-
“Izaho Jehovah Andriamanitrao no Mitantana Anao Amin’ny Tananao Ankavanana”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Janoary
-
-
“Izaho Jehovah Andriamanitrao no Mitantana Anao Amin’ny Tananao Ankavanana”
IZAO matetika no lazain’ny ray amin’ny zanany rehefa hiampita arabe izy ireo: “Avia tantanako!” Fihinin’ny dadany amin’ny tanany matanjaka be ny tanan-kelin’ilay zaza, ka tsy manana ahiahy erỳ izy. Efa mba naniry an’izany hoe misy mpitantana izany ve ianao mba hanampy anao hamakivaky ny fiainana? Raha izany àry, dia mety hampahery anao ny Isaia 41:10, 13. (Vakio.)
Tamin’ny Israely i Isaia no nilaza an’ireo teny ireo. Marina fa noraisin’Andriamanitra ho ‘fananany manokana’ izy ireo, kanefa mbola nanana fahavalo be dia be ihany. (Eksodosy 19:5) Tsy nila natahotra anefa izy ireo. Naniraka an’i Isaia mantsy i Jehovah mba hampita an’io hafatra mampahery io tamin’izy ireo. Mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa anefa ireo teniny ireo. Andeha àry hodinihintsika izany.—Romanina 15:4.
-
-
“Izaho Jehovah Andriamanitrao no Mitantana Anao Amin’ny Tananao Ankavanana”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Janoary
-
-
Inona àry no azon’ny vahoakan’i Jehovah antenaina? Hoy izy: “Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” (Andininy 10) Hoy koa izy: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana.” (Andininy 13) Inona no tonga ao an-tsainao amin’izany? Milaza toy izao ny boky iray: ‘Raha dinihina ireo andininy roa ireo, dia ray miaraka amin’ny zanany no azo sary an-tsaina. Tsy hoe mitazan-davitra fotsiny ilay ray ka rehefa misy loza vao tonga miaro an’ilay zaza, fa miaraka aminy mihitsy ary tsy havelany hisaraka aminy izy.’ Toy izany koa i Jehovah. Tsy havelany ho tafasaraka aminy mihitsy ny vahoakany, na dia ao anatin’ny fotoana faran’izay mangidy aza izy ireo.—Hebreo 13:5, 6.
-