Ireo mpimamo ara-panahy — Iza moa izy ireo?
“Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima”. — ISAIA 28:1.
1. Fijerena lafy tsaran-javatra inona no ananan’ny maro, nefa moa ve ho tanteraka ny fanantenan’izy ireo?
MIAINA amin’ny fotoana mampientana ny fo isika. Taitaitra be ihany ny olona maro noho ireo fiovana ara-politika nanaitra nanerana izao tontolo izao sy tamin’ny fahitana fandraisana anjara bebe kokoa avy amin’ny Firenena Mikambana. Tamin’ny Desambra 1989, dia hoy ny Detroit Free Press: “Amin’ny fotoana idiran’ny planeta ao amin’ireo taona 1990, dia nanomboka tampoka tamin’ny fomba malaza ny fiadanana.” Izao no nolazain’ny gazety sovietika iray: “Miomana ny hanefy ny sabatra ho fangady isika”. Ary izao kosa no nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana: “Tsy manao ady mangatsiaka intsony isika.” Eny, ambony dia ambony ireo fanantenana, ary tsy isalasalana fa eo am-piovana ny sehatr’izao tontolo izao. Vao haingana kokoa, ny ady tao amin’ny Hoala Persika dia nanazava ny mety hitrangan’ny fiovana haingana. Kanefa, moa ve ity tontolo ankehitriny ity ho afaka hanorina fotoam-piadanana sy filaminana tena izy, miaraka amin’ireo soa rehetra mifandray amin’izany? Tsia no valiny. Raha ny marina dia misy fotoan-tsarotra manomboka mitombo izay hanozongozona izao tontolo izao hatrany amin’ny fotony! Izany dia fotoan-tsarotra izay mahatafiditra lalina ny fivavahana.
2. Ahoana no ifanitsian’ny toe-javatra ankehitriny amin’izay nisy teo amin’ny Isiraely sy ny Joda fahiny?
2 Io fotoan-tsarotra io dia nanana ho tandindona ireo zava-nitranga teo amin’ny Isiraely sy ny Joda fahizay nandritra ny taonjato faha-6 sy faha-7 al.fan.ir. Tamin’izay koa, dia nihevitra ny olona fa nety ho azony natao ny hanorina fiadanana. Nampitandrina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny anefa Andriamanitra fa ny fanantenan’izy ireo fiadanana dia hevi-dravina, izay haharihary tsy ho ela. Toy izany koa amin’izao andro izao, amin’ny alalan’ireo Vavolombelony, i Jehovah dia mampitandrina ny taranak’olombelona fa voafitaka izy ireo raha manantena ny hanorina fiadanana maharitra amin’ny alalan’ny fiezahan’olombelona. Aoka hovakintsika ny fampitandremana ara-paminaniana nomen’i Jehovah ary aoka hojerentsika ny fomba iharan’izany amin’izao andro izao. Hita izany ao amin’ny toko faha-28 amin’ny Isaia ary nosoratana talohan’ny taona 740 al.fan.ir., azo inoana fa nandritra ny nanjakan’i Peka, mpanjaka ratsin’ny Isiraely, sy i Ahaza mpanjakan’ny Joda naniasia.
“Ny mpimamo any Efraima”
3. Fanamelohana manaitra inona no notononin’i Isaia?
3 Eo amin’ny andininy voalohany amin’ny toko faha-28, dia mitsamboatra isika noho ny filazana manaitra iray: “Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny fileon-divay [lonak’ireo resin’ny divay, MN].” Toy inona moa no tsy maintsy ho nahatafintohina ireo Isiraelita nandre izany fanamelohana namelively izany! Iza moa ireo ‘mpimamo tany Efraima’ ireo? Inona ilay ‘satroboninahitra izay rehareha’? Ary inona ilay ‘lohan’ny lohasaha lonak’ireo resin’ny divay’? Mbola zava-dehibe kokoa, milaza inona ireo teny ireo ho antsika amin’izao andro izao?
4. a) Inona moa i Efraima sy ny lohan’ny lohasaha lonaka? b) Nahoana ny Isiraely no nahatsiaro tsy fananana ahiahy?
4 Koa satria i Efraima no lehibe indrindra tamin’ny foko folon’ny Isiraely, ny teny hoe “Efraima” indraindray dia nanondro ny fanjakana tany amin’ny tapany avaratra manontolo. Koa ‘ny mpimamo tany Efraima’ àry dia tena ireo mpimamon’ny Isiraely. Ny renivohitry ny Isiraely dia i Samaria izay nanerinerina teo an-tampon’ny lohasaha lonaka iray. Koa ilay fitenenana hoe ‘lohan’ny lohasaha lonaka’ àry dia manondro an’i Samaria. Rehefa nosoratana ireo teny ireo, dia tena nikororosy teo amin’ny lafiny ara-pivavahana ny fanjakan’ny Isiraely. Ambonin’izany, dia nanao fanekena ara-politika tamin’i Syria hanohitra ny Joda izy ary izao dia nahatsiaro tsy fananana ahiahy. (Isaia 7:1-9). Nadiva hiova izany zavatra izany. Nanatona ny fotoan-tsarotra iray izay nahatonga an’i Jehovah hilaza hoe “lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima”.
5. a) Inona ilay satroboninahitra reharehan’ny Isiraely? b) Iza ireo mpimamo tany Efraima?
5 Inona moa ilay ‘satroboninahitra rehareha’? Famantarana ny fahefam-panjakana ny satroboninahitra. Miharihary fa, ‘ny satroboninahitra rehareha’ dia ny toerana nisy ny Isiraely tamin’ny naha-fanjakana nitokana, tsy niankina tamin’ny Joda, azy. Hisy zavatra hitranga handrava ny fahaleovantena ara-panjakana nananan’ny Isiraely. Koa iza àry ireo ‘mpimamo tany Efraima’? Tsy isalasalana fa nisy mpimamo ara-bakiteny teo amin’ny Isiraely, satria i Samaria dia sehatry ny fanompoan-tsampy feno fahalotoam-pitondrantena. Miresaka ny amin’ny karazana fahamamoana mbola ratsy kokoa anefa ny Baiboly. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 29:9: “Mamo ireo, nefa tsy tamin’ny divay; mivembena izy, nefa tsy tamin’ny toaka.” Izany dia fahamamoana ara-panahy, fahamamoana maloto sy mitondra fahafatesana. Mazava fa ireo filoha teo amin’ny Isiraely — indrindra fa ireo filohany ara-pivavahana — dia voan’izany fahamamoana ara-panahy izany.
6. Inona no nahamamo ny Isiraely fahiny?
6 Inona no nahatonga ny fahamamoana ara-panahin’ny Isiraely fahiny? Amin’ny fotony, izany dia ny fanekena nataony tamin’i Syria hanohitra ny Joda, fanekena izay nanome ho an’ireo filohan’ilay firenena fahatsapana tsy fananana ahiahy nahafinaritra. Io fahamamoana ara-panahy io dia nahatonga ny Isiraely tsy hahafantatra intsony ny zava-nisy. Toy ny mpimamo ara-bakiteny, dia mahita lafy tsaran-javatra izy na dia tsy nisy antony ho amin’izany aza. Ambonin’izany, ny Isiraely dia nitondra io fanekena nifanaovana tamin’i Syria nahamamo io tamim-pieboeboana toy ny fehiloha voninkazo firavaka. Kanefa, araka ny nolazain’i Isaia, izany dia fehiloha voninkazo nihanalazo izay tsy haharitra ela intsony.
7, 8. Na dia teo aza ny fahatsapana nahafinaritra nananany, inona no tsy maintsy nihatra tamin’ny Isiraely fahiny?
7 Nanantitrantitra izany i Isaia ao amin’ny toko faha-28, andininy faha-2: “Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy amin’ny tany.” Iza io “mahery sady matanjaka” io? Tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny, izy io dia ny Empira asyriana natanjaka. Io herim-panjakana teo amin’izao tontolo izao lozabe sy tsy nifaditrovana io dia ho tonga eo amin’ny Isiraely toy ny tafio-drivotra mandoza, toy ny fandriaky ny rano be manafotra. Ary inona no vokany?
8 Miteny toy izao i Isaia avy eo: “Dia hohitsahin’ny tongotra ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima. Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’aviavy mialintaona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.” (Isaia 28:3, 4). Ny renivohitry ny Isiraely, i Samaria dia toy ny aviavy masaka ho an’i Asyria, vonona ny hotazana sy harapaka. Ny fifaneken’ny Isiraely sy i Syria, toy ny fehiloha voninkazo, dia hohitsahina. Tsy hisy vidiny izany rehefa tonga ny fotoana fampamoahana. Mbola ratsy kokoa aza, ilay voninahitry ny fahaleovantenany toy ny satroboninahitra dia homontsamontsanina eo ambanin’ny tongotry ny fahavalo Asyriana. Loza amin’antambo re izany!
‘Mpisorona sy mpaminany miraingiraingy’
9. Nahoana ny Joda no nety ho nanantena hafatra tsaratsara kokoa avy tamin’i Jehovah noho izay azon’ny Isiraely fahiny?
9 Eny, niandry ny Isiraely ny fampamoahana nahatahotra iray, ary araka ny nampitandreman’i Jehovah Andriamanitra azy, dia tonga izany fampamoahana izany tamin’ny taona 740 al.fan.ir., rehefa noravan’ny Asyriana i Samaria ary nitsahatra tsy ho firenena nahaleotena intsony ny fanjakana tany amin’ny tapany avaratra. Izay nitranga tamin’ny Isiraely fahiny dia mahaforona fampitandremana mahatahotra ho an’ny fivavahan-diso nivadika ankehitriny, araka ny ho hitantsika. Ahoana anefa ny amin’ny Joda, fanjakana rahavavin’ny Isiraely tany atsimo? Tamin’ny andron’i Isaia dia mbola niasa ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema, renivohitry ny Joda. Mbola nanan-kery ny fisoronana tao, ary niteny tamin’ny anaran’i Jehovah ny mpaminany toa an-dry Isaia sy Hosea ary Mika. Hafatra inona àry no nananan’i Jehovah ho an’ny Joda?
10, 11. Toe-javatra naharikoriko inona no nisy teo amin’ny Joda?
10 Milaza amintsika i Isaia avy eo hoe: “Nefa ireo koa [ireo mpisorona sy mpaminany tao Jerosalema] dia miraingiraingy azon’ny divay ary mivembena azon’ny toaka; ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ny toaka”. (Isaia 28:7a). Niharihary fa mamo koa ireo filoha ara-pivavahan’ny Joda. Azo inoana fa, sahala amin’ny teo amin’ny Isiraely, dia mpimamo ara-bakiteny ny sasany, ary raha izany no izy, izany dia fahafaham-baraka. Ny lalàn’Andriamanitra dia nandrara manokana ny fisotro mahery ho an’ireo mpisorona rehefa nanompo tao amin’ny tempoly izy ireo. (Levitikosy 10:8-11). Ny fimamoana ara-bakiteny ao an-tranon’Andriamanitra, dia ho fandikana ny lalàn’Andriamanitra amin’ny fomba mahatafintohina.
11 Mbola ratsy kokoa anefa fa nisy fimamoana ara-panahy teo amin’ny Joda. Toy ny nilaharan’ny Isiraely teo anilan’i Syria hanohitra ny Joda, dia mba nitady tsy fananana ahiahy koa ny Joda tamin’ny fanaovana fanekena tamin’i Asyria. (2 Mpanjaka 16:5-9). Na dia teo aza ny fisian’ny tempolin’Andriamanitra sy ny mpaminaniny dia nametraka ny finoany tamin’olombelona ny Joda nefa tokony ho natoky an’i Jehovah. Ambonin’izany, tamin’ny fanaovana fanekena tsy nampiseho fahendrena toy izany, ireo filohany dia nahatsiaro tena ho tsy nanam-panahiana sahala amin’ireo namany mamo ara-panahy tany avaratra. Naharikoriko an’i Jehovah ny fihetsika tsy voahevitra nasehon’izy ireo.
12. Inona no ho vokatry ny fahamamoana ara-panahin’ny Joda?
12 Hoy i Isaia avy eo: “Resin’ny divay ireo; mivembena azon’ny toaka izy; miraingiraingy amin’ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ny fitsarana. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.” (Isaia 28:7b, 8). Azo inoana fa, tamin’ny fotoana nahamamo azy, ny sasany dia nandoa ara-bakiteny tao amin’ny tempoly. Fa ny mbola ratsy lavitra, dia ireo mpisorona sy mpaminany izay tokony ho nanome fitarihana ara-pivavahana no nandoa loto ara-panahy. Ambonin’izany, ankoatra ny olona nahatoky vitsivitsy, dia nivaona ny fitsaran’ireo mpaminany, ary nahita mialoha zavatra diso ho an’ilay firenena izy ireo. Hofaizin’i Jehovah ny Joda noho io fahalotoana ara-panahy io.
Mpimamo ara-panahy amin’izao andro izao
13. Zavatra mifanitsy amin’ny toe-javatra teo amin’ny Isiraely sy ny Joda inona no nisy tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., ary zavatra mifanandrify inona no misy amin’izao andro izao?
13 Moa ve ireo faminanian’i Isaia tanteraka tamin’ny Isiraely sy ny Joda fahiny fotsiny? Tsia dia tsia. Na i Jesosy na ny apostoly Paoly dia samy nanonona ireo teniny ny amin’ny fahamamoana ara-panahy ary nampihatra izany tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny. (Isaia 29:10, 13; Matio 15:8, 9; Romana 11:8). Amin’izao andro izao koa, dia nipoitra ny toe-javatra mitovy amin’izay nisy tamin’ny andron’i Isaia — tamin’ity kosa, dia tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fandaminana ara-pivavahana maneran-tany izay mihambo ho misolo tena an’Andriamanitra. Tsy niandany mafy tamin’ny fahamarinana sady tsy niantehitra tamin’i Jehovah ny fivavahana lazaina fa kristiana, katolika sy protestanta, fa nametraka ny finoany kosa tamin’izao tontolo izao. Tamin’izany izy dia nivembena, toy ireo mpimamon’ny Isiraely sy Joda. Ireo mpimamo ara-panahy tany amin’ireo firenena fahiny ireo dia mampiseho tsara ireo filoha ara-panahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao. Aoka hojerentsika hoe amin’ny fomba ahoana marina.
14. Ahoana no naha-mamo ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sahala amin’ireo filohan’i Samaria sy Jerosalema fahiny?
14 Sahala amin’i Samaria sy Jerosalema, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nigoka ny divain’ireo fanekena ara-politika. Tamin’ny 1919, izy dia anisan’ny mpanohana voalohany ny Fikambanam-pirenena. Raha nilaza i Jesosy fa ireo kristiana dia tsy ho anisan’izao tontolo izao, ireo filoha ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana kosa dia nitana fifandraisana tamin’ireo filoha ara-politika. (Jaona 17:14-16). Manaitaitra ho an’ny klerjy ny divay ara-panoharan’izany fanaovan-javatra izany. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 17:4.) Tiany ny fakàn’ireo mpanao politika torohevitra any aminy sy ny fiarahana amin’ireo lehibe eo amin’izao tontolo izao. Ho vokatr’izany, dia tsy manana fitarihana ara-panahy marina homena izy ireo. Tsy miresaka ny amin’ny hafatra madion’ny fahamarinana izy ireo fa mandoa fahalotoana kosa. (Zefania 3:9, NW). Tsy mpitarika azo antoka ho an’ny taranak’olombelona izy ireo noho ny fahitana manjavozavo sy tsy mazava ananany. — Matio 15:14.
“Didy anampy didy”
15, 16. Nanao ahoana ny fandraisan’ireo niara-belona tamin’i Isaia ny fampitandremana nomeny?
15 Tamin’ny taonjato fahavalo al.fan.ir., dia nahariharin’i Isaia indrindra ny lalan-dratsin’ireo filoha ara-panahin’ny Joda. Nanao ahoana ny fandraisan’izy ireo izany? Nankahala izany izy ireo! Rehefa nikiry nanambara ny fampitandreman’Andriamanitra i Isaia, dia namaly toy izao ireo filoha ara-pivavahana: “Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?” (Isaia 28:9). Eny, nihevitra angaha i Isaia hoe niresaka tamin-jazakely izy? Nihevitra ny tenany ho olon-dehibe, tena afaka nanao fanapahan-kevitra ho an’ny tenany, ireo filoha ara-pivavahana tao Jerosalema. Tsy nila nihaino an’ireo fampahatsiarovana lava nataon’i Isaia izy ireo.
16 Nanao ho fihomehezana mihitsy ny asa fitoriana nataon’i Isaia aza ireo mpivavaka ireo. Naverimberiny toy izao ny aminy: “Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; kely etỳ, ary kely erỳ”. (Isaia 28:10). ‘Manohy mamerimberina ny teniny i Isaia’, hoy izy ireo. ‘Manohy miteny izy hoe: “Izao no nandidian’i Jehovah! Izao no nandidian’i Jehovah! Izao no fitsipik’i Jehovah! Izao no fitsipik’i Jehovah!” ’ Amin’ny fiteny hebreo tany am-boalohany, ny Isaia 28:10 dia natao niady rima niverimberina, toy irony hirahira fandrotsirotsiana zaza irony. Ary toy izany no toa fahitan’ireo filoha ara-pivavahana an’ilay mpaminany: mamerimberin-teny sy manao sain-jaza.
17. Ahoana no fihetsiky ny olona maro amin’izao andro izao eo anatrehan’ny hafatra fampitandremana ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah?
17 Tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., ny fitoriana nataon’i Jesosy sy ireo mpianany dia toa niverimberina sy tsotra loatra toy izany koa. Nihevitra izay nanaraka an’i Jesosy ho voaozona, ho tambanivohitra mora ambakaina, ho olona tsy nahita fianarana sy tsotra, ireo filoha ara-pivavahana jiosy. (Jaona 7:47-49; Asan’ny apostoly 4:13). Toy izany koa mazàna no iheverana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Tsy nandia ireo semineran’ny fivavahana lazaina fa kristiana izy ireo, ary tsy mba mampiasa anaram-boninahitra mipoapoaka na fiteny ara-teôlôjia toy ny ataon’ny klerjy. Koa ireo ambonimbony ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manamavo azy, mihevitra fa tokony hahafantatra ny toerany izy ireo ary hanome fanajana bebe kokoa ireo filoha ara-pivavahana ireo.
18. Inona no tsy fantatr’ireo filoha ara-pivavahana amin’izao andro izao?
18 Misy anefa zavatra izay tsy fantatr’ireo filoha ara-pivavahana ireo. Na dia nanda ny hafatra nentiny aza ireo lehibe tamin’ny androny, i Isaia dia nilaza ny marina, ary tanteraka tokoa ny fampitandremany! Toy izany koa, ireo fampitandremana ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia marina, miorina mafy amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra, ny Baiboly. (Jaona 17:17). Noho izany, dia ho tanteraka izy ireo.
Ny fampamoahana
19. Tamin’ny ahoana ny Joda no voatery nihaino vahiny niresaka tamin’ny fiteny miakanakana?
19 Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 28:11: “Eny, amin’ny molotra miambakambaka [miakanakana, MN] sy amin’ny fiteny baiko [fiteny hafa, MN] no hitenenany amin’ity firenena ity”. Toa fingonongononana amin’ny fiteny vahiny ho an’ny Joda ny fampianaran’i Isaia. Na dia tsy niharan-doza tamin’ny fandrahonan’ny Asyriana izay nandresy tanteraka ny Isiraely aza ny Joda, tamin’ny farany i Jehovah dia nikarakara azy tamin’ny alalan’ny vahiny hafa iray: Nebokadnezara. (Jeremia 5:15-17). Ny fiteny babyloniana dia toa henjana sy miakanakana ho an’ireo Hebreo. Kanefa dia voatery nihaino izany izy ireo rehefa noravana Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 al.fan.ir. ary nentina ho babo tany Babylona ireo mponina. Amin’izany fomba izany koa ankehitriny, dia tsy maintsy hijaly tsy ho ela ny fivavahana lazaina fa kristiana satria, sahala amin’ny Joda taloha, dia minia tsy mahalala ireo fananaran’i Jehovah izy.
20, 21. Inona no ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy an-kijanona, kanefa tsy mety manao inona ireo filoha ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
20 Hoy ilay faminaniana ny amin’ireo olona toy izany: “Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; nefa tsy nety nihaino ireo. Ary ny tenin’i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana sy hosamborina.” — Isaia 28:12, 13.
21 Tsy an-kijanona, toy ny niresahan’i Isaia ny hafatr’Andriamanitra, dia ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa tokony hanankina ny fanantenany amin’ny tenin’i Jehovah izy. Tsy nety nihaino anefa izy. Aminy, ireo Vavolombelona dia toa mingonongonona amin’ny fiteny vahiny. Miresaka amin’ny fiteny tsy mety azony izy ireo. Ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy mety manome fitsaharana ho an’ny reraka amin’ny firesahana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny tontolo vaovao ho avy. Tsy izany fa, mamon’ny divain’ny fifandraisany amin’ity tontolo ity izy. Aleony manohana vahaolana ara-politika ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona. Toy ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy nitady ny toeram-pitsaharan’ilay Fanjakana izy, ary tsy hiresaka ny amin’izany amin’ny hafa. — Matio 23:13
22. Ny amin’inona no nampahafantarin’i Jehovah ireo filoha ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
22 Noho izany, ireo teny ara-paminanian’i Isaia dia mampahafantatra ny klerjy fa tsy hiteny foana amin’ny alalan’ny Vavolombelony tsy mampidi-doza akory i Jehovah. Tsy ho ela dia hotanterahin’i Jehovah ny “didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika”, ary ho loza amin’antambo no ho vokany ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ireo filohany ara-pivavahana sy ny andian’ondriny dia ‘ho torotoro sy hofandrihana ary hosamborina’. Eny, sahala amin’i Jerosalema taloha, ny fandehan-javatra ara-pivavahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia horavana tanteraka. Fitrangan-javatra hanaitra sy tsy hampoizina toy inona moa izany! Ary fiafarana mahatsiravina re izany, satria tian’ny klerjy kokoa noho ireo fampahatsiarovana nataon’i Jehovah ny fahamamoana ara-panahy!
Hainao hazavaina ve?
◻ Iza ireo mpimamo tany Efraima, ary inona no nahamamo azy?
◻ Ahoana no nanitsahana ny satroboninahitra reharehan’ireo mpimamo tany Efraima?
◻ Toe-javatra nahamenatra tany Joda inona no nahariharin’i Isaia?
◻ Aiza, amin’izao andro izao no ahitantsika mpimamo ara-panahy?
◻ Nahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no tokony handinika izay nitranga tamin’ny firenen’ny Joda taloha?