-
Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
5, 6. a) Noho ny inona no hampamoahan’Andriamanitra an’ireo firenena? b) Inona no hevitry ny hoe “ny tendrombohitra hiempo azon’ny rany”?
5 Izao ilay faminaniana dia milaza ny amin’ny hoavy manjombona miandry an’ireo firenena tsy tia an’Andriamanitra—izay mifanohitra tanteraka amin’ny fanantenana mamirapiratra ananan’ny vahoakan’Andriamanitra, izay lazalazaina aoriana kely. (Isaia 35:1-10). Hoy ilay mpaminany: “Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
-
-
Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
6 Sarihina ho amin’ny trosan-dran’ireo firenena izao ny saina. Ankehitriny, dia ireo firenena ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina no tena manana trosan-dra indrindra. Nataony vonton’ny ran’olombelona ny tany, tamin’ireo ady lehibe roa sy ireo fifandonana kely kokoa maro be. Iza no tokony hanana ny zo hitaky ny rariny, noho izany trosan-dra rehetra izany? Tsy iza fa ny Mpamorona, ilay Mpanome ny Fiainana. (Salamo 36:9).
-
-
Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Rehefa ho ringana tanteraka ireo tafiny, dia hahita ny firodanan’ny fitondram-panjakany, izay asehon’ny faminanian’ny Baiboly ho toy ny tendrombohitra, ireo firenen’ity tontolo ity.—Daniela 2:35, 44, 45; Apokalypsy 17:9.
-