Maharitra Mandrakizay ny Tenin’Andriamanitra
“Ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.” — ISAIA 40:8.
1. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “tenin’ilay Andriamanitsika” eto? b) Manao ahoana ireo fampanantenan’olombelona raha ampitahaina amin’ny tenin’Andriamanitra?
MIRONA hametraka ny fitokiany amin’ny fampanantenana omen’ireo lehilahy sy vehivavy mitana toerana ambony ny olombelona. Na dia mety ho tsara toy inona aza anefa ireny fampanantenana ireny ho an’ny olona maniry fatratra hanana fiainana tsara kokoa, dia toy ny voninkazo malazo izy ireny rehefa ampitahaina amin’ny tenin’ilay Andriamanitsika. (Salamo 146:3, 4). Maherin’ny 2 700 taona lasa izay, dia nanome tsindrimandry an’i Isaia mpaminany i Jehovah Andriamanitra mba hanoratra hoe: “Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha (...). Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.” (Isaia 40:6, 8). Inona moa izany ‘teny’ maharitra izany? Tsy inona akory izy io fa ny fanambaran’Andriamanitra ny fikasany. Amin’izao andro izao isika dia manana an’io ‘teny’ io an-tsoratra, ao amin’ny Baiboly. — 1 Petera 1:24, 25.
2. Teo anoloan’ny fihetsika sy fanaovan-javatra inona avy no nanatanterahan’i Jehovah ny teniny momba ny Isiraely sy ny Joda fahiny?
2 Nahatsapa ny fahamarinan’izay noraketin’i Isaia an-tsoratra ny olona velona tamin’ny andron’ny Isiraely. Tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny, i Jehovah dia nanambara mialoha fa, noho ny tsy fahatokiana lehibe nasehon’izy ireo taminy, dia hoentina ho babo aloha ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely ary avy eo dia ny fanjakan’ireo foko roan’i Joda. (Jeremia 20:4; Amosa 5:2, 27). Nanenjika ny mpaminanin’i Jehovah izy ireo ka namono nahafaty azy ireny mihitsy aza; nandoro horonan-taratasy nirakitra ny hafatra fampitandremana avy amin’Andriamanitra izy ireo ary nitalaho fanampiana ara-tafika tamin’i Egypta mba hisakanana azy io tsy ho tanteraka. Na dia izany aza anefa, dia tsy nisy nivaona mihitsy ny tenin’i Jehovah. (Jeremia 36:1, 2, 21-24; 37:5-10; Lioka 13:34). Fanampin’izany, dia nisy fahatanterahany niavaka ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hisy Jiosy sisa nibebaka haverina any amin’ny taniny. — Isaia toko faha-35.
3. a) Fampanantenana inona avy izay noraketin’i Isaia an-tsoratra no mahaliana antsika manokana? b) Nahoana ianao no miaiky fa tena ho tanteraka tokoa ireo zavatra ireo?
3 Tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah dia nanambara mialoha koa ny amin’ny fanapahana marina iray izay hitantana ny olombelona amin’ny alalan’ny Mesia, sy ny fanafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana, ary ny fanovana ny tany ho paradisa. (Isaia 9:5, 6; 11:1-9; 25:6-8; 35:5-7; 65:17-25). Ho tanteraka ihany koa ve ireo zavatra ireo? Tsy misy isalasalana kely akory ny amin’izany! ‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ Nasainy noraketina an-tsoratra ny teniny ara-paminaniana mba ho tombontsoantsika, ary nataony izay hahazoana antoka fa voaro izy io. — Titosy 1:2; Romana 15:4.
4. Na dia tsy voaro aza ireo sora-tanana amin’ny Baiboly tany am-boalohany, amin’ny ahoana no marina ny hoe “velona” ny Tenin’Andriamanitra?
4 Tsy narovan’i Jehovah ireo sora-tanana tany am-boalohany nataon’ireo mpanoratra fahiny nanoratra ireo faminaniana ireo. Hita ho teny velona anefa ny ‘teniny’, izany hoe ny fikasany voambara. Mandroso tsy hay tohaina io fikasana io, ary satria izany no izy, dia manjary miharihary ny eritreritra sy ny antony manosika anaty ananan’ny olona manana fiainana voakasik’izy io. (Hebreo 4:12). Ankoatra izany, dia asehon’ny tantara fa araka ny fitondran’Andriamanitra ny fiarovana sy ny fandikana ny Soratra Masina.
Ny niatrehan’izy io ny ezaka natao hanafoanana azy
5. a) Inona no ezaka nataon’ny mpanjaka syriana iray mba hamotehana ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry? b) Nahoana no tsy nahomby izy?
5 Imbetsaka no nisy mpanapaka nikely aina hamotika ny soratra ara-tsindrimandry. Tamin’ny 168 al.f.i., i Antiochus Épiphane, Mpanjakan’i Syria (hita eo amin’ny pejy faha-10), dia nanangana alitara ho an’i Zeosy tao amin’ny tempoly natokana ho an’i Jehovah. Nanao haza lambo ‘ireo bokin’ny Lalàna’ koa izy, nandoro azy ireny, ary nanambara fa na iza na iza nanana Soratra Masina toy izany dia hovonoina ho faty. Na firy na firy anefa kopia nodorany tao Jerosalema sy Jodia, dia tsy nahafoana tanteraka ny Soratra Masina izy. Nisy Jiosy niely tany amin’ny tany maro tamin’izany fotoana izany, ary samy nanana fitambarana horonam-boky ny synagoga tsirairay. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:14, 15.
6. a) Ezaka mafy inona no natao mba hamotehana ny Soratra Masina nampiasain’ireo Kristiana tany am-boalohany? b) Inona no niafarany?
6 Tamin’ny 303 am.f.i., i Dioclétien, Emperora romana, dia nandidy koa ny handrodanana ireo toeram-pivoriana kristiana sy ‘handorana amin’ny afo ny Soratra Masina’ nananan’izy ireo. Nitohy nandritra ny folo taona izany famotehana izany. Na dia nahatsiravina aza ilay fanenjehana dia tsy nahavita namongotra ny Kristianisma i Dioclétien, ary ny solontenan’ilay emperora dia tsy navelan’Andriamanitra hamotika ny kopia rehetran’ny Teniny ara-tsindrimandry, eny fa na dia ny an’ny tapany iray tamin’izy io aza. Nampibaribary ny tao am-pon’ireo mpanohitra anefa ny fanoheran’izy ireo ny fanelezana sy ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Nampahafantatra ny tenany ho olona nohajambain’i Satana sy nanatanteraka ny sitrapony izy ireo. — Jaona 8:44; 1 Jaona 3:10-12.
7. a) Inona avy no ezaka natao mba hisakanana ny fielezan’ny fahalalana ara-baiboly tany Eoropa andrefana? b) Inona no tontosa raha ny amin’ny fandikana sy ny fanontana ny Baiboly?
7 Naka endriny hafa koa ny ezaka natao mba hisakanana ny fielezan’ny fahalalana ny Baiboly. Rehefa tsy nampiasaina teo amin’ny fiainana andavanandro intsony ny teny latina, dia tsy ireo mpanapaka mpanompo sampy, fa ireo nitonona ho Kristiana — ny Papa Grégoire VII (1073-1085) sy ny Papa Innocent III (1198-1216) — no niady mafy nanohitra ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny fampiasan’ny sarambabem-bahoaka. Mba hanamontsanana ny fitsipahana ny fahefan’ny eglizy, dia namoaka didy ny Konsilin’ny Eglizy Katolika tany Toulouse, any Frantsa, tamin’ny 1229, fa tsy nahazo nanana boky ao amin’ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny sarambaben’olona ny lahika. Nampiasaina tamin-kiry ny Inquisition mba hampiharana an’ilay didy. Taorian’ny 400 taona nanaovana ny Inquisition anefa, ireo tia ny Tenin’Andriamanitra dia efa nandika ny Baiboly manontolo sy nampiely fanontana vita pirinty tamin’izy io, tamin’ny fiteny 20 teo ho eo, ankoatra ireo fitenim-paritra hafa koa. Efa nandika ny tapany lehibe tamin’ny Baiboly tamin’ny fiteny 16 hafa izy ireo.
8. Nandritra ny taonjato faha-19, inona no nitranga teo amin’ny sehatry ny fandikana sy ny fanelezana ny Baiboly tany Rosia?
8 Tsy ny Eglizy Katolika ihany no nikely aina nanao izay tsy hahazoan’ny sarambabem-bahoaka ny Baiboly. Tany am-piandohan’ny taonjato faha-19, i Pavsky, profesora tao amin’ny Sekoly Ambony Momba ny Teôlôjia tany Saint-Pétersbourg, dia nandika ny Filazantsaran’i Matio avy tamin’ny teny grika ho amin’ny teny rosiana. Nisy boky hafa koa anisan’ny Soratra Grika Kristiana nadika ho amin’ny teny rosiana, ka i Pavsky no mpampanonta. Naely be dia be izy ireny, mandra-pahatongan’ny taona 1826, fony nandrokiroky ny tsar ny Eglizy mba hametraka ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Rosiana ho eo ambany fitantanan’ny “Synoda Masina” ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Rosiana, izay nisakana tanteraka ny asan’izy io tamin’izany fotoana izany. Tatỳ aoriana dia nandika ny Soratra Hebreo avy tamin’ny teny hebreo ho amin’ny teny rosiana i Pavsky. Tokony ho tamin’io fotoana io ihany, i Makarios, lehiben’ny monasiteran’ny Eglizy Ortodoksa, dia nandika koa ny Soratra Hebreo avy tamin’ny teny hebreo ho amin’ny teny rosiana. Nosazina noho ny ezaka nataony izy mirahalahy ireo, ary nampidirina tao amin’ny arisivan’ny Eglizy ny fandikan-tenin’izy ireo. Tapa-kevitra ny Eglizy ny hihazona ny Baiboly tamin’ny teny slavônika tranainy, izay tsy hain’ny sarambabem-bahoaka novakina na tsy azony tamin’izany fotoana izany. Rehefa tsy voasakan’ny “Synoda Masina” intsony ny ezaka nataon’ny olona mba hahazoana fahalalana ara-baiboly vao mba roboka nanao ny fandikan-teniny manokana ny Synoda, tamin’ny 1856. Nandrafitra toro lalana natao tamim-pitandremana fatratra izy ireo rehefa nanao azy io, mba hahazoana antoka fa hifanaraka amin’ny fihevitry ny Eglizy ny teny nampiasaina. Araka izany, raha ny fampielezana ny Tenin’Andriamanitra no asian-teny, dia nihanibaribary ny hantsana nampisaraka ny endrika ivelany nananan’ireo mpitondra fivavahana sy ny tena tao andohan’izy ireo, araka ny nahariharin’ny teniny sy ny zavatra nataony. — 2 Tesaloniana 2:3, 4.
Fiarovana ny teny tsy ho simba
9. Ahoana no nampisehoan’ny mpandika tenin’ny Baiboly sasany ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra?
9 Anisan’ireo izay nandika sy nanao kopia ny Soratra Masina ireo lehilahy tena tia marina ny Tenin’Andriamanitra ka nanao ezaka tamim-pahatsorana mba hahazoan’ny rehetra azy io. Maty martiora i William Tyndale (tamin’ny 1536), noho ny zavatra nataony mba hahatonga ny Baiboly hisy tamin’ny teny anglisy. Naiditry ny Inquisition Katolika am-ponja i Francisco de Enzinas (taorian’ny 1544), noho ny nandikany sy namoahany ny Soratra Grika Kristiana tamin’ny teny espaniola. Nanao vivery ny ainy i Robert Morrison (nanomboka tamin’ny 1807 ka hatramin’ny 1818) rehefa nandika ny Baiboly ho amin’ny teny sinoa.
10. Ohatra inona avy no mampiseho fa nisy mpandika teny natosiky ny fitaomana hafa ankoatra ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra?
10 Indraindray anefa, dia nisy anton-javatra hafa ankoatra ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra, nanan-kery teo amin’ny asan’ireo mpanao kopia sy mpandika teny. Diniho ireto ohatra efatra ireto: 1) Nanorina tempoly teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritana mba hifaninanana tamin’ny tempoly tao Jerosalema. Ho fanohanana izany, dia nisy teny nasisika tao amin’ny Pentateuque samaritana, ao amin’ny Eksodosy 20:17. Natsofoka ho toy ny anisan’ny Didy Folo ilay didy mba hanorina alitara vato teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima sy hanolotra fanatitra teo. 2) Nanolana ny dikan-teniny ilay olona nandika voalohany ny bokin’ny Daniela ho amin’ny Septante grika. Nanisika fanambarana izay noheveriny fa hanazava na hanatsara ny tao anatin’ny soratra hebreo izy. Tsy nampiditra tsipirian-javatra izay noheveriny ho tsy ho azon’ny mpamaky ekena izy. Rehefa nandika ny faminaniana momba ny fotoana hisehoan’ny Mesia, hita ao amin’ny Daniela 9:24-27, izy, dia nandiso ilay fe-potoana voalaza, ka nanampy sy nanova ary nampifamadika teny. Ny nokendreny tamin’izany dia miharihary fa ny hahatonga an’ilay faminaniana ho toa manohana ny adin’ireo Makabeo. 3) Tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i., tao amin’ny lahatsoratra latina iray, ny mpanohana ny Trinite nafana fo izaitsizy, dia toa nampiditra ny teny hoe “any an-danitra, ny Ray sy ny Teny ary ny fanahy masina; ary iray izy telo ireo”, ho toy ny hoe teny avy tao amin’ny 1 Jaona 5:7. Tena nampidirina tao amin’ny sora-tanana latina iray amin’ny Baiboly io andalan-teny io tatỳ aoriana. 4) Tany Frantsa, i Louis XIII (1610-1643), dia nanome lalana an’i Jacques Corbin mba handika ny Baiboly ho amin’ny teny frantsay mba hanoherana ny ezaka nataon’ny Protestanta. Noho ny fananany an’izany zava-kendrena izany, dia nanisika teny sasany i Corbin, anisan’izany ny firesahana ny amin’ny “sorona masin’ny Lamesa” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:2.
11. a) Ahoana no nampaharitra ny Tenin’Andriamanitra na dia tsy nanao ny marina aza ny mpandika teny sasany? b) Manao ahoana ny habetsahan’ny porofo omen’ny sora-tanana tranainy, mba hanaporofoana izay voalazan’ny Baiboly tany am-boalohany? (Jereo ny faritra voafefy.)
11 Tsy nisakana izany fanamboamboarana ny Teniny izany i Jehovah, ary tsy nanova ny fikasany rahateo koa izany. Inona no vokatr’izany? Tsy nahatonga ny fivavahan’ny Samaritana ho fitaovana ampiasain’Andriamanitra hitahiana ny olombelona akory ny nanampiana teny momba ny Tendrombohitra Gerizima. Nanome porofo kosa izany fa, na dia nihambo ho nino ny Pentateuque aza ny fivavahan’ny Samaritana, dia tsy azo nianteherana hampianatra ny fahamarinana izy io. (Jaona 4:20-24). Ny nanolanana ny fomba filaza zavatra tao amin’ny Septante, dia tsy nisakana ny Mesia tsy ho tonga tamin’ny fotoana nambara mialoha tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany. Ankoatra izany, na dia nampiasaina aza ny Septante tamin’ny taonjato voalohany, dia hita fa zatra nihaino ny Soratra Masina novakina tamin’ny teny hebreo ny Jiosy, tany amin’ny synagogany. Ho vokany, dia “niandry ny olona” rehefa nanakaiky ny fotoana hahatanterahan’ilay faminaniana. (Lioka 3:15). Raha ny amin’ireo teny nasisika ao amin’ny 1 Jaona 5:7 mba hanohanana ny Trinite sy ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:2 mba hanamarinana ny Lamesa, dia tsy nanova ny atao hoe fahamarinana akory ireny. Ary nihanjahanja tanteraka ireo hosoka ireo tatỳ aoriana. Misy maro dia maro tokoa ireo sora-tanana amin’ny Baiboly tamin’ny fiteny tany am-boalohany, hany ka fitaovana iray hanamarinana ny maha-marim-pototra ny fandikan-teny rehetra, izy ireny.
12. a) Fanovana lehibe inona avy no nataon’ny mpandika Baiboly sasany? b) Tonga hatramin’inona ireny fiovana ireny?
12 Mihoatra noho ny fanamboarana indray ny fomba filaza zavatra tamin’ny andinin-teny sasantsasany ny ezaka hafa natao mba hanovana ny Soratra Masina. Izany dia famelezana ny maha-izy an’ilay Andriamanitra marina mihitsy. Ny karazan’ireo fanovana sy ny halehibeny dia manome porofo mazava ny amin’ny fitaomana avy amin’ny loharano mahery noho ny olona na fikambanan’olombelona na iza na iza — eny, fitaomana avy amin’ilay fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, dia i Satana Devoly. Nisy mpandika teny sy mpanao kopia nanaiky ho resin’io fitaomana io ka nanomboka nanaisotra ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jehovah, tsy ho ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, izany hoe tao amin’ireo toerana an’arivony maro nisehoany. May ny hanao izany ny sasany, fa nanao izany tsy satry kosa ny hafa. Taloha ela be dia tsy nampiditra mihitsy ny anaran’Andriamanitra na tsy nihazona azy io afa-tsy tamin’ny toerana sasantsasany ny mpandika teny sasany avy tamin’ny teny hebreo ho amin’ny teny grika, latina, alemà, anglisy, italiana, sy holandey, ankoatra ny fiteny hafa. Notsoahana tamin’ireo kopian’ny Soratra Grika Kristiana koa izy io.
13. Nahoana ny ezaka natao hatraiza hatraiza mba hanovana ny Baiboly no tsy nahakosoka ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny fitadidian’olombelona?
13 Na dia izany aza, dia tsy voakosoka tao amin’ny fitadidian’olombelona io anarana be voninahitra io. Misy dika tenin’ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny espaniola, portogey, alemà, anglisy, frantsay, sy ny maro hafa, nampiditra araka ny marina ny anarana manokan’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato faha-16, ny anarana manokan’Andriamanitra dia efa nanomboka niseho indray tao amin’ny fandikan-teny hebreo maro samihafa ho an’ny Soratra Grika Kristiana; tamin’ny taonjato faha-18 ny tamin’ny teny alemà; tamin’ny taonjato faha-19 ny tamin’ny teny kroaty sy anglisy. Na dia mety hiezaka hanafina ny anaran’Andriamanitra aza ny olona, rehefa ho tonga ny “andron’i Jehovah”, araka ny fanambaran’Andriamanitra, dia ‘ho fantatr’ireo firenena fa Izaho no Jehovah’. Tsy hisy hivaona mihitsy izany fikasan’Andriamanitra voambara izany. — 2 Petera 3:10, NW; Ezekiela 38:23; Isaia 11:9; 55:11.
Hafatra mahenika ny tany manontolo
14. a) Tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ, fiteny firy fampiasa any Eoropa no nanaovana pirinty ny Baiboly, ary inona no vokany? b) Tamin’ny faran’ny taona 1914, efa nisy tamin’ny fiteny firy fampiasa atsy Afrika ny Baiboly?
14 Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia efa vita pirinty tamin’ny fiteny 94 fampiasa any Eoropa ny Baiboly. Izany dia nahatonga an’ireo mpianatra ny Baiboly tany amin’io faritra amin’ny tany io hahafantatra fa hisy fisehoan-javatra tena lehibe hitranga miaraka amin’ny fifaranan’ny Andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914, ary dia izany tokoa no nitranga! (Lioka 21:24). Talohan’ny nifaranan’ny taona 1914, izay taona nanan-tantara, dia efa natonta tamin’ny fiteny 157 fampiasa atsy Afrika ny Baiboly, na izy manontolo na ny boky sasany taminy, ho fanampin’ny teny anglisy sy frantsay ary portogey izay be mpampiasa. Efa voapetraka, araka izany, ny fototra ho amin’ny fampianarana ireo olona manetry tena anisan’ireo foko sy firenena maro monina any, mba hampianarana azy ireo ny fahamarinana ara-baiboly manafaka ara-panahy.
15. Nanao ahoana ny fielezan’ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny olona any amin’ireo tanin’i Amerika, rehefa nanomboka ny andro farany?
15 Rehefa tonga tao anatin’ny andro farany nambara mialoha izao tontolo izao, dia efa nisy hatraiza hatraiza tany amin’ireo tanin’i Amerika ny Baiboly. Nitondra azy io niaraka taminy, tamin’ny fiteniny maro samihafa, ireo mpiavy avy tany Eoropa. Nisy fandaharana goavana fampianarana Baiboly natao, niaraka tamin’ny lahateny ampahibemaso sy fizarana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly be dia be, navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Fanampin’izany, ny fanaovam-pirinty ny Baiboly dia efa nataon’ny fikambanana mpampiely Baiboly tamin’ny fiteny 57 hafa, mba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ireo mponina teratany any amin’ny Ila Bolan-tany Andrefana.
16, 17. a) Efa nanao ahoana ny fielezan’ny Baiboly rehefa tonga ny fotoana hitoriana maneran-tany? b) Amin’ny ahoana ny Baiboly no hita marina ho boky maharitra sy tena misy heriny?
16 Rehefa tonga ny fotoana hitoriana ny vaovao tsara maneran-tany, alohan’ny ‘hahatongavan’ny farany’, dia tsy hoe vao tonga tany Azia sy ireo nosin’i Pasifika akory ny Baiboly. (Matio 24:14). Efa natonta tamin’ny fiteny 232 mampiavaka an’iny faritra amin’ny tany iny, izy io. Baiboly feno ny sasany; maro taminy no fandikan-tenin’ny Soratra Grika Kristiana; ny hafa moa dia boky iray monja tamin’ny Soratra Masina.
17 Mazava fa tsy toy ny an’ireny boky tranainy arantiranty any amin’ny tranombakoka ireny ny faharetan’ny Baiboly. Amin’ny boky rehetra misy, dia izy no voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra ary ny boky miely patrana indrindra. Mifanaraka amin’izany porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra izany, dia tanteraka izay voarakitra an-tsoratra ao amin’io boky io. Nisy heriny naharitra teo amin’ny fiainan’ny olona tany amin’ny tany maro koa ny fampianaran’izy io sy ilay fanahy izay angady nananana azy io. (1 Petera 1:24, 25). Hisy zavatra be dia be hitranga anefa — eny, be lavitra.
Tadidinao Ve?
◻ Inona moa ilay “tenin’Andriamanitsika” izay maharitra mandrakizay?
◻ Inona avy no ezaka natao mba hanafoanana ny Baiboly, ary inona avy no vokatr’izany?
◻ Ahoana no niarovana ny tsy fiovan’ny Baiboly?
◻ Amin’ny ahoana no teny velona ny fanambaran’Andriamanitra ny fikasany?
[Efajoro, pejy 12]
Tena Fantatrao ve Izay Voalazan’ny Baiboly Tany Am-boalohany?
Sora-tanana hebreo tokony ho 6 000 no manamarina ny raketin’ny Soratra Hebreo. Natao talohan’ny andro kristiana ny sasantsasany amin’izy ireo. Fara fahakeliny, dia 19 amin’ny sora-tanana amin’ny Soratra Hebreo manontolo, misy ankehitriny, no natao tamin’ny vanim-potoana talohan’ny namoronana ny fanontam-pirinty tamin’ny lohavỳ. Fanampin’izany, nanomboka tamin’io vanim-potoana io ihany, dia nisy fandikan-teny natao ho amin’ny fiteny 28 hafa.
Ho an’ny Soratra Grika Kristiana, dia sora-tanana grika tokony ho 5 000 no efa nampidirina tao amin’ny lisitra. Natao talohan’ny 125 am.f.i. ny iray amin’ireo, ka noho izany dia taona vitsivitsy monja taorian’ny fotoan’ny soratra tany am-boalohany. Ary heverina ho efa natao ela be talohan’io aza ny sombin-taratasy sasany. Ny 22 amin’ireo boky ara-tsindrimandry 27, dia misy sora-tanana onciaux manontolo miisa 10 ka hatramin’ny 19. Ny vitsy an’isa indrindra amin’ny sora-tanana onciaux manontolo, ho an’ny iray amin’ireo boky anisan’io tapany amin’ny Baiboly io, dia telo — ny an’ny Apokalypsy. Natao tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. ny sora-tanana iray amin’ny Soratra Grika Kristiana manontolo.
Tsy misy boky tranainy hafa izay voamarin’ny porofo omen’ny tahirin-kevitra tranainy tsy toko tsy forohana toy izany.