-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Ny nahaterahan’ny firenena vaovao iray
19. Nahoana no tsy maintsy lazaina fa voafetra ihany ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia tamin’ny taonjato fahenina al.f.i.?
19 Mazava ho azy fa voafetra ny fahatanterahan’ny Isaia toko faha-35 tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. Tsy naharitra ireo toe-piainam-paradisa nankafizin’ireo Jiosy tafody tany an-tanindrazany. Tatỳ aoriana, dia nandoto ny fivavahana madio ny fampianaran-diso ara-pivavahana sy ny fanindrahindram-pirenena. Nahatsapa alahelo sy fisentoana indray ireo Jiosy, teo amin’ny lafiny ara-panahy. Tamin’ny farany, dia nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany intsony izy ireo. (Matio 21:43). Noho ilay tsy fankatoavana indray, dia tsy naharitra ny fifalian’izy ireo. Izany rehetra izany dia manondro fa hanana fahatanterahana lehibe kokoa sy atỳ aoriana kokoa ny Isaia toko faha-35.
20. Isiraely vaovao iza no niforona tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
20 Tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia niforona ny Isiraely iray hafa, ara-panahy. (Galatiana 6:16). Nanao ny dingana voalohany mba hahaterahan’io Isiraely vaovao io i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio izy, ary tamin’ny alalan’ny fampianarany, dia nanomboka nikoriana indray ny ranon’ny fahamarinana.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
22. Ahoana no nahatongavan’ny Kristianina tso-po nitady ny fahamarinana amin’ny andro ankehitriny ho babon’i Babylona?
22 Ahoana ny amin’ny androntsika? Moa ve ny faminanian’i Isaia manana fahatanterahana hafa, izay feno kokoa ary mahakasika ny kongregasiona kristianina ankehitriny? Eny. Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nihena be ny isan’ny Kristianina marina voahosotra, ary niroborobo naneran-tany ny Kristianina sandoka, na “tsimparifary”. (Matio 13:36-43; Asan’ny Apostoly 20:30; 2 Petera 2:1-3). Na dia nisy olona tso-po tsirairay nanomboka nisaraka tamin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ka nitady ny fivavahana madio aza, nandritra ny taonjato faha-19, dia mbola voapentin’ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina ihany ny fomba fahazoany hevitra. Tamin’ny 1914, dia notendrena ho Mpanjaka Mesianika i Jesosy, nefa tsy ela taorian’izay, dia toa tsy nisy fanantenana ny tarehin-javatra ho an’ireo olona tso-po nitady ny fahamarinana ireo. Ho fahatanterahan’ny faminaniana, dia ‘niady taminy, ka naharesy azy’ ireo firenena, ary rehefa nanandrana nitory ny vaovao tsara ireny Kristianina tso-po ireny, dia nosakanana. Raha ny tena izy, dia nanjary babon’i Babylona izy ireo.—Apokalypsy 11:7, 8.
23, 24. Tamin’ny lafiny inona avy no nahatanterahan’ny tenin’i Isaia, teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919?
23 Tamin’ny 1919 anefa, dia niova ny zava-drehetra. Nanafaka ny vahoakany avy tany amin’ny fahababoana i Jehovah. Nanomboka nanda ireo fampianaran-diso, izay nandoto ny fanompoam-pivavahany teo aloha, izy ireo. Ho vokany dia sitrana izy ireo. Nanjary tonga tao amin’ny paradisa ara-panahy, izay mbola miely maneran-tany na dia ankehitriny aza, izy ireo.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Ny zava-dehibe kokoa dia ny nahafahan’ireo olona nahitsy fo nandositra ny fivavahan-diso, ka nankafy paradisa ara-panahy teo anivon’ny kongregasiona kristianina. (Isaia 52:11; 2 Korintiana 6:17).
-