-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
20. Isiraely vaovao iza no niforona tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
20 Tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia niforona ny Isiraely iray hafa, ara-panahy. (Galatiana 6:16). Nanao ny dingana voalohany mba hahaterahan’io Isiraely vaovao io i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio izy, ary tamin’ny alalan’ny fampianarany, dia nanomboka nikoriana indray ny ranon’ny fahamarinana. Nanasitrana ny marary izy, na ara-batana na ara-panahy.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Miharihary àry fa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nisy fahatanterahan’ny tenin’ny Isaia toko faha-35. Nanao fahagagana ara-bakiteny i Jesosy sy ny mpianany, mba hampahiratana ny jamba sy hampahaladiana ny sofin’ny marenina. Nahatonga ny “mandringa” handeha, sy ny moana hiteny, izy ireo. (Matio 9:32; 11:5; Lioka 10:9).
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
23, 24. Tamin’ny lafiny inona avy no nahatanterahan’ny tenin’i Isaia, teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919?
23 Tamin’ny 1919 anefa, dia niova ny zava-drehetra. Nanafaka ny vahoakany avy tany amin’ny fahababoana i Jehovah. Nanomboka nanda ireo fampianaran-diso, izay nandoto ny fanompoam-pivavahany teo aloha, izy ireo. Ho vokany dia sitrana izy ireo. Nanjary tonga tao amin’ny paradisa ara-panahy, izay mbola miely maneran-tany na dia ankehitriny aza, izy ireo. Amin’ny heviny ara-panahy, dia mianatra mahita ny jamba, ary mianatra mandre ny marenina—izany hoe nanjary mailo tanteraka, raha ny amin’ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra, sy mitandrina mandrakariva mba hitoetra ho akaiky an’i Jehovah. (1 Tesaloniana 5:6; 2 Timoty 4:5). Tsy moana intsony ny Kristianina marina, fa mazoto erỳ “hihoby”, ka hanambara ireo fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa. (Romana 1:15). Ireo izay nalemy, na hoe ‘nandringa’, ara-panahy taloha, dia maneho zotom-po sy fifaliana ankehitriny. Amin’ny heviny an’ohatra, dia afaka ‘mitsambikina tahaka ny diera’ izy ireo.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
25. Hisy fahatanterahana ara-batan’ny Isaia toko faha-35 ve? Hazavao.
25 Ahoana ny amin’ny hoavy? Ho tanteraka amin’ny lafiny ara-batana ve ny faminanian’i Isaia indray andro any? Eny. Ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ny apostoliny tamin’ny taonjato voalohany dia nampiseho ny fanirian’i Jehovah sy ny fahaizany hanao fanasitranana toy izany amin’ny ambaratonga lehibe amin’ny hoavy. Ireo Salamo ara-tsindrimandry dia miresaka momba ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fiadanana eto an-tany. (Salamo 37:9, 11, 29). Nampanantena fiainana ao amin’ny Paradisa i Jesosy. (Lioka 23:43). Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia mampanantena paradisa ara-bakiteny ny Baiboly. Amin’izany fotoana izany, dia ho sitrana ara-batana mandrakizay ny jamba, ny marenina, ny mandringa ary ny tsy afa-miteny.
-