Aoka Isika Hifaly Amin’ilay Mpamorona Antsika Lehibe
“Aoka ny Isiraely hifaly amin’ny Mpanao azy; aoka ho finaritra amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona.” — SALAMO 149:2.
1. Na dia teo aza ireo antsoantso hoe “azo ihany ny fahafahana, rehefa ela ny ela”, inona moa no tena tarehin-javatra misy ny olombelona?
IZAO tontolo izao ankehitriny dia voan’ny “fanaintainan’ny fahoriana”. Izany no fitenenana nampiasain’i Jesosy tao amin’ilay faminaniany mikasika ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia ilay vanim-potoana heni-doza izay nanomboka tamin’ny ady lehibe voalohany tamin’ny 1914. (Matio 24:3-8, NW ). Mpanao politika maro no tsy mahita afa-tsy haizina momba ny hoavy. Na dia teo aza ireo antsoantso hoe “azo ihany ny fahafahana, rehefa ela ny ela” tany Eoropa Atsinanana, dia namintina ny toe-javatra ny prezidà taloha iray tany amin’io faritra io rehefa nilaza hoe: “Ny fihoaran’ny isan’ny mponina, ny tany mihamafana, ireo lavaka amin’ny sosona ozone, ary ny SIDA, ny fandrahonan’ny fampihorohoroana niokleary ary ny hantsana mitanatana mampahonena eo anelanelan’ireo tany manankarena any amin’ny ila bolantany avaratra sy ireo mahantra any amin’ny ila bolantany atsimo, ny loza amin’ny mosary, ny fandaniana tanteraka ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny tontolo azo iainana sy ireo tahirina mineralin’ny tany, ny firoboroboan’ny kolontsaina voavolavolan’ny dokam-barotra ao amin’ny televiziona, ary ny fitomboan’ny fandrahonan’ny adim-paritra — izany rehetra izany miaraka amin’ny antony hafa an’arivony maro, dia fandrahonana faobe ho an’ny taranak’olombelona.” Tsy misy herin’olombelona afaka manaisotra io fandrahonan’ny loza mahafaty io. — Jeremia 10:23.
2. Iza no manana ilay ala olana maharitra ho an’ny zava-manahirana ny olombelona, ary dingana inona no efa natao sahady?
2 Afaka mifaly anefa isika satria manana ny ala olana maharitra ilay Mpamorona antsika Lehibe. Ao amin’ny faminanian’i Jesosy, “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” dia mifamatotra amin’ny “fanatrehany” tsy hita maso. (Matio 24:3, 37-39, NW ). Mba hamoronana ny “lanitra vaovao”, dia nametraka an’i Jesosy teo amin’ny seza fiandrianany amin’ny maha-Mpanjaka Mesianika azy i Jehovah. Asehon’ireo porofo ara-paminaniana fa nitranga tany an-danitra io fisehoan-javatra ara-tantara io tamin’ny taona 1914.a (2 Petera 3:13). Amin’ny maha-mpanapaka miara-miasa amin’i Jehovah, Mpanjaka Tompo, azy, i Jesosy izao dia notendrena mba hitsara ny firenena ary hampisaraka ny olona malemy fanahy toy ny ondry eto an-tany amin’ireo mafy hatoka toy ny osy. Ireo “osy” tsy tia an’Andriamanitra dia nasiana marika ho “amin’ny fandringanana mandrakizay” ary ny “ondry” ho amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny faritra eto an-tany hotapahin’ilay Fanjakana. — Matio 25:31-34, 46, NW.
3. Antony hifaliana inona no ananan’ny tena Kristiana?
3 Ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy eto an-tany, miaraka amin’ny olona betsaka amin’ireny ondry mankatò ireny izao, dia manana ny antony rehetra hifaliana amin’i Jehovah, ilay Mpanjaka mandrakizay, raha eo am-pamaranana amin’ny fomba malaza ny fanatanterahana ny fikasany lehibe amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Zanany izy. Afaka miteny toy izao izy ireo: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho (...) Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry [“mampitsimoka”, NW ] izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’i [“hampitsimohan’i”, NW ] Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.” (Isaia 61:10, 11). Io ‘fitsimohana’ io dia miharihary amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay angonina ankehitriny avy amin’ireo firenena mba hihira fiderana ho an’i Jehovah.
‘Fanafainganana izany’
4, 5. a) Ahoana no nilazana mialoha ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra? b) Fitomboana miavaka inona no hita nandritra ny taom-piasana 1992?
4 Mihafaingana kokoa hatrany ilay fanangonana arakaraka ny anatonan’ny faran’ny fandehan-javatr’i Satana. Izao no ambaran’ny Mpamorona antsika Lehibe: “Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa (...), eny, ho voly maitso [“tsimoka”, NW ] eo amin’ny sahako, asan’ny tànako ho fampisehoam-boninahitra. Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany”. (Isaia 60:21, 22). Hita taratra amin’ny fomba mahatalanjona io fanafainganana io ao amin’ny Rapaoro Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-piasana 1992, mivoaka ao amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15 amin’ity gazety ity.
5 Miavaka ao amin’io rapaoro io ilay tampon’isa vaovao 4 472 787 amin’ny mpitory ilay Fanjakana, fitomboana 193 967 — 4,5 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa. Ny tampon’isa 301 002 tamin’ireo natao batisa nandritra ny 1992 koa dia manome taratry ny fisian’ny olona sesehena manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Toy inona moa ny hafaliantsika satria amin’izao “andro maizina sy manjombona [izao] (...) dia [misy] firenena lehibe sy matanjaka”, izay sahala amin’ny andiam-balala, manitatra ny fanambarana ilay Fanjakana “hatramin’ny faran’ny tany”! (Joela 2:2, 25; Asan’ny Apostoly 1:8). Hatrany Alaska feno ranomandry — izay nanaovan’ny fiaramanidin’ny Fikambanana Watch Tower fitsidihana maherin’ny 50 an’ireo faritany mitokana noho ny ranomandry — ka hatrany amin’ny efitra migaingainan’i Mali sy i Burkina Faso ary ireo nosikely miparitak’i Micronésie, ireo mpanompon’i Jehovah dia mamirapiratra toy ny “fahazavan’ireo firenena, mba hahatongavan’ny famonjena [ny an’i Jehovah] hatrany amin’ny faran’ny tany”. — Isaia 49:6, NW.
6, 7. Fivadihan’ny tarehin-javatra tsy nampoizina inona no natrehina tao anatin’ireo taona faramparany, ary ahoana no fihetsik’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’izany?
6 Toy ny batery sy tilikambo mafy i Jehovah amin’ny fiarovana sy fanohanana ny olony. Tany amin’ny faritra maro amin’ny tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia voatery niaritra fampahoriana sy fanenjehana feno habibiana nandritra ny am-polony taona maro. (Salamo 37:39, 40; 61:3, 4). Tsy ela anefa izay, toy ny hoe nisy fahagagana, dia nofoanana ireo fameperana sy fanakantsakanana tany amin’ny tany 21 teo ho eo, ka izao, dia afaka manambara amin-kalalahana ny vahoakan’Andriamanitra fa nametraka an’i Kristy ho Mpanjaka ambonin’ny tany ilay Mpamorona antsika Lehibe. — Salamo 2:6-12.
7 Moa ve mampiasa tsara ny fahafahana vao azon’izy ireo ny vahoakan’i Jehovah? Mariho eo amin’ilay tabilao ny fitomboana any Bulgarie sy Romania ary any amin’ny Firaisana Sovietika taloha any Eoropa Atsinanana, ary koa any Angola sy Bénin ary Mozambika atsy Afrika. Misy fitomboana mahagaga koa any Zaïre. Amim-pifaliana ao am-pony, ireo rahalahintsika nahazo fahafahana dia mamaly ilay antso hoe: “Manolora fisaorana an’i Jehovah ianareo, ry olona, fa tsara izy; (...) an’ilay Mpanao samy irery zavatra mahatalanjona sy lehibe: fa hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana”. (Salamo 136:1, 4, NW ). Aseho izany fisaorana izany amin’ny fanompoana amin-jotom-po eo amin’ny fanangonana olon-kafa toy ny ondry hiandany amin’ilay Fanjakana.
8. Tamin’ny ahoana ireo mpidera vaovao an’i Jehovah no ‘nanidina tahaka ny rahona’ tany Eoropa Atsinanana? tatsy Afrika?
8 Nandritra ny lohataona lasa teo tany Eoropa, ireo fivoriambe nataon’ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ireo tany kaominista taloha dia nahitana mpanatrika nahazendana. Mbola nampitolagaga kokoa ny isan’ireo natao batisa any amin’ireny tany ireny. Toy izany koa, any Togo, atsy Afrika, dia nofoanana ny fandrarana tamin’ny 10 Desambra 1991. Tamin’ny volana nanaraka, dia nisy fivoriamben’ny distrika iray natao ho an’ilay tany manontolo. Raha oharina amin’ny antsalan’ny isan’ny mpitory isam-bolana 6 443, ny mpanatrika tamin’io fivoriambe io dia tafakatra ho 25 467, nisy natao batisa 556 — 8,6 isan-jaton’ny isan’ny mpitory. Araka ny ilazalazan’ny Isaia 60:8 azy, ireo mpidera vaovao an’i Jehovah dia “manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny” ao amin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah.
9. Inona no fandaharana natao mba hahafahan’ireo Kristiana any amin’ireo tany nahazo fahafahana vao haingana ‘hihinana ka ho voky’?
9 Nampitonena koa ny hanoanana sakafo ara-panahy any Eoropa Atsinanana sy atsy Afrika. Ireo trano fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower any Alemaina sy Italia ary Afrika Atsimo dia nandefa zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny maro be izay nahafeno kamiao maro any amin’ireo tany maty noana ara-panahy. Teo aloha, dia maro amin’ireo Vavolombelona no voatery nifampindrampindrana gazety efa tonta be noho ny fampiasana azy. Izao anefa izy ireo dia mahazo sakafo ara-panahy tondraka. Faly izy ireo mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana hoe: “Hihinana hianareo ka ho voky dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo”. — Joela 2:26.
Fitsinjovana fitarana fanampiny
10. Noho ny fisian’ny mpanatrika maro be tamin’ny Fahatsiarovana, fanasana inona no atolotra ireo olona liana rehetra?
10 Mampitolagaga marina tokoa ny tarehimarika momba ny mpanatrika maneran-tany tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy: 11 431 171, fitomboana teo amin’ny 781 013, na 7,3 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa. Tonga soa, ianareo rehetra sambany vao tonga! Hahafinaritra tokoa raha toa ireo olona liana vao haingana rehetra ireo ka mandray soa avy amin’ny fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray! (Jereo Isaia 48:17.) Asehon’ilay Rapaoron’ny Taom-piasana fa misy 4 278 127 amin’ireny fampianarana ireny tarihina isam-bolana, fitomboana tsara dia tsara 8,4 isan-jato. Mbola maro kokoa anefa no afaka manararaotra io asa fanampiana ny hafa io. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah mitsidika tsy tapaka ireo olona liana mba hitarihana fampianarana ny Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano, ka amin’izany dia hanampy azy ireo hampitoetra tsara ny tongony ao amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16, 36). Nahoana no tsy mangataka fampianarana toy izany? Ary tsarovy fa misy fandraisana mafana foana miandry anao any amin’ny Efitrano Fanjakana! — Salamo 122:1; Romana 15:7.
11, 12. a) Zava-manahirana inona avy no hita any amin’ny tany sasany? b) Amin’ny fomba ahoana no misy “fampitoviana” eo amin’ireo tany manana kokoa sy ireo mahantra kokoa?
11 Ireo kongregasiona manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy dia mahazo fitahiana manana amby ampy. Hafa ny tarehin-javatra any amin’ireo tany izay niaretan’ireo Vavolombelona mahatoky fandrarana an-taonany maro ka nivorian’izy ireo tamim-piafenana nizarazara ho antokon’olom-bitsy. Any amin’ny tany maromaro toy izany, dia malalaka izy ireo izao, saingy vitsy ny Efitrano Fanjakana ananany. Any amin’ny tany afrikana iray manana kongregasiona 93, ohatra, dia tsy misy afa-tsy Efitrano Fanjakana telo monja. Koa mazàna ny fivoriana dia atao eo amin’ny sombin-tany malalaka tsy misy na inona na inona. Ny kongregasiona iray misy olona 150, dia mety hanana olona hatrany amin’ny 450 manatrika tsy tapaka ireny fivoriana ireny.
12 Any Eoropa Atsinanana, dia matetika no sarotra ny mividy tany na manorina trano, kanefa dia misy fandrosoana sasany eo am-panaovana azy. Noferana hatao tamin’ny 28 Novambra 1992, tany Polonina, ny fitokanana tranon’ny sampana vaovao iray tsara dia tsara. Misy fanomezana natao tamim-pahalalahan-tanana ho an’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ampiasaina mba hanampiana hanorenana efitrano sy fanorenana hafa. Araka izany, dia misy “fampitoviana” amin’ny hoe ny fahalalahan-tanan’ireo rahalahy izay manolotra ny “ambim-bavany” ara-nofo, dia manampy mba hanomezana ireo zavatra ara-panahy ilain’ny kongregasiona any amin’ny tany tsy ambinina. — 2 Korintiana 8:13, 14, NW.
Ora arivo tapitrisa!
13. Ora firy no lany tamin’ny fitoriana sy ny fampianarana tamin’ny 1992, ary ezaka nataon’iza avy no hita taratra amin’io tarehimarika io?
13 Hataonao inona ny ora arivo tapitrisa? Izay rehetra tody hatrany amin’ny fiainana mandrakizay dia ho afaka hampiasa izany ora maro be izany, ary betsaka kokoa noho izany aza, amin’ny fanaovana fanompoana ahitam-bokatra sy mahafa-po ho an’i Jehovah. Alao sary an-tsaina anefa hoe terena hiditra ao anatin’ny herintaona izany ora maro be izany! Izany anefa no notontosain’ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny taona 1992. Rehefa natambatra ireo filazana asa manokan’ny mpitory ilay Fanjakana rehetra, dia mahita tampon’isa vaovao isika, dia 1 024 910 434 ora lany tamin’ilay fomba tsara indrindra azo andaniana ora — tamin’ny fiderana ilay Mpamorona antsika Lehibe, tamin’ny “fampianarana (...) ampahibemaso sy isan-trano”. (Asan’ny Apostoly 20:20, NW ). Tamin’ny antsalany, dia nisy Vavolombelona 4 289 737 namerina filazana asa isam-bolana. Avy amin’ny saranga samy hafa izy ireo. Ny sasany dia voafetra eo amin’ny fotoana azony atokana ho an’ny asan’ilay Fanjakana. Tafiditra amin’izany ny loham-pianakaviana, izay tsy maintsy manome izay ilain’ny ankohonany; ireo zokiolona; olona maro manan-java-manahirana ara-pahasalamana; ary koa ireo ankizy mbola mankany an-tsekoly. Na dia izany aza, ny filazana asa nataon’ny tsirairay dia taratra sarobidin’ny fitiavana an’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Lioka 21:2-4.
14. Ahoana no ‘ahatsiarovan’ireo tanora ny Mpanao azy’?
14 Misy taranaka tanora mihalehibe ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary soa ihany fa ny ankamaroan’izy ireo dia mampihatra ny tenin’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 12:1 manao hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”. Manao tsara ny fianarany izy ireo, sady ofanin’ireo ray aman-dreny be fandavan-tena ny amin’ireo zavatra ara-panahy. Nahafaly ny nahita tanora, vao herotrerony, maro be nitsangana tamin’ireo fivoriambe vao haingana, nanolotra ny tenany hatao batisa. Mahafaly koa ny mahafantatra fa, amin’ny fianarana asa tanana na fahaizana sasany, dia maro no manao fiomanana ho amin’ny asan’ny mpisava lalana rehefa mahazo diplaoma avy amin’ny sekoly. Amin’izay dia ho afaka hamelon-tena izy ireo, toy ny nataon’ny apostoly Paoly indraindray, tamin’ny fanamboarana lay. — Asan’ny Apostoly 18:1-4.
15, 16. Ahoana no nandraisan’ireo mpisava lalana sy mpanompo manontolo andro hafa anjara tamin’ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana, ary fitahiana inona no azon’ny sasany?
15 Fandraisana anjara goavana toy inona no ataon’ireo mpisava lalana sy ireo mpanompo manontolo andro hafa ho fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana! Nitombo ny laharan’ireo mpisava lalana ka nahatratra ny tampon’isa 931 521 tamin’ny taon-dasa. Koa satria mitory isan’andro isan-trano, sy mitarika fampianarana Baiboly any an-tranon’olona izy ireo, dia manjary tena mahita vokatra eo amin’ny firesahany ny amin’ny Soratra Masina. Ambonin’izany, dia nisy maro nahafeno fepetra mba hanatrehana ny Sekolin’ny Mpisava Lalana maharitra tapa-bolana, izay manampy azy ireo hamboly fahaizana sy fifaliana lehibe kokoa eo am-panaovana ny asan’Andriamanitra.
16 Ny tsirairay amin’ireny mpisava lalana mahatoky ireny dia afaka manaiky ireo teny ao amin’ny Isaia 50:4 manao hoe: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka”. Amin’izao andro izao dia misy olona maro be reraka noho izao tontolo izao ratsy fitondran-tena manodidina azy, kanefa dia mahita famelombelomana avy amin’ny teny lazain’ireo mpisava lalana mahatoky izy ireo. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:23; Ezekiela 9:4.
Fandaharam-panorenana mahatalanjona
17. Ho fanampin’ny fanorenana ara-panahy, fanorenana ara-nofo inona no natrehina tao anatin’ireo taona faramparany?
17 Ny fanambinana ara-panahy maneran-tany hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitaky koa fitomboana ara-nofo. Manjary ilaina ny fanitarana ireo trano fanontam-pirinty, birao, sy trano Betela ary ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fanaovana Fivoriambe. Koa voatery tonga mpanorina eo amin’ny lafiny ara-batana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fanorenana toy izany tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Nanorina ny tempoly ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Solomona, araka ny “sarin’izay [“maritrano”, NW ] (...) niseho taminy tamin’ny fanahy”. Izany maritrano izany dia nomen’i Jehovah an’i Davida Mpanjaka, rainy. (1 Tantara 28:11, 12). Noho izany, dia tsy vitan’ny hoe nanatanjaka ny mpihaino azy tamin’ireo tenim-pahendrena sarobidy i Solomona, fa nitarika fanorenana ara-nofo koa, dia fanorenana tsara dia tsara iray izay mbola tsy vitan’izao tontolo izao tsy ara-pivavahana mihitsy. — 1 Mpanjaka 6:1; 9:15, 17-19.
18, 19. a) Volavolan-kevi-panorenana mandroso haingana inona avy no tontosain’ny fandaminan’i Jehovah? b) Ahoana no nihariharian’ny fanahin’i Jehovah teo amin’ny fanorenana ara-nofo ary koa ara-panahy?
18 Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manorina amin’ny maritrano azo avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, fa manana ny fanahin’Andriamanitra kosa izy ireo. Toy ny tamin’ny andron’ny Isiraely, izy io dia manosika azy ireo hanao fanorenana amin’ny fomba izay mampitolagaga ny olona eo amin’izao tontolo izao. (Zakaria 4:6). Fohy ny fotoana. Ilaina maika tsy misy hataka andro ny Efitrano Fanjakana sy ny fanorenana hafa. Any amin’ny tany sasany dia tena mahazatra ny Efitrano Fanjakana voaorina haingana. Tao anatin’ireo 10 taona lasa, ohatra, i Kanada dia nanao tatitra ny amin’ny fanorenana efitrano 306, ka ny tsirairay taminy dia tao anatin’ny roa andro latsaka. Noho ny fitaran’ny asan’i Jehovah haingana maneran-tany, dia misy sampana vaovao na fanitarana ny sampana 43 amin’izao fotoana izao eo am-panorenana azy na kasaina haorina. Ambonin’izany, dia efa madiva ho vita any Brooklyn ny toeram-ponenana misy rihana 29 miaraka amin’izay rehetra ilaina ho an’ny mpiasa an-tsitrapo arivo any ho any ao amin’ny Betela. Any amin’ny Fanjakan’i New York koa, any Patterson, ny fanorenana foibem-pampianarana ny Baiboly iray, ilay volavolan-kevitra lehibe indrindra natomboky ny Fikambanana Watch Tower, dia efa lasa lavitra noho ny naminavinana azy.
19 Ireo volavolan-kevitra ireo dia mandroso amin’ny fomba mandaitra nefa mitsitsy sy amin’ny hatsaran’ny asa izay mampitolagaga ireo kaompania mpanao fanorenana ikoizana eo amin’izao tontolo izao. Nahoana? Noho ny fandraisana anjara goavana nataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena. Ny fanahin’i Jehovah dia manosika azy ireo, tsy hanome fanohanana ara-nofo fotsiny fa hanome amin’ny fon’izy ireo manontolo koa ny fotoany sy ny heriny. Ireo toerana misy fanorenana dia feno mpiasa tsara ofana sy be fandavan-tena mihahohaho. Tsy misy fitokonan’ny mpiasa, na filalaovana asa. Ny fanahin’i Jehovah dia manome ilay antony manosika, toy ny nanosehany ireo mpanorina ny tabernakely tamin’ny andron’i Mosesy sy ireo nanorina ny tempoly tamin’ny andron’i Solomona. Ny fiahiana ny zavatra ara-panahy no toetra miavaka takina amin’ireo mpiasa ireo. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 35:30-35; 36:1-3; 39:42, 43; 1 Mpanjaka 6:11-14.
20. a) Hatraiza no mbola hitoriana ny vaovao tsara? b) Fahatsinjovan-javatra mahasambatra inona no miandry ny vahoakan’i Jehovah?
20 Nanohy ny fandaharam-panorenany i Solomona taorian’ny fahavitan’ny tempoly. (2 Tantara 8:1-6). Hatraiza no mbola hielezan’ny fanambarana amin’izao andro maoderina izao — miaraka amin’ny ilana hanorenana efitrano sy fanorenana hafa? Tsy fantatsika izany. Fantatsika kosa anefa fa, rehefa mahatratra ny fitarana noferan’i Jehovah ny fitoriana io vaovao tsaran’ny Fanjakana io, dia ho tonga amin’izay ny farany, ilay “fahoriana lehibe”. (Matio 24:14, 21, NW ). Eo amin’ny tany iray tsy simban’ny olona manana faniriana mihoa-pampana, dia hitondra fitahiana tsy hay lazaina ho an’ny taranak’olombelona ilay fandaharan’i Jehovah momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, amin’izay. Noho izany, dia enga anie isika ‘hifaly sy hiravoravo mandrakizay amin’izay noharìn’Andriamanitra’, amin’ny fanolorana ny fiderana rehetra ho an’ilay Mpamorona antsika Lehibe! — Isaia 65:17-19, 21, 25.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-105-116, 186-189.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Antony inona avy no ananantsika mba hifaliana amin’ilay Mpamorona antsika Lehibe?
◻ Fitomboana inona avy no voalazan’ny rapaoro nandritra ny taom-piasana 1992?
◻ Fitahiana tondraka inona avy no voalazan’ny rapaoro fa misy any amin’ireo tany izay nandrarana ny fanaovana fanambarana taloha?
◻ Tamin’ny ahoana ireo tanora sy mpisava lalana no nandray anjara tamin’ny fitomboana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah?
◻ Ahoana no naharevo ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny asa fanorenana ara-nofo ary koa ara-panahy?
[Efajoro, pejy 17]
Tamin’ny taon-dasa, dia ora maherin’ny arivo tapitrisa no lany tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana
[Tabilao, pejy 12-15]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1992
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 10]
Ny fisian’ny mpilatsaka hatao batisa ana hetsiny maro tamin’ny taon-dasa, dia mampiseho ny fitahian’i Jehovah ny asa fitoriana sy fampianarana
[Sary, pejy 16]
Misy tanora sesehena ‘mahatsiaro ny Mpanao azy’