-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
17, 18. a) Nahoana ireo Jiosy tany an-tsesitany no afaka natoky ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny? b) Fanontaniana nahatahotra inona avy no napetrak’i Isaia?
17 Afaka natoky an’ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny ireo Jiosy tany an-tsesitany, satria faran’izay mahery sady faran’izay hendry Andriamanitra. Hoy i Isaia: “Iza no namatra ny rano teo am-pela-tànany, ary [nandrefy, “NW” ] ny lanitra tamin’ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
18 Ireo fanontaniana nahatahotra ireo dia natao hosaintsainin’ireo Jiosy tany an-tsesitany. Afaka misakana ny fisondrotan’ny ranomasina ve ny olombelona? Mazava ho azy fa tsia! Kanefa, amin’i Jehovah, ny ranomasina izay mandrakotra ny tany dia toy ny rano indray mitete eo am-pelatanany.b Moa ve izay olombelona ambany kely erỳ afaka mandrefy ny lanitra midadasika sy feno kintana, na mandanja ireo tendrombohitra sy havoanan’ny tany? Tsia. Kanefa, i Jehovah dia mandrefy ny lanitra mora foana, toy ny andrefesan’ny olona zavatra iray amin’ny zehy—halavan-drefy hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala henjanina tsara. Toy ny hoe afaka mandanja ireo tendrombohitra sy havoana amin’ny mizana Andriamanitra.
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
b Nisy nandrefy ny “lanjan’ny ranomasimbe [ho] sahabo ho 1 350 000 tapitrisa tapitrisa (1,35 x 1018) taonina, na tokony ho 1/4400-n’ny lanjan’ny Tany manontolo”.—Encarta 97 Encyclopedia.
-