-
Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny MesiaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
10, 11. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanitsian’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy? b) Didim-pitsarana inona no havoakan’i Jesosy ho an’ny ratsy fanahy?
10 Hanao ahoana ny vokatr’ireo toetra fanaperana ananan’ny Mesia, eo amin’ny didim-pitsarana havoakany? Mamaly izany toy izao i Isaia: “Hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
-
-
Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny MesiaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
11 Rehefa nila fanitsiana ireo mpanara-dia azy, dia nanome izany tamin’ny fomba nandraisan’izy ireo soa indrindra izy—ohatra tsara dia tsara ho an’ny loholona kristianina. Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay zatra manao ratsy dia afaka manampo didim-pitsarana henjana. Rehefa hampamoaka ity fandehan-javatra ity Andriamanitra, dia “hamely ny tany” amin’ny feony maneho fahefana ny Mesia, ka hamoaka didim-pitsarana ho fandringanana ny ratsy fanahy rehetra. (Salamo 2:9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:15.) Amin’ny farany, dia tsy hisy olon-dratsy tavela mba hanelingelina ny fiadanan’ny olombelona. (Salamo 37:10, 11).
-