-
Nanambara Mialoha ny ‘Zavatra Hafahafa Hataon’i Jehovah’ i IsaiaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
“Ny mpimamo any Efraima”
3, 4. Inona no nampirehareha an’ilay fanjakan’ny Isiraely tany avaratra?
3 Nanomboka ny faminaniany tamin’izao teny manaitra izao i Isaia: “Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
-
-
Nanambara Mialoha ny ‘Zavatra Hafahafa Hataon’i Jehovah’ i IsaiaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
4 I Efraima, izay ny lehibe indrindra tamin’ireo foko folo tany avaratra, dia nanjary nampiseho ilay fanjakan’ny Isiraely manontolo. I Samaria, renivohiny, dia teo amin’ny toerana tsara tarehy sady nanerinerina, teo “an-dohan’ny lohasaha lonaky ny fileon-divay”. Ireo mpitarika ny Efraima dia faly erỳ noho ilay ‘satroboninahitra reharehany’, izay nampiseho ny fahaleovan-tenany tamin’ny fanjakana davidika tany Jerosalema. “Mpimamo” anefa izy ireo, izay mamo ara-panahy, noho ilay fifanarahana nataony tamin’i Syria mba hanafika an’i Joda.
-