Tontolo Iray Tsy Hisy Ady, Tsy ho Ela
JEREO indray ilay faminanian’ny Baiboly ao amin’ny Isaia izay manao hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Mariho avy amin’ny teny manodidina fa ireo izay manefy ny sabany ho fangady dia ‘firenena maro’ izay mandeha amin’ny atoron’Andriamanitra. (Isaia 2:2-4). Midika izany fa manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra sy mankato ny lalàny ireo olona ireo. Iza moa izy ireo?
Izy ireo dia tsy maintsy ho vahoaka iray avy amin’ny firenena maro, vahoaka izay tsy vitan’ny hoe nanary fitaovam-piadiana fotsiny, fa niezaka koa hanongotra tao an-tsainy sy tao am-pony ireo toe-tsaina sy fironana izay mitarika ho amin’ny ady lahy sy ny fiadiana. (Romana 12:2). Tsy mamono ny namany izy ireo fa tia azy kosa. (Matio 22:36-39). Efa nandre momba ny vahoaka iray toy izany ve ianao?
Angamba ianao efa nandre fa manana firahalahiana iraisam-pirenena sady nitsipaka ny fandraisana fitaovam-piadiana hamonoana ny hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Eritrereto izao: Raha manana izany fomba fijery izany ny olona rehetra eto an-tany, moa ve itỳ planeta itỳ tsy ho efa toerana anjakan’ny fandriampahalemana sy ny filaminana?
Mazava ho azy fa tsy ny olona rehetra no manana izany fomba fijery izany. Izany dia araka ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka tokony ho 3 000 taona lasa izay: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” — Mpitoriteny 4:1.
Fiantsoana an’ireo tia fandriampahalemana
Hisy ve ny tontolo iray tsy hisian’ny ady indray andro any? Eny. Ho tonga amin’ny alalan’ny ezaky ny olombelona ve izany? Tsia. Ho tonga amin’ny alalan’ny fiovam-pinoana tambabe ho amin’ny fivavahana marina ve izany? Tsia. Mamaly toy izao ny bokin’ny Salamo ao amin’ny Baiboly: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah (...). Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy”. — Salamo 46:8, 9, izahay no manao sora-mandry.
Ahoana no hanaovan’i Jehovah Andriamanitra izany? Mamaly toy izao ny bokin’ny Ohabolana: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy [ireo izay manao tsinontsinona ny lalàn’Andriamanitra] kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” — Ohabolana 2:21, 22.
Izao no antony iray voalohany indrindra tsy nanaovan’Andriamanitra zavatra talohan’izao: Manome ho an’ny olona fahafahana hianatra momba ny lalany izy, mba ho afaka handeha amin’ny atorony izy ireo. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (2 Petera 3:9). Noho izany, ny vahoakan’Andriamanitra dia manampy ny hafa tsy amim-pitiavan-tena mba hianatra momba an’i Jehovah. Araka ny filazan’i Isaia azy, dia manasa toy izao izy ireo: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany”. — Isaia 2:3.
“Any am-parany”
Nanambara mialoha koa ilay andinin-teny ao amin’ny Isaia fa hitranga “any am-parany” ny fampianarana olona amin’ny lalan’ny fiadanana. (Isaia 2:2). Miaina ao anatin’izany fotoana izany isika dieny ankehitriny. Misy fifanoheran-javatra amin’ny hoe tondroin’ireo ady tamin’itỳ taonjato itỳ fa miaina ao anatin’izany isika.
Rehefa nanontany azy ny amin’izay hanamarika ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ ireo mpianatr’i Jesosy, dia nanambara mialoha “horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”, izy. (Lioka 21:11; Matio 24:3, NW ). Nilaza koa izy hoe: “Raha handre ady sy tabataba hianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’izay ny farany. Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” — Lioka 21:9, 10.
Na dia nisy ady aza nandritra ny an’arivony taona maro, itỳ taonjato itỳ fotsiny dia nahita ady lehibe roa ary, araka ny fanombanana sasany, ady kely kokoa an-jatony maro ara-bakiteny. Mahatsiravina ny hoe olona am-polo tapitrisany maro no maty tamin’ny ady tao anatin’itỳ taonjato itỳ. Araka ny gazetiboky World Watch, nandritra ireo 2 000 taona talohan’ny taonjato faha-20, tamin’ny antsalany, dia 50 taona no nilaina hahafaty olona iray tapitrisa tamin’ny ady. Nandritra itỳ taonjato itỳ, ny halavam-potoana nilaina hahafaty olona iray tapitrisa tamin’ny ady, tamin’ny antsalany, dia herintaona.
Tontolo iray tsy hisy ady
Asehon’ireo ady nahatsiravina tamin’itỳ taonjato misy antsika itỳ, nomban’ireo fisehoan-javatra maro hafa voambara mialoha ao amin’ny faminanian’ny Baiboly, fa eo an-tokonan’ny tontolo vaovao iray hamboarin’Andriamanitra isika. Hofoanana ny fikorontanan’ny tontolo tonta ka hosoloana “tany vaovao”, izay hanjakan’ny fiadanana sy ny fahamarinana. (2 Petera 3:13). Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:9, 11.
Manerana ny tany manontolo amin’izao andro izao, dia misy olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina maniry fatratra tontolo iray tsy hisy ady. Amin’ny fampisehoana fa azo antoka ny hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany hamorona tontolo iray toy izany, dia nanoratra toy izao fahiny ela be ny mpaminanin’Andriamanitra iray: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” — Habakoka 2:3.
Noho izany, amim-pahendrena, dia apetraho amin’Andriamanitra ny fitokianao ka ankafizo ny fahatanterahan’ilay fampanantenany hoe: “Andriamanitra no hitoetra eo amin[’ny olony], dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.
[Efajoro/Sary, pejy 9, 10]
Izay Ampanantenain’ny Baiboly ho Amin’izany Tontolo Vaovao Izany:
Tsy Hisy Heloka Bevava, Herisetra, na Faharatsiana
“Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [Andriamanitra]”. — Salamo 46:9.
“Ny mpanao ratsy hofongorana (...). Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy”. — Salamo 37:9, 10.
Hahita Fiadanana ny Taranak’olombelona Rehetra
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe (...) Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:5, 6.
Ho Paradisa ny Tany Manontolo
Hoy i Jesosy: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:43, NW.
“Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Firahalahiana Maneran-tany Feno Fitiavana
“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Fitsanganan’ireo Olon-tiana Nody Mandry
“Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [am-pasam-pahatsiarovana, NW ] ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy”. — Jaona 5:28, 29.
Tsy Hisy Aretina, Fahanterana, na Fahafatesana Intsony
“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:4.