-
Ny Tontolo Vaovao—Ho ao ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Aprily
-
-
14, 15. Fanaovan-javatra mahafa-po inona avy no azonao andrandraina, araka ny Isaia 65:21, 22?
14 Tsy mifantoka amin’ny fomba mety hanesorana ny mpanota an-tsitrapo i Isaia, fa milazalaza kosa ny toe-piainana hanjaka ao amin’ny tontolo vaovao. Andramo alaina sary an-tsaina ho ao anatin’ilay toe-piainana ny tenanao. Zavatra mahakasika anao manokana no mety ho hitan’ny mason’ny sainao voalohany. Miresaka izany i Isaia eo amin’ny andininy faha-21 sy faha-22, manao hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.”
-
-
Ny Tontolo Vaovao—Ho ao ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Aprily
-
-
16. Nahoana ianao no afaka manantena fa hitondra fahafaham-po maharitra ilay tontolo vaovao?
16 Ny mbola zava-dehibe kokoa noho ny fahalalana izany tsipiriany izany, dia ny hoe hanana fonenana anao manokana ianao. Ho anao izy io, fa tsy toy ny amin’izao andro izao, izay mety hiasanao mafy erỳ ny fanorenana azy, nefa olon-kafa, avy eo, no handray soa aminy. Milaza koa ny Isaia 65:21 fa hamboly ianao ka hihinana ny vokatra aminy. Mamintina ny zava-drehetra hisy izany. Hahita fahafaham-po lalina amin’ny ezaka hataonao ianao, dia amin’ireo vokatry ny asanao. Ho afaka hanao izany mandritra ny fiainana lava “tahaka ny andron’ny hazo” ianao. Mifanaraka tsara amin’izany ilay hoe ‘havaozina ny zavatra rehetra’!—Salamo 92:12-14.
-