Toko Fahafolo
Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray
1. Inona no niainan’ny taranak’olombelona hatramin’ny andron’i Kaina?
TOKONY ho enina arivo taona lasa izay, dia teraka ny zazakely olombelona voalohany. Kaina no anarany, ary tena manokana ny fahaterahany. Na ny ray aman-dreniny, na ireo anjely, ary na dia ny Mpamorona aza, dia mbola tsy nahita zazakely olombelona talohan’io. Nety ho nitondra fanantenana ho an’ny taranak’olombelona voaheloka io zaza vao teraka io. Toy inona àry ny fahadisoam-panantenana, nony tonga mpamono olona izy, rehefa lehibe! (1 Jaona 3:12). Hatramin’izay, ny olombelona dia nahita vonoan’olona tsy hita isa. Tsy mihavana amin’izy samy izy, na amin’Andriamanitra, ny olombelona, izay manana fironana hanao ratsy.—Genesisy 6:5; Isaia 48:22.
2, 3. Fahatsinjovan-javatra inona avy no nosokafan’i Jesosy Kristy, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana izany fitahiana izany?
2 Tokony ho efatra arivo taona taorian’ny nahaterahan’i Kaina, dia nisy zazakely iray hafa teraka. Jesosy no anarany, ary tena manokana koa ny fahaterahany. Virjiny no niteraka azy, tamin’ny alalan’ny fanahy masina—ka izany no hany fahaterahana toy izany teo amin’ny tantara. Tamin’ny fotoana nahaterahany, dia nisy anjely falifaly maro be nihira fiderana ho an’Andriamanitra hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:13, 14). Tsy mpamono olona velively i Jesosy, fa vao mainka aza nanokatra ny lalana hihavanan’ny olombelona amin’Andriamanitra sy hahazoana fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16; 1 Korintiana 15:55.
3 Naminany i Isaia fa hantsoina hoe “Andrian’ny Fiadanana” i Jesosy. (Isaia 9:5). Hanolotra ny ainy mba hamonjena ny olombelona izy, ka hahatonga ny famelan-keloka hety. (Isaia 53:11). Ankehitriny, dia azo atao ny mihavana amin’Andriamanitra sy mahazo famelan-keloka, miorina amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Tsy tonga ho azy anefa izany fitahiana izany. (Kolosiana 1:21-23). Izay maniry hahazo azy ireo dia tsy maintsy mianatra ny hankatò an’i Jehovah Andriamanitra. (1 Petera 3:11; ampitahao amin’ny Hebreo 5:8, 9.) Tamin’ny andron’i Isaia, dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no nataon’ny Isiraely sy ny Joda.
Nitodika tany amin’ireo demonia izy ireo
4, 5. Nanao ahoana ny toe-javatra tamin’ny andron’i Isaia, ary tany amin’iza no nitodihan’ny sasany?
4 Noho ny tsy fankatoavan’izy ireo, dia nahonena ny fitondran-tenan’ireo niara-belona tamin’i Isaia, ka toy ny hoe tao amin’ny lavaka maizina ara-panahy izy ireo. Na dia ny fanjakan’ny Joda tany atsimo, izay nisy ny tempolin’Andriamanitra, aza dia tsy nanana fiadanana. Ho vokatry ny fivadihany, dia norahonan’ny fanafihan’ny Asyrianina ny vahoakan’i Joda, ary fotoan-tsarotra no niandry azy ireo. Taiza izy ireo no nitodika mba hahazoana fanampiana? Mampalahelo fa maro no nitodika tany amin’i Satana, fa tsy tany amin’i Jehovah. Tsia, tsy hoe niantso an’i Satana tamin’ny anarany izy akory, fa sahala amin’i Saoly Mpanjaka taloha kosa, dia nanao spiritisma izy ireo, ka nitady valiny ho an’ny zava-nanahirana azy, tamin’ny fitadiavana hifandray tamin’ny maty.—1 Samoela 28:1-20.
5 Nisy aza nampirisika mihitsy ny fanarahana io fanao io. Nanondro io fivadiham-pinoana io i Isaia, fony izy niteny hoe: “Raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Fa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?” (Isaia 8:19). Afaka mamitaka ny olona ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, izay “mitsiatsiaka sy miboeriboerika”. Ny feo aterak’izany, izay lazaina fa avy amin’ny fanahy (esprit) an’ireo maty, dia azo avy amin’ny fitenenana toy ny avy any an-kibo, fampiasan’ny olona mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy. Indraindray anefa, dia mety hamaly mivantana ireo demonia, ka hiseho ho ilay olona maty, toy ny toa nitranga fony i Saoly naka saina tamin’ilay mpilalao ody tany Endora.—1 Samoela 28:8-19.
6. Nahoana ny Isiraelita izay nitady ny fanampian’ny spiritisma, no mendrika hotsinina indrindra?
6 Izany rehetra izany dia nitranga tao Joda, na dia efa noraran’i Jehovah aza ny fanaovana spiritisma. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia mendrika ny hanamelohana ho faty ny fanaovana spiritisma. (Levitikosy 19:31; 20:6, 27; Deoteronomia 18:9-12). Nahoana ny vahoaka iray, izay fananana manokan’i Jehovah, no nanao fahotana lehibe toy izany? Satria nanda ny Lalàn’i Jehovah sy ny toroheviny izy ireo, ka tonga “mafy fo noho ny famitahan’ny ota”. (Hebreo 3:13). “Nanjary donto tsy misy hafa amin’ny tavy ny fony”, ka nanjary tafasaraka tamin’ny Andriamaniny izy ireo.—Salamo 119:70, NW.a
7. Ahoana no anahafan’ny olona maro ankehitriny ny Isiraelita tamin’ny andron’i Isaia, ary inona no hiafaran’ny olona toy izany, raha tsy mibebaka izy?
7 Azo inoana fa ny fanjohian-kevitr’izy ireo dia hoe: ‘Hahasoa antsika amin’inona moa izay Lalàn’i Jehovah, isika aza efa hotafihin’ny Asyrianina?’ Nitady vahaolana haingana sady mora mba hivoahana tamin’ilay toerana sarotra nisy azy izy ireo, ka tsy vonona ny hiandry ny hanatanterahan’i Jehovah ny sitrapony. Amin’izao androntsika izao koa, dia maro no tsy miraharaha ny lalàn’i Jehovah, ka mitady mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, sy mijery tombam-bintana, ary mitady fanampiana any amin’ny endriny hafa amin’ny asan’ny maizina, mba handaminana ny zava-manahirana azy. Kanefa, ny fitadiavan’ny velona valiny avy amin’ny maty amin’izao andro izao dia mahatsikaiky, toy ny tamin’ny taloha ihany. Ny hoavin’izay rehetra manao ireo zavatra ireo, ka tsy mibebaka, dia hitovy amin’ny an’ny “mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny (...) mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra”. Tsy afaka manantena fiainana amin’ny hoavy izy ireo.—Apokalypsy 21:8.
Ny ‘lalàna sy ny teny vavolombelon’Andriamanitra’
8. Inona ilay “lalàna” sy ilay “teni-vavolombelona” tokony hitodihantsika ankehitriny, mba hahazoana tari-dalana?
8 Tsy niafina tamin’ny Joda ny lalàn’i Jehovah nandrara ny spiritisma, ary koa ny didiny hafa. Notahirizina an-tsoratra izy ireo. Ankehitriny, dia efa feno, fa tsy mila hampiana, ny Teniny izay natao an-tsoratra. Izany dia ny Baiboly, izay mirakitra, tsy ny fitambaran’ireo lalàny sy fitsipiny ihany, fa fitantarana ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny vahoakany koa. Io fitantaran’ny Baiboly momba ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany io dia mahaforona teny vavolombelona, na fanamarinana, izay mampianatra antsika momba ny toetran’i Jehovah sy ireo lafin-toetra mampiavaka azy. Tsy tokony ho naka saina tany amin’ny maty ny Isiraelita, fa taiza kosa no tokony ho nitadiavany tari-dalana? Hoy ny navalin’i Isaia: “Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany!” (Isaia 8:20a). Eny, tokony hitodika any amin’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ireo izay mitady fahazavana ara-panahy marina.
9. Moa ve ny fakana teny avy ao amin’ny Baiboly tsindraindray, misy vidiny ho an’ny mpanota tsy mibebaka?
9 Nety ho nihambo ho nanaja ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ny Isiraelita sasany izay nitsabaka tamin’ny spiritisma. Sady poakaty no feno fihatsarambelatsihy anefa ny fihamboana toy izany. Hoy i Isaia: “Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina.” (Isaia 8:20b). Inona io teny resahin’i Isaia eo io? Angamba ilay teny hoe: “Ho amin’ny Lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany!” Nety ho niresaka momba ny Tenin’Andriamanitra ny sasany tamin’ireo Isiraelita nivadi-pinoana, tsy misy hafa amin’ny mety hanononan’ny mpivadi-pinoana sy ny hafa, teny avy amin’ny Soratra Masina amin’izao andro izao. Teny fotsiny anefa izany. Tsy hitarika ho amin’ny “fahazavan’ny maraina”, na ny fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah, velively ny fanononana teny avy amin’ny Soratra Masina, raha tsy omban’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah sy ny fialana amin’ny fanao maloto.b
“Mosary (...), tsy fanirian-kanina anefa”
10. Ahoana no nijalian’ny vahoakan’ny Joda, noho ny nandavany an’i Jehovah?
10 Mitarika ho amin’ny haizina ara-tsaina ny tsy fankatoavana an’i Jehovah. (Efesiana 4:17, 18). Teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia nanjary jamba, tsy nahay nahazo hevi-javatra, ny vahoakan’i Joda. (1 Korintiana 2:14). Toy izao no nilazalazan’i Isaia ny toe-piainana nisy azy ireo: “Samy hivezivezy amin’ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena”. (Isaia 8:21a). Noho ny fivadihan’ilay firenena—indrindra fa nandritra ny fanjakan’i Ahaza Mpanjaka—dia nety tsy hitohy ho fanjakana nahaleo tena intsony i Joda. Voahodidina fahavalo ilay firenena. Nanafika tsikelikely an’ireo tanàna rehetran’i Joda ny tafika asyrianina. Nataon’ny fahavalo lao ilay tany namokatra, ka nanjary zara raha nahitana hanina. Maro no ‘sady nahantra no mosarena’. Nisy karazana mosary hafa koa anefa nampahory an’ilay tany. Am-polony taona vitsivitsy talohan’izay, dia naminany toy izao i Amosa: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11). Nijaly noho izany mosary ara-panahy izany indrindra izao ny Joda!
11. Handray fianarana avy amin’ny famaizana azony ve ny Joda?
11 Handray fianarana ve ny Joda, ka hiverina ho amin’i Jehovah? Hiala amin’ny spiritisma sy ny fanompoan-tsampy ve ny vahoakany, ka hiverina “ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany”? Toy izao ny ho fihetsiny, araka ny nahitan’i Jehovah azy mialoha: “Rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra”. (Isaia 8:21b). Eny, maro no hanome tsiny ny mpanjakany olombelona, noho ny fitarihany azy ireo ho amin’io tarehin-javatra io. Ny sasany aza hanome tsiny an’i Jehovah amin-kadalana, noho ny loza nanjo azy! (Ampitahao amin’ny Jeremia 44:15-18.) Ankehitriny, dia maro no manana fihetsika toy izany, ka manome tsiny an’Andriamanitra, noho ny loza ateraky ny faharatsian’ny olombelona.
12. a) Nitarika ny Joda ho amin’inona moa ny fialany tamin’Andriamanitra? b) Fanontaniana lehibe inona avy no mipoitra?
12 Hitondra fiadanana ho an’ny mponin’i Joda ve ny fanozonana an’Andriamanitra? Tsia. Hoy ny nambaran’i Isaia mialoha: “Hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, ary horoahina ho any amin’ny aizim-pito izy.” (Isaia 8:22). Rehefa niandrandra ny lanitra mba hanome tsiny an’Andriamanitra izy ireo, dia hitodika hijery ny tany indray, ka hahita indray ny tsy fananany fanantenana. Nitarika ho amin’ny loza ny fialany tamin’Andriamanitra. (Ohabolana 19:3). Ahoana anefa ny amin’ireo fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba? (Genesisy 22:15-18; 28:14, 15). Tsy hitana ny teny nataony ve i Jehovah? Hamarana ilay tarana-mpanjaka nampanantenaina an’i Joda sy i Davida ve ny Asyrianina na ny hery ara-tafika iray hafa? (Genesisy 49:8-10; 2 Samoela 7:11-16). Ho voaheloka ho amin’ny fahamaizinana mandrakizay ve ny Isiraelita?
Tany iray ‘natao tsinontsinona’
13. Inona moa ilay “Galilia, tanin’ny jentilisa”, ary tamin’ny ahoana izy io no nanjary ‘natao tsinontsinona’?
13 Izao i Isaia dia manisy firesahana momba ny iray tamin’ireo loza aman’antambo ratsy indrindra nahazo ny taranak’i Abrahama: “Tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; fa amin’ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny làlana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, dia Galilia, tanin’ny jentilisa.” (Isaia 8:23). Faritany tao amin’ny fanjakan’i Isiraely tany avaratra i Galilia. Ao amin’ny faminanian’i Isaia, izy io dia mahafaoka “ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly”, ary koa ‘ny lalana teo amoron-dranomasina’, izay lalana tranainy iray avy teny akaikin’ny Ranomasin’i Galilia ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediterane. Tamin’ny andron’i Isaia, dia nantsoina hoe “Galilia, tanin’ny jentilisa”, io faritra io, angamba satria maro tamin’ireo tanàna tao no nonenan’ny tsy Isiraelita.c Tamin’ny ahoana io tany io no ‘natao tsinontsinona’? Nandresy azy io ireo Asyrianina mpanompo sampy, ka nitondra ny Isiraelita tany an-tsesitany, ary namponina mpanompo sampy, izay tsy taranak’i Abrahama, nanerana an’ilay faritra. Nanjavona tsy hita teo amin’ny tantara intsony àry ilay fanjakan’ny foko folo tany avaratra!—2 Mpanjaka 17:5, 6, 18, 23, 24.
14. Amin’ny heviny ahoana no tsy “hanjombona” loatra, tahaka ny fanjakan’ny foko folo, ny Joda?
14 I Joda koa dia teo ambanin’ny faneren’ny Asyrianina. Hanjary “hanjombona” maharitra, toy ilay fanjakan’ny foko folo, nasehon’i Zebolona sy i Naftaly, koa ve izy io? Tsia. “Amin’ny aoriana”, i Jehovah dia hanome fitahiana an’ilay faritry ny fanjakan’i Joda tany atsimo, ary na dia an’ilay tany notapahin’ny fanjakana tany avaratra koa aza. Amin’ny fomba ahoana?
15, 16. a) “Amin’ny aoriana” oviana no hiovan’ny toe-javatra ho an’ny “zara-tanin’ny Zebolona sy ny Naftaly”? b) Tamin’ny ahoana ilay tany natao tsinontsinona no nanjary nomem-boninahitra?
15 Namaly io fanontaniana io ny apostoly Matio, tao amin’ny fitantarana ara-tsindrimandry nataony momba ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Hoy ny nolazain’i Matio momba ireo andro voalohany tamin’io fanompoana io: “Nony niala tany Nazareta [i Jesosy], dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ny zara-tanin’ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: ‘Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia, tanin’ny jentilisa, ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana.’ ”—Matio 4:13-16.
16 Eny, ilay “amin’ny aoriana” nambaran’i Isaia mialoha dia manondro ilay fotoana nanompoan’i Kristy teto an-tany. Tao Galilia no nandanian’i Jesosy ny ankabeazan’ny fiainany teto an-tany. Tao amin’ny zara-tanin’i Galilia izy no nanomboka ny fanompoany sy nanomboka nanambara hoe: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Tao Galilia izy no nanao ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra malaza, nifidy ireo apostoliny, nanao ny fahagagany voalohany, ary niseho tamin’ny mpanara-dia azy 500 teo ho eo, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Matio 5:1–7:27; 28:16-20; Marka 3:13, 14; Jaona 2:8-11; 1 Korintiana 15:6). Tamin’izany fomba izany no nanatanterahan’i Jesosy ny faminanian’i Isaia, tamin’ny fanomezam-boninahitra “ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly”. Mazava ho azy fa tsy noferan’i Jesosy ho amin’ny mponin’i Galilia ny fanompoany. Tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara nanerana ilay tany izy dia ‘nanome voninahitra’ ny firenen’ny Isiraely manontolo, anisan’izany ny Joda.
Ilay “mazava lehibe”
17. Ahoana no namirapiratan’ny “mazava lehibe” tao Galilia?
17 Ahoana anefa ny amin’ilay “mazava lehibe” tao Galilia, notononin’i Matio? Io koa dia teny avy tamin’ny faminanian’i Isaia. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.” (Isaia 9:1). Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia efa takon’ireo laingan’ny fanompoan-tsampy ny fahazavan’ny fahamarinana. Nanampy trotraka ilay zava-nanahirana ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy, tamin’ny fifikirana tamin’ny lovantsofiny ara-pivavahana, izay ‘nanafoana ny tenin’Andriamanitra’. (Matio 15:6). Nampahorina ireo nanetry tena, ka sanganehana, ary nanaraka “mpitarika jamba”. (Matio 23:2-4, 16). Fony niseho i Jesosy Mesia, dia nihiratra tamin’ny fomba nahatalanjona ny mason’ny olona nanetry tena maro. (Jaona 1:9, 12). Tena nety tsara ilay filazalazana hoe “mazava lehibe” nanondroan’ny faminanian’i Isaia ny asan’i Jesosy fony izy teto an-tany sy ireo fitahiana entin’ny sorony.—Jaona 8:12.
18, 19. Inona no antony nahatsapan’ireo izay nanaiky ilay fahazavana, fifaliana lehibe?
18 Nanana antony lehibe hifaliana ireo izay nanaiky ilay hazavana. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Hamaroinao ity firenena ity, ary ampitomboinao ny hafaliany; mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny [fifalian’ny] olona, raha mizara babo.” (Isaia 9:2). Ho vokatry ny asa fitoriana nataon’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy, dia niseho sehatra ireo olona tso-po, ka nampiseho fa naniry ny hanompo an’i Jehovah tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana. (Jaona 4:24). Tao anatin’ny efa-taona latsaka, dia olona sesehena no nanaiky ny Kristianisma. Telo arivo no natao batisa tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i. Tsy ela taorian’izay, dia “tonga tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy”. (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4). Rehefa nanome taratr’ilay hazavana tamin-jotom-po ireo mpianatra, dia “nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana”.—Asan’ny Apostoly 6:7.
19 Toy ireo mifaly noho ny vokatra tondraky ny fijinjana, na ireo miravoravo noho ny fizarana ny zavatra azo babo aorian’ny fandresena ara-tafika miezinezina iray, ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia nifaly noho ilay fitomboana. (Asan’ny Apostoly 2:46, 47). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nataon’i Jehovah namirapiratra teo amin’ireo firenena ilay hazavana. (Asan’ny Apostoly 14:27). Koa nifaly àry ny olona avy amin’ny firazanana rehetra, satria nisokatra ho azy ireo ny lalana hanatonana an’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 13:48.
“Tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana”
20. a) Tamin’ny fomba ahoana avy no nisehoan’ny Midianita ho fahavalon’ny Isiraely, ary ahoana no namaranan’i Jehovah io fandrahonana io? b) Amin’ny ‘andro hamelezana ny Midiana’ ho avy, ahoana no hamaranan’i Jesosy ilay fandrahonana avy amin’ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra?
20 Maharitra ny vokatry ny asa ataon’ny Mesia, araka ny hitantsika amin’ny tenin’i Isaia manaraka, manao hoe: “Ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny, izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana.” (Isaia 9:3). Taonjato maro talohan’ny andron’i Isaia, dia niara-nioko tamin’ny Moabita ny Midianita mba hamitahana ny Isiraelita hanota. (Nomery 25:1-9, 14-18; 31:15, 16). Tatỳ aoriana, dia nampihorohoro ny Isiraelita ny Midianita tamin’ny fanafihana tampoka sy tamin’ny fandrobana ny tanànany sy ny toeram-pamboleny sy fiompiany, nandritra ny fito taona. (Mpitsara 6:1-6). Tamin’izay anefa, i Jehovah, tamin’ny alalan’i Gideona mpanompony, dia nampandositra ny tafik’i Midiana. Taorian’io “andro namelezana ny Midiana” io, dia tsy nisy porofo hoe nampijalin’ny Midianita indray ny vahoakan’i Jehovah. (Mpitsara 6:7-16; 8:28). Amin’ny hoavy tsy ho ela, i Jesosy Kristy, ilay Gideona Lehibe, dia handringana ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. (Apokalypsy 17:14; 19:11-21). Avy eo, “tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana”, dia hisy fandresena feno sady maharitra ho azo, tsy noho ny hakingan’olombelona, fa noho ny herin’i Jehovah. (Mpitsara 7:2-22). Tsy hijaly eo ambanin’ny ziogan’ny fampahoriana intsony mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra!
21. Inona no asehon’ny faminanian’i Isaia momba izay hiafaran’ny ady?
21 Tsy fankalazana ny ady akory ny fanehoan’Andriamanitra ny heriny. I Jesosy tafatsangana amin’ny maty no ilay Andrian’ny Fiadanana, ary rehefa avy manafoana ny fahavalony izy, dia hampiditra fiadanana mandrakizay. Izao i Isaia dia miresaka momba ny fitaovana ara-tafika, izay kilan’ny afo tanteraka: “Ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.” (Isaia 9:4). Tsy ho tsapa intsony mihitsy ny horohoro hateraky ny fingadon’ny baotin’ny miaramila miara-mamindra. Tsy ho hita intsony ny fanamiana mihosin-dran’ireo miaramila zatra ady. Tsy hisy intsony ny ady!—Salamo 46:9.
‘Mpanolo-tsaina Mahagaga’
22. Anarana ara-paminaniana maro loha inona no nomena an’i Jesosy, ao amin’ny bokin’i Isaia?
22 Tamin’ny fotoana nahaterahany tamin’ny fomba mahagaga, ilay teraka mba ho ny Mesia, dia nahazo ny anarana hoe Jesosy, izay midika hoe “I Jehovah dia Famonjena”. Manana anarana hafa koa anefa izy, dia anarana ara-paminaniana izay manoritra ny anjara asany fototra sy ny toerany ambony. Ny iray amin’izany anarana izany dia hoe Imanoela, izay midika hoe “Momba Antsika Andriamanitra”. (Isaia 7:14, NW, fanamarihana ambany pejy). Izao i Isaia dia milaza anarana ara-paminaniana iray hafa: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, [Ray Mandrakizay, “NW” ], Andrian’ny fiadanana.” (Isaia 9:5). Diniho fa feno heviny io anarana ara-paminaniana maro loha io.
23, 24. a) Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no ‘Mpanolo-tsaina Mahagaga’? b) Ahoana no ahafahan’ny mpanolo-tsaina kristianina amin’izao andro izao manahaka ny ohatr’i Jesosy?
23 Ny mpanolo-tsaina dia olona iray manome torohevitra. Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, dia nanome torohevitra nahatalanjona. Ao amin’ny Baiboly isika dia mamaky fa “talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. (Matio 7:28). Mpanolo-tsaina hendry sy mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa izy, ary miavaka ny fahaizany mahazo ny fihevitry ny olombelona. Tsy voafetra ho amin’ny fitenenana mafy na ny fanasaziana ny toroheviny. Matetika kokoa no amin’ny endriky ny fampianarana sy ny torohevitra feno fitiavana no isehoan’ny toroheviny. Mahatalanjona ny torohevitr’i Jesosy, satria maneho fahendrena sy lavorary ary tsy mety diso. Rehefa arahina izy io, dia mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.—Jaona 6:68.
24 Tsy vokatry ny sainy mahiratra fotsiny akory ny torohevitr’i Jesosy. Hoy kosa izy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Toy ny tamin’i Solomona, dia i Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny fahendren’i Jesosy. (1 Mpanjaka 3:7-14; Matio 12:42). Ny ohatr’i Jesosy dia tokony hanosika ny mpampianatra sy ny mpanolo-tsaina ao amin’ny kongregasiona kristianina mba hampiorina foana ny fampianarany amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Ohabolana 21:30.
“Andriamanitra Mahery” sy “Ray Mandrakizay”
25. Inona no lazain’ilay anarana hoe “Andriamanitra Mahery” amintsika momba an’i Jesosy any an-danitra?
25 “Andriamanitra Mahery” sy “Ray Mandrakizay” koa i Jesosy. Tsy midika akory izany fa nandrombaka ny fahefana sy ny toeran’i Jehovah, ilay “Andriamanitra Raintsika”, izy. (2 Korintiana 1:2). “Tsy nihevitra akory ny fakana an-keriny [i Jesosy], izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.” (Filipiana 2:6, NW ). Antsoina hoe Andriamanitra Mahery izy, fa tsy hoe Andriamanitra Tsitoha. Tsy nieritreritra ny tenany ho ilay Andriamanitra Tsitoha mihitsy i Jesosy, satria niresaka momba ny Rainy ho ilay “Andriamanitra tokana sady marina”, izany hoe ilay hany Andriamanitra tokony hivavahana. (Jaona 17:3; Apokalypsy 4:11). Ao amin’ny Soratra Masina, ny teny hoe “andriamanitra” dia afaka midika hoe “izay mahery” na “izay matanjaka”. (Eksodosy 12:12; Salamo 8:5; 2 Korintiana 4:4). Talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, dia “andriamanitra” (NW ), izay “nisy araka ny endrik’Andriamanitra”, izy. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia niverina ho amin’ny toerana mbola ambony kokoa any an-danitra aza izy. (Jaona 1:1; Filipiana 2:6-11, NW ). Ankoatra izany, dia manana heviny fanampiny ny anarana hoe “andriamanitra”. Ny mpitsara teo amin’ny Isiraely dia nantsoina hoe “andriamanitra”—ary i Jesosy aza dia niantso azy ireo toy izany indray mandeha. (Salamo 82:6; Jaona 10:35). I Jesosy no ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah, “hitsara ny velona sy ny maty”. (2 Timoty 4:1; Jaona 5:30). Mazava àry fa mety ny iantsoana azy hoe Andriamanitra Mahery.
26. Nahoana isika no afaka miantso an’i Jesosy hoe “Ray Mandrakizay”?
26 Ilay anaram-boninahitra hoe “Ray Mandrakizay” dia manondro ny herin’ilay Mpanjaka Mesianika sy ny fahefany hanome ho an’ny olombelona ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. (Jaona 11:25, 26). Ny lova navelan’i Adama, ilay raintsika voalohany, dia ny fahafatesana. I Jesosy, ilay Adama farany, dia “natao fanahy mahavelona”. (1 Korintiana 15:22, 45; Romana 5:12, 18). Toy ny hiainan’ilay Ray Mandrakizay, dia i Jesosy, hatrany amin’ny mandrakizay, ny olombelona mankatò koa dia hahazo ireo soa hoentin’io ray io mandrakizay.—Romana 6:9.
“Andrian’ny Fiadanana”
27, 28. Soa mahatalanjona inona avy no azon’ireo olom-pehezin’ilay “Andrian’ny Fiadanana”, dieny izao sy amin’ny hoavy?
27 Ankoatra ny fiainana mandrakizay, dia mila fiadanana koa ny olombelona, izany hoe fihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy. Na dia ankehitriny aza, ireo izay manaiky ny fanapahan’ilay “Andrian’ny Fiadanana” dia efa ‘nanefy ny sabany ho fangady, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka’. (Isaia 2:2-4). Tsy mitahiry fankahalana, noho ny fifanolanana ara-politika, ara-paritra, ara-pirazanana, na ara-toe-karena, izy ireo. Tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah, izy ireo, ary miezaka mba hihavana mandrakariva amin’ny mpiara-belona aminy, na ao anatin’ny kongregasiona izany, na any ivelany.—Galatiana 6:10; Efesiana 4:2, 3; 2 Timoty 2:24.
28 Amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia hampitoetra fiadanana izay haneran-tany sy hiorina mafy ary haharitra, i Kristy. (Asan’ny Apostoly 1:7). “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay”. (Isaia 9:6a). Amin’ny fampiharana ny fahefan’ny Andrian’ny Fiadanana tanany, dia tsy hampiasa fomban’ny mpanao jadona i Jesosy. Tsy hesorina amin’ireo olom-peheziny ny safidiny malalaka, ary tsy hogejaina izy ireo. Tsia, fa izay rehetra hataony kosa dia ho “amin’ny rariny sy ny hitsiny”. Endrey izany fiovana hamelombelona!
29. Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ny hotahina amin’ny fahazoana fiadanana mandrakizay?
29 Rehefa heverina ireo hevitra mahatalanjon’ny anarana ara-paminanian’i Jesosy, dia tena mampientam-po tokoa ny teny amaranan’i Isaia io tapany amin’ilay faminaniana io. Hoy ny nosoratany: “Ny [zotom-pon’i Jehovah, Tompon’ny tafika, mihitsy, “NW” ] no hahatanteraka izany.” (Isaia 9:6b). Eny, hanao zavatra amin-jotom-po i Jehovah. Tsy manao zavatra tsy misy hafanam-po izy. Afaka matoky isika fa izay rehetra ampanantenainy dia hotanterahiny amin’ny fomba feno. Raha misy àry olona maniry hahazo fiadanana mandrakizay, dia aoka izy hanompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo. Sahala amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy, ilay Andrian’ny Fiadanana, dia enga anie ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ‘hazoto indrindra amin’ny asa tsara’.—Titosy 2:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Maro no mino fa nosoratan’i Hezekia talohan’ny nahatongavany ho mpanjaka ny Salamo faha-119. Raha marina izany, dia nosoratana tamin’ny fotoana naminanian’i Isaia izy io.
b Ny hoe “izany teny izany” ao amin’ny Isaia 8:20 dia mety hanondro ilay teny momba ny spiritisma, notononina tao amin’ny Isaia 8:19. Raha izany no izy, ny tian’i Isaia holazaina dia hoe ireo mpampirisika hanao spiritisma teo amin’ny Joda dia hanohy hanery ny hafa hila saina amin’ireo mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, ka tsy hahazo fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah.
c Nisy nanipy hevitra hoe tsy Isiraelita angamba no nonina tao amin’ireo tanàna 20 tao Galilia, izay natolotr’i Solomona Mpanjaka an’i Hirama, mpanjakan’i Tyro.—1 Mpanjaka 9:10-13.
[Sarintany/Sary, pejy 122]
(Jereo ny boky)
Korazina
Betsaida
Kapernaomy
Lemak’i Genesareta
Ranomasin’i Galilia
Magadana
Tiberiasy
Ony Jordana
GADARA
Gadara
[Sary, pejy 119]
Samy manokana ny fahaterahan’i Kaina sy i Jesosy, saingy ny an’i Jesosy dia tsara fiafara
[Sary, pejy 121]
Hisy mosary ratsy lavitra noho ny mosary hanirian-kanina sy hetahetan-drano
[Sary, pejy 127]
Fahazavana teo amin’ilay tany i Jesosy