-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Hikororoka azy hianao, ka hopaohin’ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; fa hianao kosa dia hiravoravo amin’i Jehovah, ary ny Iray Masin’ny Isiraely no ho reharehanao.”—Isaia 41:15, 16.
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Rehefa hiverina avy any an-tsesitany ny Isiraely, dia handresy ny fahavalony, izay hitady hisakana ny fanorenana indray ilay tempoly sy ny mandan’i Jerosalema. (Ezra 6:12; Nehemia 6:16) Kanefa ho tanteraka amin’ny lafiny lehibe eo amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” ireo tenin’i Jehovah ireo. (Galatiana 6:16) Hoy i Jesosy tamin’ny Kristianina voahosotra: “Izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa; ary hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko.” (Apokalypsy 2:26, 27) Ho avy tokoa ny andro hahazoan’ny rahalahin’i Kristy ny voninahitra any an-danitra, ka hiarahany hiasa aminy mba handringana ny fahavalon’i Jehovah Andriamanitra.—2 Tesaloniana 1:7, 8; Apokalypsy 20:4, 6.
-