-
Iza no Hitarika Ireo Firenena ho Amin’ny Fandriampahalemana?Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
-
-
Ohatra, isan-taona dia mandany ora an-jato tapitrisany maro ny Vavolombelona amin’ny firesahana amin’ny olona ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantranon’ireo izay liana handinika ny zava-misy.
25 Tsy andraisam-bola izany fotoana lany rehetra izany. Ireo olona manao ny asa dia avy amin’ny fari-piainana sy taona ary asa rehetra azo saintsainina. Izy ireo no voalazalaza ao amin’ny Isaia 2:3 amin’ireto teny ireto: “Maro ny firenena no hiainga ka hilaza hoe: ‘Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO [Hebreo, יהוה, Jehovah].’ ” Tsy fanaovana asa ho “famonjena fanahy” fotsiny izany. Fandaharam-pampianarana maneran-tany misy zava-kendrena roa izany: 1) Fampahafantarana ny olona avy amin’ny firenena rehetra fa manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra ary filazana aminy marina hoe inona no hataony tsy ho ela, ary 2) fampianarana maimaim-poana an’ireo rehetra maniry handinika ny zava-misy sy hanompo an’ilay Andriamanitra velona araka ny takiny. Ny fahombiazan’ny asa sy ny fahatanterahan’ny faminaniana dia azo antoka. Nahoana? Satria manana ny fanohanan’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy io. — Zakaria 4:6.
26 Koa tsy ara-dalàna ve ny mahita ao amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahatanterahan’io faminaniana ao amin’ny Isaia 2:3 io? Mahafantatra olon-kafa manatanteraka an’io asa io ve ianao? Sa heverinao fa fifanandrifian-javatra fotsiny ny hanokanan’ny olona an-tapitrisany maro ny fotoanany hiresahana ny amin’ny hafatra iray nambara mialoha efa ho roa arivo taona lasa izay, hafatra izay tokony hambara mandritra ny fotoam-pikorontanana mbola tsy nisy toy izany? Eny, amin’izao andro farany izao, dia hita fa ireo Vavolombelon’i Jehovah no “fahazavana ho an’ireo firenena”. (Isaia 42:6; 49:6, NW ). Izy ireo no hany fikambanana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy manompo an’i Jehovah Andriamanitra ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny fiadanana eo ambany fitarihan’ny Mesia, “ny fototr’i Jese”, izay ambarany ho “famantarana” ho an’ireo firenena. — Isaia 11:10, NW, JP.
-
-
Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady — Afaka ny Hahita Izany IanaoHisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
-
-
Ankehitriny, amin’izao andro farany izao, na “faran’ny andro” (JP), dia tsy maintsy misafidy isika na ‘handeha hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah’ mba ‘hampianarany antsika ny amin’ny lalany’ na tsia. Nefa, araka ny efa hitantsika nandritra ity famelabelarana ity, dia betsaka ny zavatra tafiditra amin’ny hoe tonga amin’ny fahalalana ilay Andriamanitra marina, ‘amin’ny fianarana ny làlany, amin’ny fandehanana amin’ny atorony’. (Isaia 2:2, 3, MG). Tsy vitan’ny famakiana bokikely iray fotsiny ny fanaovana toy izany na fianarana mandritra ny fotoana fohy. Mahafaoka fianarana lalina kokoa, izay misy heriny eo amin’ny fomba fiainan’ny olona iray manontolo izany. Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa momba ilay Andriamanitry ny fiadanana?
4 Vonona hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao izany fikarohana lalina izany. Mampirisika anao izahay handalina hatrany an’io foto-kevitra io amim-pahatsorana tanteraka, mba hahafahanao ho tonga anisan’ireo izay ‘handeha hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, mba hianatra ny amin’ny lalany’ koa.
-