-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Nisy mpanafaka iray nantsoina
6. Inona no nolazain’ilay mpaminany momba ny mpandresy iray ho avy?
6 Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah fa hisy mpandresy iray, izay sady hamonjy ny vahoakany avy ao Babylona, no hampihatra didim-pitsarana amin’ny fahavalony. Hoy izy: “Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
7. Iza moa ilay mpandresy ho avy, ary inona no hotanterahiny?
7 Iza moa ilay notairina avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro tany atsinanana? Tany atsinanan’i Babylona no nisy ny tanin’i Media-Persia sy Elama. Avy tany no niaingan’i Kyrosy Persanina, niaraka tamin’ireo tafiny nahery be. (Isaia 41:25; 44:28; 45:1-4, 13; 46:11) Tsy mpivavaka tamin’i Jehovah i Kyrosy, nefa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Nandresy mpanjaka maro i Kyrosy, ka niparitaka tahaka ny vovoka teo anoloany izy rehetra.
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Tamin’ny taona 539 T.K., dia tonga tao Babylona, ilay tanàna nahery, i Kyrosy, ka nanongana azy io. Nafahana avy tao àry ny vahoakan’Andriamanitra, mba hiverina tany Jerosalema, ka hampiorina ny fivavahana marina tany indray.—Ezra 1:1-7.c
-