-
“Andriamanitra dia Fitiavana”Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Jolay
-
-
16. Nahoana isika no afaka matoky fa madio eo anatrehan’i Jehovah isika, rehefa mamela ny helotsika izy?
16 Efa mba niezaka mafy nanala tasy tamin’ny akanjo fotsy ve ianao, nefa tsy afaka ilay izy? Mariho ny fahaizan’i Jehovah mamela heloka: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18) Mena be ny loko “jaky.”a Ny “sily” koa dia lamba na kofehy mena midorehitra. Tsy ho vitantsika samirery mihitsy ny hanala ny tasy vokatry ny fahotana. Afaka manala ny fahotana tahaka ny jaky sy ny sily kosa i Jehovah, ka manova izany ho fotsy toy ny orampanala na ny volon’ondry fotsy. Tsy voatery handoto antsika mandra-pahafatintsika àry ny fahotantsika, rehefa mamela antsika i Jehovah.
-
-
“Andriamanitra dia Fitiavana”Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Jolay
-
-
a Misy manam-pahaizana milaza fa ‘loko mateza sy tsy miofo mihitsy ny jaky. Tsy mahafaka azy io na ranon’ando, na orana, na fanasana. Tsy mihavasoka koa izy io na dia efa tonta aza ilay lamba.’
-