Aoka isika hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana
“Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” — SALAMO 100:2.
1, 2. a) Tamin’ny ahoana no nanjary nisongadina ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Berlin, any Alemaina, nefa tamin’ny ahoana no nifaranan’ny fikatsahana “Reich arivo taona”? b) Fahasamihafan-javatra tamin’izay nitranga tamin’ny 1936 inona no hita tao amin’ny Kianja Olympika tamin’ny Jolay 1990, ary nifototra tamin’inona ny fifalian’ilay antokon’olona iraisam-pirenena tafangona tao?
Ny kianja olympikan’i Berlin, any Alemaina, no nisy ilay fisehoan-javatra. Efatra amby dimampolo taona talohan’izay, io kianja tsara tarehy io dia tonga toerana iray niteraka tsy fifanarahana rehefa toa hoe nanambany ny mpihazakazaka amerikana mainty hoditra iray vao nahazo meday volamena efatra i Adolf Hitler, ilay mpitondra tsy refesi-mandidy nazia. Famelezana re izany ho an’ny fihamboana feno fanavakavaham-bolon-koditra nataon’i Hitler momba ny “fahambonian’ny firazanana arianina”!a Izao anefa, tamin’ny 26 Jolay 1990, dia nisy mainty hoditra, fotsy hoditra, mavo hoditra — vahoaka tafaray avy amin’ny fokom-pirenena 64, izay nahatratra 44 532 ny tontaliny — tafangona teto mba hanatrika ny Fivoriamben’ny distrika “Ny Fiteny Madio” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy inona moa ny fifaliana tondraka tamin’io alakamisy tolakandro io! Taorian’ny lahatenin’ny batisa, dia nihiaka hoe “Ja!” (“eny”) voalohany, ary “Ja!” fanindroany ireo mpilatsaka hatao batisa 1 018 ho fanamafisana ny nanolorany ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra mba hanao ny sitrapony.
2 Nila 19 minitra ny filaharan’ireo Vavolombelona vaovao ireo vao afaka teo amin’ilay kianja mba handeha ho eny amin’ilay dobo fanaovana batisa. Ary nandritra ireo minitra rehetra ireo, dia nisy tehaka nirefodrefotra nanako mafy nanerana ilay kianja malalaka be. Ireo mpandresy tamin’ireo Lalao Olympika na oviana na oviana dia mbola tsy nahazo tehaka toy izay niarahabana ireo olona an-jatony maro ireo, avy amin’ny fokom-pirenena maro, izay nampiseho ilay finoana enti-maharesy izao tontolo izao. (1 Jaona 5:3, 4). Ny fifalian’izy ireo dia nifototra mafy tamin’ny fatokiana fa hitondra arivo taona feno fitahiana amam-boninahitra ho an’ny taranak’olombelona tokoa ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. — Hebreo 6:17, 18; Apokalypsy 20:6; 21:4, 5.
3. Fahamarinana inona no asongadin’ny fatokian’ireo mpanatrika fivoriambe, ary amin’ny fomba ahoana?
3 Tsy nisy fankahalana ara-pirazanana na ara-pirenena teto, satria ny rehetra dia niteny ny fiteny madion’ny Tenin’Andriamanitra, ka nampisongadina tamin’izany ny fahamarinan’ny tenin’i Petera manao hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny apostoly 10:34, 35; Zefania 3:9, MN.
4. Tao anatin’ny toe-piainana nanao ahoana no nahatongavan’ny ankamaroan’ireo mpanatrika fivoriambe ho mpino, ary tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ny vavaka nataony valiny?
4 Ny maro tamin’ireo mpanatrika fivoriambe tany Berlin ireo dia tonga mpino nandritra ny taona maro feno fampahoriana, nanomboka tamin’ny vanim-potoana nazia (1933-1945) ka hatramin’ny vanim-potoana sosialista izay nanaraka izany tany Alemaina Atsinanana, izay vao nanafoanan’ny lalàna, tamin’ny 14 Martsa 1990 teo, ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia “nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” ny maro tamin’izy ireo. (1 Tesaloniana 1:6). Manana fahalalahana lehibe kokoa hanompo an’i Jehovah izy ireo izao, ary tsy misy fetrany ny fifaliany. — Ampitahao amin’ny Isaia 51:11.
Antony miteraka fifaliana
5. Ahoana no nankalazan’ny Isiraely ny fanafahan’i Jehovah tao amin’ny ranomasina Mena?
5 Ny fanafahana ireo rahalahintsika any Eoropa atsinanana ary vao haingana, any amin’ny faritra sasany any Afrika sy Azia, dia mampahatsiahy antsika ny fanafahana nataon’i Jehovah tamin’ny andro taloha. Tsaroantsika ny fanaovan-javatra tamin-kery nasehon’i Jehovah tany amin’ny ranomasina Mena, sy ny nanatratraran’ny hiram-pankasitrahan’ny Isiraely niandalana ny fara tampony tamin’ireto teny ireto: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?” (Eksodosy 15:11). Amin’izao andro izao, moa ve isika tsy manohy mifaly noho ireo zavatra mahatalanjona ataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany? Izany tokoa!
6. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihobian’ny Isiraely tamin’ny 537 al.fan.ir.?
6 Safononoka ny fifaliana tamin’ny 537 al.fan.ir. rehefa naverina tany amin’ny taniny indray ny Isiraely taorian’ny fahababoana tany Babylona. Ny firenen’i Jehovah izao dia afaka niteny araka ny naminanian’i Isaia azy hoe: “Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.” Haravoana re izany! Ary amin’ny fomba ahoana no hanehoan’io firenena io izany fifaliana izany? Manohy toy izao i Isaia: “Hiteny hianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony”. Afaka ‘nihoby’ izao izy ireo tamin’ny ‘fampahafantarana tany amin’ny tany rehetra’ ny asa maheriny, toy ny ataon’ny mpanompon’i Jehovah nafahana ankehitriny. — Isaia 12:1-6.
Fifaliana eo amin’ny asan’i Jehovah
7. Fanafahana inona avy no nitarika firavoravoana tamin’ny 1919?
7 Amin’ny andro ankehitriny, ny mpanompon’i Jehovah dia nanomboka nihoby rehefa nanome fanafahana mahatalanjona azy ireo izy tamin’ny 1919. Tamin’ny 26 Martsa tamin’io taona io, ireo mpikambana tao amin’ny Kolejy foibe dia nafahana avy tao am-ponja tany Etazonia izay nihazonana azy sivy volana noho ny fiampangana lainga ho nikomy tamin’ny fahefana voaorina. Fankalazana lehibe toy inona moa no natao tamin’ny fandraisana azy ireo rehefa niverina tao amin’ny Betelan’i Brooklyn indray izy! Ambonin’izany, ireo rehetra anisan’ny sisa voahosotra izao dia afaka nifaly noho ny nanafahana azy ara-panahy avy tamin’i Babylona Lehibe, ilay fandehan-javatra ara-pivavahana nangejan’i Satana an’izao tontolo izao manontolo. — Apokalypsy 17:3-6; 18:2-5.
8. Famoahana zavatra vita an-tsoratra vaovao tsy nampoizina inona no nambara tamin’ny fivoriambe natao tany Cedar Point tamin’ny 1919, ary antso ho amin’ny asa inona no natao?
8 Ny fizotran’ny tantara tamin’ny 1919 dia niafara tamim-boninahitra tamin’ny fivoriamben’ny distrikan’ny vahoakan’Andriamanitra tany Cedar Point, any Ohio, Etazonia, tamin’ny 1-8 Septambra. Tamin’ny andro fahadimin’io fivoriambe io, nitondra ny lohateny hoe “Ny Andron’ireo mpiara-miasa”, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, i J. F. Rutherford, dia nanao lahateny nampientana iray nitondra ny lohateny hoe “Aoka isika hanambara ilay Fanjakana” tamin’ny mpanatrika 6 000. Rehefa avy namelabelatra ny Apokalypsy 15:2 sy ny Isaia 52:7 izy, dia nilaza tamin’ireo mpihaino azy fa hisy gazety vaovao L’Age d’Or (fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Mifohaza!) havoaka isan-tapa-bolana, ary hatao indrindra hozaraina eny amin’ny saha fitoriana. Ho famaranana, dia hoy izy: “Ireo izay mifikitra amin’ny fomba feno amin’ny Tompo; ireo izay tsy manan-tahotra, izay manana fo madio, izay tia an’Andriamanitra sy Jesosy Tompo amin’ny sainy, ny heriny, ny fanahiny ary ny tenany rehetra, dia hifaly, araka ny fahafahany, amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io. Mangataha amin’ny Tompo mba hanomezany anao ny torolalany sy fitarihany hahatongavanao ho solontenany marina, mahatoky ary mahomby. Avy eo, dia mandehana manompo azy amin’ny fonao feno hiram-pifaliana.”
9, 10. Tamin’ny fomba ahoana no nanambinan’i Jehovah ny famoahana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ?
9 Izany “hiram-pifaliana” izany dia re naneran-tany! Misy maro amin’ireo mpamaky ny gazetintsika tsy isalasalana fa anisan’ireo nampitombo ny fampielezana ny gazety Mifohaza! ka nahatratraran’izy io amin’izao fotoana izao ny isa 12 980 000 isaky ny indray mivoaka, amin’ny fiteny 64. Fitaovana mahery eo amin’ny fitarihana ny olona liana ho amin’ny fahamarinana ny Mifohaza!, ka manampy amin’izany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana namany. Tany amin’ny tany iray any Atsinanana, ny anabavy mpitory maharitra iray dia gaga, teo am-panaovana lalana fizarany gazety iray, fa, isaky ny nitondra ireo gazety vao nivoaka izy, dia nanome vola mitovy vidy amin’ny 10 500 FMG ho an’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ilay tompon-trano — tsy isalasalana fa nampiseho fankasitrahana tsara dia tsara ho an’ny asan’ilay Fanjakana izany olona izany!
10 Manomboka ny faha-112 taona nivoahany izao ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izay misy 15 290 000 ny indray mivoaka, amin’ny fiteny 111, ka miara-mivoaka misy lahatsoratra mitovy maneran-tany ny 59 aminy. Amin’ny maha-mpitandrin-draharaha mahatoky azy, ny sisa voahosotra dia manohy manome ireo mpamaky mahay mankasitraka “ny anjara hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana”. (Lioka 12:42). Nandritra ny 1990, ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny filazana asany, dia nametraka famandrihana vaovao 2 968 309 tamin’ireo gazety roa, izay mahaforona fitomboana 22,7 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny 1989.
Tondraka ny fifaliana
11. a) Antso inona no nalefa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tany Cedar Point tamin’ny 1922? b) Ahoana no nitaran’ilay antsom-pifaliana?
11 Tondraka koa ny fifalian’ny vahoakan’Andriamanitra, niisa ho 10 000 izao, izay tafangona hanatrika ny fivoriamben’ny distrika faharoa tany Cedar Point, tamin’ny 22 Septambra 1922, ka nisy 361 no natao batisa. Tao amin’ny lahateniny hoe “Akaiky ny fanjakan’ny lanitra”, niorina tamin’ny Matio 4:17, ny rahalahy Rutherford dia tonga tamin’ny famaranana nanosika hanao zavatra hoe: “Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah dia Andriamanitra ary koa fa i Jesosy Kristy dia Mpanjakan’ireo mpanjaka sy Tompon’ireo tompo. Izao no andro amin’ny andro rehetra. Indro, manjaka ny Mpanjaka! Mpiasa ampiasainy mba hampielezana ny momba azy ianareo. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ny Mpanjaka sy ny fanjakany.” Ireo izay nihoraka nampakatra antsom-pifaliana tamin’io fivoriambe io dia nitombo isa hatrany, hany ka nahatratra 6 600 000 ireo niara-nivory nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika 1 210 nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany tamin’ny 1989, izay nisian’ny olona 123 688 natao batisa.
12. a) Fifaliana tsy hay tombanana inona no tsapan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny? b) Ahoana no ampifandanjantsika ny fanompoantsika an’i Jehovah sy ny fankatoavana ireo “manam-pahefana ambony”?
12 Mankamamy ny fahalalahana ananany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifaly izy ireo noho ny fahatanterahan’ireto tenin’i Jesosy ireto amin’izao andro izao: “Ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Fifaliana toy inona moa ny hoe afaka amin’ny zava-miafina sy finoanoam-poanan’ny fivavahan-diso! Fifaliana tsy hay tombanana toy inona moa ny mahafantatra an’i Jehovah sy ny Zanany ary tonga mpiara-miasa amin’izy ireo sady manana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay! (Jaona 8:32; 17:3; 1 Korintiana 3:9-11). Ankasitrahan’ny mpanompon’Andriamanitra koa rehefa manaja ny fahalalahany hanambara ny fanantenana be voninahitra momba ny Fanjakan’i Jehovah eo ambany fanapahan’i Kristy “ireo manam-pahefana ambony” eo amin’ny toerana iainany eo amin’ity tontolo ity. ‘Mandoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’ an-tsitrapo izy ireo, nefa ‘mandoa ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’ koa. — Romana 13:1-7; Lioka 20:25.
13. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fifaliany noho ny nanafahana azy tamin’ny fampahoriana?
13 Kanefa, raha mitady ny hametra io adidy amin’Andriamanitra io ireo manam-pahefana olombelona, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mamaly toy ny nataon’ireo apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena [hankatoavina ho mpanapaka, MN] mihoatra noho ny olona.” Tamin’io tarehin-javatra io, rehefa avy nanafaka ireo apostoly ireo mpanapaka, izy ireo dia “niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly”. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoany izany fifaliana izany? “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.” (Asan’ny apostoly 5:27-32, 41, 42). Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mifaly rehefa mahazo fahalalahana lehibe kokoa hanaovana ny fanompoany. Any amin’ny tany maro anokafan’i Jehovah ny lalana, dia maneho fifaliana lehibe dia lehibe izy ireo amin’ny fanaovana fanambarana feno ho an’ny anaran’i Jehovah sy ilay Fanjakana ho avy hotapahin’i Kristy Jesosy. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20, 21, 24; 23:11; 28:16, 23.
Aoka isika hiaritra amim-pifaliana
14. Amin’ny ahoana no ihoaran’io fifaliana izay vokatry ny fanahy io an’izay voalazan’ny rakibolana momba azy io?
14 Inona moa io fifaliana lehibe dia lehibe tsapan’ny kristiana marina io? Lalina lavitra sy maharitra lavitra noho ny fifaliana mihelina tsapan’ny mpandresy iray amin’ny Lalao Olympika izy io. Vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra omen’Andriamanitra an’izay “mankatò azy ho mpanapaka”, izy io. (Asan’ny apostoly 5:32, MN). Ny rakibolana Webster’s dia milaza fa ny fifaliana dia ‘lalim-paka kokoa noho ny fahatsapana fahafinaretana, mamirapiratra na miseho eo amin’ny ivelany kokoa noho ny hafaliana’. Ho an’ny kristiana, dia manana heviny lalina kokoa noho izany aza ny fifaliana. Noho izy io mifototra mafy amin’ny finoantsika, dia toetra tsara mahery sy mampahatanjaka izy io. “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Nehemia 8:10). Ny fifaliana avy amin’i Jehovah, izay ambolen’ny vahoakan’Andriamanitra, dia mihoatra lavitra noho ny fahataitairana ivelany azon’ny olona avy amin’ny fahafinaretana ara-nofon’izao tontolo izao. — Galatiana 5:19-23.
15. a) Raha jerena izay nihatra tamin’ireo kristiana nahatoky, tamin’ny ahoana no niarahan’ny fiaretana sy ny fifaliana? b) Manonòna andininy sasantsasany manome toky mampahatanjaka raha ny amin’ny fihazonana fifaliana.
15 Diniho ireo rahalahintsika any Ukraine. Rehefa avy nandroaka an’arivony maro taminy ho any Siberia ny ‘fahefana ambony’, tany amin’ny fiandohan’ireo taona 1950, dia nijaly noho ny fahasahiranana mafy maro be izy ireo. Tatỳ aoriana, rehefa nanaiky hanafaka azy ireo ny fahefana, dia velom-pankasitrahana izy ireo, kanefa tsy izy rehetra no niverina tany amin’ny tany niaviany. Nahoana? Ireo asa mafy nataony tany amin’io faritra atsinanana io dia nampahatsiahy azy ireo ny Jakoba 1:2-4 manao hoe: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.” Naniry ny tsy hitsahatra ny hiaritra tamin’izany asa fijinjana mahafaly izany izy ireo, ary fifaliana toy inona moa no tsapa tamin’ny fandraisana Vavolombelona avy tany amin’ireo fitambaran’olona miaina any amin’ny faritra atsinanana indrindra misy ny morontsiraka Pasifika, tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah vao haingana tany Polonina. Niaraka hatrany ny fiaretana sy ny fifaliana teo am-pamokarana izany vokatra izany. Marina tokoa fa isika rehetra izay miaritra amim-pifaliana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia afaka miteny hoe: “Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. Jehovah Tompo no tanjako”. — Habakoka 3:18, 19; Matio 5:11, 12.
16. Ahoana no ampaherezan’ny ohatra tsara dia tsara nomen-dry Jeremia sy Joba antsika eo amin’ny asa fitoriantsika?
16 Ahoana anefa, no ahafahantsika mihazona ny fifaliantsika rehefa manao fanambarana amin’ny mpanohitra mafy hatoka isika? Tadidio fa nitana fomba fijery feno fifaliana ireo mpaminanin’Andriamanitra tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany. Nanambara izao manaraka izao i Jeremia teo ambany fitsapana: “Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.” (Jeremia 15:16). Tombontsoa toy inona moa ny hoe antsoina amin’ny anaran’i Jehovah sy ny manao fanambarana ho an’izany anarana izany! Ny fianarana manokana ataontsika amim-paharisihana sy ny fandraisantsika anjara feno amin’ireo fivoriana kristiana dia mampahatanjaka antsika mba hanohizana mifaly ao amin’ny fahamarinana. Ny fifaliantsika dia hiseho amin’ny fomba fihetsitsika eny amin’ny saha fitoriana sy eo amin’ny tsikintsika rehefa miresaka momba ilay Fanjakana isika. Na dia tao anatin’ny fitsapana mafy indrindra aza i Joba dia afaka nilaza tamin’ireo fahavalony hoe: “Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana [nitsiky, MN] taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako ireo.” (Joba 29:24). Toa an’i Joba nahatoky, dia tsy voatery ho ketraka isika rehefa misy mpanohitra mihomehy antsika. Aza mitsahatra mitsiky! Afaka manome taratry ny fifaliantsika ny toetry ny tarehintsika ka hitarika olona hihaino antsika.
17. Ahoana no mety hitondran’ny fiaretana amim-pifaliana vokatra?
17 Eo am-piasana ny faritanintsika tsy an-kijanona, dia mety hanohina ny fon’ireo olona tia ny fahamarinana ny fiaretantsika sy ny fifaliantsika ka hampirisika azy ireo handinika ilay fanantenana be voninahitra ananantsika. Fifaliana toy inona moa ny mitarika fampianarana Baiboly amin’izy ireo tsy tapaka! Ary rehefa mandray ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ao am-pony izy ireo, dia fifaliana toy inona moa no tsapantsika rehefa tonga namantsika ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo amin’ny farany! Amin’izay, isika dia afaka miteny toy ny nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ireo tonga mpino vaovao tamin’ny androny nanao hoe: “Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va? Fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.” (1 Tesaloniana 2:19, 20). Marina mihitsy fa miteraka fifaliana mitondra fahafahampo ny mitarika olona vaovao ho amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny manampy azy ireo ho tonga Vavolombelona nanolo-tena sy vita batisa.
Ny fifaliana izay manohana
18. Inona no hanampy antsika hiatrika ireo fitsapana samihafa amin’ny andro ankehitriny?
18 Eo amin’ny fiainantsika andavanandro, dia mety hisy tarehin-javatra maro hitaky fiaretana. Ny aretina ara-batana, ny fahaketrahana ary ny fahasahiranana ara-bola dia sasantsasany amin’izany fotsiny. Ahoana no ahafahan’ny kristiana hihazona ny fifaliany mba hiatrehana fitsapana toy izany? Azo atao izany amin’ny fitodihana any amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana fampiononana sy torolalana. Ny famakiana ireo salamo na ny fihainoana famakiana izany noraisina feo dia afaka manome famelombelomana amin’ny fotoam-pitsapana. Ary mariho ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Davida: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22). Tena “Mpihaino vavaka” tokoa i Jehovah. — Salamo 65:2.
19. Toa an-dry Davida sy Paoly, toky inona no mety hananantsika?
19 Ny fandaminan’i Jehovah, amin’ny alalan’ny zavatra vitany an-tsoratra sy ny loholona ao amin’ny kongregasionany, dia vonona mandrakariva mba hanampy antsika, isika izay olombelona malemy dia malemy, hiatrika ireo zava-manahirana antsika. Manome izao torohevitra amin-kafanam-po izao i Davida: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” Afaka nilaza toy izao koa izy: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” Miaraka amin’ny kongregasiona kristiana, isika dia hahita fa “ny famonjena ny marina dia avy amin’i Jehovah; fiarovana mafy ho azy amin’ny andro fahoriana Izy.” (Salamo 37:5, 25, 39). Mandrakariva dia aoka isika hanaraka ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Ary tsy ketraka izahay; (...) raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” — 2 Korintiana 4:16-18.
20. Inona no hitantsika amin’ny mason’ny finoantsika, ary ahoana no mety hanosehan’izany antsika hanao zavatra?
20 Amin’ny mason’ny finoantsika, isika dia afaka mahita ny fandehan-javatra vaovaon’i Jehovah efa eo anoloantsika. Fifaliana sy fitahiana tsy manam-paharoa toy inona moa no ho eo amin’izay! (Salamo 37:34; 72:1, 7; 145:16). Ho fiomanana ho amin’izany fotoana be voninahitra izany, dia aoka isika hanaraka ireto tenin’ny Salamo 100:2 ireto: “Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny amin’ny “fahambonian’ny firazanana arianina”, ny The New York Times tamin’ny 17 Febroary 1940 dia nanonona ny tenin’ny solon’ny mpitondra katolika iray tao amin’ny Oniversiten’i Georgetown (Etazonia) izay nilaza fa “nahare an’i Adolf Hitler niteny izy hoe tsy maintsy haorina indray, hono, ny Empira romana masina, izay empira germanika.” Nilaza ny niafaran’izany toy izao anefa ilay mpanoratra tantara atao hoe William L. Shirer: “Ny Reich Fahatelo, izay teraka tamin’ny 30 Janoary 1933, araka ny teny fireharehan’i Hitler, dia nataony hoe haharitra arivo taona, ary teo amin’ny fomba firesaky ny nazia, izy io dia nantsoina matetika hoe ny ‘Reich arivo taona’. Naharitra roa ambin’ny folo taona sy efa-bolana izy io.”
Ho famerenana:
◻ Fandresena ny fanavakavaham-bolon-koditra feno fifaliana inona no hita ankehitriny?
◻ Inona no nahatonga ny vahoakan’Andriamanitra fahiny hihira sy hihoby?
◻ Ahoana no nitomboan’ny tena fifaliana tamin’ny andro ankehitriny?
◻ Amin’ny ahoana no iarahan’ny fiaretana sy ny fifaliana?
◻ Amin’ny alalan’ny inona no ahafahantsika mihazona ny fifaliantsika?