Iza no Hitarika Ireo Firenena ho Amin’ny Fandriampahalemana?
1, 2. Amin’ny fomba ahoana no ahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-4 amin’izao androntsika izao?
MIHOATRA noho ny faminaniana iray miresaka ny fiverenan’ny vahoaka jiosy tany Jerosalema taorian’ny fahababoana 70 taona tany Babylona fotsiny, ny Isaia toko faha-2. Raha ny marina, ilay faminaniana dia manambara ny fitodihan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. Voakasika amin’izany ny fiforonan’ny fikambanana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy, izay manolotra fanompoana masina ankasitrahan’Andriamanitra.
2 Ny fiovana lehibe toy izany, izay mahakasika olona avy amin’ny faritra rehetra eto ambonin’ny tany, dia tsy hoe hanaitra fotsiny fa ho hita miharihary koa, toy ny mitranga eo ambonin’ny tendrombohitra iray, hitan’ny mason’ny rehetra. Izany indrindra no mitranga amin’izao andro izao maneran-tany eo anivon’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Olona an-tapitrisany maro avy tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nianatra fa Andriamanitra dia iray ary nitsahatra tsy nivavaka tamin’ny Trinite. Tany India, dia nisy Hindoa nandao ny fitambaran’andriamanitra maro sy sampy an’aliny maro nivavahany teo aloha, mba hanompoana an’ilay Andriamanitra tokana sady marina. Toy izany koa no nitranga tamin’ny olona monina atsy Afrika sy any amin’ireo nosy lavitra ary any Moyen-Orient. Ireo izay niakatra tany an-tendrombohitra masin’i Jehovah, ny fanompoam-pivavahana madio aminy, dia niala tamin’ny fankahalana rehetra ara-pirazanana sy ara-poko ary ara-politika; ara-bakiteny dia ‘tsy mianatra ady intsony’ izy ireo. — Isaia 2:2-4.
Ny maha-izy ny Mesia — Antony nahatonga ady hevitra
3. Araka ny Isaia 11:10, inona no fitaomana hampiharin’ny Mesia eo amin’ireo firenena?
3 Misy ifandraisana koa amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona io fikambanana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy io: dia ny hoe hotahina amin’ny alalan’ny “taranaka” nampanantenaina, taranak’i Abrahama, ny olona avy amin’ny firenena rehetra, ka hanompo an’Andriamanitra ao anatin’ny fahamarinana sy ny firaisan-tsaina. (Genesisy 3:15; 22:18, JP). Ireo faminaniana tatỳ aoriana dia nanondro fa io “taranaka” io dia ho ilay ‘mpaminany tahaka an’i Mosesy’ koa, izay ho mpanalalana amin’ny fanekena vaovao hampiasaina ho fototra ara-dalàna mba hanompoan’ny olona tso-po avy amin’ny firenena rehetra an’Andriamanitra ao anatin’ny firaisan-tsaina. (Deoteronomia 18:15, 18, 19; Jeremia 31:31-34). Ambonin’izany, dia ho ilay Mesia izy io, mpanapaka avy amin’ny taranak’i Davida, izay hampitoerin’Andriamanitra mandrakizay ny seza fiandrianany. (1 Tantara 17:11, 12). Araka an’i Isaia mpaminany, dia ny Mesia no ho ilay mpamory hampiray ny olona avy amin’ny firenena rehetra (Hebreo, Goh·yimʹ). Milaza toy izao ny Isaia 11:10: “Ary izao no hitranga amin’izany andro izany, fa ny fototr’i Jese, izay hitsangana ho fanevan’ireo [“ho toy famantarana”, NW ] firenena, dia izy no hotadiavin’ny firenena; ary ny toerana fitsaharany dia ho be voninahitra.” — JP.
4. Inona no nambaran’ny raby iray ny amin’ny fitaomana hampiharin’i Jesosy eo amin’ny taranak’olombelona?
4 Niadiana hevitra nandritra ny taonjato maro ny maha-izy ilay Mesia. Araka ny Isaia 11:10 sy ny andalan-teny hafa, dia tokony ho Jiosy izy io, ho taranak’i Davida Mpanjaka (zanak’i Jese), ary hanaiky azy ho toy ny Mesia ara-dalàna nirahin’Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Raha niresaka momba an’i Jesosy, mpampianatra jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ny raby H. G. Enelow, dia nanoratra toy izao: “Tsy misy mihitsy Jiosy manan-tsaina afaka ny tsy hiraika amin’ny hoe nanana anjara goavana toy izany teo amin’ny fampianarana sy ny fitarihana ara-pivavahana ny taranak’olombelona ny Jiosy iray.””10 Jiosy hafa iza no neken’ny Jentilisa maro be tahaka izany ho ny Mesia? Nisy Jiosy hafa ve nahazo ny fankasitrahana bebe kokoa avy tamin’ny olona maro? Misy anefa ireo izay mahita fa tena manelingelina ny sainy ny hoe mety haha-Mesia an’i Jesosy. Mendrika hodinihina ny antony aroson’izy ireo.
Ny fivadiham-pinoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
5-7. Nahoana no mahita ny anaran’i Jesosy sy ny an’ny Kristianisma ho maharikoriko ny olona maro be?
5 Ho an’ny ankamaroan’ireo tsy Kristiana, dia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay ny mpanaraka azy dia noheverina ho tokony hanaraka ny fampianaran’i Kristy, no nahatonga fankahalana ny anaran’i Jesosy mihitsy. Tamin’ny anaran’i Jesosy no nijalian’ny firenena maro teo an-tanan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, nefa azo antoka fa ny vahoaka jiosy no nijaly indrindra noho ny hafa rehetra.
6 Tamin’izao androntsika izao indrindra, ny fankahalana Jiosy tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nahatratra ny fara heriny tamin’ny Fandripahana jiosy maro be nataon’ny Nazia. Na dia anton-javatra maro aza no tafiditra tamin’izany, dia tsy azo odian-tsy hita fa anisan’ny antony iray lehibe ny fankahalana ara-pivavahana. Ary raha mandà izany ny sasany ao anatin’ny Tontolon’ireo fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia tsy azo lavina kosa ny hoe anisan’ireo izay nanao ny famonoana ho faty na nanala tsiny izany ny “Kristiana” katolika sy protestanta. Nolazain’i Elie Wiesel tamin’ny ambangovangony toy izao ny fomba fijerin’ny Jiosy tao amin’ny bokiny hoe A Jew Today: “Ahoana no anazavana fa tsy naongan’ny eglizy mihitsy na i Hitler na i Himmler? Fa tsy noheverin’i Pie XII ho nilaina velively, mba tsy hilazana hoe tsy maintsy natao, ny fanamelohana an’i Auschwitz sy Treblinka? Fa teo amin’ireo S.S., dia nisy mpino maro be izay nitoetra ho nahatoky hatramin’ny farany tamin’ny fatorana kristiana nisy azy? Fa nisy tamin’ireo mpamono olona nikonfesy teo anelanelan’ny fandripahana olona tamin-kalozana nataony? Fa avy tamin’ny fianakaviana kristiana izy rehetra ary nahazo fanabeazana kristiana?”11 Noho izany, finoana toy inona moa no azo antenaina fa hasehon’ny vahoaka jiosy amin’ny olona iray izay ny anarany dia nampifandraisina tamin’ny fampietrena sy ny fampijaliana ara-batana nampiharina tamin’izy ireo?
7 Ankoatra ny fanenjehana mivantana, karazana ohatra ara-pitondran-tena inona no nomen’ny tany “kristiana” ny sisa amin’izao tontolo izao? Saika tsy nisy afa-tsy ady sy Kroazada ary Inquisitions “masina”. Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny Ady Lehibe Faharoa aza dia natomboka tao amin’ny tany “kristiana”. Azo lazaina ve fa fakan-tahaka ny fari-pitsipi-pitondran-tena “kristiana”? Fatra-piely, ohatra, ny SIDA any amin’ireo tany izay ny ankamaroan’ny mponina ao aminy dia milaza ho manaraka ny Kristianisma. Fanta-bahoaka ny asa mahatafintohina ataon’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ny fahalotoam-pitondran-tenan’ireo mpitory ny filazantsara ao amin’ny televiziona, izay manangona dolara an-tapitrisany maro ary miaina toy ny mpanefohefo; ary koa ny klerjy mandry amin’ny samy lehilahy, izay ny sasany taminy dia notoriana teo amin’ny fitsarana noho ny fanimbana zazalahy tsy ampy taona, dia sasantsasany fotsiny amin’ireo zavatra izay tsapan’ireo tsy Kristiana fa toetra mampiavaka ny Kristianisma — voa mandoto ny anaran’i Jesosy, izay ihamboan’ny “Kristiana” fa arahiny.
8-10. a) Nahoana no tsy afaka mihambo ara-drariny ho misolo tena an’i Jesosy sy ny Kristianisma marina ny Tontolon’ny Fivavahana Lazaina fa Kristiana? b) Fampitandremana inona no nomen’ny Soratra Masina momba ny fivadihana tamin’ireo fampianarana marin’i Jesosy?
8 Ambonin’izany, dia samy mahatsapa rikoriko ara-drariny amin’ny fanompoan-tsampy miely ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, na ny Jodaisma na ny fivavahana silamo. Toherin’ireo fivavahana ireo koa ny maro amin’ireo foto-pampianarana tsy araka ny Soratra Masina ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, tahaka ny fankamasinana an’i Maria ho toy ny “Renin’Andriamanitra”. Heverin’ny Jiosy amim-panamavoana indrindra ny fampianarana ny amin’ny Trinite, noho izy io manohitra mazava ny fototry ny Jodaisma mihitsy — ny tsy finoana afa-tsy Andriamanitra tokana hita ao amin’ireto teny ireto “MIHAINOA RY ISIRAELY: NY TOMPO ANDRIAMANITSIKA, NY TOMPO DIA IRAY IHANY.” — Deoteronomia 6:4, JP.
9 Ny fanenjehana narehitry ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ireo adiny, ny fahalotoam-pitondran-tenany, ny fihatsarambelatsihiny ary ny foto-pampianarany manala baraka dia tsy azo alan-tsiny, tsy eo imason’ireo tsy Kristiana ihany, fa eo imason’ilay Andriamanitra Tsitoha koa. Noho izany antony izany, na dia mpanara-dia an’i Jesosy Kristy aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy anisan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mihitsy izy ireo. Ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana etsy an-daniny, dia tsy anisan’ny Kristianisma marina mihitsy. Ny hany fitoviana misy eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany angamba dia ny fampiasana ny anaran’i Jesosy. Nefa, raha toa ka tsara sy azo ampiharina tamin’ny fomba niavaka toy izany ny fampianaran’i Jesosy, ahoana no nahatonga izany fivadiham-pinoana izany?
10 Raha ny marina, ny fiavian’ireo Kristiana sandoka sy ny fivadihana amin’ny fampianarana marina nentin’i Jesosy dia nambaran’ny tenan’i Jesosy mialoha ary koa ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana, izay antsoina amin’ny fomba diso hoe Testamenta Vaovao. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:1-12; 1 Timoty 4:1-3; 2 Petera 2:1, 2). Araka ny Matio 7:21-23, dia ny tenan’ny Mesia mihitsy no hitsara ireny mpivadi-pinoana ireny araka ny maha-izy azy, ka hilaza amin’izy ireo toy izao: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko hianareo mpanao meloka.” — MG; ampitahao amin’ny Matio 13:24-30, 37-43.
Nahoana no nilaina nampiana ny Soratra Masina?
11, 12. a) Inona moa ireo Soratra Grika Kristiana? b) Iza no nanoratra azy ireo? d) Nahoana no nilaina ho avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ireny soratra ireny?
11 Tamin’ny voalohany, ireo rehetra nanara-dia an’i Jesosy dia Jiosy avokoa. Raha ny marina, dia Jiosy an’arivony maro tamin’ny taonjato voalohany, anisan’izany ny ‘maro be tamin’ny mpisorona’ no nandray an’i Jesosy ho toy ilay ‘mpaminany tahaka an’i Mosesy’, ilay Mesia. (Asan’ny Apostoly 2:5, 37, 41; 4:4; 6:7; Deoteronomia 18:18). Ireo Jiosy ireo ihany no tonga fototry ny antokon’olona vaovao iraisam-pirenena iray voaforon’ny mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra, niorina ara-dalàna teo amin’ny “fanekena vaovao”, izay ny mpanalalana aminy dia io mpaminany tahaka an’i Mosesy io. — Jeremia 31:31-34.
12 Nanjary nilaina niaraka tamin’ny fanekena vaovao iray ny soratra ara-tsindrimandry famenony mba hanome fanazavana ilaina fanampiny ho an’ireo izay hanompo an’Andriamanitra eo ambanin’io fandaharana ny amin’ny fanekena vaovao io. Jiosy avokoa no nanoratra ireny soratra ireny, dia ny Soratra Grika Kristiana. Nitantara ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesosy, feno tsipiriany momba ireo faminaniana maro voasoratra tao amin’ny Soratra Hebreo izy ireo ary nanazava hevitra mahakasika ny Mesia sy ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Ankoatra izany, dia ahitana taratasy ao anatin’izy ireny, izay mirakitra torohevitra sy fampaherezana ho an’ny ilay fitambarana mpivavaka iraisam-pirenena.a
I Jesosy ve no ilay Mesia nampanantenaina?
13-16. Inona no naharesy lahatra ireo Jiosy maro be tamin’ny taonjato voalohany fa i Jesosy no ilay Mesia?
13 Nefa moa ve tsy nolavin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy? Eny, ary izy ireny kosa dia nampihatra fitaomana teo amin’ny vahoaka. Nefa, moa ve tsy nolavin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny koa ry Jeremia sy ireo mpaminany hafa? (Jeremia 7:25, 26; 20:1-6; 2 Tantara 36:15, 16). Ireo niara-belona tamin’i Jesosy izay nino azy, izay nanana fahafahana handinika mivantana hatrany am-potony ny fampianarany sy ny asany, ary koa ireo faminaniana momba azy, dia tsy voataonan’ny fanoheran’ireo mpitondra fivavahana, izay nahita fa norahonana ny fifehezana ara-pivavahana nananan’izy ireo irery. Izay hitan’ny mason’ireo Jiosy tso-po ireo manokana dia nandresy lahatra azy ireo fa tanteraka tamin’i Jesosy ny faminaniana momba ny Mesia. Inona avy ireo porofo mahery nahatonga ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ireo ho vonona hisetra ny zava-drehetra, na dia ny fahafatesana aza, tamin’ny fitoriana ny finoany an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina? — Jaona 9:22; 16:2.
14 Voalohany, dia araka ny tena izy ilay fotoana. Nilaza ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Daniela toko faha-9, fa hipoitra alohan’ny handravana ny tempoly faharoa izy.b — Daniela 9:24-27.
15 Faharoa, dia araka ny tena izy ilay olona. Avy tamin’ny fokon’ny Joda izy sady iray amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka. (Genesisy 49:10; 1 Tantara 17:11-14; ampitahao amin’ny Matio 1:1-16; Lioka 3:23-31.) Teraka tany Betlehema koa izy, toerana voatondro hahaterahan’ny Mesia ary nekena tamin’ny ankapobeny teo amin’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany.c (Mika 5:1 [5:2, NW]; ampitahao amin’ny Matio 2:4-6; Lioka 2:1-7; Jaona 7:42.) Ireo rehetra ireo dia porofo lehibe nantenain’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy fa hananan’ny Mesia mba hampahafantarana ny tenany.
16 Farany, dia araka ny tena izy ny fampianaran’ilay olona. Tsy fampianarana ara-politika na fanarahana ara-bakiteny ny lalàna izany fa fampianarana ara-panahy sy mahakasika ny fitsipi-pitondran-tena kosa.d Tsotra tokoa izany ka nankany amin’ny fototry ny zava-manahirana. Ambonin’izany, dia tsy natahotra izy naka ny Soratra Masina ho ny hany fahefana farany, fa tsy ny fanambaran’ireo mpitondra fivavahana tany aloha, izay nahazatra ny fanononana azy. Nahazendana ny vahoaka izany satria “nampianatra azy toy ny olona manana fahefana izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy”. (Matio 7:29, NW ). Mampiseho maha-izy mahery sy fampianarana mazava aoka izany ny tantaram-piainan’i Jesosy, ka tononin’ireo mpanao tantara ho iray amin’ireo antony ahafahana milaza fa tsy olona noforonin’ny saina mihitsy izy.e
17-20. a) Faminaniana inona avy ao amin’ny Soratra Hebreo no niresaka ny amin’ny fotoana niavian’ny Mesia sy ny fahafatesany ho sorona? b) Nahoana no nilaina ny nahafatesan’ny Mesia?
17 Faminaniana samihafa ao amin’ny Soratra Hebreo, nekena hatramin’ny ela ho nanambara ny Mesia, no tanteraka tamin’ny alalan’ny fijalian’i Jesosy sy ny fahafatesany. Ampifandraisin’ireny faminaniana ireny amin’ny fahafatesan’ny Mesia ny famelana ny fahotana. Tao amin’ny Soratra Grika Kristiana, izany fanavotana natolotra tamin’ny alalan’ny fahafatesan’ny Mesia izany, dia resahina ho toy ny ‘sorom-panavotana’. (Matio 20:28; Romana 3:24). Inona avy no sasantsasany amin’ireny faminaniana ireny?
18 Mariho ny voalaza ao amin’ny faminanian’i Daniela 9:24, 25 (JP): “Fitopolo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hanapitra ny fahadisoana sy hamarana ny fahotana, ary hamela ny heloka, ary hampiditra fahamarinana mandrakizay (...) hatramin’ilay voahosotra [“Mesia”, hebreo: Ma·shiʹach] andriana.” Tsy azo atao ny tsy hanamarika ny fampifandraisan’ny andinin-teny ny hoe “Mesia” (Ilay Voahosotra) amin’ny ‘fahataperan’ny fahadisoana sy famaranana ny fahotana’. Ny andininy faha-26 dia manohy milaza fa “aorian’ny enimpolo sy roa herinandro dia hovonoina ilay voahosotra [“Mesia”, hebreo: Ma·shiʹach]”. (Jereo ny efajoro “Iza no ilay ‘Voahosotra’? Rahoviana no Hahatongavany?”)
19 Hita ao amin’ny Isaia 52:13 ka hatramin’ny 53:12 ny andinin-teny hafa iray mifandray amin’ny ‘famonoana’ ny Mesia ho toy ny sorom-panavotana. (Jereo ny efajoro “‘Ny Mpanompoko’ — Iza Izy Io?”) Nampihatra an’io andalan-teny io tamin’ny Mesia ireo raby tamin’ny taonjato voalohany, toy ny nataon’i Rambam sy ny hafa tamin’ny Moyen Age. Asehon’ilay andalan-teny mazava tsara fa ny famelan-keloka dia mifandray amin’ny Mesia sy ny fahafatesany.
20 Noho ireo antony voalaza tetsy aloha, dia takatr’ireo Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany mora foana ny fampianarana milaza fa amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra dia hahafahana hamela tanteraka ny fahotana ny fahafatesan’ny Mesia. Nahafantatra izy ireo fa niresaka ny amin’ny tsy fahatanterahana raikitra ao amin’ny olona ny Soratra Masina. (Mpitoriteny 7:20). Zavatra tsapa isan’andro ny ilana sorona hanarona ny fahotana; takatra izany teo amin’ny firafitra sy ny toetran’ny faneken’ny Lalàna mihitsy. Ireo fisehoan-javatra lazalazaina ao amin’ny tantaram-piainan’i Jesosy dia mampiseho ny maha-lehilahy tanteraka azy, izay ny fahafatesany dia afaka hitondra fanavotana ho an’ny fahotan’ny olombelona.f (Matio 20:28; Lioka 1:26-38). Rehefa nohamafisin’ny Soratra Grika Kristiana fa tandindon’io sorona farany sady tanteraka io ireo fanatitra isan-karazany natao teo ambanin’ny Lalàna, dia nomena ny heviny feno ny rafitry ny Lalàna iray manontolo, ary koa ireo tapany hafa amin’ny Soratra Masina.g — Hebreo 10:1-10.
Mpaminany azo itokiana tahaka an’i Mosesy
21, 22. a) Amin’ny ahoana ireo fisehoan-javatra ara-tantara momba ny fandravana an’i Jerosalema no manamarina fa mpaminany marina tokoa i Jesosy? b) Amin’ny ahoana ireo fisehoan-javatra ara-tantara amin’izao androntsika izao no manaporofo izany koa?
21 Ankoatra ny fanazavana fa sorona ho fanavotana ny fahafatesan’i Jesosy, dia asongadin’ny Soratra Grika Kristiana koa ny anjara asany tamin’ny naha-‘mpaminany tahaka an’i Mosesy’ azy. (Deoteronomia 18:18; jereo ny fizarana “Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?”, fehintsoratra faha-17 ka hatramin’ny faha-19.) Tamin’ny naha-toy izany azy dia naminany ny fandravana an’i Jerosalema izy ary nanome toromarika ny mpianany mba handosiran’izy ireo ilay tanàna rehefa hahita azy ho voahodidin’ny miaramila izy ireo. (Matio 23:37–24:2; Lioka 21:20, 21). Nefa ahoana no hahafahana handositra tanàna iray izay hataon’ny miaramila fahirano? Nanome ny valiny toy izao ny tenan’ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Yoseph ben Mattatiyahu (Josephus), izay nanatri-maso ireo fisehoan-javatra ireo: “I Cestius [ilay mpitari-tafika romana, 66 am.f.i.] (...) dia nibaiko tampoka ny miaramilany mba hisintona, namoy ny fanantenana na dia tsy nahita faharesena akory aza, ary nandao ilay Tanàna nefa tsy fantatra izay antony.”13 Izany no fahafahana nilain’ireo Kristiana mba handosirana ilay tanàna. Efa-taona tatỳ aoriana, tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina indray ireo miaramila romana teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Titus izao, ka nanao fahirano ilay tanàna indray. Naminany momba ilay tanàna i Jesosy fa hanangana ‘manda misy tsato-kazo maranitra ka hanodidina azy, ary hampihatra fanerena aminy avy amin’ny lafiny rehetra’ ny fahavalo. (Lioka 19:43, NW ). Nohamarinin’i Josephus fa i Titus dia nanangana izany manda nisy tsato-kazo maranitra izany, izay efa ho 8 kilaometatra ny halavany, ary nampanapaka ny hazo tamin’ny faritra ambanivohitra nanodidina hatramin’ny 16 kilaometatra teo ho eo. Nanome toromarika hentitra ny faminanian’i Jesosy mba hahafahana hisoroka ny fahafatesana teo an-tanan’ny Romana, ary ny fahamarinan’ireny toromarika ireny dia voaporofon’ny hoe voatsimbina ny ain’ireo rehetra nanaraka azy ireny. — Lioka 21:20-24.
22 Naminany momba ny hanafoanan’Andriamanitra amin’ny hoavy ny faharatsiana sy ireo rehetra mahatonga izany koa i Jesosy. Ao amin’ny Lioka 21:24 (NW ), dia niresaka ny amin’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” izy, ka nasehony tamin’izany fa manam-petra ny fileferan’Andriamanitra eo anoloan’ny fanapahan’olombelona.h Naminany koa i Jesosy fa ireo andro farany amin’ny fanapahan’ny olona dia ho voamariky ny ady, ny mosary, ny horohoron-tany, ny areti-mandringana, ny heloka bevava sy ny herisetra, ary alohan’ny hiavian’ny faran’ny fanapahan’ny olona dia hotanterahina ny asa fampianarana maneran-tany, mba hampahafantarana ny olona avy amin’ny firenena rehetra fa ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia efa manapaka avy any an-danitra. (Jereo ny Matio 24:3-14; Lioka 21:10, 11.) Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa io famantarana lehibe voaforon’ny zavatra maromaro io dia natao niharihary hatramin’ny 1914, rehefa nifarana ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. Efa ela talohan’io fotoana io no nanambarany fa ny 1914 dia ho daty voamarika eo amin’ny tantaran’olombelona. Rehefa nanomboka ny ady lehibe voalohany ny volana Aogositra tamin’io taona io, dia voamarina ny fanantenany. Raha ny marina, dia tsy nisy mihitsy tamin’ireo Vavolombelona nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra; ny fianarany tamim-pahazotoana ny Soratra Masina no nitarika azy ireo ho amin’izany famaranan-kevitra izany.
Firenena ampianarina amin’ny lalan’ny fiadanana
23. Ahoana no nahafahan’i Jesosy ho tonga ilay Mpanjaka voatendry ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra?
23 Kanefa, ny anjara asan’ny Mesia tamin’ny nanomezany ny sorom-panavotana sy tamin’ny naha-mpaminany tahaka an’i Mosesy azy, dia tsy hanana afa-tsy vidiny voafetra raha tsy tanterahina ny lafiny farany amin’ny anjara asany amin’ny fanatontosana ny fikasan’Andriamanitra — dia ny hahatongavany ho ilay Mpanjaka voatendry ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, NW ]). Nefa ahoana no ahafahan’i Jesosy hitana izany toerana izany raha toa ka maty izy? Nifanaraka tamin’ireo faminaniana momba ny Mesia, dia nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty Andriamanitra ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesany. (Salamo 16:8-11; Isaia 53:10, 12; ampitahao amin’ny Matio 28:1-7; Lioka 24:44-46; Asan’ny Apostoly 2:24-32; 1 Korintiana 15:3-8.) Namerina azy tamin’ny fiainana Andriamanitra, tsy tamin’ny naha-olona, satria efa natolony ho sorona ny fiainan’olombelona tanteraka nananany, fa tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy mahery kosa, niandry toromarika fanampiny teo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. — Salamo 110:1; Asan’ny Apostoly 2:33-35; Hebreo 10:12, 13.
24-26. Amin’ny fomba ahoana no andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anjara amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia?
24 Nanoratra i Davida Mpanjaka fa amin’ny fotoana hanombohan’ny Mesia hanapaka dia ‘hanolo-tena aminy an-tsitrapo ny olon’Andriamanitra’. (Salamo 110:3). Na dia mandroso miharatsy aza ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao hatramin’ny 1914, taona voamarika, dia misy koa fahatanterahan’ny lafiny manorina amin’ilay faminaniana; nanokana ny fotoanany an-tsitrapo ny olon’Andriamanitra mba hitoriana ‘ny vaovao tsaran’ny fanjakana amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’. (Matio 24:14, NW ). Ohatra, isan-taona dia mandany ora an-jato tapitrisany maro ny Vavolombelona amin’ny firesahana amin’ny olona ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantranon’ireo izay liana handinika ny zava-misy.
25 Tsy andraisam-bola izany fotoana lany rehetra izany. Ireo olona manao ny asa dia avy amin’ny fari-piainana sy taona ary asa rehetra azo saintsainina. Izy ireo no voalazalaza ao amin’ny Isaia 2:3 amin’ireto teny ireto: “Maro ny firenena no hiainga ka hilaza hoe: ‘Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO [Hebreo, יהוה, Jehovah].’ ” Tsy fanaovana asa ho “famonjena fanahy” fotsiny izany. Fandaharam-pampianarana maneran-tany misy zava-kendrena roa izany: 1) Fampahafantarana ny olona avy amin’ny firenena rehetra fa manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra ary filazana aminy marina hoe inona no hataony tsy ho ela, ary 2) fampianarana maimaim-poana an’ireo rehetra maniry handinika ny zava-misy sy hanompo an’ilay Andriamanitra velona araka ny takiny. Ny fahombiazan’ny asa sy ny fahatanterahan’ny faminaniana dia azo antoka. Nahoana? Satria manana ny fanohanan’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy io. — Zakaria 4:6.
26 Koa tsy ara-dalàna ve ny mahita ao amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahatanterahan’io faminaniana ao amin’ny Isaia 2:3 io? Mahafantatra olon-kafa manatanteraka an’io asa io ve ianao? Sa heverinao fa fifanandrifian-javatra fotsiny ny hanokanan’ny olona an-tapitrisany maro ny fotoanany hiresahana ny amin’ny hafatra iray nambara mialoha efa ho roa arivo taona lasa izay, hafatra izay tokony hambara mandritra ny fotoam-pikorontanana mbola tsy nisy toy izany? Eny, amin’izao andro farany izao, dia hita fa ireo Vavolombelon’i Jehovah no “fahazavana ho an’ireo firenena”. (Isaia 42:6; 49:6, NW ). Izy ireo no hany fikambanana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy manompo an’i Jehovah Andriamanitra ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny fiadanana eo ambany fitarihan’ny Mesia, “ny fototr’i Jese”, izay ambarany ho “famantarana” ho an’ireo firenena. — Isaia 11:10, NW, JP.
a Misy olona sasany milaza fa misy teny mifanohitra ao amin’ireny soratra ireny na manohitra ny Soratra Hebreo. Kanefa, ny fandinihana izay lazaina fa fifanoheran-kevitra dia manamarina fa tsy izany no izy. Raha ny marina, dia mihatra eto ny fotopoto-pitsipika mitovy amin’izay nampiharina tamin’izay lazaina fa fifanoheran-kevitra ao amin’ny Soratra Hebreo. (Jereo ny fizarana “Avy Tamin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly?”, fehintsoratra faha-9 ka hatramin’ny faha-12.) Koa satria Jiosy avokoa ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, tao anatin’izany ireo izay nanoratra ireo boky nahaforona ny Soratra Grika Kristiana, dia tsy nampirisika fankahalana ny Jiosy mihitsy izy ireo, toy ny tsy nataon’ireo mpaminany jiosy talohany, izay nanameloka ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny.
b Teo amin’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy fiheverana tamin’ny ankapobeny fa ho tanteraka tamin’ny andron’izy ireo io faminaniana io. (Lioka 3:15). Nanoratra toy izao tao amin’ny bokiny hoe De Termino Vitae (Momba ny Faran’ny Fiainana) i Menasseh ben Israel, raby tamin’ny taonjato faha-17: “Neken’ny sasany fa ireo herinandro 70 ireo dia nidika fa rehefa hifarana izany vanim-potoana izany dia ho tonga ny Mesia, izay hanendry azy ireo ho mpanapaka eo amin’izao tontolo izao manontolo. Nitana izany hevitra izany tokoa ireo rehetra nandray fiadiana mba hanoherana ny Romana tamin’izany fotoana izany.”
c Ny Targum na fivoasan-teny arameana tranainy teo amin’ny Jiosy dia milaza toy izao ny amin’ny Mika 5:1: “Avy ao aminao [Betlehema] no hivoahan’ny Mesia eo anoloako.”
d Nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Joseph Klausner: “Ny olona tahaka an’i Jesosy, izay ny filamatra ara-pitsipi-pitondran-tena no zava-dehibe indrindra ho azy, dia zavatra tsy fandre hatreo teo amin’ny Jodaisma tamin’izany andro izany. (...) Noho izany, ny fampianarana nomeny momba ny fitsipi-pitondran-tena, dia toa ambony noho ny an’ny Pirkē Aboth sy ireo boky hafa manazava ny haisoratra amin’ny Talmoda sy ny Midrashim. Tsy very ao anatin’ny habetsahan’ireo fameperana araka ny lalàna sy ireo tsipiriany amin’ny fanazavana tsy ara-pivavahana izany.”12
e Mba hahazoana fitantarana feno momba ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy dia jereo ilay boky hoe I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.
f Ny apostoly Paoly dia niresaka an’i Jesosy ho ilay ‘Adama faharoa’, izay ny fahafatesany dia hitondra fanavotana ho an’ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama. (1 Korintiana 15:45-47; Romana 5:12, 15-19). Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa ny amin’ny antony maha-zava-dehibe an’izany fandaharana izany, dia jereo jereo ny fizarana “Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?”, fehintsoratra faha-15 sy faha-16 ary ny fanamarihana ambany pejy.
g Mandray heviny vaovao ny tantara manontolon’i Abrahama rehefa jerena avy amin’io fanazavana io. Tsy nangatahin’Andriamanitra hamono ny zanany lahy i Abrahama mba hisedrana ny finoany fotsiny, fa mba hampisehoana koa tantara iray hahafahan’ny olona hahatakatra fa teo am-panomezana soron’ny olona iray lalainy indrindra izao ny tenan’Andriamanitra, ho tombontsoan’ny olombelona mandrakizay. Ny Taranak’i Abrahama mihitsy no ho Ilay hatolotra, ka amin’ny alalany no nampanantenan’Andriamanitra fa ‘hotahina ny firenena rehetra ambonin’ny tany’. (Genesisy 22:10-12, 16-18; ampitahao amin’ny Jaona 3:16.) Miharihary sady voafaritra aoka izany ny fitoviana sy ny hevitra ka tsy mety ho fifanandrifian-javatra na zavatra mampiseho hakingan-tsaina noforonin’ny olona fotsiny izany.
h Rehefa nilaza momba ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” i Jesosy, dia niharihary fa ny faminaniana ao amin’ny Daniela 4:10-34 (4:10-37, NW ) no tiany horesahina. Mba hahazoana fanazavana lalina momba an’io faminaniana io, dia jereo ilay fanazavana fanampiny hoe “Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?.