-
‘Firenen’Andriamanitra Ianareo Ankehitriny’Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Novambra
-
-
17, 18. a) Inona no toromarika ho azon’ny vahoakan’i Jehovah rehefa hanafika azy ireo i Goga? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba harovan’i Jehovah?
17 Rehefa hanafika i Goga dia hiteny amin’ny vahoakany i Jehovah hoe: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonao anatiny, ry oloko, ka hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fanamelohana.” (Isaia 26:20) Hanome toromarika mba hamonjena antsika i Jehovah amin’izay, ary mety hisy ifandraisany amin’ny fiangonana misy antsika ilay hoe ‘efitrano anatiny.’
18 Inona no tsy maintsy ataontsika mba harovan’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe? Tsy maintsy manaiky isika fa manana vahoaka eto an-tany izy, ary voalamina ho fiangonana maromaro izy ireo. Tsy maintsy miandany hatrany amin’io vahoaka io isika, ary mifandray akaiky foana amin’ny fiangonana misy antsika.
-