-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
21. Momba ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fisehoan-javatra inona avy no azo heverina ho fahatanterahan’ny lafiny sasany amin’ny faminanian’i Isaia?
21 Rehefa nanoratra ho an’ny mpikambana tao amin’ny Isiraely ara-panahy ny apostoly Paoly, dia nanonona ny teny ao amin’ny Isaia 35:3, manao hoe: “Hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy”. (Hebreo 12:12). Miharihary àry fa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nisy fahatanterahan’ny tenin’ny Isaia toko faha-35.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Ny zava-dehibe kokoa dia ny nahafahan’ireo olona nahitsy fo nandositra ny fivavahan-diso, ka nankafy paradisa ara-panahy teo anivon’ny kongregasiona kristianina. (Isaia 52:11; 2 Korintiana 6:17). Toy ireo Jiosy niverina avy tany Babylona, ireo afa-nandositra ireo dia nahita fa tena nilaina ny fahaiza-mijery lafy tsaran-javatra sy ny herim-po.—Romana 12:11.
-