tsara kokoa ve raha ajanontsika eto ilay izy?” Izany dia ‘nampangatsiaka’ azy ireo. Nentin’ilay ankizilahy nody avy hatrany izy. Ny filazana hoe “tsia” amin’ny toe-javatra toy izany angamba no ho zavatra sarotra indrindra tsy maintsy hataonao hatramin’izay niainanao. Kanefa hoy ny filazan’ny vehivavy 20 taona iray izay nanaiky ho resin’ny faniriana hanao firaisana: “Raha tsy miala eo ianao, dia hanenina e!”
Manàna “chaperon”: Na dia heverin’ny sasany ho lany andro aza ny fananana chaperon hiaraka aminao rehefa miaraka amin’ilay ankizilahy na ilay ankizivavy namanao ianao, dia mbola hevitra tsara ihany izany. “Toa ohatra ny hoe tsy azo itokiana izahay”, hoy ny fitarainan’ny vehivavy sy lehilahy miaraka sasany. Angamba. Kanefa fahendrena ve ny itokiana amin’ny tena? Manambara tsy misy fihambahambana toy izao ny Ohabolana 28:26: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” Mahaiza mandeha amim-pahendrena amin’ny fangatahana olona hafa iray hiaraka aminao rehefa hiaraka amin’ilay ankizilahy na ilay ankizivavy namanao ianao. “Tena manana fanajana ilay olona mitondra ny chaperon-ny manokana aho. Fantatro fa liana tahaka ahy amin’ny fitoerana ho madio izy”, hoy ny nahariharin’i Debra. “Tsy misy manahirana mihitsy, satria rehefa te hiresaka raharaha manokana izahay, dia mihataka kely fotsiny tsy ho ren’ny hafa. Ny fiarovana azo dia mendrika ny hiaretana ny fanorisorena rehetra.”
Fisakaizana amin’Andriamanitra
Ambonin’ny zavatra rehetra, ny fambolena fisakaizana akaiky amin’Andriamanitra, ny fahafantarana azy ho tena persona manana fihetseham-po, dia hanampy anao tsy hanao fitondran-tena izay hampalahelo azy. Ny famborahanao ny ao am-ponao aminy momba ny zava-manahirana voafaritra tsara dia mampanatona anao akaiky azy. Lehilahy sy vehivavy miaraka maro maniry ny hitoetra ho madio no niara-nivavaka tamin’Andriamanitra mihitsy aza tamin’ny tarehin-javatra nampahery aoka izany ny fientanam-pon’izy ireo, ka nangataka taminy mba hanomezany azy ireo ny hery nilainy.
Mamaly amim-pahalalahan-tanana amin’ny fanomezana “hery mihoatra noho ny mahazatra” ho an’ny olona toy izany i Jehovah. (2 Korintiana 4:7, NW ). Mazava ho azy fa tsy maintsy manao ny anjaranao ianao. Kanefa matokia fa, noho ny fanampian’Andriamanitra sy ny fitahiany, dia azo atao ny mandà tsy hanao fijangajangana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny fandinihana iray, ny 60 isan-jaton’ireo vehivavy dia nilaza fa nitranga teo no ho eo, fa tsy nokasaina hatao, ilay firaisana.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona avy no zavatra sasantsasany azonao atao ka hanampy anao hirakitra ao am-po ireo lalàn’i Jehovah momba ny firaisana?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo namanao hanan-kery eo amin’ny fomba fihevitrao momba ny firaisana alohan’ny fanambadiana?
◻ Nahoana no heverinao fa tena ilaina ny fitandremana rehefa miaraka amin’ilay ankizilahy na ilay ankizivavy namanao?
◻ Inona avy no zavatra sasantsasany azon’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka alohan’ny fanambadiana atao mba hiarovan-tena tsy ho latsaka ao anatin’ny fijangajangana?
[Teny notsongaina, pejy 193]
“Manomboka amin’ny fifanafosafoana kely ianareo (...)”
[Teny notsongaina, pejy 194]
Rehefa miaraka ianareo alohan’ny fanambadiana, dia manalavira ny fijangajangana amin’ny tsy fitokantokanana
[Efajoro/Sary, pejy 195]
Fitoerana ho Madio Rehefa Miaraka Amin’ilay Ankizilahy na Ilay Ankizivavy Namanao
Halaviro ireo tarehin-javatra izay mety hitarika ho amin’ny fifanafosafoana sy ny fifanorohana
Ataovy eo anivon’antokon’olon-kafa na miaraka amin’ny chaperon iray ny fiarahanareo
Hazòny ho mampiorina hatrany ny resaka ifanaovanareo
Dieny eo am-boalohany, dia ataovy fantatr’ilay namanao ny fomba fihevitrao momba ireo fetra omenao ho an’ireo fanehoam-pitiavana
Manaova akanjo maotina ary halaviro ny fanaovan-javatra mihantsy
Mangataha mba haterina hody raha heverinao fa tandindomin-doza ny fahadiovanao
Fadio ireo “fanaovam-beloma” tsy mety tapitra
Ataovy foana izay hodiana aloha
[Sary]
Ireo lehilahy sy vehivavy miaraka alohan’ny fanambadiana dia afaka manao zavatra izay tsy hampitokana azy ireo amin’ny hafa
[Sary, pejy 196]
Raha manjary “mampidi-doza” ny tarehin-javatra, dia mahaiza misaina mba hilaza hoe “Tsia!” — ary dia hazòny ny teninao!