-
“Nianjera i Babylona!”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa”. (Isaia 21:8, 9a).
-
-
“Nianjera i Babylona!”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
13, 14. a) Ahoana no niafaran’i Babylona fahiny, ary tamin’ny heviny ahoana no hoe voatorotoro ireo sampiny? b) Tamin’ny fomba ahoana ary oviana i Babylona Lehibe no nianjera toy izany?
13 Ilay mpiambina tao amin’ny fahitan’i Isaia dia nahita kalesin’ady iray nandroso. Inona ilay vaovao? “Nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: [Nianjera izy! Nianjera i Babylona, “NW” ]! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:9b). Tatitra mampientam-po re izany! Ela ny ela ka nianjera io mpandringana sady mpamitaka ny vahoakan’Andriamanitra io!c Amin’ny heviny ahoana anefa no hoe voatorotoro ireo sarin-javatra voasokitr’i Babylona sy ireo sampiny? Moa ve ireo mpanafika medianina sy persanina hitsofoka ao amin’ireo tempolin’i Babylona, ka hanamontsamontsana ireo sampiny tsy toko tsy forohana? Tsia, tsy nilaina ny hanaovana izany. Ho voatorotoro ireo andriamanitra sampin’i Babylona, amin’ny heviny hoe ho voala sarona ho tsy manan-kery hiaro ilay tanàna izy ireo. Ary hianjera i Babylona, amin’ny heviny hoe tsy ho afaka hanohy hampahory ny vahoakan’Andriamanitra izy.
14 Ahoana ny amin’i Babylona Lehibe? Tamin’ny fiokoana ny hampahory ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia tena toy ny hoe nihazona azy ireo an-tsesitany nandritra ny fotoana kelikely izy. Saika nijanona tanteraka ny asa fitorian’izy ireo. Nampidirina an-tranomaizina, noho ny fiampangana lainga, ny prezidà sy ny mpikambana nitana toerana ambony hafa tao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Nahitana fitsimbadihan-javatra nanaitra anefa ny taona 1919. Nafahana avy tao an-tranomaizina ireo mpikambana ambony ireo, nosokafana indray ny birao foibe, ary natomboka indray ny asa fitoriana. Nianjera àry i Babylona Lehibe, amin’ny heviny hoe tapaka ny fangejany ny vahoakan’Andriamanitra.d Ao amin’ny Apokalypsy, io fianjerana io dia nambaran’ny anjely iray indroa, tamin’ny fampiasany ireo teny ao amin’ilay fanambarana hita ao amin’ny Isaia 21:9.—Fanambarana 14:8, NW; 18:2, NW.
-