-
Miely Maneran-tany ny Fivavahana MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Toy ny hazavana be voninahitra ny fankasitrahan’Andriamanitra
27. Inona ilay hazavana hamirapiratra foana eo amin’ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah?
27 Hazavain’i Jehovah toy izao ny herin’ilay hazavana mamirapiratra eo amin’i Jerosalema: “Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.” (Isaia 60:19, 20) Ho ‘fanazavana mandrakizay’ ho an’ilay vehivavy ‘vadiny’ i Jehovah. Tsy “hilentika” toy ny masoandro sy ny volana mihitsy izy.c Hamirapiratra eo amin’ny Kristianina voahosotra foana ny fankasitrahany, satria izy ireo no solontenan’ilay vehivavy ‘vadin’Andriamanitra’ eto an-tany. Tena manjelanjelatra ny hazavana ara-panahy azon’izy ireo sy ny olona betsaka, ary tsy hampihena azy io ny haizin’ny tontolo ara-politika na ara-toe-karena. Matoky an’ilay hoavy mamirapiratra ampanantenain’i Jehovah koa izy ireo.—Romana 2:7; Apokalypsy 21:3-5.
-
-
Miely Maneran-tany ny Fivavahana MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
c Mampiasa teny mitovy amin’izany ny apostoly Jaona, rehefa miresaka momba an’i “Jerosalema vaovao”, na ny 144 000 efa nomem-boninahitra any an-danitra. (Apokalypsy 3:12; 21:10, 22-26) I “Jerosalema vaovao” dia ireo rehetra anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra nahazo ny valisoany any an-danitra. Amin’izay izy ireo, miaraka amin’i Jesosy Kristy, dia tonga ny tapany lehibe indrindra amin’i “Jerosalema any ambony”, ilay vehivavy vadin’Andriamanitra.—Galatiana 4:26.
-