Toko Fahasivy
Mitokia Amin’i Jehovah, Rehefa Miatrika Zava-tsarotra
1. Nahoana ny Kristianina amin’izao andro izao no handray soa avy amin’ny fandinihana ny Isaia toko faha-7 sy faha-8?
FIFANOHERAN-JAVATRA no hita miharihary ao amin’ny Isaia toko faha-7 sy faha-8. Samy anisan’ny firenena iray nanolo-tena ho an’i Jehovah i Isaia sy i Ahaza; samy notendren’Andriamanitra izy ireo, ka ny iray ho mpaminany, ilay faharoa ho mpanjakan’ny Joda; ary samy niatrika loza nitovy ihany izy ireo—ny fanafihan’ny tafika fahavalo nahery. I Isaia anefa niatrika ilay loza, tamin’ny fatokisana an’i Jehovah, fa i Ahaza kosa nanaiky ho resin’ny tahotra. Nahoana no tsy nitovy ny fihetsik’izy ireo? Koa satria voahodidina fahavalo toy izany koa ny Kristianina amin’izao andro izao, dia haneho fahendrena izy ireo, raha mandinika ireo toko roa amin’ny Isaia ireo, mba hahitana izay lesona raketiny.
Fiatrehana fanapahan-kevitra
2, 3. Famintinana inona no omen’i Isaia ao amin’ireo teny fanokafany?
2 Toy ny ataon’ny mpanakanto iray manoritsoritra ny ambangovangon’ny sary hoso-doko vaovao iray, no ataon’i Isaia, amin’ny fanombohana ny fitantarany amin’ny fanambarana ambangovangony momba ny fiandohana sy ny fiafaran’ireo fisehoan-javatra hotantarainy. Toy izao izany: “Tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’i Syria, sy Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Isiraely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.”—Isaia 7:1.
3 Ny taonjato fahavalo al.f.i. tamin’izay. Mpanjakan’i Joda, nandimby an’i Jotama rainy, i Ahaza. Nanafika an’i Joda, i Rezina, mpanjakan’i Syria, sy i Peka, mpanjakan’ny Isiraely tany avaratra, ary namely mafy ny tafik’izy ireo. Tamin’ny farany, dia hanao fahirano an’i Jerosalema mihitsy izy ireo, kanefa dia tsy hahomby izany. (2 Mpanjaka 16:5, 6; 2 Tantara 28:5-8). Fa nahoana? Ho hitantsika any aoriana izany.
4. Nahoana no feno tahotra ny fon’i Ahaza sy ny vahoakany?
4 Taloha kokoa tamin’ilay ady, dia “nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary niròndròna ny fony sy ny fon’ny vahoakany, toy ny firòndrònan’ny hazo any an-ala, raha asian’ny rivotra”. (Isaia 7:2). Eny, nampahatahotra an’i Ahaza sy ny vahoakany ny nahare hoe nitambatra ny Syrianina sy ny Isiraelita, sy hoe efa nitoby teo amin’ny tanin’ny Efraima (Isiraely) ny tafik’izy ireo izao. Dia an-tongotra roa na telo andro monja sisa tsy hahatongavan’izy ireo tao Jerosalema!
5. Amin’ny ahoana ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao no mitovy amin’i Isaia?
5 Hoy i Jehovah tamin’i Isaia: “Mivoaha hianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny làlambe mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba”. (Isaia 7:3). Eritrereto ange izany e! Tamin’ny fotoana tokony ho nitadiavan’ilay mpanjaka ny mpaminanin’i Jehovah sy nangatahany tari-dalana, dia ilay mpaminany indray no voatery nandeha nitady an’ilay mpanjaka! Na izany aza, dia nankatò an-tsitrapo an’i Jehovah i Isaia. Toy izany koa, ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao dia vonona handeha hitady ny olona, izay matahotra noho ny fanerena avy amin’ity tontolo ity. (Matio 24:6, 14). Ary tena mahafinaritra ny mahita olona ana hetsiny maro isan-taona manaiky ny fitsidihan’ireny mpitory ny vaovao tsara ireny ary manaiky ny hotantanan’i Jehovah sy harovany!
6. a) Hafatra nampahery inona no nampitain’ilay mpaminany tamin’i Ahaza Mpanjaka? b) Manao ahoana ny tarehin-javatra ankehitriny?
6 Hitan’i Isaia teo ivelan’ny mandan’i Jerosalema i Ahaza, izay nisafo ny famatsian-dranon’ilay tanàna, ho fiomanana ho amin’ilay fahirano efa nampoizina. Nanome azy izao hafatr’i Jehovah izao i Isaia: “Mitandrema, ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’i Remalia.” (Isaia 7:4). Rehefa nandrava an’i Joda ireo mpanafika talohan’izay, dia nirehitra toy ny lelafo ny fahatezeran’izy ireo. Izao izy ireo dia toy ny ‘tapa-porohana roa nidonaka’ fotsiny. Tsy nila ny hatahotra an’i Rezina, Mpanjakan’i Syria, na an’i Peka, zanak’i Remalia, Mpanjakan’i Isiraely, i Ahaza. Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao. Hatramin’ny an-jatony taona maro, ireo mpitarika ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia nanenjika ny Kristianina marina tamim-pirehetana fatratra. Ankehitriny anefa, dia toy ny tapa-porohana sisa tsy may ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Kely sisa ny androny.
7. Nahoana no nanome antony hananana fanantenana ny anaran’i Isaia sy ny an’ilay zanany?
7 Tamin’ny andron’i Ahaza, dia tsy ilay hafatra nentin’i Isaia ihany, fa ny hevitry ny anarany sy ny an’ny zanany koa, no nanome fanantenana an’ireo izay nitoky tamin’i Jehovah. Marina fa norahonan’ny loza i Joda, nefa ny anaran’i Isaia, izay nidika hoe “Famonjen’i Jehovah”, dia nanondro fa hitondra famonjena i Jehovah. Nasain’i Jehovah nitondra an’i Seara-jasoba, izay midika hoe “Hisy Sisa Hiverina” ny anarany, i Isaia. Na dia lavo aza ny fanjakan’ny Joda tamin’ny farany, dia haneho famindram-po i Jehovah, ka hamerina sisa aminy any amin’ny taniny.
Tsy ady nifanaovan’ireo firenena fotsiny
8. Nahoana no tsy ady nifanaovan’ireo firenena fotsiny ilay fanafihana an’i Jerosalema?
8 Nahariharin’i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia, ny tetikady hampiasain’ireo fahavalon’i Joda. Izao no zavatra nokasain’izy ireo hatao: “Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany”. (Isaia 7:5, 6). Ilay vondrona syrianina-isiraelita dia nitetika ny handresy an’i Joda, ka hanolo an’i Ahaza, zanak’i Davida, tamin’ny lehilahy iray araka ny safidiny. Mazava fa tsy ady nifanaovan’ireo firenena fotsiny intsony ilay fanafihana an’i Jerosalema. Nanjary ady nifanaovan’i Satana sy i Jehovah ilay izy. Fa nahoana? Satria i Jehovah Andriamanitra nanao fanekena tamin’i Davida Mpanjaka, ka nanome toky azy tamin’izany fa ny taranany no hanapaka eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. (2 Samoela 7:11, 16). Ho toy inona moa ny fandresen’i Satana, raha afaka nametraka tarana-mpanjaka hafa teo ambonin’ny seza fiandrianana tao Jerosalema ny tenany! Nety ho nampandamòka ny fikasan’i Jehovah hamoaka mpandova maharitra iray, dia ilay “Andrian’ny fiadanana”, avy amin’ny taranak’i Davida, mihitsy aza izy.—Isaia 9:5, 6.
Ireo fanomezan-toky feno fitiavana nataon’i Jehovah
9. Fanomezan-toky inona avy no tokony hanome herim-po an’i Ahaza, ary koa ny Kristianina amin’izao andro izao?
9 Hahomby ve ny teti-dratsin’i Syria sy i Isiraely? Tsia. Hoy ny nambaran’i Jehovah: “Tsy ho tanteraka izany, ary tsy hisy izany”. (Isaia 7:7). Nilaza tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah fa tsy vitan’ny hoe tsy hahomby ilay fanaovana fahirano an’i Jerosalema, fa “ao anatin’ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony”. (Isaia 7:8). Eny, ao anatin’ny 65 taona, dia tsy hisy intsony ny firenen’ny Isiraely.a Tokony hanome herim-po an’i Ahaza io fanomezan-toky io, izay narahin’ny fandaharam-potoana voafaritra tsara. Toy izany koa, ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao dia mahazo tanjaka avy amin’ny fahafantarana fa mihafohy ny fotoana sisa tavela ho an’ny tontolon’i Satana.
10. a) Ahoana no ahafahan’ny Kristianina marina manahaka an’i Jehovah? b) Nanolo-kevitra ny hanao inona ho an’i Ahaza moa i Jehovah?
10 Angamba nitory tsy finoana ny tarehin’i Ahaza, satria hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: “Raha tsy mety mino hianareo, dia tsy ho tafatoetra.” Nanam-paharetana i Jehovah, ka “mbola niteny tamin’i Ahaza ihany”. (Isaia 7:9, 10). Endre izany ohatra tsara dia tsara! Ankehitriny, na dia maro aza no tsy mandray avy hatrany ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia maneho fahendrena isika, raha manahaka an’i Jehovah, ka ‘mbola miteny ihany’, rehefa miverimberina mitsidika ireo olona. Avy eo, dia nilaza toy izao tamin’i Ahaza i Jehovah: “Mangataha famantarana amin’i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina ambany, na ho avy amin’ny avo ambony.” (Isaia 7:11). Nahazo nangataka famantarana i Ahaza, ary dia hanatanteraka ny fangatahany i Jehovah, ho antoka fa hiaro ny taranak’i Davida izy.
11. Fanomezan-toky inona no hita ao amin’ilay tenin’i Jehovah hoe “Andriamanitrao”?
11 Mariho ilay tenin’i Jehovah hoe: ‘Mangataha famantarana amin’ny Andriamanitrao.’ Tena feno hatsaram-panahy tokoa i Jehovah. Efa voalaza fa nivavaka tamin’andriamani-diso i Ahaza, no sady nanaraka fanao maharikorikon’ny mpanompo sampy. (2 Mpanjaka 16:3, 4). Na izany aza, ary na dia natahotra aza i Ahaza, dia mbola niantso ny tenany ho Andriamanitr’i Ahaza ihany i Jehovah. Izany dia manome toky antsika fa tsy manilika befahatany ny olombelona i Jehovah. Vonona ny hanome fanampiana an’ireo izay manao diso na ireo izay nanjary malemy finoana izy. Moa ve izany fanomezan-toky ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra izany hanosika an’i Ahaza handray ny tanan’i Jehovah?
Nisalasala, avy eo dia tsy nankatò
12. a) Fihetsika nieboebo nanao ahoana no nasehon’i Ahaza? b) Tsy nitodika tany amin’i Jehovah i Ahaza, fa tany amin’iza kosa, mba hahazoana fanampiana?
12 Namaly tamim-pihantsiana toy izao i Ahaza: “Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’i Jehovah.” (Isaia 7:12). Tsy ho fankatoavana ireo tenin’ny lalàna nanao hoe “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrareo” akory no nilazan’i Ahaza izany. (Deoteronomia 6:16). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanonona io lalàna io koa i Jesosy, fony izy nalain’i Satana fanahy. (Matio 4:7). Teto anefa, i Jehovah dia nanasa an’i Ahaza mba hiverina ho amin’ny fivavahana marina, ary nanolo-kevitra ny hanatanjaka ny finoan’i Ahaza, tamin’ny fanaovana famantarana. Kanefa, tian’i Ahaza kokoa ny nitady fiarovana tany amin’olon-kafa. Nety ho tamin’izay fotoana izay izy no nandefa vola be tany Asyria, mba hahazoana fanampiana hanoherana ireo fahavalony tany avaratra. (2 Mpanjaka 16:7, 8). Nandritra izany fotoana izany, dia nanodidina an’i Jerosalema ny tafika nitambatr’i Syria sy i Isiraely, ary dia niroso ny fahirano.
13. Fiovana inona no hitantsika eo amin’ny andininy faha-13, ary milaza inona izany?
13 Tao an-tsain’i Isaia ny tsy fahampiam-pinoan’ilay mpanjaka, fony izy nilaza hoe: “Mihainoa ary, ry taranak’i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, no dia hanasatra an’Andriamanitro koa hianareo?” (Isaia 7:13). Eny, afaka ny ho sasatra noho ny fihantsiana tsy an-kijanona i Jehovah. Mariho koa fa izao ilay mpaminany dia nilaza hoe “Andriamanitro”, fa tsy hoe “Andriamanitrareo”. Fiovana nilaza loza izany! Rehefa nanda an’i Jehovah i Ahaza, ka nitodika tany amin’i Asyria, dia nafoiny ny fahafahana tsara hamerina tamin’ny laoniny ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Enga anie isika tsy hanao sorona ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy, amin’ny fampandeferana ny zavatra inoantsika ara-baiboly, mba hahazoana tombontsoa mihelina.
Ny famantaran’i Imanoela
14. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tsy nivadika tamin’ny fanekena nataony tamin’i Davida ny tenany?
14 Tsy nivadika tamin’ny fanekena nataony tamin’i Davida i Jehovah. Nanolo-kevitra ny hanome famantarana izy, ary dia hanome famantarana tokoa! Hoy i Isaia, nanohy ny teniny: “Ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan-anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataony hoe Imanoela. Rehefa mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, dia rononomandry sy tantely no ho fihinany. Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.”—Isaia 7:14-16.
15. Fanontaniana roa inona avy no valian’ilay faminaniana momba an’i Imanoela?
15 Izany dia vaovao tsara ho an’izay rehetra natahotra sao hofaranan’ny mpanafika ny tarana-mpanjaka davidika. Ny hoe “Imanoela” dia midika hoe “Momba Antsika Andriamanitra”. Nomba ny Joda tokoa Andriamanitra, ka tsy hamela ny hanafoanana ilay fanekena nataony tamin’i Davida. Fanampin’izany, i Ahaza sy ny vahoakany dia tsy vitan’ny hoe nilazana izay hataon’i Jehovah, fa ny fotoana hanaovany izany koa. Alohan’ny hahaizan’ilay zazalahy Imanoela hanavaka ny tsara sy ny ratsy, dia ho ringana ireo firenena fahavalo. Ary dia tanteraka tokoa izany!
16. Inona no mety ho antony namelan’i Jehovah an’ilay Imanoela tamin’ny andron’i Ahaza tsy ho fantatra mazava?
16 Tsy ahariharin’ny Baiboly hoe iza ilay zaza Imanoela. Koa satria ho famantarana anefa ilay zaza Imanoela, ary nanambara i Isaia tatỳ aoriana fa “famantarana” ny tenany sy ireo zanany, dia nety ho zanakalahin’ilay mpaminany koa i Imanoela. (Isaia 8:18). Angamba navelan’i Jehovah tsy ho fantatra mazava ilay Imanoela tamin’ny andron’i Ahaza, mba tsy ho voahelingelina tsy hahafantatra ilay Imanoela Lehibe ireo taranaka atỳ aoriana. Iza moa izany?
17. a) Iza moa ilay Imanoela Lehibe, ary inona no hevitry ny fahaterahany? b) Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao no afaka mihiaka hoe “Momba antsika Andriamanitra”?
17 Ankoatra ny bokin’i Isaia, dia indray mandeha monja no ahitana ny anarana hoe Imanoela ao amin’ny Baiboly, dia ao amin’ny Matio 1:23. Nanome tsindrimandry an’i Matio i Jehovah mba hampiharana ny faminaniana ny amin’ny fahaterahan’i Imanoela tamin’ny fahaterahan’i Jesosy, Ilay manana ny zo handova ny seza fiandrianan’i Davida. (Matio 1:18-23). Ny nahaterahan’ilay Imanoela voalohany dia famantarana fa tsy hahafoy ny taranak’i Davida Andriamanitra. Toy izany koa, ny nahaterahan’i Jesosy, ilay Imanoela Lehibe, dia famantarana fa tsy nahafoy ny taranak’olombelona na ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana nataony tamin’ny taranak’i Davida, Andriamanitra. (Lioka 1:31-33). Noho ilay solontena lehibe indrindran’i Jehovah teo anivon’ny olombelona, dia afaka nilaza marina i Matio hoe: “Momba antsika Andriamanitra.” (NW ). Ankehitriny, dia Mpanjaka efa manapaka any an-danitra i Jesosy, ary momba ny kongregasionany eto an-tany. (Matio 28:20). Tena vao mainka nanana antony fanampiny hanaovana hiaka amim-pahasahiana ny vahoakan’Andriamanitra hoe: “Momba antsika Andriamanitra”!
Vokatra hafa koa, noho ny fivadihana
18. a) Nahoana no nampihorohoro an’ireo mpihaino azy ny tenin’i Isaia nanaraka? b) Fiovan-javatra inona no hitranga tsy ho ela?
18 Na dia tena nampionona aza ireo teniny farany, ilay fanambaran’i Isaia manaraka kosa dia nampihorohoro an’ireo mpihaino azy: “Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao izay andro tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda (dia ny mpanjakan’i Asyria)”. (Isaia 7:17). Eny, ho avy ny loza, ary avy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria. Ny fahatsinjovana ny hotapahin’ny Asyrianina nalaza ho lozabe dia tsy maintsy ho nahatonga an’i Ahaza sy ny vahoakany tsy hahita tory nandritra ny alina maro. Nanjohy hevitra i Ahaza fa raha nisakaiza tamin’i Asyria ny tenany, izany dia hanafaka azy amin’i Isiraely sy i Syria. Nanaiky ny fitalahoan’i Ahaza tokoa ny mpanjakan’i Asyria, tamin’ny fanafihana an’i Isiraely sy i Syria tamin’ny farany. (2 Mpanjaka 16:9). Izany angamba no antony nahavoatery an’i Peka sy i Rezina hamarana ny fanaovany fahirano an’i Jerosalema. Hita, araka izany, fa tsy afaka naka an’i Jerosalema ilay vondrona syrianina-isiraelita. (Isaia 7:1). Izao anefa dia nanaitra an’ireo mpihaino azy i Isaia, tamin’ny filazana fa i Asyria, ilay mpiaro nantenain’izy ireo, dia ho tonga mpampahory azy!—Ampitahao amin’ny Ohabolana 29:25.
19. Mirakitra fampitandremana inona ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao io fitantaran-javatra tena nitranga io?
19 Ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao, dia mirakitra fampitandremana io fitantaran-javatra tena nitranga io. Rehefa ao anatin’ny fanerena isika, dia mety halaim-panahy hampandefitra foto-pitsipika kristianina, izay hahatonga antsika hanilika ny fiarovan’i Jehovah. Tsy fitsinjovana lavitra ny fanaovana izany, famonoan-tena mihitsy aza, toy ny hita miharihary avy amin’ireo teny nanampin’i Isaia. Nanohy ny teniny ilay mpaminany, ka nilaza ny hanafihan’ny Asyrianina ilay tany sy ny mponina tao.
20. Iza moa ireo “lalitra” sy ‘tantely’, ary inona no hataon’izy ireo?
20 Nozarain’i Isaia efatra ny faminaniany, ka ny tsirairay aminy dia samy manambara mialoha izay hitranga “amin’izany andro izany”—izany hoe amin’ny andro hanafihan’i Asyria an’i Joda. “Amin’izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ny faran’ny onin’i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ny tany Asyria; dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ny saha fiandrasana rehetra.” (Isaia 7:18, 19). Toy ny andian-tantely sy lalitra ireo tafik’i Ejipta sy i Asyria, hibanjina ny Tany Nampanantenaina. Tsy ho fanafihana hihelina akory izany. Hanorim-ponenana ireo “lalitra” sy ‘tantely’, ka hitsofoka any amin’ny toerana takona sy miafina rehetra amin’ilay tany.
21. Amin’ny heviny ahoana ny mpanjakan’i Asyria no ho sahala amin’ny hareza?
21 Nanohy ny teniny toy izao i Isaia: “Amin’izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra amin’ny hareza nohofana any amoron’ny Ony (dia ny mpanjakan’i Asyria); ary ny volom-bava hokakasana amin’iny koa.” (Isaia 7:20). Izao dia i Asyria irery, ilay fandrahonana lehibe indrindra, no voatonona. Nanofa ny mpanjakan’i Asyria i Ahaza mba “hanaratra” an’i Syria sy i Isiraely. Kanefa, io “hareza nohofana” avy tany amin’ny faritr’i Eofrata io dia hamely ny ‘lohan’i’ Joda, izay hokakasany, ka hanesotra hatramin’ny volombavany mihitsy aza!
22. Ohatra inona avy no nampiasain’i Isaia mba hampisehoana ny vokatry ny fanafihan’i Asyria nananontanona?
22 Inona no ho vokany? “Amin’izany andro izany dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona; ary noho ny haben’ny ronono azo avy amin’ireo dia hihinana rononomandry izy; fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.” (Isaia 7:21, 22). Rehefa ho avy ‘nanaratra’ ny tany ny Asyrianina, dia olona vitsy dia vitsy no ho tavela, hany ka biby vitsy kely monja dia ho ampy mba hanome hanina. “Rononomandry sy tantely” no hohanina—tsy hisy zavatra hafa, na divay, na mofo, na foto-tsakafo hafa. Toy ny hoe mba hanamafisana fa tena ho lao tanteraka ilay tany, dia nilaza intelo i Isaia fa tany amin’ny nisian’ny tany namokatra sy sarobidy, dia hanirian’ny tsilo sy ny ahidratsy izao. Ireo izay sahisahy ho any ambanivohitra dia hila “zana-tsipìka sy tsipìka”, mba hiarovan-tena amin’ny biby mamitsaka ao anaty lobolobo. Ireo saha natao madiodio dia hanjary tany hohitsakitsahin’ny omby aman’ondry. (Isaia 7:23-25). Tamin’ny andron’i Ahaza ihany, dia efa nanomboka tanteraka io faminaniana io.—2 Tantara 28:20.
Faminaniana araka ny marina
23. a) Inona izao no nasaina nataon’i Isaia? b) Ahoana no nanamarinana ilay famantarana ny amin’ilay takelaka lehibe?
23 Izao i Isaia dia niverina tamin’ny tarehin-javatra tamin’ny androny. Raha mbola nataon’ny firaisan-tetika Syrianina-Isiraelita fahirano i Jerosalema, dia nanao izao tatitra izao i Isaia: “Hoy Jehovah tamiko: Mangalà fàfana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: ‘Ho an’i Mahera-salala-hasi-baza.’ Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia.” (Isaia 8:1, 2). Ny anaran’i Mahera-salala-hasi-baza dia midika hoe “Avy Faingana ny Famaboana, Mimaona ny Fandrobana”. Nangataka lehilahy roa nohajaina teo amin’ny mpiara-monina mba hanamarina ny nanoratany an’io anarana io teo amin’ny takelaka lehibe iray i Isaia, mba hahafahan’izy ireo hanamafy ny fahamarinan’ilay soratra any aoriana. Tokony hohamarinin’ny famantarana iray faharoa anefa io famantarana iray io.
24. Inona no tokony ho vokatr’ilay famantarana ny amin’i Mahera-salala-hasi-baza teo amin’ny vahoakan’i Joda?
24 Hoy i Isaia: “Ary nankany amin’ny mpaminanivavy aho; dia nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza. Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asyria ny haren’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.” (Isaia 8:3, 4). Na ilay takelaka lehibe na ilay zazalahy kely vao teraka dia samy ho famantarana fa tsy ho ela dia hamabo an’i Syria sy i Isiraely, mpampahory an’i Joda, i Asyria. Tsy ho ela rahoviana? Alohan’ny hahaizan’ilay zazalahy hiteny ireo teny voalohany hain’ny ankamaroan’ny zazakely—“Idada” sy “Ineny”. Tokony hampiorina ny fatokisan’ilay vahoaka an’i Jehovah ny faminaniana araka ny marina toy izany. Na koa, nety hahatonga ny sasany haneso an’i Isaia sy ny zanany izany. Na ahoana na ahoana, dia tanteraka ireo teny ara-paminanian’i Isaia.—2 Mpanjaka 17:1-6.
25. Fitoviana inona avy no hita eo amin’ny andron’i Isaia sy ny andro ankehitriny?
25 Afaka mandray fianarana avy amin’ireo fampitandremana naverimberin’i Isaia ny Kristianina. Nahariharin’ny apostoly Paoly amintsika fa tao amin’io fisehoan-javatra ara-tantara io, i Isaia dia nampiseho an’i Jesosy Kristy, ary ireo zanak’i Isaia, nampiseho an’ireo voahosotra, mpianatr’i Jesosy. (Hebreo 2:10-13). Nampahatsiahivin’i Jesosy tamin’ny alalan’ireo voahosotra, mpanara-dia azy eto an-tany, ny Kristianina marina, fa mila ‘miambina’ izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao. (Lioka 21:34-36). Etsy an-danin’izany, ireo mpanohitra tsy mibebaka dia ampitandremana ny amin’ny fandringanana azy ho avy, na dia raisin’izy ireo amin’ny fanesoana aza ny fampitandremana toy izany matetika. (2 Petera 3:3, 4). Ny fahatanterahan’ireo faminaniana mifandray amin’ny fotoana, tamin’ny andron’i Isaia dia antoka fa ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra ho an’ny androntsika koa dia ‘tsy maintsy ho avy, ary tsy ho diso aoriana’.—Habakoka 2:3, NW.
“Rano” mandrava
26, 27. a) Fisehoan-javatra inona avy no nambaran’i Isaia mialoha? b) Milaza inona ho an’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao ireo tenin’i Isaia?
26 Nanohy ny fampitandremany toy izao i Isaia: “Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’i Remalia, dia, indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ny Ony (dia ny mpanjakan’i Asyria sy ny voninahiny rehetra); ary ny masondranony rehetra ho tondraka, ary ny morony rehetra hihoarany; dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ny Joda ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany mandra-pahatongany havozona; ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.”—Isaia 8:5-8.
27 “Ity firenena ity”, ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, dia nanda ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida. (2 Mpanjaka 17:16-18). Tamin’izy ireo, dia nalemy toy ireo rano nitsitaitaikan’i Siloa, izay famatsian-dranon’i Jerosalema, izy io. Niravoravo izy ireo, rehefa niady tamin’ny Joda. Tsy ho afa-maina anefa io fanamavoana io. Hamela ny Asyrianina “hanafotra”, na handresy tanteraka, an’i Syria sy i Isiraely i Jehovah, toy ny hamelany tsy ho ela ny lafiny ara-politika ankehitriny amin’ity tontolo ity hanafotra ny faritra anapahan’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:16; ampitahao amin’ny Daniela 9:26.) Manaraka izany, hoy i Isaia, ireo “rano” nisondrotra dia “himaona fatratra (...) ka hihatra amin’ny Joda”, ary ho tonga “havozona”, hatrany Jerosalema, nisy ny lohan’i Joda (ny mpanjakany).b Amin’izao androntsika izao, ireo lafiny ara-politika izay hamono ho faty ny fivavahan-diso dia hitady hangeja ny mpanompon’i Jehovah toy izany koa, ka hanodidina azy ireo ary ho tonga “havozona”. (Ezekiela 38:2, 10-16). Inona no hiafaran’izany? Inona moa no nitranga tamin’ny andron’i Isaia? Moa ve ny Asyrianina nanafotra ireo mandan’ilay tanàna, ka nandripaka ny vahoakan’Andriamanitra? Tsia. Nomba azy ireo Andriamanitra.
Aza matahotra—“Momba antsika Andriamanitra!”
28. Na dia niezaka izaitsizy aza ireo fahavalon’ny Joda, inona no toky nomen’i Jehovah ny vahoakany?
28 Nampitandrina i Isaia hoe: “Misafoaha ihany hianareo, ry firenena [manohitra ny vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena] ô, nefa mbola ho ringana mihitsy hianareo; ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; eny, misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy. Makà saina ihany hianareo, nefa mbola hofoanana izany; milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; fa aminay Andriamanitra.” (Isaia 8:9, 10). Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, nandritra ny fanjakan’i Hezekia, zanaka nahatokin’i Ahaza, dia tanteraka ireo teny ireo. Rehefa nandrahona an’i Jerosalema ny Asyrianina, dia namono ho faty 185 000 taminy ny anjelin’i Jehovah iray. Mazava fa nomba ny vahoakany sy ny tarana-mpanjakan’i Davida Andriamanitra. (Isaia 37:33-37). Mandritra ny adin’i Haramagedona ho avy, dia haniraka an’ilay Imanoela Lehibe toy izany koa i Jehovah, tsy hoe mba handringanana ny fahavalony fotsiny, fa mba hamonjena an’izay rehetra mitoky Aminy koa.—Salamo 2:2, 9, 12.
29. a) Inona no tsy nitovian’ny Jiosy tamin’ny andron’i Ahaza sy ny Jiosy tamin’ny andron’i Hezekia? b) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao no tsy manao fifanekena amin’ny fivavahana na ny politika?
29 Tsy toy ny Jiosy tamin’ny andron’i Hezekia ireo niara-belona tamin’i Ahaza, fa tsy nanam-pinoana ny fiarovan’i Jehovah. Tian’izy ireo kokoa ny fiaraha-mioko, na “tetika fikomiana”, tamin’ny Asyrianina, ho fiarovana tamin’ny vondrona syrianina-isiraelita. Kanefa, ny ‘tanan’i Jehovah’ dia nanosika an’i Isaia hanameloka “ny falehan’ity firenena ity”, na ny fanarahan-driandrano. Nampitandrina izy hoe: “Aza matahotra izay atahorany na mangovitra hianareo. Jehovah, Tompon’ny maro, no hasino; ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary Izy ihany no hangovitanareo.” (Isaia 8:11-13). Mitadidy izany ao an-tsaina ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, ka mitandrin-tena tsy hiara-mioko amin’ny antoko ara-pivavahana sy ny vondrona ara-politika na hitoky amin’izy ireny. Matoky tanteraka ny fiarovan’Andriamanitra ny mpanompony. Rehefa dinihina tokoa, raha ‘Jehovah no miandany amintsika, inona no azon’ny olona atao amintsika?’—Salamo 118:6.
30. Inona no hiafaran’ireo izay tsy mitoky amin’i Jehovah?
30 Manohy ny teniny i Isaia, ary mamerina fa ho “fitoerana masina”, na fiarovana, ho an’izay mitoky aminy i Jehovah. Mifanohitra amin’izany kosa fa ireo izay mandà azy dia “ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana ary ho voafandrika sy ho voasambotra”—matoanteny dimy mazava tsara ny amin’ny fiafarana azo antoka hanjo an’ireo izay tsy mitoky amin’i Jehovah. (Isaia 8:14, 15). Tamin’ny taonjato voalohany, ireo izay nanda an’i Jesosy dia tafintohina sy nianjera toy izany koa. (Lioka 20:17, 18). Ankehitriny koa, dia fiafarana mitovy amin’izany no miandry an’ireo izay tsy mety manohana amim-pahatokiana an’ilay Mpanjaka nahazo fiandrianana any an-danitra, dia i Jesosy.—Salamo 2:5-9.
31. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina amin’izao andro izao manaraka ny ohatr’i Isaia sy ny an’ireo izay nihaino ny fampianarany?
31 Tamin’ny andron’i Isaia, dia tsy ny rehetra akory no tafintohina. Hoy i Isaia: “Fehezo ny teni-vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro. Ary hiandry an’i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba, ka hanantena Azy ihany aho.” (Isaia 8:16, 17). Tsy handao ny Lalàn’Andriamanitra i Isaia sy ireo izay mitandrina ny fampianarany. Tsy mitsahatra mitoky amin’i Jehovah izy ireo, na dia tsy nety nanao izany aza ireo mpiray tanindrazana taminy, izay naditra ka nanafenan’i Jehovah ny tavany. Enga anie isika hanaraka ny ohatr’ireo izay nitoky tamin’i Jehovah, ka ho tapa-kevitra sahala aminy ny hifikitra amin’ny fivavahana marina!—Daniela 12:4, 9; Matio 24:45; ampitahao amin’ny Hebreo 6:11, 12.
“Famantarana sy fahagagana”
32. a) Iza amin’izao andro izao no “famantarana sy fahagagana”? b) Nahoana ny Kristianina no tokony hiavaka amin’ity tontolo ity?
32 Izao dia nanambara i Isaia hoe: “Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ny Isiraely avy amin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.” (Isaia 8:18). Eny, i Isaia sy i Seara-jasoba ary i Mahera-salala-hasi-baza dia famantarana ny amin’ny fikasan’i Jehovah ho an’ny Joda. Amin’izao andro izao, dia famantarana toy izany koa i Jesosy sy ireo rahalahiny voahosotra. (Hebreo 2:11-13). Ary ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” dia manatevin-daharana azy ireo eo amin’ny asany. (Apokalypsy 7:9, 14; Jaona 10:16). Mazava ho azy fa tsy misy vidiny ny famantarana iray, raha tsy miavaka eo amin’ny misy azy. Toy izany koa, ny Kristianina dia tsy ho famantarana manatontosa ny asa nanirahana azy, raha tsy miavaka, na miseho ho hafa, eto amin’ity tontolo ity, ary mametraka ny fitokisany feno amin’i Jehovah sy manambara amim-pahasahiana ny fikasany.
33. a) Tapa-kevitra ny hanao inona moa ny Kristianina marina? b) Nahoana ny Kristianina marina no ho afaka hiorina mafy?
33 Aoka àry ny rehetra hanaraka ny fari-pitsipik’Andriamanitra, fa tsy ny an’ity tontolo ity. Aoka ianareo hiavaka hatrany tsy amin-tahotra—toy ny famantarana—sy hanatontosa ilay asa nanirahana an’ilay Isaia Lehibe, dia i Jesosy Kristy, mba ‘hitory ny taona ankasitrahana sy ny andro famalian’Andriamanitsika’. (Isaia 61:1, 2; Lioka 4:17-21). Eny tokoa, rehefa hanafotra ny tany manontolo, toy ny safodrano, ny Asyrianina—na dia ho tonga hatreo amin’ny vozontsika aza izy—dia tsy ho ripaka ny Kristianina marina. Hiorina mafy isika, satria “momba antsika Andriamanitra”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila tsipiriany fanampiny momba ny fahatanterahan’io faminaniana io, dia jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky 1, pejy 61 sy 791, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Ampitahaina amin’ny vorona iray mampivelatra ny elany, izay “hanenika ny taninao”, koa i Asyria. Araka izany, na aiza na aiza hitaran’ilay tany, dia ho rakotry ny tafika asyrianina izy io.
[Sary, pejy 103]
Nitondra an’i Seara-jasoba niaraka taminy i Isaia, fony izy nampita ny hafatr’i Jehovah tamin’i Ahaza
[Sary, pejy 111]
Nahoana i Isaia no nanoratra hoe “Mahera-salala-hasi-baza” teo amin’ny takelaka lehibe iray?